Misy tsy milamina tokoa angaha ao an-tsain’ity kandida ho filoham-pirenena mitondra ny laharana faha-34. Tsy nahazo alà lana ampiasa ny kianjan’Imahamasina izy ka raha niziriziry teo dia hoe hesorina tsy ho kandida intsony. Dia najanony tokoa ilay famorian’olona.
Fa zavatra tsy fahita hatramin’izay kosa no nataony ho solony. Ireo misy sary telo be izao ary toa tsy mampino. Ka ny fanontaniana dia tsotra : fa naninona Ingahindriana Edgard lereitsy ?
Raha izany aloha noheveriny fa hahalany azy dia lavitry ny afo tanteraka ny kitay satria tena zavatra mamoa fady mihitsy ity tranga iray ho raiketin’ny Tantara ao anatin’ny fahadalana tsotra izao. Fa io koa ve dia eken’ny lalà nan’ny fifidianana (“Code electoral”)? Fangaha moa tsy misy toerana voatokana amin’izany ? Nefa anie PDS teo aloha Ingahindriana Egdard Razafindravahy? Inona indray no hitranga ary iza indray no hanao akaondranana manaraka? Sa fomba hitsoahana an-daharana kosa io ? Dia ahoana izao ny holazain’i Lanto Rakotomavo (Filoha nasionalin’ny antoko Tgv) izay nanao izay mety ho an’ny “Prezidà Edgard”, tao amin’ny fandaharana Belou (RTA) aninkeo maraina? Mbola ho avotra ve? Satria efa fiantomboan’ny hoe “Culte de la personnalité” ny tahak’itony… Azy angaha Antananarivo ? Eny na ohatra aza ka mbola PDS teo foana izy ? Ary tena notsindriany mihitsy ny soratry ny Renivohotr’I Madagasikara malalan-tsika. Oadray !
Mino aho aloha f'efa nesorina ireo soratra ireo, saingy ny sary mitoetra...
Jeannot Ramambazafy – 21 Oktobra 2013