Asa iombonana ity fanaovan-gazety ity, fa amboninâizany dia Tanindrazana iombonana ihany koa i Madagasikara. Mila mahafantatra ny Malagasy rehetra, na ny eto an-toerana, na ny any ivelany (ka mbola mahay mamaky teny malagasy) fa misy tsy milamina mihitsy « ao ambony ao », nanomboka taminy nitondranâingahy Hery Rajaonarimampianina. Izao mantsy: taminâny Filan-kevitry ny minisitra voalohany notarihiny, ny 05 Febroary 2014, dia enjana tokoa izy nilaza fa: « tena hiady mafy aminâny trafikanâandramena ». Navelom-bolo ny rehetra. Saingy, indrisy... Io ambany io ny nosoratanâny namana ao amin'ny Midi Madagasikara, aminâny teny frantsay, ny ampitsony 06 Febroary.
Roa taona mahery katroka ary dia nipoitra ny didim-pitsaranan'ny tribonaly mikasika io andramena io. Ny marina kokoa dia haverina ilay fitsarana any Singapour efa natao ny 25 Oktobra 2015. Nanantena ny sasany fa ho tafavoaka ny ala. Kinanjo. Nadikanâny gazety namana « Ao Raha » aminâny teny malagasy ny ampahany be anâilay didim-pitsarana navoakanâilay tribonaly tany Singapour, ny volana Oktobra 2014 iny.
Nataonay adidy eto aminy madagate.org ny mamoaka azy eto koa satria, averiko: Tanindrana iombonana ity Madagasikara ity. Tsy resaka « copiĂ©-collé » akory izy ity fa fampitĂ na vaova ("relais d'information") fiarovana ny tany hilevenana. Ary tsy maintsy sarotiny. Ka dia ireo ary ka mahaiza mamaky tsara fa mbola tsy vita aminâio akory ny ady aminâny fandrobana ataonâny olona sasany «ao ambony ao » izay sahy milaza fa «fahavalonâny fandrosoana ny tia tanindrazana sy ny mpanohitra». Odoie e!
Mitohy ary hitohy foana ny tolonay mpanao gazety -tena mpanao gazety an!- rehefa mbola tsy manĂ ja ny lalĂ na sy izahay vahoaka sy olom-pirenena ianareo izay mandalo fotsiny ihany. Satria izahay koa no mandoa ny karamanareo, aoka hazava ny resaka! Mpiasanay ianareo fa adala izay miseho manompo anareo. Hafa ny fanajĂ na sy ny fifanajĂ na ary hafa ny manao olona ho andriamanitra kely. Ny olona tsy mahay manaja ny tenany -na iza na iza- tsy mendrika hajaina.
Jeannot Ramambazafy â 26 fĂ©vrier 2016