]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Amboanjobe, ankolafy Ravalomanana: Aleho tokoa samy hitan’ny havany eto

Amboanjobe, ankolafy Ravalomanana: Aleho tokoa samy hitan’ny havany eto

 

Amboanjobe, « Place de l’Amitié », RN7. Dia tena be marenina tokoa ity Me Hanitra Razafimanantsoa ity ka. Nivory lanonana nifampiarahaba tratry ny taom-baovao 2013 ny ankolafy Ravalomanana, ny asabotsy 09 Febroary 2013 teo. Ary niditra mivantana tamin’ny alalàn’ny finday toa ny fanaony i Marc Ravalomanana, Filoha teo aloha.

“Ho avy i Dada hitondra firenena”, hoy izy. Mbola eo ihany aloha ny fanantenana izay iainan’ny kristianina maneran-tany. Faniriana daholo moa ny an’ny zanak’olombelona fa an’Andriamanitra ny fanapahan-kevitra farany, ka dia hitan-tsika eo ihany hoe rahoviana io fodiana io.

Somary niova ny lehilahy tamin’ity iray mitoraka ity. Toa izao ny famintinana ny hafatra nampitainy:

“Tandremo tsara ny teny tafahoatra mba tsy hisy teny hanafintohina ny hafa, teny hampahendrena, hampanajana, indrindra ny ankolafy Ravalomanana. Samia isika mihaino ny feon’ny fieritreretantsika. Avelao any ny adilahy politika fa fampandrosoana no tokony himasoana. Miezaka mafy isika amin’ny fampandrosoana ny firenena na dia latsaka amin’ny lalina aza noho ny adilahy politika”.


Mamy Rakotoarivelo (mitana micro), maotina tokoa: “ Miteny ilay zandrikely fa olona 300 no isan’ny Ankolafy Ravalomanana. Dimy alina isika ireto (tena mahay manisa tokoa Ra-Mamy izany an!) fa aoka tsy hifamitaka sao dia ny anao no 300. Aoka tsy ho fahanana lainga ny vahoaka Malagasy. Amin’ny fifidianana manaraka eo dia sahiko ny milaza fa ny ankolafy Ravalomanana no mandresy, ary hiverina amin’ny filoha Ravalomanana Marc ny fitondrana”

Avy eo moa dia nandray anjara fitenenana i Me Hanitra. Ka tena nifanipaka tamin’ny hafatr’i Dada tokoa. Asa liana ady loatra angaha ?

Me Hanitra Razafimanantsoa, ilay mahay manadio ny loto rehetra toa ny savony. Ny olana amin'ny savony dia ity : malama tena malama tokoa, fa mihempo izy amin'ny farany, tsy hita intsony... Izany no antom-piainan'ny savony maneran-tany

“Misy mena sofina miteniteny foana hoe tsy mody ny filoha Ravalomanana Marc raha tsy vita ny fifidianana. Ampisehoantsika azy ny hery ary tsy misangisangy izany ny ankolafy Ravalomanana”. Ka hery amin’ny fomba ahoana Ramatoa ? Fifankatiavana no niresahin’i Dada dia ny anao mbola “hery” foana. Sa tsy afaka ao anaty ilay hoe : “Tsapao aloha ny hery vao manandrana aty ?”

Raha mikasika ilay pasipaoro indray dia izao ny filazan’ity mpisolo vava mpanao politika ity:

“ Misy milaza fa nalaina ny pasipaorony. Voaporofo anefa fa ao Maputo izy ka iza no miteny ny marina amin’ity tany ity ? Matoa ny filoha Ravalomanana Marc any Maputo dia ny fodiany no laharam-pahamehana. Avelao ho lany rora any ireo. Aleo ny fifampitokisantsika no apetraka na eto na eny amin’ny Magro. Aleo samy ho hitan’ny havany eto”. Olona tapi-pahaizana toa an’i Me Hanitra ve moa tsy ahay teny anglisy ? Na izany aza, ity manaraka ity ary ilay fanapahan-kevitra avy any amin’ny Fitsarana Avo ao Afrika atsimo.

