]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Andry Rajoelina : Madagascar appartient aux Malgaches !

Andry Rajoelina : Madagascar appartient aux Malgaches !

L’heure n’est plus aux interprĂ©tations pas plus qu'aux "analyses" pour faire plaisir Ă  autrui. Mais elles ne vont pas tarder, si ce n’est dĂ©jĂ  fait. Aussi, puisque les Ă©crits restent et que les paroles s’envolent, voici les dĂ©clarations originales en Malgache du PrĂ©sident de la Haute AutoritĂ© de la Transition de Madagascar. C’était le mercredi 17 fĂ©vrier 2010, lors d’un point de presse qui a durĂ© un quart d'heure, au Palais d’Etat d’Ambohitsorohitra. Faites-vous traduire puisque Madagascar vous intĂ©resse tant (ces richesses surtout). ParticuliĂšrement pour les zĂ©ros pointĂ©s du Parlement EuropĂ©en qui n’ont mĂȘme pas pris la peine de demander leur avis aux ambassadeurs accrĂ©ditĂ©s dans la Grande Ăźle. Ils en sauront plus sur les magouilles des Ă©lections malgaches en un demi-siĂšcle de dĂ©mocratie de pacotille. Dans ces dĂ©clarations, tous les dĂ©tails sur « comment se faire Ă©lire infailliblement » sont lĂ . Mais il y a aussi tous les dĂ©tails d’un changement vĂ©ridique et sincĂšre dans le processus Ă©lectoral. Seuls les crĂ©atures qui ne peuvent pas voter, en premier lieu les membres de ce GTT international, vont tout interprĂ©ter de travers. Leur sport favori. Enfin, il faut de tout pour faire un monde. Mais je suis d’accord : Madagascar appartient aux Malgaches (qui y vivent et qui vont y mourir) avant toute autre considĂ©ration.

Jeannot RAMAMBAZAFY

---------------------------------------------------------------------

Andry RAJOELINA, Palais d'Etat d'Iavoloha :

« Araky ny fanta-tsika rehetra dia misy delegasiona manokana, amin’izao fotoana izao mitondra ny hevitry ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, hanolotra ny fomba hamahana ny olana ara-politika, hamahana ny krizy politika eto Madagasikara, any Addis-Abeba. Efa fanta-tsika fa misy ny fivoriana izay atao rahampitso sy rahafak’ampitso mikasika ny olana misy eto Madagasikara. Ny zavatra apetraka eto ampanombohana aloha dia tiako ny mamerimberina fa resy lahatra ny rehetra, ny vondrona iraisam-pirenena ary indrindra ny olom-pirenena Malagasy, fa ny fifidianana ihany no any vahaolana tokana hamahana ny olana misy eto amin’ny firenena. Ary ny tanjona hapetra-tsika dia ny hanaovana izany fifidianana izany. Tsy fifidianana fotsiny anefa no atao, fa ireo olana tsy voavaha nandritra ny taona maro, nanditra ny efapolo taona, mikasika ny fifidianana teto amintsika dia vonona ny fitondrana Tetezamita ny handray ny fepetra rehetra izay mety ilaina, hanomanana fifidianana madio sy mangarahara manaraka ny sata demokratika, mba haneken’ny rehetra ny valim-pifidianana, na ny eto Madagasikara na ny fianakaviambe iraisampirenena.

Ny olana ankehitriny dia : ahoana no afahan-tsika manomanana sy manatanteraka io fifidianana io, mba haneken’ny be sy ny maro izay ho valim-pifidianana hipoitra eo. Efa nandre ombieny ombieny fa ny zavatra tsy vita tao anantin’ny taona maro dia ho apetran’ny Fitondrana Tetezamita ankehitriny. Toa ny fanakinana ny fifidianana aminy CENI (Commission Ă©lectorale nationale indĂ©pendante). Satria teo aloha dia ny fitondrana ihany no nanomana ny fifidianana. Rehefa fitinina ny resaka hoe : fa maninona no misy foana ny olana eto amin’ny firenena -satria nandritra izay 40 taona, dia inefatra, indimy no nisy ny fitraotran’ny vahoaka Malagasy ary nandrodana ny fitondrana teto an-toerana-. Ny olana nampisy an’izany dia satria sarintsarim-pifidianana no nisy teto amintsika ary ny valim-pifidianana marina na ny fahamarinana avy ao anatin’ireny vata-pifidianana ireny dia voahodikodina avokoa. Ary ankehitriny ny zavatra hisy dia zavatra telo : Mikasika ireo lisitry ny mpifidy dia fanta-tsika fa betsaka ireo olona mpifidy izay hoe mpifidy « fantĂŽmes » na « fictifs » izay nosoratana fotsiny tao anatin’ireny lisi-pifidianana ireny. Iznay hoe, mbola tsy manomboka ny fifidianana dia ny mpitantana nifandimby teto amin’ity firenen-tsika ity dia efa nahazo vahana any amin’ny 15 na 20% any ho any. Satria dia tsy afaka nijery lisi-pifidianana ireo mpifaninana na ireo olo-pirenena tsotra.

