]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Madagasikara fifidianana 2013: Iza no mamitaka an’iza?

Madagasikara fifidianana 2013: Iza no mamitaka an’iza?

Ity kandida ity dia mazava ny azy: avy any amin’ny Frantsay (ny vadiny, Alexandre Marie na Patou, koa moa Frantsay rahateo) ny vola be anaovana ity propagandy 2013 ity. Mamitaka ny tenany ihany izy satria tsy ho lany mihitsy akory. Angamba kosa ny Frantsay no hifidy azy ? Iza no mahita... Fa sahy iza aloha e ! Marihina fa talohan'ny lisitra nivoaka farany ity lahatsoram-bazaha ity.

LAHATSORATRA PDF ETO

Tena manomboka mankarenina ny sofina sy mankarary ny maso mihitsy ny miheno sy mamaky ny rediredin’ireo kandida sasan-tsasany, eny na ny ankamaroany aza. Ny gazety koa vao maika manampy sira fa ho lany daholo izy mianakavy e !

Tsy iza io Eugène R. io fa ny namana Eugène Rajaofera (ao aminy MIDI Madagasikara amin'izao fotoana izao), tamin'izy tao aminy Madagascar Tribune

Raha eo amin’ny lafin’ny olona tonga manatrika ny propagandy dia tsotra ny teniko: raha ny isan’ny olona manatrika no jerena dia tsy tokony ho lany Ben’ny Tanànan’Antananarivo mihitsy i Andry Rajoelina tamin’ny volana Desambra 2007. Jereo ireo sary manaraka.

Hery tsy mitovy, hoy ny sasany. Ho tototra eo i Bandy kely... Kinanjo.

PROPAGANDY 2007


Ny momban’ny Kandida Hery Rafalimanana tamin'izany fotoana dia izao : amin'ny maha Hery Rafalimanana azy dia tsy dia nisy nokianina. Notendren’i Marc Ravalomanana PDS izy rehefa natao minisitra I Patrick Ramiaramanana ary tadidio fa nandray ny Lalaon’ny Nosy (“Jeux des Iles de l’océan Indien”) isika. Namboarina daholo ny tanànan’Antananarivo: nasiana zaridaina tetsy sy teroa ary niasana alina matetika mihitsy ka ireo no naseho tamin'ny propagandiny fa hoe zava-bita. Nampiasaina daholo ny fitaovan'ny fitondrana Ravalomanana-TIM-TIKO, natao daholo ny sakan-sakana rehetra... Samia mahatadidy ny mpitatitra tsy navela ho any Antsonjombe.

Tsy omby intsony i Mahamasina tamin'io fotoana io

Ny Jeneraly Marcel Ranjeva, ministry ny Fiarovana (Ratsiraka 1996-2002) ary ministry ny Raharaham-bahiny (Ravalomanana 2002-2009)

Ny minisitra Marcel Ranjeva no nandray anjara mivantana niresaka amin'ny mpitatitra hoe: “Io no izy”. Ny filohan'ny Antenimieran-doholona, Rajemison Rakotomaharo no natao “directeur de campagne”. Nampiasaina avokoa izay azo atao rehetra toy ny fandehanana nitsidika an'i Rado mpanoratra sy ny Arseveka an'Antananarivo, Monsenera Odon Razanakolona. Nandà ny adi-hevitra nokarakarain'ny Tv Plus nefa ny kandida Hery Rafalimanana. Teo no tsapa fa olona hobaikona fotsiny ihany.


Nandany vola be tokoa ny fitondrana TIM tamin'io propagandy io. Inona ny vokany ? Lany Ben'ny Tanànan'Antananarivo tamin'ny sahalan'isa 63,27% i Andry Rajoelina ! Asa raha azonareo amin’izay fa tsy misy zavatra tongatonga ho azy izany. Dia hanontanio amin'izay i Hery Rafalimanana : nataon'i Marc Ravalomanana maivoka mihitsy, tsy te-hierika intsony...

PROPAGANDY 2013

Mino tanteraka fa ho lany i Ramatoa maitso. Olona izany an !

Tompon-daka ny fanaratsiana. Olona izany an !

Andriamatoa Zato andro. Olona izany an !

PDS toan'i Hery Rafalimanana. Olona izany an !

