Ny Rado Rafalimanana tao amin'ny HĂ´tel Le Louvre, ny 27.01.2020
Tontosa ny 27 Janoary 2020 tao amin'ny HĂ´tel Le Louvre etsy Antaninarenina Antananarivo ny valan-drasaka nataon'ingahy Ny Rado Rafalimanana ho an'ny mpanao gazety. Izaho manoratra moa tsy afaka nanatrika satria eo amin'ny famitana boky iray izay aho fa nandefa mpiara-miasa ary nafarako mihitsy hoe: raiso daholo ny fanambarana re ao, ankoatra ny fangalana sary.
Rehefa tonga ny fotoana namintinan'ingahy Ny Rado ny tiany ampitaina dia voatonona tao ny anarako. Isaorana azy satria fantany fa mpanao gazety tsy mitovy amin'ny rehetra ny tenako... Fantany koa ny antony tsy nahatongavako ary fantany dia fantany fa ny fahavaloko dia ny tsy rariny rehetra (“injustices”) na avy aiza na avy aiza. Resaka fanampiana ny mpiray tanindrazana moa no tena vontoatin'ilay nampanantsoina ny mpanao gazety. Fa na tiana na tsy tiana, misy hatrany ny “mauvaise foi” -azo adika amin'ny hoe : tsy mazava fo, tsy mazava saina fa tsy hoe akory raisina amin'ny hoe: “finoana ratsy”- eo amin'ny fanazavany ny tranga nisy sy misy.
Araky ny voasoratro eo amin'ny lohateny dia afangaron'ingahy Ny Rado Rafalimanana ny akohon'ny fisolokiana sy ny voron'ny politika. Vorombe tokoa ity farany ka tsy nahasakana azy tsy hamely fantsy ny fitondrana ankehitriny hatrany. Toetra tsy mendrika izany leikely a ! Izaho tsy zatra manoratra tantara mitohy re any amina onjam-peo na koa mampita tantara valamaty ho an'ny zazakely fa porofo mivaingana no avoakako ary azo hamarinina. Amin'ity indray mitoraka ity ary dia ny voalazan'ity Ny Rado Rafalimanana ity no adikako eto. Ankoatra ny maha filohan'ny ilay hoe Ong “Ny fanahy no maha olona” dia niteny amin'ny anaran'izany WFDP (World Fund Development planning) izany izy, izay nolazainy fa misy hifandraisana amin'ny ONU (Firenena Mikambana). Mbola hiverenako io amina lahatsoratra hafa. Fa ny fantatro ary voamarina dia any Ouganda (Afrika) no misy io WFDP io.
Ny fanontaniana mipetraka izany eto dia hoe: nankaiza ny Axius Holding Madagascar izay tsy nitondra fahatsiarovana tsara, indrindra ho an'ireo mpanao gazety tao amin'ny “Times of Madagascar”? Hitanareo an-tsary sy amin'ny teny frantsay ny trosa be mbola tsy nalohan'i Ny Rado Rafalomanana amin'ny fanjakana malagasy....
