Notontosaina teny aminâny Carlton Anosy ny 25 novambra 2019 ny atrikasa fijerena ny fanamafisana ny fiara-miasa eo aminâny firenena Sinoa sy Madagasikara nomena ny lohahevitra hoe : âColloque sur le dĂ©veloppement de la chineâ.
Andriamatoa David Rajaon, Tale jeneralin'ny IEP
Niara-niasa akaiky taminâity hetsika ity ny avy ao aminâny ivon-toeram-pampianarana sehatra politika IEP (âInstitut dâEtude Politiqueâ). Nampafantarinâity farany nandritra izany ny maha zava-dehibe ny dingam-pampandrosoana nisy teo aminâity firenena sinoa ity nahalasa lavitra io firenena io ka nahatonga azy ho firenen-dehibe faharoa eo aminâny tanjaka ara-toekarena.
Ramatoa Yang Xiaorong, masoivohon'ny Chine miasa eto Madagasikara
Izany dia nohonâny fazahoana tombony aminâny fanĂ nana ny traikefa eo aminâny fananganana ny âparc industrielâ. Ho anâi Chine manokana dia tsy navelany ho azy irery izany traikefa izany fa naparitany eo aminâireo firenena Afrikana izay miara-miasa aminy ka anisanâizany isika eto Madagasikara. Izy rahateo araka ny lahateny nataonâny masoivoho sinoa miasa eto amintsika, Ramatoa Yang Xiaorong, dia firenena faharoa maneran-tany mahasintona mpampiasa vola.
Ramatoa Lantosoa Rakotomalala, minisitry ny Indostria sy ny Varotra
Mana-tombony manokana i Afrika noho izany fivoaranâi Chine izany, indrindra isika eto Madagasikara izay efa naharitra 47 taona niara-niasa ka nanamafisanâi Chine ny fahavononany hatrany, nandritra ny fivoriana FOCAC natao tanyBeijing. Raha ny eto Madagasikara indray dia efa misy ny vina izay hametrahana ny orinasa indostrialy eto Madagasikara ny taona 2020, araka ny fanazavana nomenâi Ramatoa Lantosoa Rakotomalala, minisitry ny Indostria sy ny Varotra.
Â
Hahazo vahana aminâizany ireo tanora sy vehivavy manana fahavonana aminâny fananganana ny orinasa madinika sy salantsalany.
Andry Rakotonirainy