]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Analyse Andry Rajoelina : Kabarin’ny Paska 2009 feno fahamatorana

Andry Rajoelina : Kabarin’ny Paska 2009 feno fahamatorana

Miarahaba ny mpitsidika rehetra an’ity gazetiny Madagate.com ity. Lasa iny ny Paska 2009. Inona ny jery todika sy jery lavitra ? Nanao kabary feno fahamatorana sy ny Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, Andry Rajoelina. Teny nadika eto ho an’ny taranaka fara aman-dimby, noravahana sary…

 


 

« Ry vahoaka malagasy mpiray tanindrazana, amin’izao andro fankalazana ny fetin’ny Paska izao dia faly miarahaba antsika rehetra ny tenako. Manararaotra izao fotoana izao ny fitondram-panjakana tetezamita hirariana fiononana ho an’ireo namoy havana noho ny fandalovan’ny rivo-doza Jade farany teo iny. Ary mankahery ihany koa ireo tsy manan-kialofana sy rava fananana. Tiako ny milaza amintsika fa ny governemanta tarihin’ny Praiministra dia efa nidina nijery akaiky ny zava-misy any amin’ireo faritra tena voa mafy ary nijery ihany koa ny fanampiana maika tokony hatao ho an’ireo mponina tra-boina. Efa niroso tamin’ny fandraisana an-tanana ny fanarenana ity firenena ity isika. Handamina ny fiainam-bahoaka, ary efa nandray andraikitra ny fitondram-panjakana sy ny governemanta hamaha ny olana rehetra. Satria misy tokoa mantsy ny finiavana hamboly savorovoro sy korontana mba tsy ahatomombana na hatafita ity governemanta tetezamita ity. Firenena anefa no tantanana ary ho saro-piaro sy tsy hanaiky ny fanaovana takalon’aina ity firenena ity na koa ny hamingana tsy handroson’izany firenena izany na avy ato anatiny izany na avy any ivelany isika. Tao anatiny fitantanana ny firenena nandritra izay telo herinandro izay dia tsapa sy hita fa marefo ny kitapom-bolam-panjakana ankehitriny. Ny antony dia betsaka loatra ny fandaniana , ny gaboraraka ary indrindra ny halatra natao teo amin’ity firenena ity ka misy ny fandaminana tsy maintsy hatao. Anisan’izany aloha dia ny fanenana ny fandaniana isaky ny ministera sy ao amin’ny « présidence » ary any ifotony tsirairay avy any. Tsy maintsy ahena izany ny fandaniam-bola ampiasain’ny fitondram-panjakana.

 

Eo an-kavanana, Jean Louis Ravelomanantsoa (Malagasy nanatrika ny famaranana 100 m (JO Mexico 1968), miarahaba an’ilay mpiazakazaka Jarrem Pearce tany Australie (4 avril 2000
Faharoa, tsy maintsy hatao ary tsy maintsy ho katsahina ihany koa ny hampiakatra ny hetra rehetra miditra ho an’ny fitondram-panjakana. Tokony hajanona hatreo ny fihatsaram-belatsihy ary tokony izay mahasoa ny firenena sy ny vahoaka Malagasy no imasoana sy ho jerena ankehitriny. Raha manao jery todika ny zava-nisy tany am-piandohana dia betsaka ny fanontaniana mipetraka. Fa nahoana tokoa moa ny atleta malagasy nandray anjara tamin’ny lalao olympika in-telo nifanesy, (tany Tokyo tamin’ny taona 1964, tamin’ny taona 1968 tany Mexico ary tamin’ny taona 1972 tany Munich) izay voalohany taty amin’ny kontinanta afrikana no afaka nandresy ny amerikana tany amin’ny taniny tamin’ny hazakazaka 100 metatra ary tompondaka eran-tany tamin’izany fotoana izany. Madagasikara dia anisan’ny firenena voalohany taty amin’ny kontinanta afrikana nandray anjara tamin’ny fampirantiana fiarakodia (« Salon de l’auto », tany Paris) izay nanana marika roa (karenjy sy Mahefa) izay niaraka niandoha tamin’ny marika « TATA » indiana sy « SEAT » marika portuguais, izay manana ny lazany eran-tany ankehitriny. I Madagasikara kosa dia tsy hita intsony izany marika « Automobile » izany. Eny ankehitriny ao Afrika Atsimo aza dia misy orinasa matanjaka manambatra itony fiarakodia manana ny marika Volswagen sy ny Toyota. Fa ankehitriny, inona no mitranga ary an’iza ny fahadisoana raha latsaka lalina dia lalina ity firenena ity ary ao anatin’ny fahantrana tanteraka ny vahoaka Malagasy? Ny valiny dia satria ny mpitondra izay nifanesy dia tsy nijery ny tombotsoan’ny be sy ny maro fa kosa nanao ampihimamba ary tsy nijery afa tsy ny tenany manokana. Tokony hovana izany fomba fitantanana izany ka ny mahasoa ny vahoaka no tokony hojerena.

