Ankavia miankavanana: Holijaona Raboana, Freddie Mahazoasy (Filoha lefitry ny Antemierampirenena), JOEL Harison Marie René
FAMELABELARANA NATAONâAndriamatoa JOEL HARISON Marie RenĂ© â Filohanâny Cercle de RĂ©flexion pour lâAvenir de Madagascar (CRAM) NANOLOANA IREO SOLOMBAVAM-BAHOAKANâI MADAGASIKARA NANDRITRA NY « SEANCE PLENIERE » NY 18 DESAMBRA 2015 TAO AMINâNY LAPANâNY ANTINIMIERAM-PIRENENA TSIMBAZAZA
Faly miarahaba anao Andriamatoa Filohanâny Antenimieram-pirenena sy ianareo Mpikambanana aminâny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena ary ianareo Solombavam-bahoakanâi Madagasikara rehetra manatrika anay etoana. Maneho fisaorana feno aminâny fandraisana anay.
Ny anjara fitenenako dia ny famelabelarana ireo olana fototra manodidina ny resaka Iles Eparses (Nosy Malagasy) sy ireo vaha-olana maharitra hatolotray.
Mialohanâizany dia mamelĂ ahy ianareo hilaza fohy ny dingana nolalovanâny CRAM sy ny Emergence de Madagascar taminâny fitakiana ny famerenana ireo Nosy malagasy ireo satria ny tantara tsy fanadino sady mipetraka ho lovanâny taranaka faramandimby.
Ny taona 2009 izahay no nanomboka nanao fanambarana aminâny fitakiana ny famerenana ireo Nosy malagasy ireo
Taorianâny loza nihantra taminâireo mpanjono mpiray tanindrazana tao Mahajanga ny 29 mars 2014 dia nifandray taminâny fianakavianâireo mpanjono sisa velona taminâizany loza an-dranomasina izany ny CRAM ary nijery ifotony tany an-toerana ny tena zava-misy marina ny 20 jona ka hatraminâny 22 jona 2014.
Ny 24 mai 2014 dia nanao antso avo ny CRAM aminâny hananganana ny Filan-kevim-pirenena na ny « Conseil National pour la restitution des Iles Eparses et pour la revendication du plateau continental ».
Ny volana jolay 2014 dia tafatsangana ny « Association des pĂȘcheurs Malagasy pour la restitution des Iles Eparses et pour la reconstruction de Madagascar ».
Aminâny anaranâny fifankatiavana misy eo aminâny vahoaka Malagasy sy ny vahoaka Frantsay dia nandefa taratasy ho anâny Filohanâny Antenimeram-pirenena sy ny Filohanâny Antenimieran-doholona frantsay izahay taminâny 03 jolay 2014 ary ny dika mitovy taminâireo taratasy ireo dia nandefasana ho anâny Loholona sy Solombavam-bahoaka frantsay rehetra taminâny 5-6 jolay 2014 miangavy ireo olom-boafidim-bahoaka frantsay ireo mba
hilaza aminâny governemanta frantsay ny fanafoanana ny didim-panjakana na « abrogation du dĂ©cret n° 60 â 555  du 1er avril 1960 et du dĂ©cret n°78-146 du 3 fĂ©vrier 1978 » satria manaja ny fanjakana tan-dalana (« Etat de droit ») sy ireo fehin-kevitra iraisam-pirenena tapaka teo anivonâny Firenena Mikambana ary manaiky ny fifanarahana iraisam-pirenena nankatoaviny sy nataony sonia ny firenena frantsay.
Tafatsangana taminâny fomba ofisisaly ny « ComitĂ© National pour la Restitution des Iles Eparses et pour la Revendication du Plateau Continental » taminâny 15 septambra 2014.
Ny 22 septambra 2014 dia noraisinâAndriamatoa Jean Max RAKOTOMAMONJY â Filohanâny Antenimieram-pirenena ireo mpikambana mpanorina ny ComitĂ© national izany.