Nankaiza ilay hoe ICAFE (“Intergovernmental Collaborative Action Fund For Excellence”) izay nolazainy fa masoivohony eto Madagasikara izy? Nankaiza ilay “banderole” nisy soratra be hoe: “Mohammed Bin Rashid Al Maktoum Foundation” tamin'ny valan-dresaka ny taona 2017 tao amin'ny hôtel Le Louvre izay natrehiko? Ary niteny tokoa aho hoe: “aza manaiky”, mikasika ireo fanampiana ho an'ny traboinan'ny rivo-doza Enawo tao Antalaha, izay nogiazin'ny fitondrana Hvm/Rajaonarimampianina ary namidy mihitsy aza ny sasany... Tsy midika anefa izany fa miaro an'i Ny Rado Rafalimanana an-jambany aho. Ny taona 2018 izy nilatsaka kandida filoham-pirenena. Isam-bato 01,15% no azony ary tonga dia lasa izy nanatevin-daharanana ny ekipan'ny kandida laharana faha-25 izay tsy iza fa i Marc Ravalomanana. Ka asa aloha raha ny manompa olona no fomba fanaovana politika mahomby indrindra fa dia nataony tsinontsinona hatramin'ny vadin'ny Filoha ankehitriny, ankoatra ny nilazana hoe: “on va manger les crabes!”, teny ambony fiara ho any Mahamasina, ny sabotsy 15 desambra 2018, nanompo an'i Ravalo. Misy vidéo ireo redirediny ireo. ETO
Dia nilaza izy tao amin'ny Le Louvre, ny 27 Janoary teo, fa tsy afaka manao politika izy hatramin'ny 2023 satria ambasadaoron'ny WFDP. Nefa vao tsy misy iray volana izay dia fanaratsiana ny Filoha Andry Rajoelina no hita ao amin'ny pejiny Facebook ary miantsy mihitsy aza. Fialonana izany amiko Ramose a! Vavan'ny resy. Mifankahalala ihany isika mianaka fa toa nifindran'ny “Dadisme” ianao (avy amin'ny hoe Dada io aretina io). Ny fitrangany? Rehefa tsy izy no manao zavatra dia aratsiana daholo izay miseho. Dia nilaza koa izy fa manao “silence démocratique”. Tsy misy dikany izany r'ingahy Ny Rado fa asa loatra re. Ny tena marina dia: “Le silence tue la démocratie” fa asa loatra mihitsy... Ireto ary ny voalazan'i Ny Rado Rafalimanana, namintina ny tiany nampitaina, ny alatsinainy 27 Janoary 2020 tao amin'ny hôtel Le Louvre, Antaninarenina, Antananarivo, manoloan'ireo mpanao gazety tonga maro:
“Mitondra ny voa tsy ramby amin'ny vonjy aina ho an'ny Malagasy ny Ong “Fanahy maha olona” dia miaraka amin'ireo mpiara-miombon'antoka aminay sy Ong any Dubaï. Dia nanapakevitra izahay fa handefa raoplanina 747 izay mitondra 100 taonina eto Madagasikara indray izahay, ohatra ny nataonay tamin'ny 2013, tamin'ny cyclona Haruna izay tany Toliara, ary aorian'izay koa dia hisy fiantsoana faobe hataon””Ny Fanahy maha olona” izay hiantso ny ingénieurs rehetra Malagasy izay avara-pianarana, izay manana traikefa hiaraka aminay hitety ireo tanà na voan'ny tondra-drano, izay hifanome tà nana sy ny hijerena ary handinihina ny hamerenana ireo tranon'ireo Malagasy mpiray tanindrazana amintsika.
Izany tsy midika akory hoe mitsabaka amin'ny asan'ny fanjakana izahay, fa manampy izahay amin'izy zavatra tonga dia tandrify sy ny hanampiana ny Malagasy. Ny tsapanay manko dia ohatra ny hoe vahiny foana no antsoin-tsika rehefa misy fanarenana. Fa eto izany ny “Fanahy maha olona” rehefa nifanaraka tamin'ny mpiara-miombon'antoka sy ny Ong dia ny hoe: andao fa ny tanora malagasy ny manavanam-pianarana rehetra, ny ingénieurs, no entina andeha hanao sy hijery ny fanamboarana ireo trano sy zavatra foto-drafitr'asa an'ireo izay tranona Malagasy izay tsy anjaran'ny fanjakana; andeha hiezaka izahay hanatanteraka an'izay.
Ny WFDP moa no hiantoka ara-bola ny rehetra rehetra amin'izay satria mbola ho avy ny fotoana hanazavana anareo, an'ny Malagasy iray manontolo fa mbola tsy androany angambany ny amin'ny WFDP satria mitentina amina centaines de millions de dollars ny vola ho atokanay eto Madagasikara amin'ity dimy taona ity. Ary aorian'izay dia hisy koa ireo zavatra tetik'asa satria aza adinonareo fa ny zavatra voatsikaritray dia ny sompitry ny varin'i Madagasikara ireo voa ireo. Ny dikan'izay hisy krizy goavana be amina resaka sakafo eto amin'ity firenena ity rehefa kelikely eo dia ny dikan'izay dia hiezaka koa izahay, ny Ong “Fanahy maha olona” hoe : ahoana no tonga dia hijerena ny hanampiana ireo tanora ireo.
