]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Rabesaiky Guillaume Marie OM-GUY. Fahatsiarovana ato aminy madagate.org

Rabesaiky Guillaume Marie OM-GUY. Fahatsiarovana ato aminy madagate.org

Inona intsony moa no ho lazaina eo anatrehin-drafahafatesana izay tsy maintsy hiafaran’ny zanakolombelona rehetra tsy ankanavaka? Nandao tampoka ity tany fandalovana ity ny namana OM-GUY izay tsy misy tsy mahalala raha mbola monina eto Madagasikara.


Fahatsiarovana tsotra no ataonay eto aminy madagate.org ary izy OM-GUY ihany no manambara ny toerana misy azy, nanomboka io Alahady 05 Jona 2016 io. Miombona alahelo amin’ny fianakavian’i OM-GUY sy ny tarika Ny Ainga izahay ato aminy madagate.org

Jeannot Ramambazafy – 06 Jona 2016

**********************


LASA IZY…SAINGY

Any izy lasana…Ary lasa tsy hiverina
Fa nentin’ny fisainany
Hitady ilay marainany
Any an-tanin’olona any
Raha araka ny teniny…

Fa ny azy ny fitia dia nataony fampitaha,
Ka ‘lay fatotra taloha dia satriny nivaha,
Fa hiova vazo izy,
Nirintona izaitsizy

Ho an-tratran’olon-kafa…
Lasana izy iny
Namela ny fahiny,
Ka asa izay hidonany !

Lasana izy lasa…F’izao no tsy tadidiny :
Izy ilay niantsampy
Dia mitondra voatsinampy
Ao anaty tratrany ao,

Dia ny « ahy sy azy omaly »,
‘Lay voatsinampy tokana nafafiko taloha
Fa sendra taniditra ka mbola tsy nifoha,
Ka mora nototofana

Sady norakofana
Nofontany hafa….
K’ity no tsy ampoiziny :
Ny nofontany any amin’ilay iarahany any
Dia nofontany lonaka tokoa moa izany,

Ilay ahitany tsirony
Mampianoka ny nofony
Zary tany roka…

Fa ahy anie ny VOA fa ZEZIKA ny any,
Ka misy RANONORANA indray mandeha ihany
‘Lay hoe : Tandrifindrahona,
D’izay no tsy hampoiziny…

Io no hampitsimoka an’ilay nafafiko aminy
Ka hampanonja tampoka an’ilay segondra maminy,
Tsy tao an’eritreriny…
Ny fitsimohan’io tsy tantiny hototofana,

Hitety vohitra izy tsy hahita fialofana…
Ka any andro iray,
Tsy ho ela akory izay :

Hitsiry ilay « fahiny » !

…………………………

Minoa ahy ianao

MIVERINA ETO INY


OM-GUY


Any Sahave-Ambohimahasoa, Fianarantsoa, no toerana handevenana an'ny namana OM-GUY

Mis à jour ( Lundi, 06 Juin 2016 12:51 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...