Zoma 29 Novambra 2019. Tonga teny amin'ny Hopitalin'ny Reny sy ny Zaza ao Ambohimiandra ny vadin'ny Filoha, Mialy Rajoelina Razakandisa, izay Filoha Mpanorina ny âAssociation Fitiaâ ihany koa. Ny tena anton-diany dia ny fitokanana ny Ivontoerana momban'ny vaksiny voalohany indrindra eto Madagasikara, izay ao amin'io hopitaly voalaza io. Ity manaraka ity ny kabariny, tamin'io andro tsy manam-paharoa io, eo amin'ny sehatry ny Fahasalaman'ny Reny sy ny Zaza Malagasy indrindra indrindra :
" Andriamatoa Ministry ny Fahasalamam-bahoaka sy ny mpiara-miasa aminao,
Madame le Coordonateur résident du systÚme des Nations Unies à Madagascar,
Andriamatoa Tale Teknikanâny Hopitalinâny Reny sy ny zaza sy ny mpiara-miasa rehetra eto aminâny hopitalinâny Reny sy ny zaza Ambohimiandra,
Ianareo olomanankaja maro,
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Ny voalohan-teniko dia ny fiarahabana antsika rehetra tonga eto. Androany 29 Novambra no fotoana hanombohana ny hetsika fanaovana vaksiny eto amintsika.
Noho izany indrindra no antonâizao fihaonantsika eto aminâny hopitalinâny Reny sy ny zaza eto Ambohimiandra izao.
Tafiditra ao anatinâny asa iantsorohanâny Fikambanana Fitia hatraminâizay nijoroany ka hatraminâny androany ny fiahiana ny fahasalamanâny Reny sy ny zaza.
Manerantany dia nahafahana nisoroka ny fahafatesanâny zaza sy olon-dehibe miisa 2 hatraminâny 3 tapitrisa ny fanaovam-baksiny.
Eto Madagasikara, araka ny antontanâisa dia 33% na iray ampahatelonâny zaza latsaky ny roa taona ihany no nahavita ny vakisiny rehetra mialoha ny faha-erintaonany taminâny taona 2018.
Maro ny antony tsy maharisika ny ankamaroanâny ray aman-dreny Malagasy hanao vaksiny ny zanany.
Fa isanâny voalohany indrindra ny tahotra. Eo ny tahotra noho ny honohono eny aminâny fiarahamonina fa hanaovana andrana aminâny fanafody ny ankizy. Misy koa ireo izay mihevitra fa tsy dia misy dikany loatra ny fanaovana vaksiny.
Toetsaina mila ovaina izany satria tena manavotra aina tokoa ny vaksiny ary entina hiarovana ny fahasalamana.
Tsy vitanâizay ihany fa ny fanaovana vaksiny dia manome antoka aminâny ho avy mamiratra ho anâny zanantsika mba hivelarany ara-tsaina fa indrindra ara-batana, hitombo sy ho salama.
Harena sarobidy ary mamy ny zanaka. Tahotra ao anatinâny ray aman-dreny rehetra izany mamoy ny menaky ny ainy izany. Zonâny zanantsika ny ho salama koa andao harovana aminâny aretina izy ireo.
Aminâny maha-renim-pianakaviana ahy dia tsapako zava-dehibe taminâny fitaizana ireo zanako telo ny fanaovana vaksiny. Ankehitriny, hitako fa nitondra soa ho anâny fahasalamana sy ny fitomboanâizy ireo izany.
Ho antsika eto Madagasikara, maimaim-poana, tsy handovam-bola ny fanaovana vaksiny ary indrindra mitondra fahasalamana ho anâny zanantsika.
Koa androany, manentana antsika ray aman-dreny, manentana antsika renim-pianakaviana aho. Ho ento manantona ny tobi-pahasalamana ny zanakantsika hatao vakisiny hatraminâny farany hiarovana azy ireo aminâny aretina samihafa. Vohay varavarana ireo mpanao vaksiny mitety isan-tokatrano.
Efa nihaona ny tenako sy ny teo anivonâny Rantsanâny Firenena mikambana misahana ny fahasalamana na OMS momba ny olanâny vaksiny eto Madagasikara.
Ho fanampiana aminâizay fanentanana ny olona hanao vaksiny izay dia hapetraka aminâireo hopitaly lehibe sy toeram-pitsaboana CSB II manerana anâi Madagasikara ny âcentre de vaccinationâ ka eto aminâny Hopitalinâny Reny sy zaza eto Ambohimiandra no hanombohana izany androany.
Isaorako manokana eto ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka sy ny mpiara-miasa aminy taminâny fanamorana ny fanavaozana ity toerana ity mba hatao ho ivontoeranâny vaksiny.
Hisokatra ho anâny rehetra ny toerana ary hanentanako anareo renim-pianakaviana mba hanao ho zava-dehibe ny fitsinjovana ny fahasalamanâny zanantsika fa izany ihany koa no ahafahantsika manana Firenena vanona sy mandroso.
Mankasitraka Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy! ".
Mialy Rajoelina Razakandisa