Nahazo fanasana taminâny RĂ©seau Africain du Secteur de la SĂ©curitĂ© izahay ny volana oktobra 2014. Ny solontenanâny CRAM sy ny « ComitĂ© national pour la restitution des Ăźles Ă©parses et pour la revendication du plateau continental » dia niresaka nandritra ny ora maro sy nanolotra ireo antotan-taratasy mikasika ny fitakiana ny famerenana ireo « Ăźles Ă©parses » ho anâireo mpikambana avy aminâny Nations Unies, Union EuropĂ©enne, Union Africaine, SADC, OIF sy ireo mpikambana ao aminâny « RĂ©seau Africain du Secteur de la SĂ©curité» ny 09 oktobra 2014.
Ny fiandohanâny taona 2015 dia nametraka « lobbing » teo anivonâny sehatra iraisam-pirenena izahay aminâny fitakiana ireo Nosy Malagasy ireo.
Nifandray taminâireo Fikambakana any ivelany nitaky hatraminâny ela ireo Nosy Malagasy ireo izahay dia ny « Madagascar RĂ©sistance » sy ny « Collectifs pour Madagascar Ă la RĂ©union » ary ny CRAM France.
Nisy ny firesahana taminâireo tomponâandraikitry ireo Firenen-dehibe maneran-tany.
Manomboka nahitam-bokany izany aminâizao fotoana.
Tonga eo aminâny dingana farany izahay aminâizao fotoana izao ary izao tonga eto anatrehanareo Solombavam-bahoakanâi Madagasikara izao.
Raha izay no dingana efa nolalovanay dia hitondrako famelabelarana manaraka ny mombanâireo fototry ny olana momba ireo Nosy malagasy ireo.
Raha izay no dingana efa nolalovanay dia hitondrako famelabelarana manaraka ny mombanâireo fototry ny olana momba ireo Nosy malagasy ireo.
IREO OLANA FOTOTRA MOMBA IREO NOSY MALAGASY
Tsara ho fantatry ny mpiray tanindrazana ny tena olana fototra momba ireo Nosy malagasy ireo ka mitarika ny fitakiana ny famerenena azy ireo aminâizao fotoana izao. Tsy ady tany tsotra no misy fa fibodoana tany tsotra izao sy fakana fari-dranomasina malagasy no nataonâny fitondram-panjakana frantsay samy irery. Inona avy ireo olana fototra momba anâireo Nosy malagasy ?
1. Famerenana manontolo aminâny tany voazanaka ny fiandrianam-pireneny
Ho fampiharana ny lalĂ na taminâny 6 aoĂ»t 1896 dia ny «acte du 31 octobre 1897» no namaritra fa zanatany frantsay ireo Nosy malagasy ireo. Niankina taminâny « province de Tananarive » ireo Nosy ireo taminâny 1921, avy eo dia taminâny « province de Morombe » (1930), ary farany taminâny « district de Nosy Be » (1932).
Tsy nohajainâny fitondram-panjakana frantsay ny lalĂ na iraisam-pirenena mifehy ny fiverenanâny fahaleovantenanâny tany voazanaka sy ny zonâny vahoaka malagasy araka ny « RĂ©solution 1514 (XV) DĂ©claration sur lâoctroi de lâindĂ©pendance aux pays et aux peuples coloniaux » nandritra ny Fivoriambenâny Firenena Mikambana taminâny 14 desambra 1960 satria raha nomena ny fahaleovantena isika malagasy taminâny 26 jona 1960 dia nalainâny frantsay taminâny malagasy ireo « Ăźles Ă©parses » (Nosy malagasy) taminâny alalanâny « dĂ©cret n°60-555 du 1er avril 1960 » ary lasa teo ambany fiadidianâny MinistĂšre dâOutre-mer ary ny PrĂ©fet de la RĂ©union no niandraikitra ny fitantanana azy ireo hatraminâizao.
Notohizanâny fitondram-panjakana frantsay izany politika mpanjanahana izany ary vao maika nogejainy ho anâisanâny « Terres Antarctiques et Australes Françaises » (TAAF) ireo Nosy malagasy.
