]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Soamahamanina: Mitaky ny fialan’ny Orinasa Sinoa ny VONA-ny Fitiavantanindrazana

Soamahamanina: Mitaky ny fialan’ny Orinasa Sinoa ny VONA-ny Fitiavantanindrazana

Tsy manaiky fa manohitra sy mitaky ny fialan’ny Orinasa Sinoa Orinasa Jiuxing Mines ny  VONA ny TANINDRAZANA


Nitsangana ny fivondronan-kery isam-bohitra sy fokontany, antsoina hoe «VONA-ny Fitiavantanindrazana», nanao Velirano fa tsy hanaiky ny fandrobana sy ny firaisan-tendro ny mpitondra fanjakana ankehitriny nanome fahazoan-dàlana hitrandraka ny Jiuxing Mines eto Soamahamanina sy ny manodidina, ary efa nanomboka ny asa firosoana nanomboka ny zoma 24 jona lasa teo.


Mifanaretsaka ny fiarabe eny an-tanety ary mianjera sy mikipaka ny ala-tapia satria efa mitrongy ireo ambany tany ireto orinasa vahiny eo ambany fitarihan’ny Tale Teknika ny Orinasa Jiuxing Mines, Atoa Danny RASOLOMANANA.  Tezitra ary niaka-peo ny mponina ary heveriny ho fiantsiana azy izao botolo ataon’ny mpitondra fanjakana izay tsy afaka ny hiaino ny feon’ireo vahoaka tompon-tany.


Manoloana izany dia nifamory ireo solotenan’ny mponina isaky ny vohitra ary nanangona sonia nahatrana 4000 mahery hatreto, izay mitsipaka marin-drano izao fitrandrahana harena akibon’ny tany izao.  Tsy ny volamena ihany fa ao ihany koa ireo vatosoa sarobidy sy akora fototra toy ny Vy, Volafotsy, Bérillium, sns..


Niantso ireo zanaka am-pielezana sy ny firaisamonim-pirenena ireto mponina hanatevina ny hetsika amin’ny fomba maro. Isan’ireny ny fanentanana eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenana, ka nanokafana ny tambanjotra pifandraisana Aterineto: www.facebook.com/soamahamanina izay takelaka ahitana ireo andinindiny maro samihafa amin’ireo fanambarana ary ny vaovao an-tsary mikasika ity tetikasa mamotika HAINGANA nefa MAHARITRA ny Tontolo Iainana eto aminy faritra Itasy Ity.


Marihina fa tandin-domindoza tokoa ny rano sy ny ala voajanahary, toy ny reniranon’ Ikalariana, Riatra sns, mamelona ny mponina raha tsy misy fepetra maika sy matotra ahafahana mampiato ny fanomezan-dàlana tao anaty fahamehana nataon’ny ONE ampitaka tamin’ireo mponina vitsivitsy nisandoka ho tompon’ny teny farany nivarotra ireo sonia tambin’ireo Moto, sy fotsim-bary ary menaka nozaraina tamin’izireo.


Ny Pretra Odon, nisolo tena ny Fiangonana tety amin’ny Diosezy ny Miarinarivo dia mbola namerina ny hafatry ny Eveka tamin’ny fivorian’ny Fikambanana « Justice et Paix », natrehan’ny be sy ny maro ny Alatsinainy 20 jona 2016 ary nivoaka tamin’ny Gazety sy haino aman-jery. «Isika tsy ho fehezin’ny lalàna», hoy izy « fa kosa voafehin' ny fitiavana  hiaro sy hikajy ny maha olona ». Izay no hijoroan’ny fiangonana ary manentana antsika zananay hanohitra izao fanakonana ny Rariny sy ny Fahamarianana mitranga eto Soamahamanina izao.

VONA ny TANINDRAZANA

Mis à jour ( Mardi, 28 Juin 2016 19:28 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...