]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Fianarantsoa. Riana Andriamandavy VII: mpanjakan’ny sakaizan’ny mpandresy

Fianarantsoa. Riana Andriamandavy VII: mpanjakan’ny sakaizan’ny mpandresy

Hanolotra ny ainy ho an’i Hery Rajaonarimampianina, hono, ingahy Riana Andriamandavy VII. Dia ahoana tamin’izy filohan’ny « Jeunes TIM »? Tsy toa izany koa ve ny velirano natao? Saingy nilaozany fotsiny i Marc Ravalomanana ka nialokaloka tao amin’ny tetezamita ary lasa minisitry ny Fizahan-tany tao amin’ny governemantan’i Camille Vital izy. Izany hoe « mpanongam-panjakana » ihany koa izy sy Hery Rajaonarimampianina (minisitry ny Vola tao anatin’ny tetezamita) izany… Jereo tsara ny sary eo ambony.

Hoy i Riana Andriamandavy, tao Fianarantsoa, ny 21 Septambra 2016:

«Aminy maha lehiben’ny Senatora ato aminy faritanin’i Fianarantsoa, aleoko manono ny aiko toa izay haonganao amin’ny anaran’ny faritanin’i Fianarantsoa izao tantaniko». Marina ny azy: rehefa nofidin’ingahy Hery Rajaonarimampianina ho Senatora izy dia mihevitra izy fa governoran’i Fianarantsoa iray manontolo.

Tsy mety maka lesona ao anatin’ny Tantaran’i Madagasikara mihitsy ireto Hvm ireo an ! Soa fa misy itony vidéo itony haverina aminy any aoriana any…

Zafilahy tao amin'ny Magro Behoririka

Ho hita eo ny tohiny e!... Ny kilalao mbola ho ela. Fa eto koa vao tsaroako ny fanambarana nataon’i Zafilahy Stanislas Rakotomandimby, tao amin’ny Magro Behoririka, tamin’ny androny (Septambra 2013):

«Voafitaky ny minisitra teo aloha Andriamandavy Riana ianareo ao amin’ny Hery vaovao ho an’i Madagasikara. Mbola mitonona ho filohan’ny tanora Tim izy io, nefa efa tsy filoha intsony sady foana izany tanora Tim izany. Tetika maloto noho ny resaka tombontsoa no ataon’izy ireo amin’ny famitahana ny Zanak’i Dada any amin’ny faritra rehetra any». Notsiahivin’i Zafilahy, tamin’izany, fa efa nandadilady tany amin’i Neny teny Faravohitra izy io, raha mbola kandidà Ramatoa Ravalomanana Lalao tamin’izany fotoana izany. Ary nanoloana ireo rehetra ireo, nampitandrina ity mpiara-dia amin’i Dada ity fa mpisoloky Andriamandavy Riana. «Mitady ny fomba hisintonana ireo tanorantsika izy io. Ireo marivosalosana no ho azony amin’ izany… Ento amin’ny anaranao any ny tianao atao fa aza fitahina amin’ny anaran’i Dada sy ny anaranay ny olona».


Fijery izany an! Tsy misy trano-kenatra intsony e! Dia ahoana tokoa moa rehefa tsy eo amin’ny fitondrana intsony ingahy Hery vaovao? Satria tsy misy izany filoham-pirenena mandra-maty izany. Raha tsy hoe hisalotra ho Emperaora toa i Bokassa. Fanta-tsika anefa no niafaran'ity farany...

Io ary fa rehefa nomen’i Hery Rajaonarimampianina toerana Senatora, ary filoha lefitra ao Anosy Antananarivo mihitsy, ingahy Riana Andriamandavy VII, dia adinony tanteraka izany TIM izany. Izany tokoa ve ilay hoe mahay milomano? Dia ahoana indray rehefa tsy eo amin’ny fitondrana intsony ingahy Hery vaovao? Fa raha mora manadino ny vahoaka ny Tantara tsy manadino velively ka any aoriana any isika mahita azy, hoy Jaojoby izay.

Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Lundi, 26 Septembre 2016 05:51 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...