Ingahy Jeneraly Be taraina amina 4X4 miisa 350. Mitady tsy handoa haba. Difotry ny olona tokoa an !


Hery Rajaonarimampianina. Miandry ny praograma ny mpifidy e !

Raha eo amin’ny lafin’ny fampanantenana indray dia toa adinon’ireo kandida be resaka sy mpanaratsy ny afa fa tsy izy irery anie no hitondra ny Firenena e ! Raha tsy hoe hanao jadona fotsiny izao satria voafidim-bahoaka. Fa inona tokoa moa izany asana Filoham-pirenena izany na koa Filohan’ny Repoblika? Mora tokoa ny miteny, mora tokoa ny miseho ho zavatra. Fa aiza ny enti-manana? Ary aiza ny fetran’ny tena hoe tombontsoa iombonan’ireo vahoaka 22 tapitrisa ao anatin’ireo faritra miisa 22 ? Ho voahaja tokoa ve ity finianana manaraka tsy maintsy atao ity?

Ity ny Filoha voafidy farany nanao finianana. Aiza izy izao anefa ?

«Eto anatrehan’Andriamanitra Andriananahary sy ny Firenena ary ny Vahoaka, mianiana aho fa hanatanteraka an-tsakany sy an-davany ary amim- pahamarinana ny andraikitra. lehibe maha Filohan’ny Fanjakana Malagasy ahy. Mianiana aho fa hampiasa ny fahefana natolotra ahy ary hanokana ny heriko, rehetra hiarovana sy hanamafisana ny firaisam-pirenena sy ny zon'olombelona. Mianiana aho fa hanaja sy hitandrina toy ny anakandriamaso ny Lalàmpanorenana sy lalàm-panjakana, hikatsaka hatrany ny soa ho an’ny Vahoaka malagasy tsy ankanavaka».

Ny iray -Tinasoa Freddy- aza tsy tahotra tsy henatra fa dia manao sarin-tsarina finianana ao amin’ny TVM. Sao dia mihevitra ny Malagasy ho dondrona loatra e !


Marina ny an'ny namana Ramafa hatreto...

Ireto manaraka ireo dia nalaina avy tao amin’ny Lalampanorenena ankapobeny, momban’ny hoe Filoham-pirenena na koa Filohan’ny Repoblika. Mba fantatr’ireo kandida ireo ve ? Indrindra fa ry zalahy milaza fa hanao an’izao sy izao ?

Ny Filohan'ny Repoblika no Filoham-panjakana. Amin'izany dia izy no mitandro ny fanajana ny Lalàmpanorenana. Izy no miantoka ny maha-iray tsy mivaky ny Repoblika. Izy no miantoka amin'ny alàlan'ny fanelanelanany ny fizotra ara-dalànan'ireo fahefana rehetra, ny fahaleovantenam-pirenena sy ny maha-iray tsy anombinana ny Tanindrazana. Izy no mitandro ny fiarovana sy ny fanajana ny fiandrianam-pirenena na eto an-toerana na any ivelany. Izy no miantoka ny firaisam-pirenena.

Amin'ny fampiharana ny fahefana omen'ny Lalàmpanorenana no anatanterahan'ny Filohan’ny Repoblika ireo andraikitra ireo. Ny asa maha-Filohan'ny Repoblika dia tsy azo ampirafesina aminà asam-panjakana na asan'olom-boafidy hafa, na asa hafa ankoatr'izany; tsy azo ampirafesina ihany koa aminà asa hafa ao anatin'antoko politika na vondrona politika.

Ny Filohan'ny Repoblika no manendry ny Praiminisitra izay miala avy aminy fanoloran’ireo solombavambahoaka (VAKIO TSARA NY LALAMPANORENENA 2007 sy 2010 dia hampitahao).

Ny Filohan'ny Repoblika no mitarika ny Filankevitry ny Minisitra. Izy no manao sonia ny hitsivolana noraisina teo amin'ny Filankevitry ny Minisitra amin'ireo toe-javatra sy araka ny fepetra voalazan'ny Lalàmpanorenana. Izy no manao sonia ny didim-panjakana nolaniana teo amin'ny Filankevitry ny Minisitra.

