]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Analyse Andry Rajoelina : « La bonne volonté à ses limites »

Andry Rajoelina : « La bonne volonté à ses limites »

 

Siège des Nations Unies à New York

 

Tel peut se résumer les déclarations d’Andry Rajoelina sur le plateau du journaliste Heninjaka Rakotomanantsoa (Viva Télévision, mercredi 25 février 2009, à 20h). Ainsi, après la défecton dédaigneuse de Marc Ravalomanana Andry Rajoelina a fermement décidé de ne plus se rendre aux futures rencontres qui ne sont qu’une perte de temps pour lui, mais qui permettent à M. Ravalomanana d’établir une vértiable politique de la terre brûlée. Le limogeage de pas moins de 11 hauts responsables au sein des forces armées et des forces publiques ne doivent pas vous faire douter. Par ailleurs, j’aime bien Xavier Leus, le responsable du système des Nations Unies à Madagascar. Mais il lui faudra encore attendre combien de temps pour faire comprendre au secrétaire général que c’est, justement, la constitution malgache qui constitue la pierre angulaire de cette crise et de son dénouement ? Publier des communiqués valables pour des pays comme la RDC et le Zimbabwe, c’est une démarche robotique. Donc inhumaine. Il faudra encore combien de morts à Marc Ravalomanana pour enfoncer encore plus dans un enfer toute sa descendance, au nom de cette constitution qui n’a plus sa raison d’être, tellement elle démontre, actuellement, tous ses vices de fond. Du coup, tous semblent ignorer la notion d’extra constitutionnalité. Aidez-nous sérieusement ou oubliez que nous existons. La vie continuera toujours, à moins d’une bombe atomique. Et encore. De son côté, Mgr Odon Razanakolona en a eu assez de jouer les marionnettes communicatives et, lui aussi, a décidé de ne plus être médiateur et porte-parole du Ffkm dans ce je m’en-fou-tisme ravalomananien qui mijote sûrement de très mauvais coups. Mais je répète : aucun dictateur, dans l’histoire même de l’humanité, n’est parti de son plein gré. Par contre, nous pouvons avoir la certitude à 100% c’est qu’ils ont tous mal fini leur vie. Et çà, ce n’est pas la faute à… Voltaire.

 

 

Pour en revenir aux déclarations d’Andry Rajoelina -dont vous avez, plus bas, l’intégral en version originale (trouvez-vous un bon traducteur si vous vous intéressez réellement à Madagascar et pour éviter les interprétations nocives)-, la lutte continue. Avec, dans un premie temps, un sitting devant le stade de Mahamasina, ce jeudi 26 février, afin de montrer que le Pds est persona non grata au sein même de la Commune urbaine d’Antananarivo (CUA). Puis il y aura un grand rassemblement sur la place du 13 mai, le samedi 28 février 2009. Certes, des éléments armés ont déjà investis les lieux mais ce qui arrivera demeure entièrement sur la conscience de Marc Ravalomanana. Car le pays vit dans l’extra constitutionnalité. Mais un autre carnage pourrait justifier l’intervention de la BEA de la SADC. Et c’est le but recherché, la mise en pratique dela politique de la terre brûlée. Marc Ravalomanana se prend pour Mugabe et Khadafi réunis. Qui va s’asseoir à ses côtés dans un Sommet de l’Union africaine bâti sur des cadavres humains ? Non, vraiment, M. ravalomanana, face à cette situation n’a vraiment pas l’étoffe d’un Chef d’Etat digne de ce nom et ne pense qu’à son empire comme tous les dictateurs qui ont traversé l’histoire d’un monde en marche. Reste à savoir s’il sera comparé à Jules César ou Adolf Hitler. Dans les déclarations en malgache qui suivent, Andry Rajoelina met en lumière la manière inique de le laisser en plan lorsqu’il pose les vrais problèmes sur la table mais, par contre, la célérité de certains médiateurs a gobé tout ce que Ravalomanana dit. Accès à la Tvm pour au moins 3 minutes : silence total de la part des médiateurs ; abrogation de la nomination du Pds Guy Rivo Andrianarisoa (Grande découverte : il apparaît que c’est un des neveux de Marcel Ranjeva et qu’il a, effectivement, roulé en Ferrari avec des petites pépées, dans tout Paris, lorsqu’il était conseiller à l’ambassade du boulevard Suchet. Lors de la visite de parc Ravalomanana à l’Unesco, il s’est caché dans la cabine du son, alors que sa place était au côté de M. Ravalomanana. Enfin, il est de notoriété parisienne qu’il a été mouillé dans plusieurs sortes de trafics… Je ne me fie jamais aux ragots et qe quelqu’un joue encore à qui s’excuse s’acccuse). Revenons à nos moutons : concernant donc l’inutilité de la nomination de ce Pds, personne dans la salle n’en a fait un cas. Comment voulez-vous que cela avance. La grande question d’actualité demeure : que va encore faire Marc Ravalomanana contre son propre peuple ? Vous pouvez encore le raisonner, lui trouver une portte de sortie honorable pour sa cause perdue). Car plus le temps passe, plus le risque de guerre civile est élevé.

