]
Les quotidiens du 02 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Madagascar REGAP. Nahazo marim-pamantarana ara-pomba ofisialy

Madagascar REGAP. Nahazo marim-pamantarana ara-pomba ofisialy

REGAP : ANDRY SY TOKY

Notanterahina ny Alatsinainy 16 desambra 2019 ny fanolorana ny marim-pamantarana («Insigne de Corps») ara-pomba ofisialy ny Vondrona mpiaro ny Filoha.

Nanolotra izany teny Iavoloha, toby misy io Vondrona io, ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika Malagasy, ny Jeneraly Rakotonirina ThĂ©ophile. Nisolo-tena ny Filoham-pirenena kosa ny Sekretera Jeneraly lefitra ny Fiadidian’ny Repoblika.

Nandritra ny lahateny no nitondran’ny Lehiben’ity Vondrona ity, ny Kolonely Rabenjamina Thierry, ny Tantaran’ny vondrona sy ny niandohany. Ny faran’ny taona 1990 no nitsangana ny Rezimanta mpiaro ny Filoha, ka izao 30 taona latsaka kely aty aoriana izao vao nisitraka izany marim-pamatarana izany io Vondrona io. Vondrona izay ahitana miaramila sy polisy ary zandary.


Tamin’ny fitsanganany voalohany dia nantsoina hoe COSEP («Compagnie de SĂ©curitĂ© PrĂ©sidentielle») ity Vondrona ity, izay teny Ambohitsorohitra no nisy Foibeny, talohan'ny nahavitana soa aman-tsara ny trano itobian’ireo Vondrona ireo eny Iavoloha. Dia niova ho RESEP («RĂ©giment de SĂ©curitĂ© PrĂ©sidentielle») izay lasa REGAP («RĂ©giment de Garde PrĂ©sidentielle») amin’izao fotoana izao.

Ny taona 2000 dia nitsanganan’ny indray ny BCS («Bataillon de Commandement et de SĂ©curité») misahana ny fiarovana ny Andrim-panjakana rehetra. Ny an’ny Praiminisitra, ohatra, dia ny BSP («Bataillon de SĂ©curitĂ© de la Primature») no miaro azy.

Ny taona 2005 no noforonina ny logo sy ny hira fanevan’ny Vondrona mpiaro ny Filoha. Izany Ravelona Edgard izany, fony izy Kapiteny, no nipoiran’ny famoronana azy roa ireo ary noezahiny natsaraina hatrany ilay hira faneva.

Nandrita izay valo volana lasa izay (May-Desambra) dia maro no efa vita ary mbola maro ny adidy miandry. Nisy ihany koa ny nampalahelo izay nisian’ny famaizana ny Cercle Mess ao Iavoloha tamin’ny 14 Novambra 2019. Anisan’ny hetahetan’io Vondrona io ny hanarenana izany Cercle Mess izany.

Andry Rakotonirainy

Mis Ă  jour ( Mardi, 17 DĂ©cembre 2019 11:01 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...