Isika ankehitriny dia hiezaka hanafaona izany ary izay no nitenenako hoe : ho apetraka ny fomba rehetra mba hafahan’ny olona rehetra manamarina ny anarany na mijery ny lisi-pifidianana. -Nisy ihany koa ny « ordonnances » teo aloha. Rehefa mahazo « ordonnance » no olona mpikambana ao aminy antoko, ny antokon’ny mpitantana mazava ho azy, dia afaka mifidy indimy, inenina eny impolo aza ao anatin’ny andro anaovana ny fifidiana. Mba hisorohana izany dia nanapakevitra izahay fa tsy hisy intsony ny « ordonnance » izay omena amin’ny fifidianana izay ho atao eto amin’ny firenena. Ary afaka mijery ny lisi-pifidianana avokoa na ny mpifaninana na ny olo-tsotra. Manaraka izany : -mikasika ny “bulletin”. Raha mpifaninana ataorana ianao, teo aloha, dia zara raha amina birao na « bureau de vote » izay misy sary zato, ohatra, dia zara raha 50 ny ahatongavan’ny « bulletin »-nao satria dia ny mpitantana na ny fitondram-panjakana no mikarakara ny fifidianana. No izany dia efa ela no nitakian’ny mpanao politika teto amin’ny Nosy, teto amin’ny firenena-tsika ny anaovana ny « bulletin unique ». Vonona izahay ampiasa izany « bulletin unique » izany satria ny mangarahara no tiana apetraka sy ny tiana atao eto amin’ity firenena ity.

Satria maro ny birao ka rehefa mitondra ny « bulletin »-na mpifaninana ianao dia efa misy toerana voamarika amina toerana maro manerana ny Nosy, any amin’ny fokontany manerana an’I Madagasikara any ka dia omena vola dimy arivo na iray alina dia mitondra ny bulletin’ny mpitantana na mpitondra fanjakana. Izany hoe: vidina ny safidin’ny vahoaka. No izany dia foanana izany mba hisian’ny hery mifandanja ary dia nanapakevitra izahay, ary nanaiky fa ho apetraka ny « bulletin unique ». Mipetraka ny fanontaniana ankehitriny hoe: manoloana izany ezaka tiana apetraka manakany amin’izany fanovana izany : inona loatra re ny fankahalana ananan’ny sasany an’ity firenena Malagasy ity ? Izay miantso ny fanasaziana an’i Madagasikara. Satria aoka tsiahivin-tsika fa efa misy anie ny fanasaziana e. Atao miatra amin’ny mpitantana ankehitriny dia miantefa aminy Madagasikara izany sazy izany. Miantefa aminy vahoaka Malagasy izany sazy izany.

Eto dia aoka azava fa ny tenanay tsy matahotra mihitsy an’izay sazy mety hampiarina amin’ny tenanay. Fa aoka kosa ny vahoaka Malagasy na i Madagasikara tsy atao takalon’aina na hampijaliana no ny fankahalana olo-tokana misy na ny fitiavan-tena ampiarina. No izany dia manoloana ny zavatra ankehitriny, zavatra lehibe ary zavatra tsy afaka hiverenana intsony ny fanapahan-kevitra izay mety ho raisin’ny Fianakaviambe iraisampirenena na ny GIC rahampitso : eto indrindra izahay no miteny hoe: efa vonona izahay re ny Olompirenena Malagasy hiatrika ny fifidianana. Miandry izahay amin’ny fanapahan-kevitra izay ho raisin’ny Fianakaviambe iraisampirenena mikasika an’i Madagasasikara. Ny fahavononana sy ny finiavana dia eo aminay. Raha toa ka azo ekena ny fanapahan-kevitra na ny fanapahan’ny famoahana ny olana mianjady amin’ny firenena ankehitriny dia ho dinianay. Efa misy ny soso-kevitra nampitondraintsika, nampitondrainay an’ny Praiministra any Addis-Abeba ankehitriny, izay tsy mivoana amin’ny tanjona voalohany dia ny anaovana ny fifidianana izay hifidianana ny Antenimieran’ny Lalampanorenana na ny “AssemblĂ©e Constituante” izay hitondra ny volavola-kevitra izay aroso dia ny hoe: hanaovana io fifidianana io amin’ny volana mey. Raha toa ka eken’ny be sy ny maro -toa ny vahoaka Malagasy na ireo olom-pirenena rehetra izay manaiky hanaovana izany fifidianana izany, ary hetahetany ny hanaovana izany fifidianana izany- dia vonona izahay ny handinika antsipirihiny ny fomba rehetra mety hamahana ny olana eto amin’ny firenena raha toa ka mifanaiky ireo “mouvances” araka ny nametrahana sy ny nameran’ny GIC azy ny hanaovana fifidianana ny “AssemblĂ©e Constituante” amin’ny volana mey ho avy izao.

Midika izany fa tsotra : ary eto dia manamafy eo anatrehan’ny vahoaka Malagasy ny tenako fa vonona aho ny andray ny andraikitra ary efa nametraka fanamby isika ny hitondra ny fanovana eto amin’ny firenena. Ny fanovana voalohany dia ny fanaovana fifidianana madio sy mangarahara. Ary izay na inona na inona no Hiatra, na inona na inona no hidona dia tsy maintsy ho tanterahin-tsika ary ataontsika ny fifidianana amin’ny volana mey ho avy izao. Satria dia ny Malagasy ihany no tompon-teny farany. Ny olompirenena no misafidy ny làlana tokony alehany sy ny làlany tokony izorany satria Madagasikara dia an’ny Malagasy. Raha atao aminy teny vahiny dia “MADAGASCAR APPARTIENT AUX MALGACHES !”.

Nandray feo sy nanoratra : Jeannot RAMAMBAZAFY – 7 Febroary 2010

Mis Ă  jour ( Jeudi, 18 FĂ©vrier 2010 08:48 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...