Izay hoe, raha résumer-ko ny zavatra teneninay dia ny fanampiana vonjy aina aloha no ataonay, hitondranay 747 anankiray izay miandry ny fankatoavana avy amin'ny fanjakana izay fahatongavan'io raopilanina io eto, na rehefa manaiky moa ny fanjakana dia rahalina io dia efa miala any Dubaï rehefa tsy miankina amin-dry zareo. Ny avy eo, ny tanora izay rahampitso ihany (Ttf: omaly 28 janoary) dia efa handeha hitey ireo faritra izay tra-boina, dia hiezaka izahay hijery ireo foto-drafitr'asa rehetra miaraka amin'ireo tanora ireo, ka ao anatin'ny 15 jours na 15 andro no hamitanay ny zavatra ilaina rehetra na izay zavatra ilain'ireo mpiara-belona amintsika Malagasy vao sinistrés ireo dia hiezaka izahay koa hitondra zavatra goavana hanampiana an-dry zareo amin'ny alalan'ny fanorenanan trano ho an-dry zareo. Izay ny avy aty amin'ny “Fanahy maha olona”.
Ny tsiahy, angamba, dia hoe maninona no conférence presse ilay izy androany? Angamba raha tsiahivina aminareo mpanao gazety teto isika roa taona lasa izay. Tamin'ny roa taona lasa dia nanao conférence de presse teto ny tenako, teto amin'ity hôtel Le Louvre ity, niaraka tamina avocats maromaro izay nametraka fitarainana momba ny BNGRC (Ttf: Andriamatoa Venty Thierry ny Sekretera mpanatanteraka tamin'ny taona izany). Satria, tsara ho fantatrareo fa tamin'ny cyclone Enawo dia nandefa don izahay amina conteneurs. 30 conteneurs no nalefanay taty Madagascar fa isaorana an'Andriamanitra fa iray ihany no tody taty amin'ny port, fa rehefa tonga teto amin'ny port-ny Tamatave ilay izy dia ny zavatra nitranga dia no-forcer-na izahay hoe tsy maintsy omena ny fanjakana ilay fanampiana. Rehefa natao ny fanazavana tamin'ny partenaires avy any ivelany dia niteny ireto hoe: aza mifamaly amin'izany fa tsy maninona fa fanjakana izy -Antalaha no nandefasana ilay don-. Ny zavatra nataonay ary dia natao test io conteneur iray io.
Nomena an'ny BNGRC ilay entana, niafarany : navelan'ireo nipetraka simba tao amin'ny port-ny Toamasina nefa mitentina amina miliara maro maro. Izay no mahatonga anay hoe: Non! Nifampiresaka tamiko ny fanjakana malagasy ankehitriny dia niteny izy hoe: efa fanjakana hafa izao fa tsy fanjakana ohatran'ny taloha. Prouveo aminay ary fa transparents ianareo. Rehefa ohatra ka mazava ny là lana hanomezana ny dons, satria ny dons, tompoko, izahay tsy maninona mihitsy hoe izany no mizara azy satria raha fantatrareo dia izahay “Fanahy maha olona” tsy mba mila voninahitra amin'ity zavatra ity.
Raha nizara ny 747 voalohany izahay nankany Toliara tsy mba nitondra mpanao gazety nandeha nameno première page-ny “journal” (Ttf: journaux no izy) fa izay no maha vonjy aina azy. Raha nizara akanjo amina millions de isa izahay tany amin'ny faritra atsinanana niaraka tamin'ny Croissant rouge-ny Abu Dhabi tsy mba nitondra mpanao gazety izahay. Raha nizara koa izahay teny amin'ny hopitaly cliniques amin'ny faritra atsimo, tsy nitondra mpanao gazety satria izay ny philosophie “Fanahy maha olona” hoe: tsy resaka entina anaovana politika ny resaka vonjy aina. Ary nanomboka tamin'ny 2017, tonga indray ireo dons ireo dia ny zavatra nitranga rehefa tonga ny dons nomena an'ny BNGRC en bonne et due forme niaraka tamin'ny association “Zanak'Antalaha”. Akory ny hagagagana : napetraky ry zareo pourrir tao amin'ny port ilay izy. Satria izaho, ny tenako, tsy nanaiky mihitsy hoe: tsy azonareo hoentina amin'ny politika io zavatra io. Satria nangataka izy (Ttf: Andriamatoa Venty Thierry) tamin'izay hoe: ny présidence no mizara azy.
