]
Les quotidiens du 21 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Analyse Antananarivo. Hanitra Filoha, Fidèle PM. Fa hitondra mankaiza ny revin-gadra ?

Antananarivo. Hanitra Filoha, Fidèle PM. Fa hitondra mankaiza ny revin-gadra ?

Eny ary fa nahomby ny «tolona», araka ny fanirian-dry zareo nifandimby tao amin’ilay fandaharana «Miara-manonja» nalain-tahaka tamin’ilay natsanganay mpanao gazety nivondrona tao amin’ny MLE («Mouvement pour la Liberté d’Expression» na Vondrona ho an’ny Fahafahana maneho Hevitra), ny taona 2016. Tsy adinon-dry zalahy tokoa izany ny lesona « copie-collé » nampianarin’i Rajao tamin’ny 25 Janoary 2014 teo Mahamasina...

Tsy nisy hoe mpanao gazetin'iza na iza izahay tao amin'ny MLE satria tolona iombonana no natao nanomboka ny taona 2016. Jereo tsara ny sary dia avelao hahalala izay mahalala. Taratasy ho an'ny HCC ETO

Raha tsiahivina, natsangana io fandaharana «Miara-manonja» io niadivanay mpanao gazety mafy tamin’ny fandrefatana ilay lalànan’ny fifandraisana vaovao («Loi n°2016-029 portant Code de la communication médiatisée») nasian’Ingahy minisitry ny serasera, Vonison Andrianjato Razafindambo, fanovana teny ampandehanana, ka nosoniaviny antsokosoko ary lany tao amin’ny Antenimierampirenena, satria natevina ny malety mahagaga tamin’ny fotoan’androny. Soa f’efa voahitsin’ny HCC tamin’ny 31 Aogositra 2020 izy io ka Ingahy Vonison izao no mioty izany vokatry ny tolona nataonay izany, ao amin’ilay fandaharana «Miara-manonja» fôpla, amina lainga marivo salosana sy fankahalana rano fotsiny. Tsy misy tranon-kenatra intsony e !

Ireo telo ireo izao no lohandohan'ny miara-manondra sy hiara-hanongana

Ary toa ny tamin’ireo taona 1972, 1991, 2002 ary 2009 dia hisy sy handalo indray izany fotoana tetezamita izany ny firenena malagasy satria tsy eken’ny fianakaviambe iraisam-pirenena izany maka fahefana tsy amin’ny alalan’ny fifidianana izany. Na izany aza dia raikitra fa i Hanitra Razafimanantsoa sy Fidèle Razara Pierre, samy solombavambahoaka Tim, no ho lasa Filoha sy Praiminisitra an’izany tetezamita vaovao izany, satria ireo no tena nahay nanaratsy sy nandainga faran’izay zokiny indrindra tao amin’ilay fandaharana nalain-tahaka. Izy ireo no tena angady nanana sy vy nahitana nampihemotra ny firenena malagasy iray manontolo any amin’ny taona 1960 any, eo amin’ny lafiny rehetra. Arahabaina e ! Satria hidina daholo ny vidin-javatra rehetra eny an-tsena manomboka eto ! Tsy hisy intsony ny Covid-19 ary foana ny Kere…

Eo vao tena hanomboka ny raharaha hiala amin’ny tsy misy («départ à zéro») fa ny vokany manokana ho azy ireo aloha dia ny nenina hiainany mandrapahafatiny nanozona ny taranany sy ny taranaka malagasy manontolo mihitsy. Satria mino ve isika fa dia anaiky izany ry Tabera sy ry Edouard Tsarahame, izay mba nahay nanaratsy an’i Andry Rajoelina ihany koa ? Ary f’angaha ireo ihany ? Maro ireo efa ela no nitady toerana, «fiaraha-mitantana».

Mahavariana fa toa mitaratra eo amin'ny tarehiny ny aratsian-toerany sy ny aratsian-tsainy. Misy mantsy no milaza fa rehefa be mony dia be demony, ka asa...

