]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Antananarivo. Nisy tokoa ny kolikoly, hoy ny DGSR, ny Jeneraly Ratelo André

Antananarivo. Nisy tokoa ny kolikoly, hoy ny DGSR, ny Jeneraly Ratelo André

NOPOROFOIN'NY DGSR  (DIRECTEUR GÉNÉRAL DE LA SÉCURITÉ ROUTIÈRE), NY JENERALY DE BRIGADE RATELO ANDRE TAO ALAROBIA, FA NISY NY  KOLIKOLY EO ANIVON'NY NY ITY SAMPANA MISAHANA NY FITSARANA FIARAKODIA ITY


Misy amin'ireo olona tompon'ny fiara no tsy mitondra ny fiarany rehefa atao ny fitsarana ny fiara eny Alarobia, fa dia vita amina resaka taratasy fotsiny ihany izany. Eo ihany koa ny fisian'ireo fiara izay hoentina hotsaraina eny an-toerana saingy  kojakojam-piarakodia nofaina no apetak'izireo amin'ny fiarany. Tsikaritra fa ny taxi sy ny taxibe no tena mpanao an'io fomba io.



Hentitra araka izany ny Jeneraly de Brigade RATELO André, Tale jeneraly ny fitsarana fiara eny Alarobia, fa tsy ho hisy intsony izany manomboka izao. Fomba mamoehitra izay naharatsy hendrika an'ity sampana ity ireny ka dia izay mpiasa tratra manao izany dia voaroka avy hatrany. Nohamafisiny ihany koa fa tena misy ny mpanera manao an'io asa io ary mifandray amina mpiasa mpitsara fiara. Izahay tsy manakarama mpanera ary tsy tokony ho hisy izany, hoy ihany  ny Tale jeneraly.

MILA MANAO « VISITE TECHNIQUE SPÉCIALE » NY FIARA TAXI BE RAHA VAO MITONDRA OLONA HANDEHA MIHOATRA NY 40 KM


Anisan’ny tena nitana ny sain'ny maro teto amin’ny firenena ny lozam-piarakodia izay nitranga tany Anjozorobe farany teo ka namoizana ainan'olona maro tokoa. Eo koa ny fisian'ny loza roa nifanesy izay nitranga teny amin'ny « rocade » sy ireo hafa tsy voatanisa. Ireny dia tokony andraisana fepetra, ka manomboka  izao dia tsy maintsy manao fitiliana ireo fiara rehetra izay nahazo « SPÉCIAL » hitondra olona mihoatra ny 40  km. Izany dia roa andro mialoha ny  handehanana, ary hoentina ny fiara tsaraina fa tsy misy intsony ny resaka taratasy fiara fotsiny no hoentina eny. Misy avy eo ny taratasy izay omen'ny sampana misahana ny fitsarana fiara, ka iny taratasy iny no hoentina eny amin'ny minisiteran'ny Fitaterana ahafana mahazo ny fahazoan-dàlana mitondra « SPÉCIAL ».

Tsy ho hisy ihany koa, manomboka izao,  ny taratasy omena ny tompon'ny fiara  hanaovana ny « visite technique » ho an'ireo fiara avy any ivelany, fa dia amin'ny alàlan'ny « voie administrative » no atao. Izany hoe rehefa « apte » ny fiara  ho tsaraina iray dia avy hatrany dia mivantana eny amin'ny CIM na ny « Centre de immatriculation » eny Ambohidahy  ny tompony fiara, fa ny sampana mpitsara fiara no mandefa taratasy eny amin'ny CIM.


Manoloana ireo gaboraraka dia nitatitra ny Tale jeneraly ny fitsara fiara fa teo aloha dia maro no manao fomba samihafa  ahafahana mahazo ny taratasy eny anivon'ity sampana ity, izay tsy mifanaraka amin'ny fizotrin'ny asa. Ary hita fa miendrika kolikoly tanteraka. Efa nisy mpiasa nigadra vokatr'izany, ary raha toa mbola misy tratra dia voaroaka avy hatrany  na mety hiafara amin'ny figadrana. Voaporofo araka izany teto fa dia  nisy tokoa ny kolikoly eo anivon'ity sampandraharaha iray ity, ary manomboka manadio izany ny Tale Jeneraly vaovao.



Andry Rakotonirainy, sary sy soratra – 13 Septambra 2017

Mis à jour ( Mercredi, 13 Septembre 2017 18:56 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30