2. Ny namaritanâny Frantsay samy irery ny fari-dranomasina ho azy manodidina ireo Nosy Malagasy ireo
Taminâny alalanâny « DĂ©cret n°78-146 du 3 fĂ©vrier 1978 » no namaritanâny fitondram-panjakana frantsay ny « Zone Ă©conomique exclusive ou ZEE » ho azy manodidina ireo Nosy malagasy ireo ho 188 milles, izany hoe mahatratra 347,80 km miala aminâny morontsiraka ireo Nosy malagasy.
Nampiharanâny frantsay izany « dĂ©cret » izany ka mahatonga ireo tafika an-dranomasina frantsay mihetraketraka aminâny mpanjono malagasy tato ho ato ka niafara taminâny fahafatesanâny mpanjono malagasy maromaro tany an-dranomasina taminâny 29 mars 2014 sy ny fanagadrana ny sasany taty aoriana kanefa nanomboka taminâny 1898 no nanjono tany aminâny faritra manodidina ny Nosy malagasy Juan de Nova izy ireo ary nipetraka tany ny sasany.
150 km miala ny morontsiraka andrefana no misy ny Nosy Juan de Nova, 220 km avaratra andrefanâAntsiranana no misy ny Nosy «Lâarchipel des Glorieuses », 380 km andrefanâi Morombe no misy ny Nosy Bassas Da India ary eo avaratra andrefanâny Nosy Bassas Da India izay manodidina ny 130 km no ahitana ny Nosy Europa.
Raha hatao izany ny kajinâny fari-dranomasina malagasy dia tsy misy afa-tsy 12 milles marins sisa no anjarantsika, izany hoe 22,2 km satria 1 mille marin dia manodidina ny 1,85 km. Aminâny faritra manodidina ny Nosy Juan de Nova dia tsy manana fari-dranomasina intsony isika malagasy. Tena fanambakana tsotra izao ny firenena malagasy izany.
Tsy mifanaraka sady tsy manaja ny voalaza ao anatinâny « Convention des Nations Unies sur le droit de la mer » ao aminâny andininy faha 57 izany. « Une zone Ă©conomique exclusive s'Ă©tend Ă partir de la ligne de base de l'Ătat jusqu'Ă 200 milles marins (environ 370,4 km) de ses cĂŽtes au maximum ».
Mba ho fanajana izany fifanarahana iraisam-pirenena izany dia voatery isika malagasy namaritra ho 200 milles marins ny fari-dranomasina manodidina anâi Madagasikara taminâny taona 1985 kanefa tsy nohajainâny fitondram-panjakana frantsay izany.
Very zo tanteraka ny firenena malagasy eo aminâny sehatry ny fifanarahana iraisam-pirenena mombanâny ranomasina raha izao zava-misy izao no jerena ka mila mandray andraikitra feno ny mpitondra sy ny solombavam-bahoaka ary ny mpiray tanindrazana rehetra.
3. Fifanarahana ara-barotra iraisam-pirenena
Nivoaka tao aminâny gazetim-panjakana Frantsay « TEXTES n° 20 et 21 â JORF n° 0303 du 30 dĂ©cembre 2008 » ny fanomezan-dalana na « permis de recherches de mines dâhydrocarbures liquides ou gazeux » ho anâireo orinâasa vahiny mpitrandraka solika miisa dimy izay miara-miasa manodidina ny Nosy malagasy Juan de Nova mandritra ny dimy taona izay nosandaina 75 220 000 euros.
« Fifanarahana ara-barotra iraisam-pirenena » mbola tsy tokony nataonâny fitondram-panjakana frantsay izany satria mbola tsy niroso taminâny fampiraharahana taminâny fitondram-panjakana malagasy ry zareo araka ny fehin-kevitra noraisinâny Fivoriambenâny Firenena mikambana na ny « RĂ©solution adoptĂ©e par lâAssemblĂ©e GĂ©nĂ©rale de lâOrganisation des Nations Unies 34/91 du 12 dĂ©cembre 1979 au cours de sa trente-quatriĂšme session ».