Miala tsiny aho. Dia raha tadidinareo mpanao gazety teto, tsy eto moa izany i Jeannot Ramambazafy (Ttf: tsy teo tokoa aho fa nandefa mpiara-miasa) fa izy mihitsy tamin'izay niteny hoe: aza manaiky fa tsy mety. Izay no hiantsoko anao, Jeannot Ramambazafy: ianareo indray izao ny mpanao gazety eto an-toerana (Ttf: tsy dia mazava loatra mihitsy ny dikan'io an!) dia mba hahitsio raha misy tsy mety. Izaho tsy miteny hoe manao ny tsy mety ny fanjakana, tsy hidirako.
Eto aloha dia tsiahiviko aminareo: ny tenako dia tsy afaka manao politika hatramin'ny 2023 satria ny tenako dia ambassadeur-ny WFDP izay affilié amin'ny Nations Unies. Ny dikan'izay : ny angatahaka antsika rehetra dia ampalalao an'ny Malagasy fa izahay vonona ny hanome tolo-tà nana ho an'ny Malagasy. Tsy misy ambadika io. Izahay tsy handany fotoana... Io no tsy hitovizako amin'ny Francophones. Ny Anglophones tsy mandany fotoana amin'ny inona indray no ambadik'io? Fa mampalahelo ireo Malagasy ireo ary izahay vonona hanohana.
Kanefa be dia be ny mametraka fanontaniana aminay hoe: inona ny problemanareo tsy hatongavan'io (Ttf: ilay Boeing 747)? Mila aloha izahay autorisation hidiran'io raoplanina io eto; faharoa: rehefa tonga eto io raoplanina io dia mba-éviter-na ny zavatra natao tamin'ireo conteneurs tany Tamatava satria sao dia rehefa tonga eo io dia ho takianareo ho misy taxes douanières io, nefa zavatra hatolotray ho an'ny Malagasy. Dia ny fahateo farany: ny fizarana no angatahanay. Dia aleho mba ho zarain'ny scouts na zarain'ireo tanora rehetra rehetra. Tsy maninona anie ny fanjakana afaka miaraka mizara azy fa ny zavatra anankiray fotsiny: tsy misy loko politika rehefa manao vonjy aina. Izay ny zavatra entina “Fanahy mana olona”.
Ka izay ny anton'ity conférence de presse ity mba afahantsika tsy tompon-trano mionona ary tsy entina koa izany, sanatrian'ny vava ladin'ny lela, hoe miady amin'ny fanjakana. Tsia, izaho tsy miady amin'ny fanjakana, tsy manam-potoana an'izany aho. Fa ny zavatra angatahiko fotsiny dia hoe: isika rehetra andao mba hijery ny tena tandrify sy hanampiana an'i Madagasikara. Izahay vonona, vonona tanteraka izahay hanampy ireo mpiara-belona ireo raha misy finiavana.
Ity izany moa dia hita. Izay no nahatonga ity androany ity hoe: tsy maintsy nanao ity conférence de presse ity satria 24 janvier izahay tany Singapour no nanapakevitra hoe andao ampiana i Madagascar. 25 nisy filazana nilatsaka any anaty Facebook, tsy fantatro aloha ny fahamarinany na tena marina na tsy tena marina fa tamin'ny Facebook no nahitako azy io. Rehefa mamaky ilay teny malagasy aho moa, indraindray somary very fa ato izy mivoaka miditra hoe: tsy mahazo, rarà na sy ny rehetra rehetra. Ka izay no antsoko hoe: ampiralahiana no tokony atao. Fa izaho mbola tena misintona anareo mpiadidy mahefa: avelao ny samy Malagasy hifamonjy. Izay ny soatoavina malagasy, izay no atao hoe fanahy no maha olona, fa tsy hoe akory hoe: rehefa vahiny no manome zavatra anareo dia ekenareo ilay izy. Fa rehefa Malagasy dia tsy ekenareo. Izay no mba angatahiko anareo hoe: mahaiza ianareo manana fon-dreny; manana ianareo manana fo-mpisainana.Ka hidina erak'i Madagasikara izahay dia miangavy anareo, izay koa no ataoko antso avy ho an'ny mitondra fanjakany ireto: mba omeo malalaka izahay handehandeha hamonjy ny Malagasy fa sao dia rehefa tonga any anaty akata any koa izay an... Vao teo izahay vao nahazo olona avy any Tanambe dia niteny mihitsy hoe: misy problema goavana be any fa be dia be no maty anaty rano any. Dia ny dikany dia hoe andao mba hiaraka hamonjy izany, ary izay no mba angatahako hoe: tianay fantarina ny règle de jeu hanampiana ny Malagasy eto. Izay angamba ny amin'ny “Fanahy maha olona”.
