]
Les quotidiens du 21 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Madagasikara 2016. Ny HO kabarin’ny Filoha Hery Rajaonarimampianina

Madagasikara 2016. Ny HO kabarin’ny Filoha Hery Rajaonarimampianina

Ny Filoha Rajaonarimampianina, Tvm Desambra 2014

 

Aorian’ny fifidianana Loholona amin’ny 29 Desambra 2015 ny Filohan’ny repoblika no hanao ny kabary fanaon’ny mpitondra firenena rehetra rehefa higadona ny taom-baovao. Mety ny 31 Desambra izy no anao izany «mivantana» ao amin’ny Tvm sy Rnm ary télés sy radios hafa. Izany hoe rehefa azo antoka ny «fandresen»’ny antoko Hvm ka ho maro an'isa ao amin’ny Antenimieran-doloholona etsy Anosy.

Ka mety toa izao izany kabarin’ny Filoha Rajaonarimampianina izany. Kabary ankapobeny ity rehefa noesorina ireo ohabolana tsy maintsy hisy.

*****************

Ry Vahoaka Malagasy mpiray tanindrazana,

Tonga ity ny fotoana hifampiharaban-tsika tratry ny Asaramanitra. Ianareo vahoaka malagasy tsy vaky volo no hitodiako manokana amin’izany vaninandro lehibe izany.

Soa toavina malagasy ny firariantsoa sy fangatahana ny fitahian’Andriamanitra noho ny nahatratrarantsika ny taona vaovao 2016 sy ny isaorana Azy noho ny nahatafitana salama sy tomady ny taona teo aloha, koa iampitàna amin’ny taona vaovao.

Am-pifaliana no hitsidihanay ny isan-tokantrano hiarabahanay sy hirarianay ny soa sy ny tsara indrindra ho anareo tsirairay avy, manerana an’i Madagasikara.

Koa dia salanitra tompokavavy, miarahaba tompokolahy, tratr’izao andro anio izao hiarahantsika manamarika ny taona vaovao. Ny andon’ny lanitra sy ny tsiron’ny tany anie hombantsika lalandava.

Azo lazaina fa tafapetraka izao ny rafitra rehetra ahafahantsika miroso amin’ny asa lehibe ho fampandrosoana ny Firenena. Ny fifidianana Loholona farany teo no manamarina izany. Ary niverina ny fitokisan’ireo mpamatsy vola raha ny tarehi-marika farany no jerena…

Ny taona 2016 dia ho taona zina ho an’ny asa ho fampandrosoana ny firenena. Ny fampihavanam-pirenena nofidinintsika dia manampy antsika amin’ny lafiny maro eo amin’izany fiainam-pirenena izany.

Tsy eken’ny vahoaka malagasy intsony ny fanakorotanana sy ny fampizarazarana ny Malagasy ary ny fitondrana dia efa mandray ny andraikiny amin’ny fepetra rehetra mba hiarovana ny filaminana sy fandriampahalemana eto amin’ny tany sy ny firenena.

Tonga ny fotoana hanamafisana ny fiarahan’ny malagasy miroso amin’ny fametrahana ny ho avy tsara kokoa ho an’ny rehetra. Marihiko manokana eto :

* Ny firosoana tsy ampihambahambana amin’ny famerenana ny fandriam-pahalamena maharitra, ny ady amin’ny kolikoly,

* Ny fanamafisana ny tany tan-dàlana,

* Ny fametrahana ny fototry ny asa ho an’ny maro an’isa, izay hitondra asa analiny maro, aman’hetsiny mihitsy aza,

* Eo ihany koa ny fiveranan’ny fitokisan’ireo mpamatsy vola,

* Ny fiantombohan’ny asa vaventy, mikasika ny angovo azo avaozina (projets structurants en matière d’énergie renouvelable, barrages,…), eo ihany koa ny làlana lehibe (autoroutes) sy ny foto-drafitr’asa maro samihafa.

NY FIAHIANA MPIARA-BELONA

Ry Malagasy mpiray tanindrazana, mametraka fanontaniana: aiza ho aiza isika izao? Miadana ve? Finaritra ve? Sambatra ve?

Ankehitriny dia am-panetren-tena no ilazana fa isaky ny manisa malagasy folo isika dia ny fito amin’izay no miaina anaty fahasahiranana avokoa. Tsy mizaka akory ny fara-fahakeliny amin’ny zon’ny olompirenena na fonenana izany, na fiahiam-pahasalamana, fianarana ho an’ny ankizy. Ao anatin’ny fahantrana tanteraka hoy ny fiteny mahazatra kanefa fantatro fa maro ny malagasy no tsy tia an’izany lazaina hoe mahantra izany. Rariny ny azy.

Raha maro toa izany no miaina anaty fahasahiranana tanteraka, toa nofinofy fotsiny ny hoe hanangana Firenena matanjaka, manankarena sy mampirehareha ny malagasy.