Nitory ny fitondram-panjakana frantsay indray ireo « compagnies pĂ©troliĂšres » ireo teo anivonâny Tribunal administratif tao Saint-Denis de La RĂ©union taminâny volana septambra 2015. Nandresy ireo « compagnies pĂ©troliĂšres SOPRETO et MAREX » taminâizany satria noterenâny fitsarana ny fitondram-panjakana hanome azy ireo taratasy ho fanohizana ny fandavahana ny tany ambany ranomasina (« sondage ») sy ny famokarana « gaz naturel » sy solika manodidina ny Nosy malagasy Juan de Nova mandritra ny dimy taona indray.
Tsy andraikitry ny fitondram-panjakana frantsay mihitsy ny manome izany « permis de recheche dâhydrocarbures » vaovao izany satria mbola hifanolanana aminâny firenena malagasy ny Nosy Juan de Nova. Raha ny marina dia tokony aminâny fitondram-panjakana malagasy ireo « compagnies pĂ©troliĂšres » ireo no manohy ny fifampiraharahana.
Mazava ho azy fa na dia hangataka ny fanitarana ny fari-dranomasina malagasy mihotranâny 200 milles marins aza isika aminâny fangatahana ny « plateau continental » dia tsy afaka raha tsy foana io « DĂ©cret n°78-146 du 3 fĂ©vrier 1978 » io kanefa manaraka ny morontsiraka andrefana ka hatrany atsimonâi Madagasikara, araka ny tombamtombana, dia ahitana « production pĂ©troliĂšre Ă 1,23 milliard de tonnes de gaz et le gaz naturel Ă 650 milliards de mĂštres cube ».
Tsy tokony ho variana aminâny Nosy malagasy Juan de Nova fotsiny isika mpiray tanindrazana, indrindra fa ianareo Solombavam-bahoaka fa hijery aminâny antsipirihiny ny tena zava-misy marina manodidina ny fifanarahana aminâireo « Bloc offshore » manodidina ny fari-dranomasina malagasy na frantsay tsy lavitra anâAmbilobe, Cap dâAmbre, PresquâĂźle dâAmpasindava, Cap Saint AndrĂ©, Mahajanga offshore Profond sy ny hafa.
4. Fangatahana ny « plateau continental »
Tsy afaka misaraka ny fitakiana ny famerenana ireo Nosy Malagasy sy ny fanohizana ny fitakiana ny « plateau continental ». Ny fanontaniana hilam-baliny amin-dRamatoa Minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy dia ny hoe : « Aiza ho aiza ny fanohizana ny fitakiana ny « plateau continental » eo anivonâny Firenena Mikambana ho tohinâny ezaka efa nataonâny governemanta notarihanâny GĂ©nĂ©ral Camille Vital nandritra ny 28e session des travaux de la commission des limites du plateau continental teo anivonâny Firenena Mikambana tany New York ny 27 aogositra 2011 ? »
Raha ny famaritana nataonâny fitondram-panjakana frantsay dia ny Nosy malagasy Bassas da India dia manana zone Ă©conomique exclusive manodidina ny 126Â 000 kmÂČ. Raha miampy ny Nosy Europa sy Juan de Nova dia mahatratra 340Â 000 kmÂČ. Ahitana harena sarobidy maro toy ny solika, gaz naturel, ary ireo tarihy goavana aminâny harena an-dranomasina.
Lasa 860 000 kmÂČ ny velaran-taninâi Madagasikara na ny « territoire terrestre » aorianâny fankatoavanâny Firenena Mikambana ny fanitarana ny fari-dranomasina mihoatra ny 200 milles marins ao atsimonâny firenentsika.