 

Io no any anaran’i Madagasikara teo ambanin’ny fitondran’ « Dada » Ravalomanana


Ny tohin’ny tantara dia fatantsika, fa raha orinasa tokana no nifehy ny varotra teto Madagasikara ary noterena hividy ny entana tamin’ny vidiny lafo ny azy na dia teo aza ny fahantran’ ny vahoaka dia mbola misy ihany ny olona mahasahy mividy kilalao mitentina hatrany amin’ny 60 tapitrisa dolara. Fa inona marina no mitranga teto amintsika ary an’iza ny fahadisoana? Tokony hatsahatra hatreo izany rehetra izany ary tsy azo atao kilalao intsony ny vahoaka ho fiarovana ny tombontsoan’olom-bitsy. Efa pejy vaovao izao ary dingana vaovao no atrehin’i Madagasikara. Fa nahoana moa ny firenena maro aty Afrika sy manerana ny tany no mandroso nefa tsy manana ny tombony akory raha oharina amin’i Madagasikara ? Fa nahoana moa ny firenena hafa, ohatra i Japon, izay tsy manana « saphir » na « émeraude », tsy manana « vanille », tsy manana moron-dranomasina tsara mihoatra ity nosintsika ity, tsy manana gidro na maki, tsy manana « pétrole » nefa dia anisan’ny firenena izay matanjaka indrindra ankehitriny ? Voafidin’Andriamanitra ho nosy iray ity tanintsika ity ka tsy ekentsika ho zarazaraina. Lavintsika ihany koa ireo te hanao ampihimamba ny harena misy ao aminy satria Malagasy iray. Malagasy miray no tanjona hataon-tsika ho avin’ity nosintsika ity. Ahoana no ahafahan’ny Malagasy tsirairay avy misakafo ara-dalana ? Ahoana no ahafahantsika mamorona asa ho an’ny tanora ? Ahoana ny ahafahantsika manintona ireo mpandraharaha na avy any Eoropa, na avy any Amerika, na avy any Azia eny fa na avy etsy Afrika aza ? Izany ny fanontaniana mipetraka ankehitriny. Hananantsika ny vahaolana amin’izany.

 

Karazana kisoa nompianana teto Madagasikara, tamin’ny taona… 1922 !


Tanjontsika ny hampahaleo tena ara-tsakafo an’i Madagasikara ka afaka fotoana fohy, dia ataon-tsika izay hampiroborobo hatrany ny fambolena vary ary afaka roa na telo taona dia tsy hanafatra vary avy any ivelany intsony isika fa hahaleo tena tanteraka ara-tsakafo. Tiako ny mampatsiahy antsika fa 50 taona lasa izay, dia anisan’ny sompitry ny faritra oseana Indiana ary indrindra taty Afrika i Madagasikara raha vary no resahina, ary faharoa kosa isika tamin’ny fiompiana kisoa manerana izao tontolo izao tao aorian’i Brésil. Koa iza no tompon’andraikitra, ary an’iza ny fahadisoana raha latsaka lalina dia lalina ao anatin’ny fahantrana isika? Inona no tokony hatao, inona no vahaolana ? Miantso ny vahoaka aho ankehitriny mba hieritreritra, mba hifanome tànana, mba hifarimbona hampandrosoana ity firenena ity mba ho reharehan’ny Malagasy tsirairay avy. Satria ny mpanao fanatanjahantena dia tsy manana fahatokisana intsony, maty ny afo miredareda tao am-pon’izy ireo mba hitondra avo dia avo ny sainam-pirenena Malagasy. Eny manerana ireny sehatra ifaninanana iraisam-pirenena ireny toy ny tompon-dakan’i Afrika ohatra, ny lalao

iraisam-pirenena isan-karazany. An’iza ny fahadisoana ? Ary inona no sary hita manerana an’izao tontolo izao raha i Madagasikara no resahana?