Ny farany ho teneninay anareo: maninona izahay no somary tonga dia mametraka karazana réserve? Ny teneniko anareo fa androany isika miteny izao dia misy conteneurs-anay anankiroa izay fanampiana ho an'ny tanora tamin'ny novembre 2018 (Ttf: fitondrana Hvm/Rajaonarimampianina), resaka équipements ana musculation ho atao fanampiana ny tanora eny amin'ny 67ha. Mihitsoka ao ilay conteneur satria tsy miaraka miasa amin'ny fanjakana, hono ny tenako (Ttf : iza marina no nilaza izany? Teneno ny anarany!). Ka akory atao ary?
Ka izay no mahatonga ahy miteny hoe : raha handefa ireo zavatra amina millions de dollars ireo izahay dia miangavy izahay: mba jereo, aza ny tarehin'i Ny Rado Rafalimanana no jerena -fa sahirana mihitsy ianareo amin'ireo comptes fake ao aminn'y Facebook ao manenjika ahy-, fa ny angatahiko anareo dia ilay Malagasy jerena. Rehefa vonona izahay hanampy dia mba raiso fa tsy ilay tsy maintsy voatery ilay mankany amin'ny BNGRC. Sarotra aminay ny hanome io entana io any amin'ny BNGRC satria ny antony efa nisy antécédent. Marina fa efa misy maro maro ao amin'ny BNGRC nogadrainareo ilay olona fa mbola tsy nisy mihitsy ny fialan-tsiny nataon'ny BNGRC hoe ohatran'izao no nitranga satria tsy izahay ireo ihany, Ong “Fanahy maha olona” ny tratrin'io: ny pompiers ao La Réunion ohatra. Firy ny dons rehetra niditra eto Madagasikara nihitsoka ao amin'ny port daholo.
Ataonareo ny chantage hoe : tsy maintsy mandoa douanes io sinon mandeha conseil de gouvernement dia rehefa tsy namanareo dia ahitsonareo. Ny fanjakana taloha no nanao izay (Tff: tsara rehefa mahay manitsy). Prouver-o aminay ary, ianareo fanjakana amin'izao fotoana hoe: tsy manao an'izay ianareo ary tena tia tanindrazana ianareo. Izaho mino fa tia tanindrazana ianareo, tanora ianareo, mitovy amiko ianareo. Ny dikan'izay: andao hampian-tsika i Madagasikara. Ary ao anatin'ilay fanampiana, aza jerena amin'ilay tavako, aza asiana resaka politika, aza asiana resaka hoe iza na iza na iza avy aiza. Izaho mbola tsy hiresaka zavatra misy politika mihitsy fa ny ahy ny fantatro dia hoe : ahoana ny fomba anaovan-tsika vonjy aina ho an'ireto Malagasy mpiray tanindrazana amintsika ireto.
