]
Les quotidiens du 02 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Madagasikara. Teti-bolam-panjakana 2020. Hetra 20% ho an'ny katsaka sy ny faika

Madagasikara. Teti-bolam-panjakana 2020. Hetra 20% ho an'ny katsaka sy ny faika

Mandalo eny anivon’ny Antenimieran-doholona eny Anosy rehefa avy nolanian’ireo Solombavambahoaka ny volavolan-dalàna mahakasika ny teti-bolam-panjakana 2020. Manoloana izany nitondra fanazavana teo anatrehan’ireo Loholona ireo ny fikambanana mpiompy sy mpandraharaha momban'ny fiompiana eto Madagasikara ny Zoma 06 Desambra 2019.

Nitondrana fanazavana tamin’izany Andriamatoa Rabearivelo Andriamananarivo, Filohan'ny filankevim-pitantĂ nana ny MPE (“Malagasy Professionnels de l'Elevage" ex "Maison des Petits Ă©leveurs”), mahakasika ny fampiharana ny tataon-ketra TVA 20% amin’ny katsaka sy ny faika fatao sakafo ireo biby fiompy. Amin’izao fotoana dia ambany ny tahan’ny fanjifana ny vokatra ny fiompiana eto Madagasikara.

Atody miisa 19 isan-taona no lanin’ny olona iray, ny akoho fakàna nofo dia mahatratra 1 kg isan-taona. Izany dia avy amin'ny tsy fahampian’ny vokatra sy ny sandan’ny famokarana ambony ary ny fahefa-mividin’ny mponina izay ambany.

Ireo akora fampisa ny sakafo biby da 60-70% amin’ny fandaniana ankapobeny no lany. Ao anatiny maitso ahitra dia miakatra be ny vidin’ireo akora fampiasa ireo nohon’ny tsy fahampiana eny an-tsena. Ny katsaka no fototra amin’ny fanamboarana ny sakafon’ny biby izay mahatratra hatramin’ny 60-70% amin’ny fangaro ho an’ny fiompiana akoho, kisoa, trondro.

Miakatra 99% kosa izany raha famokarana ny aty matavy. Raha mihatra ny tataon-ketra 20% ho an’ny katsaka sy faika dia hiakatra 25-40% ny vidin’ny sakafom-biby eny an-tsena ary hiteraka fiakaran’ny sandam-pamokaran’ny fiompiana sy fatiantoka lehibe ho an’ny mpiompy. Nandroso soso-kevitra araka izany ireo mpiompy fa azo atao ny mametra ny hetra isaky ny biby ompiana ka hanamora ny fampanaran-dalàna sy fampanaraha-penitra.

Izany fepetra izany dia hanampy amin’ny fametrahana ny mangarahara sy fampihenana ny kolikoly amin’ny fitakianketra. Miantso ny tompon'andraikim-panjaka sy mpiantsehatra ireto mpiompy sy mpandraharaha ny fiompiana ireto mba hijery fomba hafa hampiakarana ny fampidiran-ketra.

Andry Rakotonirainy

Mis Ă  jour ( Samedi, 07 DĂ©cembre 2019 08:49 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...