Eo amin'ny Filankevitry ny Minisitra no anendreny ireo olona hitana ny toerana ambony ao amin'ny asam-panjakana, araka ny lisitra voalazan'ny didim-panjakana noraisina teo amin'ny Filankevitry ny Minisitra; azony afindra amin'ny Praiminisitra io fahefana io.

Momba ny raharaha lehibe rehetra mikasika ny firenena dia azony atao ny manapaka eo amin'ny Filankevitry ny Minisitra fa hanontaniana mivantana ny safidim-bahoaka amin'ny alàlan'ny fitsapan-kevi-bahoaka.

Izy no manoritra sy manapaka eo amin'ny Filankevitry ny Minisitra ny politika ankapobe arahin'ny Fanjakana.

Ny Filohan'ny Repoblika no Filoha Faratampon'ny Foloalindahy ka izy no miantoka ny firaisankinany. Izy no manendry ireo miaramila voaantso hisolo tena ny Fanjakana eo anivon'ny fikambanana iraisam- pirenena.

Ny Filohan'ny Repoblika no manendry sy mampody ny Masoivohon'ny Repoblikan’i Madagasikara sy ireo nalefa namita iraka manokana any amin'ny Firenen-kafa sy Fikambanana iraisam-pirenena.

Izy no mandray ny taratasy fanendrena sy fampodiana ny solontenan'ny Fanjakana sy ny fikambanana iraisam-pirenena ankatoavin'ny Repoblikan'i Madagasikara.

Izy no mifampiraharaha sy mankato ny fifanekena amin'ny any ivelany. Ampahafantarina azy ny fifampiraharahana rehetra handraiketana fifanekena iraisam-pirenena tsy ilàna fankatoavana.

Izy no manana fahefana hamindra fo amin'ireo voasazy.

Izy no manolotra ny mari-boninahitry ny Repoblika.

Izy no mampiasa ireo rantsa-mangaika mpanaramaso ny raharaham-panjakana.

Ny Filohan'ny Repoblika no mamoaka hampanan-kery ny lalàna ao anatin'ny telo herinandro aorian'ny nampitàn'ny Antenimierampirenena ny lalàna lany erany tanteraka.

Alohan'ny fahataperan'io fe-potoana io dia azon'ny Filohan'ny Repoblika atao ny mangataka amin'ny Parlemanta handinika indray ilay lalàna na ny andininy sasantsasany ao aminy. Tsy azo lavina io fandinihina vaovao io.


Tsotra ny fehiny ry mpifidy: tsy vazaha na Malagasy monina any ivelany akory no hifidy fa isika mipetraka sy miaina eto Madagasikara. Atao daholo izao karazana “sites web” izao amin’ny teny frantsay ao amin’ny Internet. Midika inona izany raha tsy fisehoana ivelany fotsiny ihany ? Sa avy amina vahiny ny famatsiam-bola ka tsy maintsy manao “tatitra”? Dia fenoina sary milaza fa “izaho mihitsy no ho voafidy” ? Ka iza no mamitaka an’iza?

Ka henoy tsara ny praograman’ny tsirairay ka izay mifanaraka amin’ny zava-misy sy ny asan’ny Filohan’ny Repoblika fantoana ka fidio izay olona mety hahavita izany.

 

Tsotra ny teniko : aza mifidy sary bakoly. Hanenina tongotra aman-tànana any aoriana any. Tadidido i Hery Rafalimanana sy ny ompa nahazo azy avy amin'i Ravalomanana ihany...

Folo andro mahery kely sisa. Ianareo kandida : aza mahatoky tena be loatra, aza manao fampanantenana be loatra, aza misioka raha tsy tafavoaka ny ala. Tadidio koa fa ny nenina any aoriana handatsa. Misy hilaza indray fa tsy mitovy ireo fifidianana voatanisa etsy ambony. Propagandy no ampitahana eto fa tsy karazana fifidiana akory : olona be dia be aloha no hita hatramin'izao fa tsy ilay nanantena fatratra fa ho lany no lany. Ka mamerina aho : iza no mamitaka an'iza ? Ny kandida ve ? Ny vahoaka ve ? Ny mpanao gazety ve ?

Jeannot RAMAMBAZAFY – 13 Oktobra 2013

Mis à jour ( Dimanche, 13 Octobre 2013 09:04 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...