 

Bon, voici la transcription intégrale de l’intevention d’Andry Rajoelina sur Viva Tv, le 25 février 2009

 

 

Le journaliste Heninkaja Rakotomanantsoa

 

« Ny fahatsapana aloha fa ny fifanatrehana in-telo miataona izay natao dia tsy nizotra mihitsy tamin’ny famahana aingana ny krizy izay lalovan’i Madagasikara ankehitriny. Satria na tia ntsika na tsy tia ntsika dia mandalo ao anaty krizy Madagasikara ankehitriny. Laharam-pahamehana ny famahana ny olana eo amin’ny firenena, laharam-pahamehana loatra izany. Ka midika tsy fahamatorana ny zavatra niseho androany ary, indrindra indrindra, fanaovana tsinontsinona ny vahoaka malagasy. Dia inona moa izany fa ny fihetsika sy ny fitetezam-paritra nataon’Andriamatoa Ravalomanana, nandritra ny fotoana hanaovana ny fifanatrehana androany iny. Ka dia ireny moa izany ny zavatra misy hoe : ny fitetezam-paritra indray ve no laharam-pahamehana, ao anatin’ny fitadiavana vahaolana ary izay no hisaorako, tena hoe mitafotafo an’i Mgr izay lehiben’ny Ffkm, izay niteny fa tsy handray anjara intsony ao anatin’izao fifanatrehana natao izao. Satria misy antony matoa ny olobe, ray aman-dreny hajaina ao an-tampon’ny loha ohatra ireny, manaja tena tsy te-hiditra ao anatin’izany resaka izany intsony, dia mahatsapa tena fa notsinotsiniavina daholo izany ny olona rehetra nandray anjara tao anatin’izany fifanatrehana natao izany. Indrindra indrindra ny vahoaka malagasy izay tsy mandry andro, tsy mandry alina, te-hahafantatra, te-hahalala hoe : ahoana ihany ny afahan’i Madagasikara mivoaka ao anatin’izao krizy izao. Kanefa moa izany dia fihetsika ohatran’ireny no nataon’Andriamatoa Ravalomanana.

 

 

Le Pds Guy Rivo, un des neveux de Marcel Ranjeva. Il roulait vraiement en Ferrarri dans Paris

 

