]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Malagasy any ivelany. Hetaheta manoloana ny fanendrena Ambasadaoro

Malagasy any ivelany. Hetaheta manoloana ny fanendrena Ambasadaoro

Ity manaraka ity misy hetaheta avy amin'ireo Malagasy monina ivelan'i Madagasikara na koa hoe “diaspora malagasy”, mikasika ny fanendrena ireo Ambasadaoro sy ny mpiasan’ny Masoivoho ivelan’ny Madagasikara. Miantefa any amin'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina izy ity.

“ Tompoko,

Maniry mafy ny zanak'ampielzana amin'ny hanendrena olona mahafehy ny teny sy ny fifandraisana amin'ny ao an-toerana iasan'izy ireo avy. Anisan'izany ny Trangan’i Alemaina. Satria maniry ihany koa ny tompon-tany mba ho olona mahay ny teniny no miresaka amin'izy ireo fa tsy ilany mpandika-teny lava. Miendrika ho kilema sy sakana ary mbola fandaniam-bola ny fisian’ny mpandika-teny.

Ankoatra izany dia mila olona fantatry ny Alemana satria efa voadona im-Bbetsaka nanomboka tamin'ny Fitondrana Tsiranana ka hatramin'ny fitontondrana Ravalomanana. Marihina fa mahafehy ny fitakian’ny Zanak’Ampielezana avokoa ny andiany voalohany voatendry tamin'ny roa herinandro lasa Ireny (Maurice, Belgique, France, UNESCO).

Deraina ny Filoha ny amin'izany fa tsy hanala-baraka azy ny fahaizan’izy ireo ny teny ao amin'ny toerana iasany tsirairay avy ireny. Henatra ho an'ny Zanak'Ampielzana sy ny Firenena mihitsy mantsy ny fibadabadana ny teny, sanatria ho toy ny zaza kely mianatra miteny.

Handresy lahatra ny tompon-tany amin'ny resaka fifanarahana no ho atao. Efa lesoka nisy teo aloha avokoa izany tsy fahaizana ny tenim-pirenena amin'ny toerana iasany ho an'ny ny diplomasia sy ny fifandraisana izany, ka tsy mendrika ny Fanovana ny mbola hanohizana an’izany.

Mino izahay fa ny Malagasy mipetraka any Chine sy U.S.A. dia mety mitovy hevitra aminay. Hialan-tsiny amin'izay tsy mitovy hevitra aminay fa fanehoan-kevitra izao ataonay izao no sady hafatra ho an'ny mpanendry tompo-pahefana.

Misaotra mialoha ny Filloham-Pirenena ny Zanak’Ampielezana ho an’ny Fanovana!

MASINA NY TANINDRAZANA

Mis Ă  jour ( Mardi, 01 Octobre 2019 08:28 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix Ă  Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30