 

Tsy Zulu no fahavalon’ireto Zulu ireto fa Angilisy ary Apartheid. Nandresy ny Afrikana Atsimo ka aiza izy izao ? Hampiatrano ny World Cup of football amin’ny taona 2012 !


Ny sary hita dia mpitondra manao ampihimamba ny harem-pirenena, vahoaka mifamono, jadona miteraka fahadisoam-panantenana teo amin’ny firenena Malagasy. Tokony hatsahatra hatreo izany. Pejy vaovao izao no iainantsika, ary dingana vaovao izao no diavintsika. Azo-tsika raisina ohatra i Afrika atsimo, firenena iray tsy lavitra an’i Madagasikaradia. Ary tsaroantsika tao anatin’ny rakitry ny tantara fa tafika izay anisan’ny matanjaka indrindra teto an-tany, ny Anglisy, no tonga nanjanaka tao amin’izany firenena izany. Niaro sy tsy nanaiky ry zareo « Zulu » ka niady hatramin’ny farany tamin’izany fanjanahana izany. Fotoana fohy tao anatin’izany dia betsaka ireo alika nofanina manokana hanaikitra ireo mainty hoditra, am-polony maro no maty tamin’izany. Fantatsika fa i Nelson Mandela izay nigadra nandritra ny 27 taona no tena niady tamin’izany fanavakavaham-bolo-koditra izany. Ary rehefa tafavoaka ny fonja izy dia tsy nisy akory herisetra navaliny. Tsy nisy akory na dia fotsy hoditra iray aza noroahiny tao Afrika Atsimo. Moa tsy izany ve no endrika fandeferana tokony ho raisin’ny Malagasy ankehitriny ? Tsy izany ve no endrika vaovao tokony hitantanana ity firenena ity ? Tamin’ny taona 2002 tokoa mantsy, raha tonga teo amin’ny fitantanana ny olona iray, dia ny niazakazahana tamin’izany fotoana izany ny fanagadrana ireo rehetra tsy mitovy hevitra, ireo rehetra mifandrafy tamin’ny fitondrana tamin’izany fotoana izany.

 

Ankehitriny, malalaka tanteraka ny fitenenana eto Madagasikara ao anatin’ny HAT


Ankehitriny, efa niova ny taona, tanora manana fomba fijery vaovao, fomba fitantanana vaovao, ahafahantsika manavotra ity firenena ity no mitantana. Ny mpitondra tokoa mantsy dia mandalo, fa ny vahoaka sy ny firenena kosa dia mitoetra mandrakizay. Tokony hieritreritra isika tsirairay avy. Tsy tokony ho ohatra tsara asehon-tsika eo imason’izao tontolo izao ve ny fifandeferana? Ankehitriny ny sary hita dia ny halatra, ny fahantrana, ny vono olona, ny kolikoly, ny fiarovana ny tombotsoan’olo-tokana. Tokony hajanona hatreo izany rehetra izany. Izany ve no mbola hotohizantsika, izany ve no mbola hapetratsika eto amin’ity firenena ity? Efa rivo-baovao izao, efa fanantenana vaovao. Mamapanatena ny vahoaka Malagasy tsy vakivolo aho, fa tsy tokony ho gisitra intsony isika fa ho isan’ireo firenena mandroso ato anatin’ny kaontinanta afrikana, na ato anatin’ny oseana Indiana. Tokony hampiseho ohatra misy fifandeferana, misy fifankatiavana, ho tombotsoam-pirenena eo imason’izao tontolo izao isika. Ho fametrahana ny soatoavina izay nolovaina tamin’ireo raiamandreny dia miangavy anareo aho mba hisaina sy hieritreritra lalina. Ary izay namono olona, nandatsa-dra, nanagadra olona tamin’ny tsy antony, nanodikodina volam-panjakana, naka tanin’olona, nampiasa fahefam-panjakana ho fiarovana ny tombotsoany manokana, tsy nandoa hetra, tsy nandoa « Douane », izany ve dia olona tokony mbola hitantana ity firenena ity?