Ao anatin’io dia zavatra tsara ho fanta-tsika rehetra dia raharaham-pirenena no atrehana ary sarobidy loatra izany raharaham-pirenena izany. Ary izahay dia niezaka ihany koa ao anatin’izay mba hijery vahaolana marina ho tombontsoan’ny vahoaka malagasy, ho tombontsoan’ny mpiara-belona ary indrindra indrindra ho tombontsoam-pirenena. Ka ao anatin’izay dia nandefitra mihitsy ny vahoaka malagasy tao anatin’izay efatra andro izay. Satria, rehefa nisy ny fepetra napetraka dia na tsy nifandraika loatra amin’ny tian’ny vahoaka malagasy ho atao, dia nekeny izany, satria izay ilay mifandray amin’ilay teny hoe : fialana nenina. Izay indrindra no zavatra ohatrany mahasorena ihany ankehitriny. Najanona, naato aloha ny meetings na ny famoriana ny mpitolona rehetra eo amin’ny kianjan’ny 13 mai, na dia sarotra be aza no naka izany fanapahan-kevitra izany, mba afahana mampitony, mba afahana mifanatrika ao anaty fo tony sy saina madio ary ny filaminana. Najanona ny fiantsiana. Izay izany ny fepetra anankiroa tokony narahana. Fa ankehitriny, ary izahay dia naka fanapaha-kevitra hoe : ny endrika fametrahana ny Pds eo anivon’ny fitantanana ny tànanan’Antananarivo dia midika mihitsy fiantsiana. Ary indrindra moa ny tenin’ity farany dia hoe : « raha sandry na hery notadiavina, dia manana izany ». Izany ve ianao no hitantana ity tànana ity ? Ary aoka ho tsapan-tsika iza marina moa io Pds io. Io anie no sekretera jeneralin’ny kaominina tamin’ny andro fitantanan’ny teo aloha e ! Ary tao anatin’izany fitantanana izany, dia aoka tsy adinon-tsika vahoaka malagasy, tsy adinon-tsika mponina eto Antananarivo, fa tao anatin’izany no nisy vola be tsy toko tsy forohana, izay « trou » ngezabe tao anatin’izany tanànan’Antananarivo izany. Aoka tsy adinon-tsika ny tantara fa misy « plus de » 40, 50 milliara no tsy hita, no tsy ay izay fomba nampiasaina azy ; misy « hors budget ». Izany izao dia tena tokony jeren’ny « inspecteur d’Etat » akaiky mihitsy, momban’ireo olona nitantana ireo. Satria ankehitriny, satria Tim moa izyn rehetra dia tsy gadraina. Aoka ho tsaroan-tsika tsara fa ny tenako dia lany tamin’ny vato 63% mahery, nametrahan’ny vahoakan’Antananarivo ny fitokisany tanteraka hitantana an’ity tànanan’Antananarivo ity izany. Ary mbola anaovana tsinontsinona ireo vahoaka ihany satria olona efa naloan’ny vahoakan’Antananarivo no averinao indray hitantana izany tànanan’Antananarivo izany. Iray izay. Izay aloha dia ataon-tsika etsy anjorony. Fa ny zavatra tena mahagaga dia tsy mitombona mihitsy ny fanendrena azy ho Pds. Ry zarei ireo moa dia milaza foana ny hoe « légalité ». Fa ity tena mipetraka ary mijoro ny « légalité » satria tsy misy mihitsy antony nametrahana Pds eto amin’ny tànanan’Antananarivo. Satria ny tenanay, taminy nitantana izany tànanan’Antananarivo izany, dia tsy nisy fanodikodinam-bola ; tsy nisy fanamparam-pahefana ; tsy nisy fivarotana ny tanin’ny tànanan’Antananarivo na dia iray « centimètre carré » aza, afahana mametraka Pds. Izany hoe tsy mari-pototra mihitsy, fa fanamparam-pahefana. Diso làlana sy diso toerana ny fametrahana Pds eto amin’ny tànanan’Antananarivo ary hampihetsika sy hanetsika mihitsy ny ambopon’ny vahoaka malagasy tsy vaky volo izay nametraka ny ben’ny tànana nofidiany. Fanitsakitsahana ny safidim-bahoaka ny fametrahana Pds eto amin ‘ny tànanan’Antananarivo. Izany zavatra izany, aminay, dia midika fiantsiana mihitsy. Ka tsy ekena mihitsy ny fametrahana izay Pds izay. Teo aho, androany ny nametraka tamin’ireo ray aman-drenim-piangonana hoe : aiza ho aiza ny position-nareo manoloana izao zavatra izao ? Satria ny ray aman-drenim-piangonana dia mijoro rehefa misy zavatra tsy mety eto amin ‘ny firenena. Tsy mety ny fametrahana Pds eto satria mampisavorovory ary mety hampikorontana ny vahoaka sy ny mponina eto Antananarivo na eran’i Madagasikara. Ary ny fiantsoana ny fampiasana ny hery dia midika koa fa any amin’ny làlana tsy izy no alehan’ireo olona izay miseho azy manaraka ny ara-dàlana ireo. Olom-bitsy mifikitra amin’ny sezany ary te-hifikitra amin’ny sezany mihitsy, te-hikiry fahefana. Na hamonoana olona na inona na inona ny zavatra atao, na ampiasana sandry dia izany ny zavatra ataon-dry zareo. Hisy ny fandaminana atao fa tsy ekena. Ary raha mbola eo i Andry Rajoelina sy ny vahoaka nifidy azy eto Antananarivo, dia tsy ho tafapetraka eo amin’izany toerana izany Andriamatoa Guy Rivo sy ny mpiara-dia aminy.