Tsy anaiky izany koa, ohatra, i Fanirisoa Ernaivo (Filohan’ny sendikan’ny Mpitsara teo aloha) raha tsy lasa minisitry ny fitsarana. Amin’izay malalaka ho azy ny fanagadrana an’ireo izay tsy matiny lolo ka izaho mihitsy no ho voalohany. Aiza kosa, hoy ianareo ? Momba ity Fanirisoa Ernaivo nesorina tamin’ny asany maha mpitsara («magistrat») azy ity dia izao ny fanambarana nataony imasombahoaka tao Mahamasina, ny 30 oktobra 2018 : « Satria tsy misy dahalo intsony any ambadika any ? Satria tsy misy mpandroba intsony any ambadika any ? Maninona any amin’ny famoriam-bahoakan’ny laharana faha-13 no tsy misy an’izao ? (Ttf : tsy laitra nampanginana izy fa vao mainka nampiany naza) « Izaho tsy te-hahalala an’izany fa sambory aho raha mahasahy. Tsy azo hasiana vehivavy eny Tsiafahy (…) ».

Niala tsiny izy avy eo. Na izany aza, satria raharaha notadiaviny moa, tsy nisy nisambotra, tsy nisy nanagadra azy fa nesorina ara-pomba ofisialy ara-dalàna tsy ho mpitsara intsony io Fanirisoa Ernaivo io eto Madagasikara. Ary matoa mialokaloka any Frantsa izy izao (any izy, ao anatina fiara no mampita ny laingany sy ny fankahalany ny fitondrana), dia tsapany ny fahadisoana. Nefa… Ho azy ity : «La personne qui refuse de reconnaître ses erreurs ne s'améliore jamais. Elle s'imagine se protéger ainsi du rejet ; cependant, inconsciemment, par son attitude rigide, elle s'est elle-même rejetée».

Raha ingahy Fleury Rakotomalala indray moa dia vazaha taratasy iny ary efa nomen’i Hanitra Razafimanantsoa hafatra…Tsy ho isan’ny hanam-pahefana intsony mandra-maty raha eto amin’ity tanindrazany natakalony fiainan’ireo Frantsay mandray RMI («Revenu Minimum d'Insertion»). Tsy ilaina asiana ny sariny akory eto. Fa ho ady hafa ihany koa no hiseho eo amin-dry zareo « naharesy » satria hanaiky izany koa ve i Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina, tena tompon-kevitra sy tompom-bola ? Dia eto izany no mipetraka ny fanontaniana : iza no nanao fitaovana an’iza ?

Andao koa ary lazaina fa tsy nisy n’inona n’inona nataon’i Andry Rajoelina tao anatin’izay roa taona izay. Ka dia praograman’iza no harahina ary ? Ny MAP navaozina ve sa ny FISANDRATANA ? Izany hoe mbola hisy fotoana tsy voafaritra hizarana seza, izay vao hieritreritra ireo ampahan’ny vahoaka malagasy nofitahana ? Ataon-tsika koa fa tsy nahomby io «tolona» io raha tsy nisy miaramila. Dia ry kolonely Charles sy ry Coutiti izany no niverina indray tao ambadika tao nanampy an-dry be sandry isany nozaraina vola ? Fa hanaiky azy ireo ve ny miaramila rehetra eo am-perin’asa ? Ny tafika an’abakabaka, an-tanety, an-dranomasina, ny polisy sy ny zandary.

Manomboka eo izany, ho an’iza no ho raharaha ? Mora anie ilay manompa e ! Tsy sarotra no mandainga sy mamorona mihitsy aza e ! Mahafinaritra ny mihaino hoe Filoha hajaina Hanitra Razafimanantsoa sy Praiminisitra mahavita azy Fidèle Razara Pierre. Fa Ingahy Vonison Andrianjato Razafindambo ve hanaiky hiverina ho minisitra… fotsiny ? Mba niasa nandainga mafy anie izy e… Dia atao ahoana ihany koa ireo kravaty manga Hvm very seza rehetra mba niara-nisalahy teo amin’ny fandaingana sy fanaratsiana ? Ary ireo ao amin’ilay RMDM (Rodoben'ny Mpanohitra ho an'ny demokrasia eto Madagasikara), tsy hanaiky ho gisitra ? Tena hifanjevo sy hifampisompatra izy mianakavy. Izany dia voasoratra ao amin’ny Baiboly, ao amin’ny Isaïà 3:5 « Dia hifanjevo izy samy mpiray firenena; hifampisompatra ny olona ka hifamely, ny tanora hirehareha amin’ny antitra, ary ny olon-tsotra hanohitra ny olo-manan-kaja ».


