TSY TOKONY HIOHATRA NY 75 000 ARIARY NY GONY MANOMBOKA AMIN’ITY HERINANDRO ITY HOY NY MPANAFATRA VARY
Antananarivo, 4 Desambra 2017. Tato ato dia nampitaraina ny maro ny fiakaran’ny vidin’ny vary eto amintsika, vidim-bary izay samy manana ny fomba fametrahana ny vidiny ny isam-paritra. Ny tsikaritra aloha dia arakaraky ny toerana na ny faritra no mahalafo na tsia ity vidim-bary ity. Ny faritra Diana sy Boeny, ohatra, dia voalaza ny mponina any fa tena tsy laitra ho vidina ny vary any amin-drizareo. Ny eto Antananarivo indray dia misy ny vidiny izay samihafa ihany koa. Ny iraisan’ny mpanjifa dia ny hoe: niakatra ny vidim-bary ary mila tsy ho zaka, eo amin’ny 600 ka hatramin’ny 700 ariary ny kapoaka.
Manoloana io dia nanome fanazavana ny vondron’ny mpanafatra ity vary ity, ny mpiaron’ny zon’ny mpanjifa Rakotolova Rabetsara Lita, ny mpitahiry ary ny avy eo anivon’ny Minisiteran’ny Varotra.
Niakatra be ny vidim-bary ary mikaikaika ny vahoaka manoloana izany. Antony mahatonga izany dia tsy ampy ity vary ity, ka nahatonga azy io niakatra be. Tsy maharaka antsika ny vokatra vary eto an-toerana, ary azo lazaina ho tsy ampy mihitsy aza. Noho izany dia niankina tamin’ny fanafarana vary isika eto Madagasikara, rehefa nisy fihaonana teo amin’ireto mpanafatra vary ireto sy ny Minisiteran’ny varotra.
Tsy ny eto an-drenivohitra ihany fa saika amin’ny faritra maro eto Madagasikara dia sahirana amin’ity vary ity, ary iharan’ny fiakarany. Noho izay indrindra dia nampitombo ny vary nafarana ireto mpanafatra ireto. Ny vary dia misy tokoa ary azo heverina fa ampy tsara ny nafarana, saingy nisy fahatarana teo amin’ny sambo nitondra izany, izay marihina fa misy vary avy any Birmanie, Inde ary Pakistan. Taorian’io dia nisy fijerena manokana ny vahaolana mba hialana amin’ny vidin’ity vary ity miakatra be izay nahatratra hatrany amin’ny 77.000 ka hatramin’ny 78.000 ariary ny gony iray, miala avy any amin’ny mpanafatra, ary dia mazava loatra fa dia mahatra hatrany amin’ny 80.000 Ariary farafaha-keliny ny gony iray tonga eny an-tsena.
Manomboka amin’ity herinandro ity araka ny fanazavana nomen’ Andriamatoa Rakotonirina Norbert solontenan’ny mpanafatra vary, dia noferana 72.000 ariary ny gony iray avy any Birmanie, ary 73.000 ariary ny vary avy any Inde sy Pakistan. Io no vidiny andraisan’ireo mpamongady azy, ary raha atao ny kajy dia tsy tokony hioatra ny 74.000 – 75.000 ariary ny hividian’ny mpanjifa azy.
Araka ny fanazavana ihany dia any amin’ny 390 dôlara ny Taonina iray ny vidin’ny vary farafaha-keliny miala avy any amin’ny nanafarana azy tonga ao Toamasina, miampy ny famoahana azy ao amin’ny seranana dia miakatra kely. Izay no nahatonga ny famaritana ny vidiny ho 72.000 ariary ka hatramin’ny 73.000 ariary ny gony iray. Ny mpanafatra dia maro ka tsy misy araka izany ny ahiana ny mety tsy hisian’ny vary na koa tsy ho ampy, amin’ity volana Desamra ity. Ho maro ny vary ho tonga izay hahatratra 26 000 Taonina. Tsy vary « stock » araka ny heno fa vary vao avy novokarina amin’ilay firenena nanafarana no ho tonga eto Madagasikara ho an’ny mpanjifa. Momba ny fanafenana vary dia nilaza izy ireo fa tsy ho hisy izany satria mety ho hisy fotoana hidina tampoka ny vidin’ny vary dia ho fantiatoka ho azy ireo.
LASA MANAFATRA VARY HATRAMIN’NY ANY AMBATONDRAZAKA, ZARA RAHA 25 % NY VOKATRA NIAKATRA
Ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa indray dia nitatitra fa io vidiny eo ambony io no nifanarahana saingy tsapa ho mahatonga ny vidiny ho miakatra dia mbola maro ny là lana lalovan’iny vary iny vao tonga any amin’ny mpanjifa. Eo koa ny lafin’ny saram-pitaterana azy, ary dia mbola hitadiavana vahaolana miaraka ihany koa izany.
Tokony ho fantatry ny mpanjifa, hoy i Rakotolova Rabetsara Lita, ny manavaka ny vary hafarana sy ny vary vokatra eto an-toerana, izay hilazany fa ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka ny vary vokatra eto amintsika. Nilaza moa ny tenany fa any Ambatondrazaka, izay sompitry ny vary dia zara raha nahatratra 25% monja ny vokatra azo, ary amin’izao fotoana dia efa manafatra vay avy any ivelany ny ao Ambatondrazaka. Mitovy tsisy valaka amin’izany any Marovoay sy Tsiroanomandidy. Noho izany dia tsy afaka hampitovy intsony ny vidim-bary eto an-toerana sy ny hafarana isika, fa dia ny vary hafarana no hoahina ka hahena ny vidiny ho zakan’ny fahefa-mividy ny mpanjifa.
Ho an’ny Minisiteran’ny Varotra dia anjara-toerana raisiny ny manara-maso sy mijery hatrany ny tombontsoan’ny mpanjifa Na izany aza dia nitatitra ny teo anivon’ny Minisitera fa tsy misy ny fanafarana vary nataon’ny fannjakana fa dia fifanarahana amin’ireo mpanafatra sy mpitsinjara ihany no natao.
Ho an’ireo mpitsinjara ny vary dia nitatitra Andriamatoa Roger Randrianirina solontenan’ny «grossistes» fa miankina amin’ny vidiny ataon’ny mpanafatra no hafahana mamaritra ny vidiny eny an-tsena. Eo ihany koa ny lafin’ny fitaterana ny vary. Koa raha ny fifanarahana teo no jerena dia tokony ho any amin’ny 1600 ariary ny kilao iray eny an-tsena.
Samy hahita izany isika manomboka androany faha-5 Desambra 2017 raha mitombona sy marina daholo izany rehetra izany na fampandriana adrisa indray avy amin’ny Fanjakana eo an-katoky ny fety ka mpiray tsikombakomba ireto niresaka ireto ary ho mafimafy kokoa ny hiseho hanomboka ny volana Janoary 2018.
Rakotonirainy Andry
www.madagate.org