 

 

Jean Théodore Ranjivason (médaillon), ancien ministre de… Marc Ravalomanana et la prison de Tsiafahy

 

Ny tsara ho fantatry ny vahoaka koa dia omaly dia natao ankilabao (« isolement ») ny tenanay tao anatin’ny resaka rehetra : aza manao 13 mai ! Noho ny tombontsoam-pirenena dia nanaiky tsy nanao 13 mai. Nandeha indray ny hiteny amin’ny Tvm : mbola tsy navela. Ao anatin’izay koa ny : aleo tsy hiresaka mihitsy amin’ny vahoaka. Nefa androany dia hitanareo tamin’ny haino aman-jerim-bahoaka fa dia niresaka tao Andriamatoa Ravalomanana e ! Izany hoe sady tsy nanaja ilay fotoana nomena izy, izay fanaovana tsinontsinona ny vahoaka, fa mbola niteny izy tao amin’ny Tvm. Izay no nahatonga ahy nanapa-kevitra hoe : misy fetrany ny fandeferana. Izahay moa dia notezaina tao anatin’izany hoe fitadiavana vahaolana, fandeferana, fa misy fetrany ihany koa ny fandeferana. Raha mikasika an’Andriamatoa Ranjivason manokana, dia tiako ihany no miteny aloha : izahay dia nahatsapa mihitsy fa nisy ny endrika fiandaniana tao anatin’ny dinidinika na ny fihaonana izay natao tao. Ary nisy ihany koa fandaniam-potoana be loatra tao anatin’izany dinidinika izany mba hezahana ahafaty ny tolona. Diso tanteraka mihitsy raha mieritreritra izany satria ny vahoaka malagasy rehefa hoe mila fanovana dia tsy maintsy tonga amin’izany fanovana izany. Ary tsy nisy mihitsy, teto amin’ny tantaran’i Madagasikara, hoe hetsika natao teo amin’ny kianjan’ny 13 may -ny tantara no manamarika izany- : tsy nisy fitondram-panjakana nahatohitra ny hetsi-bahoaka. N’inona n’inona atao eo, na fitoavam-piadiana no ampaisaina, na ny saina no ampiasaina, na ny teknika rehetra no ampiasaina dia tsy maharesy izany hetsi-bahoaka izany mihitsy. Tamin’ny valan-dresaka nataoko tamin’ny mpanao gazety, androany, mikasika an’Andriamatoa Ranjivason Jean Théodore, dia niteny mihitsy aho hoe : aoka izay ny fanagadrana olona amin’ny tsy antony. Indrindra moa fa ireo gadra politika. Satria anie tamin’ity fitondrana Ravalomanana ity no betsaka indrindra ny gadra politika nogadraina teto amin’ny firenena : ny Praiministra teo aloha ; ireo « sénateurs » ; ireo « gouverneurs » ; ireo « députés » ; ireo manamboninahitra toa ny « généraux »; ireo « maires » ; ireo olona nilatsaka ho filoham-pirenena. Taiza no mbola nisy an’izany teto Madagasikara ? Ao anatin’izany zavatra izany nefa dia ity : tsy misy olona hijanona eo amin’ny fitondrana na fitantanana mandrakizay. Ka raha izay endrika izay no entina hitantanana ity Madagasikara ity, dia hanao valifaty indray ireo olona izay hitondra eo, dia hanagadra indray izany ny « ministre »s, ny Praiministra, ny « sénateurs », ny « députés », ny sefom-pokontany… Dia ahoana ? Ho tafavoaka ve ity Madagasikara ity ? Ka izany zavatra izany dia tokony dinidinihina sy saintsainana tsara fa tsy any ny làlana fa tokony atsapa-tena ny olona iray fa rehefa tsy tian’ny vahoaka intsony dia tokony tsy iziriziry amin’ny heviny, tsy tokony iziriziry amin’ny tombotsoany manokany ka tokony hanaja tena hiala amin’izany fitantanana izany asa aman-draharaha eto amin’ny firenena izany. Eo no mahatonga anay hoe : tokony ao anatin’ny laharam-pahamehana ny famoahana ny « ministre » Ranjivason Jean Théodore izay nalaina an-keriny. Aleo mazava tsara fa natao « kidnapping » anie izy e ! Ary tonga dia nalefa any Tsiafahy ! Manao ahoana ny « procédure » ? Nanaraka ny « procédure » ve ny fanagadrana azy sy ny fitazonana azy any Tsiafahy ? Ka izahay aloha dia mitaky ny hamoahana azy tsy misy fepetra, tsy misy atak’andro mba tsy hisian’ny lonilony fa hisy ny fitonian-tsaina eo anivon’ny fiaraha-monina.