Nifoha tampoka teo aho, tsemboka tanteraka ! Ay nanofy aho ! Ary rehefa alalinina ireo voasoratra eo ambony ireo dia toa revin-gadra ihany ny tanjon’ireto miara-manondrana sy mitady hiara-manongana ireto.

Ho anareo finaritra mihaino an-dry zareo dia izao ny fanontaniana ataovy an-tsainareo : inona aloha ny zava-bitan’ireo ho an’ny firenena, ho anareo, hatramin’izay nahafantaranareo azy ireo ? Na amin’ny anarany fotsiny aza ? Iraka ihany ireo, saribakoly sy «marionnettes» ihany ka ny fankahalana an’i Andry Rajoelina no mibaiko fa tsy dia ny nofinofin-dry Dada na Rajao loatra. Asa, amin’izao aretina Covid-19 mbola mitoetra izao, mety ho sahin’izy roalahy ireo (Dada sy Rajao e !) no nampanantena fa ho avy ny Amerikana « hamonjy » an’i Madagasikara. Tsy efa izay moa no efa novetivetesin’i Dada tamin’ny taona 2002 sy 2009 ? Toa ny fiara 4L sy frigos izany ary ny lalàna Ambohitrimanjaka-Ambohidratrimo : fampanantenana poakaty.

Marina fa ny tarigetran’ny mpanohatra maneran-tany -ny mpanao politika ankapobeny-, dia ny haka ary hahazo fahefana. Fa izany dia mipetraka amina praograma fanasoavana sy fampandrosoana ny vahoaka ankapobeny ao amin’ny firenena misy azy. Sa atao raharahan-gasy (hoy i Rolly Mercia izay) ka rehefa tonga eo vao ho dinihina ? Mihevitra ny vahoaka malagasy -indrindra fa ny tanora ankehitriny- ho donto mihitsy anie ry malama vava isany izany, ao amin’ilay fandaharana nalain-tahaka e ! Tadidio fotsiny, talohan’io fandaharana fôsika io, ny zava-bitan’ny iray tamin’izy ireo -tsy mba fombako ny mamorona na mandainga-. Tsy iza izany fa ingahy Serge Nirina Zafimahova. Manampahaizana anie izy iny e ! Lasa paradisa anie ny Nosy iombonana raha hampiarina ny heviny novoaboasiny hatramin’izay e ! Kanefa inona ? Ay izy ity bandy tsy nandoa hofan-trano ela be aman-taonany tao Amboditsiry fa nanararaotra fotsiny, nihevi-tena ho lasa tompony kanefa mpindrana ihany. Iza no ho sahy hilaza na hiteny fa mbola to-teny io Serge Zafimahova io ? Aiza izao io mpitarika vilam-bava io ? Dia ilay anarana no afa-baraka izao. Adino tokoa ny hafatry ny Ntaolo rehefa mahazo micro : «Avadiho impito ny lela vao miteny».


Milaza isika fa tany tan-dalàna (« Etat de droit» ) i Madagasikara. Ny dikan'io dia izao, fa tsy araka ny nambaran'i Hery Rajaonarimampianina hoe « tout un schéma, une structure à mettre en place » : « L'état de droit est un concept juridique, philosophique et politique. ... C'est une approche dans laquelle la puissance publique est soumise au droit, fondé sur le principe du respect de ses normes juridiques, chacun étant soumis au même droit, que ce soit l'individu ou bien la puissance publique » (Wikipédia). Lalina be io fa raha adikako tsotsotra dia izao : rehefa misy tranga miseho nataon’ny olon-tsotra iray n’iza n’iza izy ka nandika ny lalàna misy dia ampiarina amin’ny sazy mifandray amin’izany tsy fanarahan-dalàna izany. Raha misy koa ny hoe : «nul n’est censé ignorer la loi» (tsy tokony misy olona na iray aza tsy hahalala ny lalàna velona misy) dia tsy adino koa ny hoe : «nul n’est au-dessus de la loi» (Tsy misy olona na iray aza eo ambon’ny lalàna manan-kery).

Naheno isika, nahare isika, namaky isika fa manao tsinontsinona ny Filoham-pirenena ry zareo ao amin’io «Miara-manonja» nalain-tahaka io sady mpandainga tsy misy toa izany. Nivoaka nibaribary an-gazety maro miaraka amina sary fa mpandainga ry Hanitra sy Fidèle Razara Pierre (ireo aloha no malaza) sy ny hafa. Efa nanazava mikasika ny solombavambahoaka mirediredy ny Filohan’ny Antenimierampirenena, Christine Razanamahasoa. Mahay mamadika resaka sy lalàna tsy misy toa izany ry Hanitra (tsy mila asiana «maître» intsony toa i Fanirisoa) sy Fidèle Razara Pierre mpikarama an’ady tsotra izao (mbola havoakako ny nanaovany an’i Marc Ravalomanana tamin’ny taona 2009 tao amin’ny radio Viva…).