Inona no anton’izany fahasahiranana lehibe mianjady amin’ny vahoaka malagasy izany? Be loatra ny mizana izay tsindrian’ila nivangogo teo amin’ny firafitry ny fiaraha-monina nandritra ny taona maro. Mizana tsindrian’ila izay miteraka elanelana tsy ara-drariny eo amin’ny samy malagasy,ary eo amin’ny faritra maro samihafa.

Noho izany: tsy maintsy atevenina ny tetikasa fiahiana ny mpiara-belona ka avy any amin’ireo faran’izay sahirana no hanatevenana izany.

TAONAN’NY FIRAHALAHINA SY NY FIRAISANKINA

Tompokolahy sy Tompokovavy, ITY TAONA ITY DIA ATAONTSIKA TAONAN ’NY FIRAHALAHINA SY NY FIRAISANKINA. Satria tokoa, amin’ity taona 2016 ity no ho tanterahina ny Fivoriamben’ny OIF na « Organisation internationale de la Francophonie ». Handray vahiny manakaja maro isika. Hisy ny ezaka maro sy ny tetika maty paika hanàlana amin’ny fomba maharitra ny fako eny an-tanan-dehibe, indrindrindrindra ny eto an-drenivohitra. Hisy koa drafitr’asa hantsangana toa ny lalàna Ivato-Alarobia sy ny « village de la Francophonie » etsy Andohatapenaka.

Izay koa no fiandohan’ny fiharian-karena iombonana ary misy fanitsiam-pitondrana tsy maintsy hatao mba hampanjary izany, dia ny fitsinjaram-pahefana mahefa.

Hatramin’izay ka hatramin’izao: ampahiny lehibe dia lehibe amin’ny teti-bola dia ny fitondrana foibe no mitantana azy…

Tsy maintsy ovaintsika izany, ovaintsika miandalana izany. Tsy ho vita indray andro izany zavatra izany satria mila mitandrina isika. Mila mametraka rafitra isika, fa azo ampitomboina izany amin’ny fotoana izay mampety azy.

Ny fitsinjaram-pahefana ampiharina amin’ity Tanindrazana iombonantsika ity ry Malagasy mpiray tanindrazana amiko dia fitsinjaram-pahafena hahazoan’ny vondron’olona ifotony manabe voa ny faritra onenany sy ivelomany.Tsy ho ela, izay no fanirianay, ary inoako fa faniriantsika rehetra.

Tsy ho ela dia ho avalon’ny tantarantsika izany hoe « zanak’ikala hafa, tany lavitra andriana sy kely tsy mba mamindro » izany. Tsy hamelantsika raha tsy vita izany.

NY FANDRIAMPAHALEMANA

Miaro izany fandriam-pahalemenana manerana an’i Madagasikara izany isika, na ny ety an-drenivohitra, na ny eny ambanivolo. Betsaka no efa natao tamin’izany nefa maro ny asa mbola miandry, maro ny asa mbola hatrehana. Anisan’izany ny fiarovana ny ranomasina sy moron-tsirak’i Madagasikara.

Tsy maintsy harovantsika ny harena anaty ranomasina izay aripakin’ny jiolahy an-dranomasina (pirates des mers) amin’izao fotoana izao. Volà be tsy toko tsy forohana no very amin’ny kitapom-bolam-panjakana noho izany.

Etsy andaniny, tsy azo avelà ho lasa fandalovan’ny mpampirohoro isankarazany (terroristes) ny aty Madagasikara, tsy maintsy mailo isika satria Madagasikara dia lalana fandalovan’ny sambo maro avy any ivelany any.

Misy tokoa ny asan-jiolahy fampihorohana, ka tsy maintsy mailo isika. Ary ilaina ny fihavanam-pirenena. Ny fihavanam-pirenena izay tahaka ny efa nambarako dia manana ny toerana izay maha izy azy eo amin’ny fiainam-pirenena.

Tsy ekentsika intsony ny asa fanakorontanana, ny toetra mampizarazara sy mampiady ny samy malagasy. Mitaky fandriam-pahalemana ny vahoaka, tsy milà kirizy intsony ny vahoaka.
Tonga ny fotoana ny firaisan-kina masina (Union Sacrée) ho an’ny malagasy rehetra izay hanoratantsika tantara vaovao sy ampitso mihiratra kokoa ho an’ny taranaka.

NY LAFINY ARA TOE-KARENA

Ny toko telo mahamasa-nahandron’ny Firenena dia ny Fitondrana, ny olom-pirenena tsy ankanavaka ary ny mpandraharaha izay manana ny andraikiny amin’ny fanarenana.
Ny Soa iombonana dia ho teraky ny Ezaka iombonana fa tsy ankinina amin’ny Filoham-pirenena irery, tsy ankinina amin’ny Fitondram-panjakana irery.

 

Ny sehatra tsy miankina DIA fototry ny fampandrosoana ara-toekarena. Efa noteneniko ombieny ombieny izany. Rehefa mazava ny fitsipi-dalao, dia mari-pototra ny fitantànana.

Tsy maintsy mamerina ny fifampitokisana eo amin’ny Fitondram-panjakana ny ratsamangaika eo amin’ny vahoaka isika. Hanabe voa ny ho entimanana ny Fitondrana mba hiatrehina amin’ny adidy izay tsy azony ihodivirana toy ny fanabeazana ny olom-pirenena, fahasalamana, ny fandrafetana sy fananganana ireo foto-drafitr’asa maro samy hafa.