 

 

Mgr Odon a préféré se désister de son rôle de médiateur et a fait appel à l’ONU

 

Izaho aloha, na ahoana na ahona dia misaotra ny Ffkm nihezaka ny ampifanatrika. Amin’ny fanajana ny fizotran’ilay izy dia mba mangataka ny vahoaka malagasy tsy vaky volo mba ijoroan’ny Ffkm marina na ireo ray man-dreny. Mgr Odon moa iny efa nijoro. Tena nijoro mihitsy izy amin’ny maha ray aman-dreny zay, ary misy antony goavana be mihitsy matoa nandray ireny fanapaha-kevitra ireny ny fianakaviam-ben’ny katolika, izay tsy te-iray tsikombakomba ao anatina zavatra efa hita fa tsy mety dia mbola hikiry ao anatin’izany. Tao anatin’ilay izy dia nisy mihitsy, ary tsy afaka afenina izany, ny fiandaniana. Satria ilay zavatra tokony resahina, tokony hampisy fitonian-tsaina marina eto amin’ity firenena ity, dia tsy mijoro ireo ray aman-dreny sasan-tsasany fa miheno fotsiny. Nefa raha vao miresaka, Andriamatoa Ravalomanana, resaka tsy dia tena mahasoa loatra ny vahoaka fa mahasoa an’Andriamatoa Ravalomanana, dia miazakazaka ireo ray aman-dreny sasan-tsasany. Ao anatin’izany no manamafy ny fitakian’Andriamatoa Ravalomanana. Lasa sahirana ihany aho tao anatin’izay. Raha mikasika ireo fitakian’ny vahoaka kosa : aiza ny fanapahan-kevitra ireo filoham-piangonana sasan-tsasany ireo ? Indrindra indrindra ao anatin’ny fametrahana Pds ohatra ; ao anatin’ny fahafahana miteny ao aminy Tvm. Izany anie no resaka anisan’ny resahina tao e ! Ny Tvm dia haino aman-jerim-bahoaka ary izahay dia mitondra ny tenin’ny vahoaka. Tsy tokony mitanila izany ny Tvm ary tokony apetraka ny ray aman-dreny mpanelanelana tsara ny fijoroany amin’izany. Nefa tsy maha sahy miteny an’Andriamatoa Ravalomanana ireo ray aman-dreny hoe : haino aman-jerim-bahoaka io fa tsy fahadisoana kosa raha afaka miteny ao Andriamatoa Andry Rajoelina. Tsy nisy niteny an’izany ireo ray aman-dreny ireo. Na mba niteny hoe : mampisavorovoro ny saim-bahoaka ity fametrahana Pds, fa aleo aloha io ajanona. Tsy nisy sahy niteny. Fa n y ray aman-dreny « archevêque » dia nitondra mihitsy ny hoe : tokony ity aloha no dinihin-tsika : ny fijerena ny krizy ; ny fanalana an’i Madagasikara ao anatin’ny krizy. Fa ny ankoatra izay dia miala tsiny, miala fondra aho satria ny marina no lazaina ary ny fijoroana. Tena mangetaheta izany mihitsy ny vahoaka malagasy tsy vaky volo. Mangetaheta ny fijoroan’ireo ray aman-dreny satria any ny mason’izy ireo : ahoana ny « réactions » an’ireo ray aman-dreny am-panahy ireo, manoloana ny toe-draharaha ankehitriny. Izay fahamarinana izay no tokony hijoroan-tsika hatramin’ny farany, dia tokony ho tenenin’ireo ray aman-dreny. Satria izay mijoro te-hitondra ny heviny, te-hiady amin’izay tsy fahamarinana izay dia gadraina. Tsetsatsetsa tsy aritra ihany ireo mba ahafantaran’ny vahoaka ny fizotran’izay fifanatrehana natao tao anatin’izay telo andro izay.