Raha izany ary no misy dia ao ireo sazy mifanaraka amin’izay tsy fanarahan-dalàna ataony izany. Tsy mpanao gazety ireo malama vava ireo ka ny «code pénal» sy ny «Loi sur la cybercriminalité» no ampiarina aminy fa tsy ilay «code de la communication». Jereo kely ny tabilao roa. Ny iray mikasika ny ompa sy fanaovana tsinonatsinona ny andrim-panjakana («Injures et diffamation envers les institutions publiques»). Marihina fa ny Filohampirenena dia andrim-panjakana («Institution») iray, toa ny saina sy ny hiram-pirenena, fa tsy olom-pirenena fotsiny ihany. Ny faharoa indray mikasika ny fandrangitana adim-poko sy ny fanelingelenana ny fiaraha-monina («Incitation à la guerre civile», «Complot pour incitation à la guerre civile» - «Trouble à l’ordre public».


Ireo fotsiny no alalinina dia mendrika hakarina tribonaly ireo avo vava ao amin’io fandaharana nalain-tahaka io. Ao Anosy ry zareo no tokony miaro tena fa tsy hoe solombavambahoaka dia ambonin’ny lalàna, sady tena tranga am-bodiomby mihitsy anie ilay fandaharana e ! («Flagrant délit»). Mino isika fa manana horonam-peo ny mpitandro filaminana sy ny manampahefana eto amin’ny firenena. Ary mino ihany koa isika fa tsy hifanilika andraikitra intsony ny tena tomponandraikitra malagasy rehefa misy ho traingo…

Raha ny resaka lainga indray dia variana ihany koa aho amin’ny stratejia napetraky ny mpitondra. Fa iza sy/na inona moa ny arovana marina ? Ny tena izy dia tokony ireo minisitra voakiana sy ny mpiara-miasa aminy ao amin’ny ministerany no mitondra fanazavana sy porofo tsy azo ivalozana. Ohatra : « Tsy vita ny toerana atao hoe Manainga Zipo any Alaotra», hoy i Fidèle tranon-dainga. Tsy andrasana ny Filoham-pirenena anie no mitondra sary sy vavolombelona manaporofo fa lasa tetezana Fihariana ilay Manainga Zipo, ary ao amin’ny Tvm sy Rnm mahatakatra sy maharakotra an’i Madagasikara no anaovana izany fa tsy any amina televiziona tsy miankina tsy maro mpijery noho ireo onjam-peo nasionaly e !

Olana ve raha tsy mpanao politika ny ankamaroan’ireo minisitra ireo fa teknisianina ? Tsia ! Amiko, tsy ny Filoha (izay voafidy ara-dalàna) no mila arovana fa ny praogramany, satria tsy izy vatan-tenany anie no manatanteraka izany e ! Ny stratejia ana sera sera («Stratégie de communication») mahomby indrindra dia izao : vao mirediredy ry tranon-dainga isany milaza fa mpanao politika, dia teknisianina no mamaly ilay noresahiny ka ao amin’ny Tvm sy Rnm no manao izany (satria, averiko indray : maharakotra an’i Madagasikara iray manontolo), ary tsy hiandrasana baiko avy any amin’ny Filoha. Raha tsy manao izany dia mazava fa tsy mahavita azy ary esorina tsy misy hindra-fo. Izay ny sazy voalohany.