Ny olana fototra faha dimy farany dia ny resaka :
5. « Commission mixte » na « commission ad hoc » na « accord cadre franco-malagasy de cogestion des Iles Eparses  »
Izany «commission mixte» na «commission ad hoc» na «accord cadre franco-malagasy de cogestion des Iles Eparses» izany dia mety afaka 20 na 30 taona vao mety ho vita ny fifanarahana kanefa ny fitrandrahana ny harem-pirenena Malagasy efa mizotra an-tsakany sy an-davany satria hisy ny fandrirarirana antsika Malagasy toy ny mahazo ny firenena Maorisiana aminâizao fotoana izao.
Jereo aminâny maso tsy miangatra fa taminâny 2 desambra 1999 nandritra ny «2Ăšme Sommet des chefs dâEtat et de Gouvernement de la Commission de lâOcĂ©an Indien » no nametrahana izany vaomiera iombonana nikarakara ny «accord cadre franco-mauricien de cogestion de Tromelin» izany fa mbola tsy mihatra izany hatraminâizao. 16 taona aty aoriana.
Voatery napaka-peo mombanâio resaka « cogestion de Tromelin » io ny tomponâandraikitra Maorisiana nandritra ny Fivoriambenâny Firenena Mikambana farany teo tany New York.
Izany zava-misy manjo ny firenena Maorisiana izany dia hatao ho fampiheritreretana antsika mivohy ny « baiko miainga any ho any manao hoe : « ALEO MIANDRY NY FIVORIANâNY FRANCOPHONIE ISIKA VAO MITAKY ANâIREO NOSY IREO ». Tena miala tsiny raha milaza etoana fa tena fohy ny fomba fijerinâireny olona ireny ny raharaham-pirenena satria manao vain-drahalahy tsy marary ka tsy mahadinika ny fahoriana mianjady aminâireo mpanjono mpiray tanindrazana aminy tsy afaka manjo toy ny teo aloha ao anatinâny fari-dranomasina malagasy. Dia mbola hiampy herintaona indray izany izy ireo tsy afaka hanjono ? Kanefa isika mianakavy ity dia ambara fa efa misotro ny kapoka mangidy ?
Raha foanananâny fitondram-panjakana frantsay aminâny alalanâny Fikan-kevitry ny Minisitra ireo dĂ©crets anankiroa voalaza tetsy ambony aminâny taona 2016 dia hafaliana tsy omby tratra no handraisanâny vahoaka malagasy ny fivorianâny francophonie aminâny faraparanâny taona 2016.
Raha izay no mombanâireo fototry ny olona manodidina ireo Nosy malagasy ireo. Inona avy ny vaha olana ?
Ry Solombavam-bahoakanâi Madagasikara isany,
Mitaky asa mivaingana ny mpiray tanindrazana aminâny fitakiana ny famerenana ireo Nosy malagasy. Tsy ho lany andro indray isika aminâny fananganana izany « komitinâny olon-kendry » iza ny kanefa efa misy anareo Solombavam-bahoaka nametrahanâny vahoaka malagasy manontolo ny fitokisany taminâny alalanâny fifidianana mba hisolo vava azy sy hitondrana vaha-olana mahomby ho anâny tombontsoa amboninâny vahoaka malagasy raha mandalo fotoan-tsarotra ny firenena na voakitikitika ny fiandrianam-pirenena sy ny firaisam-pirenena. Tonga eo aminâny kion-dalana tsy azo hidovirana i Madagasikara aminâny fitakiana ireo Nosy malagasy ireo, koa :
1. Manao antso avo aminareo solombavam-bahoaka izahay mba hiaraka hientana aminâny vahoaka malagasy aminâny fitakiana ampilaminana (dâune maniĂšre pacifique) ireo Nosy malagasy ireo ka hiroso aminâny famolavolana taratasy iray mangataka ny fanafoanana ny « DĂ©cret n°60-555 du 1er avril 1960 » sy ny « DĂ©cret n°78-146 du 3 fĂ©vrier 1978 » izay halefa ho anâAndriamatoa Filohanâny Antenimieram-pirenena frantsay sy ireo solombavam-bahoaka mpikambana ao aminâny « amitiĂ© franco-malgache ». Handefasana kopianâizany taratasy izany Andriamatoa isany Sekretera Jeneralinâny Firenena Mikambana, ny Filoham-pirenena malagasy sy frantsay, ny Praiminisitra sady Lehibenâny governemanta malagasy sy frantsay.