 

 

Izaho moa dia nanao fanambarana tamin’ny haino aman-jery sy ny mpanao gazety fa ampanetrehan-tena lehibe no nanaovako fialana nenina mba ho tsinjovina ny tombotsoam-pirenena. Nanao fanambarana aho fa tsy andray anjara intsony amin’ny fifanatrehana izay ho karakaraina manaraka satria raisiko fanaovana tsinontsinona ny vahoaka malagasy ireny fihetsika natao androany ireny. Ny zava-misy ankehitriny dia zavatra tsy maintsy holalovan’Andriamatoa Ravalomanana : manana « légalité » tanteraka ny tolom-bahoaka ankehitriny satria ny fitakiana rehetra izay natao dia ao anaty hetaheta sy fitakiam-bahoaka avokoa. Ary ao anatin’izany « légalité » izany dia ny vahoaka malagasy tsy vaky volo dia nifidy ny filoham-pirenena itrandro ary anaraka toa ny anakan’andriamaso ny làlam-panorenana. Ankehitriny anefa, ny filoham-pirenena sy ny governemanta izay miara-dia aminy dia tsy manaraka intsony izany làlam-panorenana izany. Efa nolazaiko ombieny ombieny fa ny tenako dia efa ny tantana ny « Commune urbaine d’Antananarivo ». Misy rafitra arahina ao anatin’izany fitantanana izany. Misy zavatra anankiroa no tsy maintsy arahina. Ny « Article 3 » ao amin’ny làlam-panorenana dia milaza mazava fa ny tany eto Madagasikara dia tsy azo amidy na ahofa na hampanofana. Nefa ny fitondrana Ravalomanana dia nanao izany. Be dia be ny porofo ananana eo anatrehin’izany. Efa voalaza soa aman-tsara fa ao anatin’ireny fitantanam-bolam-panjakana ireny dia misy rafitra mazava tsara mifehy izany. Ny tsy fanaovana « appel d’offres », ny tsy fanaovana « passation de marchés » dia mampigadra. Nefa voaporofo fa ny fanjakana fitantanana Ravalomanana dia nanao izany. Ary ny FMI ary dia niteny fa tsy nahafa-po ny valinteny (mikasika ny fividianana ilay Boeing 60 millions de dollars). Tsy ny hoe valin-teny tsy mahafa-po fa indrindra eo amin’ilay tsy fanarahana ny làlana izay nametrahanay taratasy any amin’ny ambaratonga isan’isany izay tsy fanarahana izay làlana izay. Satria tonga dia mampigadra avy hatrany ho an’ny olona izay nanome ny baiko na nanome toro-marika.

 

 

 

Omaly (24 febroary) aho namangy ireo naratra teny amin’ny hopitaly HJRA ary zavatra tokony halalin’ny manao gazety, satria zavatra tena nampalahelo tokoa ny zavatra niseho omaly. Betsaka ireo voan’ny bala dimy (05) ary nisy tovolahy iray, « 4è année » izy eny Ankatso, izay potipotiky ny bala ny tongony, ny lohaliny ary voatery tsy maintsy notapahina, nefa lahimatoa eo amin’ny fianakaviany ary tena hoe andrin’ny fianakaviana mihitsy. Nitomany io tovolahy io ary nitady ahy mihitsy, nilaza hoe : asaivo mandeha aty « président » mba hiresaka amiko. Izany zavatra toa izany dia tsy anekena mihitsy ny toe-draharaha ankehitriny, ka hijanonan’Andriamatoa Ravalomanana hitantana ny firenena. Misy ihany koa tovolahy maro maro tao. Ary izany ny tokony ijoroan’ireto ray aman-dreny filoham-piangonana telo (ny ray moa efa nijoro), izay nolazaiko tao androany : aiza ho aiza ny « position » nareo manoloana ny zavatra ankehitriny ? Tao nisy tovolahy teny ambony hazo, ampita ny « Office national du tourisme », voatifitra bala dimy ihany koa. Izany hoe nisy mihitsy ny finiavana namono olona tao anatin’iny fitifirana iny, tamin’ny 7 fevroary iny teny Antaninarenina. Izany hoe mbola lavitra be ny lapan’Ambohitsorohitra ny olona dia voafafan’ny bala. Izany tragan-javatra izany dia tsy azo ekena eto amin’ny firenena.