Tsy hitako mihitsy ny anton’ny fitangoronana mivaro-tava ao amina televiziona tsy miankina andokadoka ny zavatra efa fantatra. Sa niverina sy nivarina tamin’ny andron’ny « Oye oye » sy ny filoha hajaina ? Tsy handroso mihitsy isika raha izany aloha no mitoetra… Raha tena manaja marina ny filoham-pirenena ianareo ao amin’ny antoko natsangany, dia ny mpantanteraka no tereo hanome fanazavana matotra ho an’ny vahoaka nanome ny fitokisany aminy, ka mifanaraka amin’ny zava-misy ny mikasika ny fizotran’ny praogramany. Ary io praograma io anie efa voafaritra ao amin’ny PGE («Politique générale de l’Etat» na ny Politika ankapobe arahin’ny Fanjakana) sy ny PEM («Plan Emergence Madagascar») 2019-2023 izay voafaritry ny Lalampanorenena, atao koa hoe Lalàna fototra, ny fisiany. Ireo no mila fanazavana matetika fa tsy ny fandokafana ny Filoha no fiarovana azy mahomby rehefa injay misy lainga sy ompa mipoitra. Fomban’ny matahotra ho very seza tsy nitolona izany : sady tsy mahomby no voaraoka ihany dia mivadika ho mpanohitra indray.


Fa inona tokoa moa no voalazan’ny Lalampanorenana ? Andininy faha-11 toko faha-3 : « Zo ny fahalalahana amin'ny fampahalalambaovao, na toy inona toy inona no hanohanana izany. Ny fampiasana io zo io dia adidy sy andraikitra saingy voafehin'ny fombafomba, fepetra, na sazy voalazan'ny lalàna, izay fepetra ilaina ao anatin'ny fiaraha-monina demokratika (…) ». Mamerina any amin’ireo tabilao roa ireo izany adidy izany. Satria raha misy ny zonao, tsy miasaraka amin’ny adidy sy andraikitrao. Izany toa tsy mba lazain-dry tranon-dainga rehetra. Adino ? Tsia, modiana tsy fantatra, tsy resahina, hanapepoana ny tsy mahalala voasasa loha tanteraka, nefa « robots » tohotohatra fiakarana ihany.

Very herintaona isika ? Mila haverimberina fa noho ilay «coronavirus» mitondra ny aretina Covid-19 izay nandripaka ary mbola mandripaka maneran-tany hatramin’izao. Kanefa nisy ihany ny asa tanteraka hatrany amin’ny farany, raha nisy fahatarana ny sasany noho io aretina io. Soa fa misy ny CVO sy CVO+ pilina tena mahomby. Dia asaina miteny ny vavolombelona ary indrindra indrindra ireo manampahaizana namorona azy io fa tsy avela aratsiana lavareny.

Tsy misy maharatsy ny fananganana ilay fandaharana «Tambatra» saingy izao : iza sy inona marina no arovana ? Vao voafidy ny Filoha Rajoelina dia tokony natsangana ny «Cellule permanente de veille informative de la Présidence» (Sampana maharitra misahana ny vaovao rehetra mahakasika ny Fiadidian’ny Repoblika). Io no tokony mampiantso ny mpanao gazety REHETRA tsy ankanavaka sy ny tomponandraikitra voakasika ny fanakianana. Mametraka fanontaniana ny ankilany, mamaly ny andaniny. Tsy misy hidiran’ny Filoham-pirenena mivantana intsony izany.


Aza adino lalan-dava fa ny atao hoe demokrasia tsy hoe mampisara-bazana ny mpanao gazety sy ireo mpikirakira vaovao. Nanana praograma ny kandida ho filoha ; voafidy izy ary tsy maintsy ho tanterahany io praogramany io. Fa indrindra indrindra tsy maintsy hampahafantarina ny vahoaka, na ireo nifidy na ireo tsy nifidy azy. Aoka izay ny fandrebirebena ataon’ny andinaniny sy ny ankilany. Tsy ny Amerikana rehetra no nifidy an’i Jo Biden. Fa izy aloha no lany ka mila hajain’ny Amerikana rehetra. Tsy manakana ny fanehoan-kevitra izany, nefa tsy amina lainga sy fanaratsiana tsy mitondra mankaiza. Tadidio fa matoa notapahin’ny Twitter, Facebook ary Youtube ny kaontin’ny filoha teo aloha Donald Trump dia satria niantso ady an-trano izy. Ary voatafika tokoa ny «Capitole» taoWashington, ivotoeran’ny demokrasia any Etazonia.