Izany taratasy izany no hatao dia ho fampisehoantsika mpiray tanindrazana aminâizao tontolo izao fa manana ny fahendrena mampiavaka azy ny vahoaka malagasy fa mahay mandady rariny na dia efa nataonâny Firenena Mikambana aza fa antsika ireo Nosy malagasy ireo.
Io taratasy hatao aminâny anaranâny vahoaka malagasy manontolo io dia porofo iray ho entinâny fitondram-panjakana malagasy eo anivonâny sehatra iraisam-pirenena fa niala nenina farany isika nohonâny fifankatiavana misy eo aminâny vahoaka malagasy sy frantsay ary ny tantara mampifaningotra ny firenena roa.
Manome fe-potoana iray volana ny fitondram-panjakana frantsay hamaly izany taratasy izany ny vahoaka malagasy.
Toy ny nataonâireo « compagnies pĂ©troliĂšres SOPRETO et MAREX » raha nitory ny fitondram-panjakana frantsay teo anivonâny Tribunal administratif tao Saint-Denis de La RĂ©union ry zareo taminâny volana septambra 2015. Nanome fe-potoana iray volana ny fitondram-panjakana frantsay izy ireo hitsarana ny raharaha fa raha tsy izany dia mangataka onitra 5 000 euros isanâandro mandrapivoakanâny didim-pitsarana. Nandresy ireo « compagnies pĂ©troliĂšres » ireo taminâizany satria nivoaka taminâny 21 septambra 2015 ny didim-pitsarana manery ny fitondram-panjakana hanome azy ireo taratasy ho fanohizana ny fandavahana ny tany ambany ranomasina (sondage) sy ny famokarana « gaz naturel » sy solika mandritra ny dimy taona indray.
Vita izany fialana nenina farany izany ka raha tsy mamaly anâio taratasy io aminâny fomba ofisialy ny fitondram-panjakana frantsay dia efa manana porofo ny fitondram-panjakana malagasy fa tsy mety hiditra aminâny fifanakalozan-kevitra mihitsy ny fitondram-panjakana frantsay tao anatinâny 36 taona mba ho fanajana izay rehetra voalazanâny « RĂ©solution adoptĂ©e par lâAssemblĂ©e GĂ©nĂ©rale de lâOrganisation des Nations Unies 34/91 du 12 dĂ©cembre 1979 au cours de sa trente-quatriĂšme session ».
2. Miditra aminâny dingana faharoa isika malagasy dia fitoriana araka ny voalaza ao anatinâny « Convention des Nations Unies sur le droit de la mer » izay nataonâny firenena roa tonta sonia ka mitondra ny raharaha eo anivonâny « Tribunal international du droit de la mer any Hambourg â Allemagne sy ny Cour Internationale de Justice ».
Rehefa laninareo Solombavam-bahoaka ny rijan-teninâny fitoriana dia hatolotra ny gouvernemanta sy ny Filoham-pirenena mba hataony fahefana mpanatanteraka sonia ary hapetraky ny Mpisolo vavanâny firenena malagasy eo anivonâny Fitsarana iraisam-pirenena. Iarahantsika rehetra mahita eo ny vokatry ny didim-pitsarana iraisam-pirenena sy ny fanohananâireo firenen-dehibe antsika malagasy izay tratry ny tsindry hazo lena aminâizao raharaha izao.
Raha sanatria ka tsy miray hiana ny Solombavam-bahoaka aminâny fitakiana ireo Nosy malagasy dia mangataha izahay ny hananganana ny Collectif des dĂ©putĂ©s de Madagascar pour la restitution des Iles Eparses.
Ho fiarovana ny fiandrianam-pirenena malagasy. Masina ny Tanindrazana !
Dia maneho ny fisaorana feno anareo rehetra naharitra nihaino ahy hatraminâny farany. Misaotra Tompoko
JOEL HARISON Marie René