 

 

 

Tsy nisy firesahina izany tao amin’ny fifanatrehana. Resaka fandianiam-potoana fotsiny no tao satria inona tokoa moa no ho vita ao anatin’ny adiny iray ? Raha ny tombotsoam-pirenena marina no jerenao dia tokony ho vita ao anaty ny roa andro izy ity. Na ao anaty ny 48 ora. Fa raha 48 ora no ataonao 1 ora isan’andro dia lasa 48 andro. Raha esorina izany ny asabotsy sy alahady dia ao anaty ny 2 volana sy tapany, 3 volana, nefa mbola misy « tournées » indray ataon’Andriamatoa Ravalomanana, dia mety afaka 5, 6 volana vao mety hita ny vahaolana, raha misy ny vahaolana. Efa vita ny « Sommet » amin’izany…

 

Mifanila an’izany dia misy mihitsy ny fanararaotana ny filazana eran’i Madagasikara hoe milamina ny tany, dia filazana vaovao tsy marina ihany sy tsy mari-pototra. Satria ao anaty krizy tanteraka Madagasikara ankehitriny. Ary tsy ny fijanonan’ny 13 mai tao anatin’izay fifanatrehana izay no midika fa hoe maty ny tolona.

 

 

Fifanajana iny, ary eto aho dia miantso mihitsy ny fiakaviam-be iraisam-pirenena fa hita maso, hitam-poko hitam-pirenena ny finiavanay hijery vahaolana ao anatin’izao krizy izao. Nefa dia hita ny fanaovana tsinontsinona ny fitakiam-bahoaka. Io ilay fanaovana tsinontsinona ilay herin’ilay vahoaka mitambatra ary mety hampidi-doza hoy ny fitenenana. Ka ny tolona dia mitohy. Ary voaporofo fa vahoaka endry ny vahoaka malagasy satria nanaja ny fepetra notakiana tao anatin’ny fepetra napetraky ny Ffkm. Tsy nisy nampiasa sandry na hery. Afaka adidy izao ny vahoaka malagasy, a ry ny tolona dia mitohy ary tsy maintsy jerena tsara ny fepetra. Raha mikasika ny fandaharam-potoana rahampitso manokana dia hiaro ny « légalité-ny Commune urbaine d’Antananarivo » (CUA) -. Izay no anaovako antso avo an’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena ; ny olona rehetra izay nifidy an’ny tenanay Andry Rajoelina ho ben’ny tànanan’Antananarivo. Tsy hatakalon’ny vahoakan’Antananarivo an’i Guy Rivo na oviana na oviana mihitsy i Andry Rajoelina izay nametrahan-dry zareo ny fitokisany. Ary indrindra indrindra tao anatin’ny fitantanany. Raha namidin’i Andry Rajoelina daholo ny tanin’ny CUA ; raha nanodikodim-bola ny tenako, ohatra ny volan’ny CUA dia novidianan’i Andry Rajoelina Ferrari na Porsche, satria ilaiko ho ahy manokana izany, ka tsy manaraka ny « budget » : Milaza marina aho fa tsy mila takiana akory hoe mialà, fa tonga dia miala aho. Raha izay ilay endrikendrik’ilay zava-miseho, izany. Fa indrisy : tsy nisy mihitsy ny fitondrana mangarahara natao teo amin’ny fitondrana ny CUA teo aloha ; tsy misy mihitsy ny antony ametrahana an’Ingahy Guy Rivo ho Pds eto amin’ny tànanan’Antananarivo. Izany zavatra izany no hiadivan’ny vahoaka izay nifidy an’i Andry Rajoelina. Ary tsy anaiky lembenana ireo vahoaka ireo fa dia hiaro ny « légalité ». Ka rahampitso, dia manao antso avo ho an’ny vahoaka malagasy tsy vaky volo, izay nametraka ny fitokisany tamin’i Andry Rajoelina itantana ity tànanan’Antananarivo ity, dia hametraka an’i Michèle Ratsivalaka ary hanala an’Andriamatoa Guy Rivo izay tsy ilain’ny vahoaka hitantana ny tànanan’Antananarivo na mametraka ny tongony eo amin’ny biraon’ny tànanan’Antananarivo fotsiny aza. Satria tsy ny fanamparam-pahefana na ny fanamparana ny sandry no ampiasaina eto amin’ity firenena ity.