Resy ilay firenentsika dia izay no mahatonga ny hoe tonga maro maro. Tsy misy dikany anie io 747 iray io. Mety ho be dia be amin'ny rehetra io fa raha amin'ny mpiara-miasa amiko tsy misy dikany io. Fa kosa ny fanomboany ny zava-drehetra. Tadidio tsara ilay teninay hoe: 30 conteneurs no naika nalefanay teto. Raha raisinareo fotsiny hoe firy millions de dollars izany? Ny zavatra angatahina dia ny fitokisana (Ttf: iza aloha izao no tsy mahatoky?). Mety hiteny indray ny fanjakana hoe: fa maninona no tsy manatona? Efa nifampiresaka fa ilay izy zavatra tonga dia hoe: mandehana hatero any amin'ny BNGRC (Ttf: Ny Kolonely Elack Olivier Andriakaja izao aloha ny Sekretra mpanatanteraka amin'izao fotoana izao ka asa raha noresahin'i Ny Rado Rafalimanana izy). Tsia Tompoko, tsy afaka hanatitra ny entana any amin'ny BNGRC izahay raha tsy mazava fa sao dia rehefa tonga any indray ilay entana dia ho hajanonareo ao fito volana dia avy indray rehefa avy eo dia ataonareo lavanty.
Imaginer-nareo hoe: ny entanay, izay no nividy azy amin'ny lavanty dia firenena inona ity firenentsika ity? (Ttf: mamerina aho: tamin'ny fitondran'iza izany no nitranga fa tsy afangaro toa izany e!). Izahay mandefa dons ho an'ny mahantra, dia avy ilay izy gejain-dry zareo dia rehefa avy eo iny gejainy iny halefa lavanty dia izahay ihany, Ny Rado Rafalomanana no mividy azy. Satria ny antony dia mahamenatra ilay izy. Dia izay no mahatonga hoe: androany dia fanjakana hafa ny androany dia misontona ny sain'ny tsirairay avy aho.
Misaotra Tompokolahy sy Tompokovavy”.
Â
Marina fa na i Ramalina aza mifehy hazo tokana. Kanefa, aza adino ihany koa fa ny mahina ihany anie no manao ratsy e! Omaly, 28 Janoary 2020 ihany, dia nanao valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ny Sekretera mpanatanteraka ao amin'ny BNGRC, ny Kolonely Elack Olivier Andriakaja. Izao no voalazany mazava :
Â
Ny Kolonely Elack Olivier Andriakaja
“ Manoloana ny voina niatra tamin'ireo havan-tsika traboina tamina faritra maro manerana ny Nosy, dia mbola manentana antsika rehetra aho hiara-misalaha hifanampy amin'izao. Eo indrindra dia tsara ihany ny manao izao fanamariana izao: araka ilay fanambarana nataon'ny ministeran'ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana dia tsy maintsy sorohina ny mety ho fanararaotana ataon'ny sasany, ka manao fanangonam-bola na fanomezana amin'ny alalan'ny finday na fomba hafa izay lazaina fa homena ireo traboina.
Koa araka izany, dia tsy azo atao ny manao izany hetsika fanangonana izany na olo-tsotra no manao izany, na olom-boafidy, na fikambanana, na tomponandraikitra hafa eto amin'ny tanin'ny repoblika malagasy. Ny fanomezana na fandraisana anjara amin'ny fanampiana ireo traboina kosa dia azon'ny rehetra atao saingy atolotra mivantana aty amin'ny BNGRC izay sampana ara-panjakana miandraikitra ny fikarakarana sy fanampiana ny traboina manerana ny Nosy, ary efa manana rafitra sy fomba fiasa ilaina amin'izany.
Koa havoakan'ny BNGRC mangarahara ny fanomezana azo rehetra sy ny hizarana izany tsy hisian'ny ahiahy, ary hataonay isa-kerinandro isaky ny sabotsy. Efa maro rahateo ireo nandray anjara amin'izao voin-kava-mahatratra izao. Marihina fa ny Filohan'ny repoblika sy ny fitondram-panjakana manontolo dia miara-mientana sy manara-maso izao hetsika firaisankina izao.
Araka ny toro-marika avy amin'ny Filoha, omaly alatsinainy (Ttf: 27 Janoary 2020), dia tsy maintsy harindra ny fomba fiasa hisian'ny fitsinjovana marina sy maharitra ireo traboina rehetra. Mankasitra, Tompoko ”.
Jeannot RAMAMBAZAFY - Lahatsoratra nivoaka ihany koa ao amin'ny "La Gazette de la Grande île", ny alarobia 29 janoary 2020