Maro dia maro eto Madagasikara no manadino fa izany mpanao gazety matihanina izany anie manabe koa fa tsy vitan’ny manome vaovao sy mampaneno lakolosy fotsiny ihany e ! Ny tena mpanao gazety matihanina dia tsy mpitondra tenin’ireo mpanao politika ireo velively mihitsy, fa mampahafantatra ny tena zava-misy marina eo amin’ny lafiny rehetran’ny fiaraha-monina. Tsy mahafaly ireo mpanao afera sy be kolikoly izany. Ary manomboka eo ny fahasarotan’ity asa ity raha toa ka tsy manana porofo tsy azo ivalozana. Mora no mitondra izany amin’ireo teknolojia vaovaon’ny fampitam-baovao (feo sy vidéo indrindra indrindra). Fa tsy mpitsara na polisy akory ny mpanao gazety, aoka hazava ny resaka. Mpampita ny tranga nisy marina izy fa kosa tsy mpamorona tantara mitohy.


Farany : izao, hatreto, no atao hoe fanaovana politika eto Madagasikara, indrisy. Ny 12 oktobra 2014 dia tafaverina antsokosoko eto Madagasikara i Marc Ravalomanana, Filoha teo aloha, niala avy tao Afrika atsimo. Ny ampitsony, ny 13 oktobra, dia nalefan’ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina sesi-tany ao amin’ny «Amirauté» any Antsiranana izy ary talohan’ny krisimasy vao tafavoaka avy tany. Taiza io Hanitra Razafimanantsoa tamin’izany fotoana izany? Taiza ihany koa io Fidèle Razara Pierre io? Ny mpomban’i Dada azy moa toa nanaporofo tamin’ny fahanginany fa tsy vitan’ny vava kay izy ity fa rehefa ampiarina ny lalàna dia tsy misy hevitra mihitsy. Fa nibaribary aloha ny fahakanosan’izy rehetra. Izay ilay toe-tsaina : mamporisika dia avy eo tsy hita popoka.

Taorian’izay nanagadran’i Hery Rajaonarimampianina an’i Ravalomanana dia tokony fahavalo tanteraka izy roalahy ireo. Inona anefa ny zava-misy izao ? Rehefa nihaona tany Paris (France) dia ireo fa manao Dupond-Dupont miaraka mitady hevitra hanonganana an’i Andry Rajoelina, Filoha voafidy naharesy azy roalahy ara-dalàna tamin’ny taona 2018. Ka tsotra ny ambarako lereitsy a ! Raha mbola eto Madagasikara dia aza mahatoky saka rehefa trondro ny laoka e ! Dia tandremo tsy ho tratra farany eo… Tadidio ry Rolly Mercia, Rocco sy Lambo Tahiry ary ny maro hafa. Aiza izao ?


Marina fa izay mitambatra dia vato. Fa iza no mitambatra amin’iza ary amin’ny fotoana inona sy hanao inona ? Amiko, iray sy tokana ny vahaolana mikasika ireo mpanely tsaho sy mpandainga ireo, n’iza n’iza izy : ampiaro aminy ny tena tany tan-dalàna fa aza fitahana amina fomba tsy nahomby hatramin’izay ny Filoha Andry Rajoelina izay Filoham-pirenena voafidy ara-dalàna amin’izao fotoana izao, ary amin’ny 2023 vao hijanona ny fotoam-piasany. Ny Lalampanorenana sy ny lalàna velona misy rehetra eto amin’ny firenena no afaka miaro azy tsara mihitsy. Vakio tanteraka fa misy andininy 168 izy io fa tsy izay tiana ihany no ventiventesina sy avadika toa ny ataon-dry miara-manondrana.


Ary tsy ho sasatry ny hanoratra ity manaraka ity aho : tsy ny fahavalo fantatra sy hitam-poko hitam-pirenena no tokony atahorana fa ireo fahavalo ao anatiny («ennemis de l’intérieur»), mihaino resaka eny anaty Lapa eny, mifandray tendro amin’ireo miara-manondrana ireo. Ny anjaran’ny mpikambana ao amin’ny antoko Tgv kosa dia ny mahamantatra ny tena mpitolona nanomboka ny taona 2009 sy ireo niditra sy miditra amin’ny antoko satria manantena hahazo tombony. Maro izy ireo izao, ary manana toerana «tsara be» ny sasany nefa manampatra fahefana amin’ny anaran’i zandry kely. Fa raha ny fitiavan-tanindrazana dia aotra ! Nefa rahampitso 7 Febroary 2021, efa 12 taona no nitrangan’ny vonolona nahatsiravina teo Antaninarenina.

Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Dimanche, 07 Février 2021 06:51 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024

 

Beijing. Intervention du Président Andry Rajoelina, lors de la Table ronde sur le Développement économique Madagascar-Chine 2024