 

 

 

Ny fotoana izany dia amin’ny 10 ora. Eo Mahamasina daholo izany ny vahoaka izay miaro ny rariny ary miantso ny « presse internationale » rehetra mihitsy aho. Satria hiaro ny rariny i Ramatoa Michèle Ratsivalaka izay nametrahako ny fahefana feno hitantana ny CUA sy ireo mpiasa rehetra ao. Eo Mahamasina izany no hita ny fandaharam-potoana apetraka. Manana sandry i Guy Rivo, ary manana fitaovam-piadiana. Ekena izany ary efa hitan-tsika anie ireny taratasy famoahana entana maro dia maro teny amin’ny seranam-piaramanidina etsy Ivato ireny. Ary Andriamatoa Ravalomanana dia niteny mihitsy, tamin’ilay fandaharahana « Tenin’ny filoham-pirenena » hoe : efa manana fitoavana ari-fomba isika ary tena omena fitaovana mihitsy ny tafika rehetra. Ny ao Antananarivo efa manana ny ampy. Izay izany ny laharam-pahamehana amin-dry zareo dia ny fitaovam-piadiana. Fa n’aiza n’aiza eto amin’ny firenena, tsy misy mihitsy fanjakana maharesy vahoaka izany ! Ny vahoaka miady amin’ny rariny. Ireo vahoaka ireo tsy manana fitaovam-piadiana fa manana ny finoana. Izay finoana izay no tsy ananan’ny sasany.

 

 

 

Raha mikasika ny fihaoanana eny amin’ny kianjan’ny 13 mai dia hanao antso avo grève générale ary manao antso avo an’ny « société civile », ny mpiasan’ny « zones franches », ny olona rehetra tsy vaky volo, na ny « secteur privé » na ny « secteur public », na ny tanora na ny ray aman-dreny, hiaraka ho tonga eo amin’ny kianjan’ny 13 mai mba hasehoan-tsika, hitam-poko hitam-pirenena, ny tsy fankatoavan-tsika intsony an’Andriamatoa Ravalomanana. Miangavy ireo rehetra ireo aho ho tonga eny amin’ny kianja ny 13 mai, ny asabotsy 28 febroary 2009. Hisy fandaminana goavana be mihitsy ao. Ary manao antso avo aho amin’ny Emmo/nat indrindra indrindra hiaro ny vahoaka. Aleo ny saina no entina amin’ity tolona ity fa tsy ny fitaovana. Tsy tokony ho tapenam-bava ny vahoaka malagasy ; tokony avela aneho ny heviny izy fa tsy tokony ho gejaina, tsy tokony ho fatorana satria ny fahafahana no takian’ireo vahoaka malagasy ireo. Ka mino aho fa tokony anana fahendrena ireo miaramila satria efa mba nahazo antso maro tamin’ireo miaramila nilaza mazava fa tsy hitifitra, tsy hampiasa hery. Tamin’ireny fotoana namaivay ireny dia nisy mihitsy aza « camion » feno miaramila niverin-dàlana tsy nety nandeha hamoritra ny vahoaka. Naleon-dry zareo voasazy toa izay mamono Malagasy toa azy ireo. Efa betsaka ny olona tonga saina ankehitriny ; efa betsaka ny olona mila fiovana ankehitriny. Ary izay fiovana izay dia tsy maintsy vitan-tsika hatramin’ny farany. Efa kely sisa dia ho tonga amin’izay fahafahana izay isika. Ary mino aho fa manana ny finoana ary ny fanantenana ny vahoaka malagasy tsy vaky volo, fa tsy maintsy ho afaka ary ho afahantsika ity Madagasikara ity. Masina ny tanindrazana ary ny tolona tsy maintsy mandresy. Andry Rajoelina sy ny mpiara-dia aminy dia tsy hamadika mihitsy ny vahoaka malagasy, na oviana na oviana. Ary ny tombontsoam-bahoaka iray manontolo no hotsinjovina. Izay no mahatonga antsika ijoro, na ino-kidona, na ino-kitranga, dia tsy maintsy azon-tsika izay fahafahana sy izay fitantanana izay firenena izay ».

 

 

Naka feo sy namadika ho soratra :

 

Jeannot Ramambazafy – Mpanao gazety

 

(Antananarivo, faha 26 febroary 2009)

 

 
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...