Olga Ramalason, Mandafy Rakotonirina, Me Hanitra Razafimanantsoa,
Mamy Rakotoarivelo

Bloemfontein, 5 February 2013 – South Africa’s highest court has rejected a final appeal by ousted Madagascan president Marc Ravalomanana to have his passport returned, it said in a statement.

“The Constitutional Court has considered the application for leave to appeal. It has concluded that it is not in the interest of justice to hear the matter at this stage”, the court said in an order issued on Monday. “The application for leave to appeal is dismissed”. Ravalomanana’s passport was confiscated in September by South African prosecutors. A High Court ruled he would only be allowed to leave the country when he is invited to attend regional meetings. (Africa News)

Dika amin’ny teny frantsay:

Bloemfontein, 5 février 2013. Dans une déclaration, la Haute Cour de justice d'Afrique du Sud a rejeté la requête en appel du président malgache évincé, Marc Ravalomanana, à propos de la restitution de son passeport.

Selon une déclaration faite lundi, la Cour Constitutionnelle a pris en considération la requête en appel. Elle a conclu que cette restitution n'était pas dans l'intérêt de justice, à cette étape de l’enquête. « La demande est rejetée ». Le passeport de Ravalomanana a été confisqué en septembre (2012) par la justice sud-africaine. La Haute Cour lui permet de quitter le pays (Afrique du sud) uniquement pour assister à des réunions régionales.


Dika amin’ny teny malagasy :

Bloemfontein, 5 Febroary 2013. Araka ny fanambarana nataony ny alatsinainy dia nolavin’ny Fitsarana Avo ao Afrika atsimo ny fangahatana ny hamerenana ny pasipaoron’i Marc Ravalomanana, ilay filoha Malagasy teo aloha.

Hoy io Fitsarana Avo io: “tsy mbola ho tombontsoan’ny fitsarana io famerenana io pasipaoro io, amin’izao fotoana izoran’ny fanadiadiana”. “Tsy raisina io fangatahina io”. Tamin’ny volana septambra (2012) no nalain’ny fitsarana afrikana atsimo io pasipaoro io. Nilaza ny Fitsarana Avo fa tsy mahazo miala ao Afrika atsimo izy (Marc Ravalomanana) fa kosa mahazo mamonjy fivoriana izay karakaraina eny amin’ny faritra ihany.

Averina eto izany fa fivoriana karakarain’ny SADC ireo fivoriam-paritra ireo. Izay no nafahan'i Ravalomanana mankany Maputo.

Dimy alina tokoa ve ?

Hoy koa i Marc Ravalomanana, tamin’io asabotsy tao Amboanjobe io:

Mitana ny marina isika ary na oviana na oviana eo foana ny marina ary ny marina tsy mba maty ”.

Asa, izaho manoratra izany no mamorona ? Mbola hitohy ny fiainana ka dia aleo tokoa samy hitan’ny havany eto. Fa izao kosa: tsy misy loza noho ny mahiratra minia mikipy ary tsy misy fanetriben’ny tany noho ny maheno minia mitapin-tsofina. Dia asa iza tokoa izany ny ho lany rora eto. Vakio ny gazetin'i Mamy Rakotoarivelo manomboka rahampitso alatsinainy 11 Febroary 2013...

Ary raha mbola minia hanao toa Masindahy Tomasy dia ity ambany ity misy ny fahamarinana, satria izay mitady tokoa dia mahita. Ny dikan'ny hoe : "Cases dismissed" dia fangatahina notsipahana. Ka asa indray ry Me Hanitra ny savony hampiasainao atsy ho atsy. Ary inona ny atao hoe "marina", amin'Ingahy Ravalomanana. Sa voavidin'i Zandrikely koa io Fitsarana afrikana atsimo io ?


11 Febroary 1975 - 11 Febroary 2013 : 38 taona no nisy namono ny Kolonely Richard Ratsimandrava. Mifantoka ao an-tsaiko ilay hafatra napetrany : "Lazao daholo ny tianareo lazaina momba ahy f'aza mandainga ! ".

Jeannot Ramambazafy – 10 Febroary 2013

Mis à jour ( Dimanche, 10 Février 2013 15:55 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...