 

Tsy mora anefa izany, tsy maintsy atrehintsika izany, ary mila fiovana toe-tsaina izany zavatra izany.Isika samy olom-pirenena dia manana anjara ezaka lehibe hamerenana indray izany soa toavin’ny fiarahamonina izany « Miara-monina, miara-belona, mifamela ». Aoka tsy hifanome tsiny fotsiny, fa raha misy mahatsiaro tena sahirana noho izany dia miara-manarina. Miara-manarina ihany no fanafodiny.

Efa noresahina teo moa ny fitsinjaram-pahefana. Ho apetraka izany amin’ny faritra maro samihafa ary heverina fa anatin’ny politikam-panjakana rehetra dia fototra, mifototra amin’izany fitsinjaram-pahefana izany.

Efa voaresaka ireo fotodrafitr’asa maharitra, malahelo isika mbola mahita ihany eo amin’ny lafin’ny JIRAMA; eo amin’ny lafin’ny herin’aratra, fa mbola misy ny zavatra miseho mampalahelo: tsy mahazo herin-jiro araka izay ilaina sy arak-izay ividianany azy ny toerana sasany. Mila resahana am-pahatoniana sy amin’ny fomba entitra ny zava-misy.

Betsaka ny efa natomboka ary mbola tohizantsika any amin’ny faritra maro samiafa. Ho tohizantsika izany tetik’asa izany.

Fotoana tahaka izao moa dia misy ihany ny fanamarihoina izay mampiavaka azy. Rehefa azo atao izany. Ireto ny vitsivitsy izay ambarako alohan’ny hamaranako ny teny:
Mbola iarahantsika mahita ny fahasahiranana eto amin’ny firenena, be ny fotodrafitr’asa mbola ilantsika vola eto amin’ny firenena. Hanomezana asa ary ho amin’ny tombotsoam-bahoaka. Na izany aza, dia te hampiseho ny fitondram-panjakana fa azo atao ny manao ezaka maro samy hafa ao anatin’ny fanetren-tena, ao anatin’ny fahalalana ihany koa ny tombotsoan’ny firenena, ka dia eo anatrehin’izany ny Fitondram-panjakana dia nanapa-kevitra fa hanondrotra 7% ny karaman’ny Mpiasam-panjakana. Eo ankilan’izany kosa anefa dia vonona ny fitondram-panjakana hiroso amin’ny fanavaozana maro samy hafa hanatsarana ny tontolon’ny asam-panjakana sy ny mpiasam-panjakana.

Tafiditra amin’izany ny fanamboarana trano fonenana ho an’ny mpiasam-panjakana.

Misy ihany koa ny fanalefahantsazy faobe noho ny fahatongavan’ny taona vaovao 2016 izao.

Ry vahoaka Malagasy Mpiray tanindrazana,

Tsy taonan’ny tahotra sy ny ahiahy ny taona 2016 fa taona iaingan’i Madagasikara ho amin’ny fampandrosoana. Mirary ho antsika rehetra, mirary ho antsika rehetra ny tenananay mba ho taonan’ny fahatoniana sy ny fahatokisan-tena. Ho taonan’ny fanambinana amin’izay hisasarana. Ho taona zina tokoa noho ny herim-po sy ny asa anaty faharisihana ity taona vaovao ity.

Eto ampamaranana dia izay teny voalazako teo dia teny notononina am-pahamatorana ka havadika ho bainga ho vavolombelon’ny asa. Ho entina mampandroso ity firenena malalako sy malalanao ity. Koa mirary antsika ho ela velona sy hifanatitra amin-janaka aman-jafy. Ho salama ka hianoka ny mamy hampamitana ny adidy masina neken’ny tsirairay ho anjara birikiny manandrify azy hampandrosoana ny firenena. Hanandratana avo firenena.

Misaotra Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy!

Samia ho tahian’Andriamanitra isika rehetra.

*****************

Tsy mpaminany aho akory fa ireo rehetra ireo dia nalaina avy tao amina kabary iray nataon’ny Filoha tamin’ity taona 2015 hifaràna ity. Aorian’ny tena kabariny amin’ny 31 Desambra 2015 dia samia mahay mampitaha fa maro ny teny hiverimberina hitanao ireo ambony ireo. Fa tsy maintsy ho resahiny koa ny mikasika ny Tontolo iainana mifandray amin'ilay COP21 tao Parisy. Raha tsy hoe hanova kabary tampoka rehefa mahita ity ry zalahy matihanina ao amin’ny seraseran’ny Prezidansy ao. Izay koa anie no ilana azy ireo e!

FA INONA ANKOATRA IREO ANEFA NO HAMBARANY?


Jeannot Ramambazafy – 21 Desambra 2015

Mis à jour ( Lundi, 21 Décembre 2015 18:36 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024

 

Beijing. Intervention du Président Andry Rajoelina, lors de la Table ronde sur le Développement économique Madagascar-Chine 2024