]
Les quotidiens du 02 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Antananarivo Vary. Nidina teny Anosibe ny Praiminisitra Mahafaly Olivier

Antananarivo Vary. Nidina teny Anosibe ny Praiminisitra Mahafaly Olivier

Taorian’ny fivoriana natao teto Mahazoarivo ny 04 desambra 2017, izay nijerena ireo vahaolana amin’ny fampidinana ny vidim-bary, dia nidina ifotony nijery ny zavamisy teny amin’ny tsenan’Anosibe ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, Mahafaly Solonandrasana Olivier ny marainan’ny talata 05 desambra 2017. Nandritra izany no nitafatafany tamin’ireo mpamongady mba hahafantarana ny zavamisy marina amin’izao fiakaran’ny vidim-bary izao.

Ny niandohan’ny olana dia ny tsy fahampian’ny voka-bary teto an-toerana noho ny fiovaovan’ny teotrandro ka nampidina ny habetsahan’ny vary avy eto an-toerana teny amin’ny tsena.

Hita nandritra ny fidinana ifotony fa ny vary vokatra eto an-toerana dia manodidina ny 2.000 ariary na mihoatra an’izany ny vidin’ny iray kilao. Raha ny vary nafarana avy any ivelany kosa dia manodidina ny 1800 ariary ny vidin’ny iray kilao andefasan’ny mpamongady azy, eny amin’ny tsenan’ Anosibe. “Raha ireo no hita dia tsy tokony haka tombony betsaka ireo mpaninjara fa eo amin’ny 10% farafahabetsany. Manao antso avo amin’ny vahoaka indrindra ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa mba hiaraka hientana amin’ny fitondram-panjakana hanara-maso ny zavamisy. Marina fa efa malalaka ny vidin-javatra fa tsy azo lalaovina ny aim-pirenena satria ny vary no foto-tsakafon’ny Malagasy”, hoy ny Lehiben’ny Governemanta.

Hita araka izany fa ny vary avy eto an-toerana no midàngana ny vidiny noho ny vokatra tsy ampy. Nanome fanazavana ny Praiminisitra fa naka fanapahan-kevitra ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny varotra izay nanao fifanarahana amin’ireo mpamongady manomboka any Toamasina. Efa misy mpamongady maromaro miara-miasa amin’ny fitondram-panjakana ka anisan’ny nifanarahana ny fametahana ny vidim-bary ho hitan’ny rehetra. Tokony ho eo amin’ny 72.000 ariary araka izany ny iray gony. Hidina any Toamasina ny Minisitry ny varotra sy ny fanjifana hijery ny fanatanterahana izay fifanarahana izay.

Anisany ezaka ataon’ny fitondram-panjakana ihany koa ny fanafainganana ny famoahana vary any amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, ny fanamorĂ na ny famoahana ny “certificat de consommabilitĂ©â€ eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Atao izany mba hahafahana mampitobaka ny vary eto Antananarivo sy manerana ny Nosy ka hampidina ny vidiny. Anisany ezaka ataon’ny fanjakana ihany koa ny fananganana ny “task force” manerana ny distrika izay ahitana ny lehiben’ny distrika, ny ao amin’ny Ministeran’ny varotra sy ny fanjifana, ny ao amin’ny Minisiteran’ny fitaterana mba hijery isan’andro ny vidin’ny vary vokatra avy eto an-toerana sy ny nafarana avy any ivelany, ny tahiry ary ny filĂ na isam-bolana. Tanjona ny hahafahana manafoana ny tsy fisian’ny tahiry sy hanafoanana ny fanararaotana.

Nanantitrantitra hatrany ny Praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier hoe: “aoka tsy hisy ny fanararaotana. Efa mandray andraikitra ny fitondrampanjakana fa anjaran’ny fikambanan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa sy ny mpanjifa no mitaky eny anivon’ny mpaninjara mba tsy hisian’ny fanararaotana. Ny ezaka ataon’ny fitondrampanjakana dia ny hidinan’io vidim-bary io alohan’ny fety. Hisy vary ho tonga betsaka na ny “riz conventionnel” avy any ivelany atsy ho atsy mba hameno ny tsena manerana an’i Madagasikara, ka tsy ho lafo be ireo vary afarana avy any ivelany ireo”.

Sampana serasera

Lapan’i Mahazoarivo

Mis Ă  jour ( Mardi, 05 DĂ©cembre 2017 14:44 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...