]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Parisy Cop21. Tsy « kaopy » sy tsy kaonty mihitsy ny Gasy e !

Parisy Cop21. Tsy « kaopy » sy tsy kaonty mihitsy ny Gasy e !

Ho an’ingahy ity tokoa dia manga toa ny lokon’ny Hvm foana ny lanitra. Fa maninona ? Satria ho 100% Hvm ny ao amin’ny Lapan-doholona (« Sénat »). Tsy ireo mpividy lehibe (« Grands électeurs ») no ho vendrana tsy hahay hifidy fa ny rafitra napetraka sy ny fiandanian’ilay CENI « vaovao » tsy mahaleotana no hahatonga izany. Toa tamin’ny andron’i Dadabe Tsiranana e! Ho aiza eo anefa? Fa dia any ambony any foana ny mason’i Hery Vaovao fa tsy te-hahalala ireo Malagasy 23 tapitrisa ao ambaniny (Ianareo no te-hifidy ahy sisa no tsy nivoaka ny vavany). Niala teto Madagasikara izy (18 Novambra) tsy re tsaika; niverina izy (24 Novambra) tsy re tsaika; lasa indray izy (28 novambra) torak’izany. Dia ao Parisy indray izy izao. Fa inona ny maha filoham-pirenena azy raha atao toerana fandalovana ihany ny tany nahavoafidy azy e!? Sady tsy misy fanazavana na iray segondra fa manao tsinontsinona ny mpiray tanindrazana fotsiny izao. Kay kanosa matahotra ny masony nefa te-hividy ny lohany. Tandremo fa hanody daholo izany fihetsika izany an!

Manomboka androany 30 Novambra 2015 izany ilay fihaonam-be mikasika ny Toetrandro atao hoe « COP21 », ka ny ho avin’ny zanakolombelona rehetra (miisa 7 miliara mahery amin’ity taona 2015 ity) no ho resahina. Firenena 195 ary Filoham-pirenena sy Lehibena governementa mihoatra ny 150 no ho tonga ao Parisy (Frantsa). Anisan’izany i Madagasikara tarihin’iry ambony iry.

Asa fa dia natao ho an'ny vazaha tokoa ity sehatry ny Tontolo iainana malagasy ao aminy Internet ity. Tsy misy fiezahana, finiavana sy fijerena ary fitsinjovana ireo mpiray tanindrazana tsy mahay miteny frantsay mihitsy! Maro dia maro anefa izy ireo

Tsy fantatra hoe iza marina no any fa dia hoe olona 40 isa izay tsy ho tazana mihitsy ao anatin’ireo mpandray anjara aman’arivony. Tsy izay ihany. Tsy misy ny mangarahara. Tsy vitan’izany koa fa tsy nisy mihitsy ny ezaky ny ministeran’ny Tontolo iainana eo amin’ny fanomezana vaovao AMINY TENY MALAGASY mikasika ny tena anton’ity COP21 ity, ho an’ny maro an’isa, ary tsy misy ihany koa izay mba sosokevitra ho entina hiadivana amin’inona.


Aiza moa ny vahoaka malagasy no iraika fa ny androany ihany no fantany. Nefa dia hoe: "ANDAO HIARA-HIHETSIKA HO AN'NY TOETRANDRO". Fa dia "robots" tokoa ve ra-Malagasy e!? Ie, satria tsy ampahafantarina fa ireo olona mpitondra mandalo ireo anie MPIASAM-BAHOAKA fa tsy natao ho tompoina e! Mbola ho ela ny fiovan-toe-tsaina raha izay foana. Mbola hanao ny ataony foana ireo mpambotry Tanindrazana iombonana. Matesa ireo maro ho faty alohan'ity fitondrana ity.

Tsy misy vaovao mikasika an'i Madagasikara amin'ny teny malagasy azo raisina ny ao anatin'ity kaonty facebook ity. Seho ivelany ihany fa dia miandry ny sary ao Parisy angaha? Raha hisy... Fa tsy maintsy hisy anefa satria izay ilay seho e...

Misy kaonty facebook noforonina (io ambony io) ary hoe andrim-pitondrana hono («organisme gouvernemental»). Fa dia sady natao amin’ny teny frantsay ilay izy no tsy hahitana vaovao na iray aza ny mikasika ny olana misy eto Madagasikara ka ho vahana ary amin’ny fomba manakory.


K’inona moa fa dia seho ivelany toa ny mahazatra e! Ny andrandrain’ny ekipan’ny filoha Rajaonarimampianina dia tsotra: ilay « Green Climate Fund - Fonds Vert pour le Climat » (vola maitso natokana ho an’ny toetrandro). Dia avy any indray vao hilaza fa « nahazo » izao miliara an-jatony hiarovana ny tontolo iainana. Izay vao « hihetsika ». Ho tompon-trano miononona hatramin’ny rahoviana izany Ra-Malagasy e? Fa dia tsindrio fa lavo satria tsy miteny? Tandremo fa tsy resy akory ny olo-mangina maro, ary ny Tantara hiverimberina eny ihany ary hitovy foana ny vokany satria mitovy foana koa ny antony.

Parisy COP21? Sady tsy « kaopy » no tsy kaonty ny Malagasy 23 tapitrisa e! Higadona tsy ho ela ny Krisimasy 2015. Fa dia ho krisy mafy no hatrehin’ny Malagasy maro an’isa niantehitra hazo boboka sy lo tanteraka.

Jeannot Ramambazafy – 30 novambra 2015

Mis à jour ( Lundi, 30 Novembre 2015 04:00 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...