 

Dada tokoa Ingahy Marc Ravalomanana tamin’ny fanambotrina ny firenena iray manontolo. Mbola maro ireo Malagasy voasarik’ireo olona very fihinanana ka manezaka azy ireo ho atao fitaovana sy hiankina aman’olona mandritra ny fiainany iray manontolo. Olo-tokana sy ny fananany no arovana fa tsy ny fampandrosoana ny Tanindrazana velively. Ny nenina, hono, ao afara ao e !

Eny ankehitriny mantsy dia ny niala, milaza indray fa tsy niala, ary tiako ny mampahatsiahy fa ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana no efa nanamarika ny famindrana fahefana ary ny vahoaka no efa nanapaka izay tokony hitondra ity firenena ity. Ka na iza na iza, na ato anatiny na any ivelany dia tsy tokony hametra-panontaniana intsony amin’ny maha mari-pototra ny fitondrana tetezamita. Na izany na tsy izany aza anefa dia misokatra ny fitondrana tetezamita ary izay no antony mbola tsy nanendrena ireo mpikambana ao amin’ny gouvernemanta rehetra satria efa naneho ny fahavononany ireo izay tsara sitrapo manana ny fitiavan-tanindrazana, tsy hangalatra ny harem-pirenena ny hiara-miasa ary hifanome tanana. Misokatra noho izany ny varavaran’ny governemanta tetezamita. Laharam-pahamehana ho antsika ny hiroso marina any amin’ny fampandrosoana ary ao anatin’izany dia katsahina ny hametraka fifidianana madio sy mangarahara ahafahan’izay rehetra mikasa handray anjara amin’izany mba hiampitana amin’ny Repoblika fahefatra. Ary tokony hilofosana ny tsy hiverinan’ny korontana sy ny savorovoro intsony eto amin’ny firenena, ary hanamboarana indray ny Lalam-panorenana. Vita iny ny fikaonan-doham-pirenena izay nandraisan’ny herivelona rehetra anjara.

 

« Assises nationales », 2-3 Aprily 2009 teny Ivato


Tsy ny hevitry ny governemanta tetezamita no nodinihina tao anatin’izany fa ny hevitry ny be sy ny maro. Miantso antsika vahoaka aho mba hitsara, mba ho vavolombelon’ny tantara satria ny zavatra hatao dia izay mahasoa ny taranaka faramandimby. Azo atao dia azo atao ny mampiakatra ny faripiainan’ny vahoaka malagasy tsirairay avy. Manankarena I Madagasikara fa tsy voatsinjara araka ny tokony ho izy ny harem-pirenena. Afaka enim-bolana raha ela indrindra dia ho hitatsika taratra izany. Koa mahereza daholo hanatanteraka ireo adidinareo. Aminao izay mijery na mihaino (na mamaky) ahy io, manamafy aho fa ny mpiara-miasa amiko dia hikatsaka mandrakariva ny soa sy ny tombotsoa ho anareo vahoaka ary indrindra ny ho avin’ny taranatsika. Miantso ny fitiava-tanindrazan’ny tsirairay, indrindra ianareo raiamandreny aho. Miandry ary mandray ny torohevitra avy aminareo ny zandry, ny zanaka ary zafinareo mitantana ny firenena ankehitriny. Enga anie ho reharehanay ianareo, fa tsy ho vato misakana ity firenena ity indray, satria tsy adidiko izaho samy irery, fa adidiko izaho sy ianao ny mampandroso ity firenena ity.

 


Mitsangana ry tanora fa miandrandra anao ity firenena ity. Ary mivonona handray andraikitra satria eto am-pelatanantsika ny ho avin’ity nosintsika ity.
Masina ny tanindrazana. Misaotra tompokolahy, mankasitraka tompokovavy ».

Andry Nirina Rajoelina

 

(Tvm, Alahady, 12 Aprily 2009)

Naka feo sy namadika ho soratra :

Jeannot Ramambazafy – Mpanao gazety

 

 
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...