]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Ban Ki-moon: «Ny fomba fiainan’ny Olombelona ihany ny mahatonga ny fiovaovan’ny toetrandro»

Ban Ki-moon: «Ny fomba fiainan’ny Olombelona ihany ny mahatonga ny fiovaovan’ny toetrandro»

Parisy, 30 Novambra 2015. Tamin’ny fanokafana ny COP21 tontosaina ao Parisy. Ny Sekretera Jeneralin'ny ONU, Ban Ki-moon; ny Filoha frantsay, François Hollande, ny minisitry ny Raharaham-bahin frantsay sady Filohan'ny COP21, Laurent Fabius. Ery aoriana, ny minisitry ny Tontolo iainana frantsay, Ségolène Royal. Sary: Rick Bajornas (ONU)

Iray andro nialohan’ny fanokafana ara-pomba ofisialy ilay Fihaonam-be COP21 (Konferansin’ny Firenena Mikambana momba ny Fiovaovan’ny Toetrandro) izay tontosaina ao Parisy, ny 30 Novambra ka hatraminy 11 Desambra 2015, dia nanao fanambarana Andriamatoa Ban-Ki-moon, Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana (ONU). Tao amin’ny Foiben’ny filazam-baovaon’ny ONU tao Parisy no nanaovany izany, ny 29 Novambra 2015.


Paris, 29 Novambra 2015. Ban-Ki-moon tao amin’ny Foiben’ny filazam-baovaon’ny ONU nanaovany ity fanambarana manaraka ity. Sary: Rick Bajornas (ONU)

« Velom-panantenana aho ary resy lahatra fa ireo mpitondra maneran-tany dia hamoaka fifanarahana hanan-danja iraisan’izao tontolo izao, hiadiavana amin’ny fiovaovan’ny toetrandro. Efa ela isika no niasa mafy ka fotoanan’ny fampiarana izao. Nahatsapa favitriana avy amin’ireo firenena mikambana ato amin’ny ONU aho. Fantatr’izireo fa tsy maintsy misy fepetra ho raisina. Nisy ny planina norafetana ka nampibaribary fa maro ireo firenena vonona ny andray fepetra mahomby hiadivana amin’ny fiovaovan’ny toetrandro. Maro koa ireo izay naniry hisiana rafitra ao anatin’ilay fifanarahana hafahan’izy ireo manafaingana ny vinany sy hahatratra ny tanjona iombonana, dia ny fitazomana ny mari-pana tsy mihoatra ny 2 « degré Celsius ». Miankina amin’ny fahombiazan’ny fivoriana COP 21 izany tanjona izany.

Ny tanjona faha-13 ao anatin’ireo ODD (Tanjon’ny Fampandrosoana maharitra) dia mifantoka eo amin’izay toetrandro izay. Raha ohatra isika tsy mampiatra fifanarahana entitra momban’ny fiovaovan’ny toetrandro dia hisy fiantraikany ratsy eo amin’ireo ODD rehetra satria tsy afaka mandeha irery na sarahina ka raisaina tsirairay izy rehetra. Manaporofo amina fomba mazava sy tsy azo ivalozana ny siansa fa ny fomba fiainan’ny Olombelona ihany ny mahatonga ny fiovaovan’ny toetrandro. Mazava izany fa tokony ny Olombelona ihany no manova ny fomba fiainany. Tsy maintsy hataon-tsika izany. Tsy manana fotoana ho laniana intsony isika. Izay ny mahatonga ahy manao antso avo ho an’ny mpitondra maneran-tany mba handraisany fepetra sy fitarihina mavitrika eo amin’ny lafiny ara-moraly sy ara-politika ho an’ny Zanakolombelona tsy an-kanavaka ».

Nandika : Jeannot Ramambazafy – 30 Novambra 2015

Mis à jour ( Lundi, 30 Novembre 2015 17:29 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...