A la veille du premier tour de l’élection présidentielle du 25 octobre 2013, le Président de la Transition de Madagascar, Andry Rajoelina, a adressé un message à la Nation, transmis en direct et simultanément sur les ondes de la radio nationale malagasy et sur la chaîne nationale Televiziona Malagasy, à 20 heures. Rappelons que ce vendredi 25 octobre a été officiellement déclaré jour férié. Voici la transcription de ce message à la Nation, suivie d'une traduction libre.
Ry Vahoaka Malagasy Namana manerana ny Nosy,
Am-pitiavana no hitsidihako ny isan-tokan-tranonareo amin’izao takariva izao.
Efa tafajorontsika niaraka ny Repoblika faha-efatra, tamin’ny alalan’ny lalampanorenana, Repoblika vaovao, izay notakianao ry Vahoaka Malagasy.
Fa ny safidy ho ataonao rahampitso kosa, no tena hanangana izany rafitry ny Repoblika faha-efatra izany.
Nandritran’ny 30 andro dia nihaino, nijery ary nandinika ny fampielezan-kevitra sy ny fihetsik’ireo Kandidà ho Filoham-pirenena isika Malagasy.
Miisa 33 izy ireo.
Fa 2 ihany no hiditra amin’ny fiodinana faharoa,
Ary 1 ihany no ho Filohan’ny Firenena Malagasy.
Niara-nandre ireo karazana fampanantenana samihafa isika, maro no voalazan’izy ireo, saingy ny fanatanterahana, sy ny asa tena mivaingana ihany, no andrandrain’ny Vahoaka Malagasy ankehitriny.
Tompokolahy sy Tompokovavy,
- Filoha manam-pahendrena,
- Filoha tsy hamadika ny Malagasy,
- Filoha tsy atosiky ny fitiavam-pahefana, fa atosiky ny fitiavan-tanindrazana,
- Filoha madio fo, madio saina ary indrindra indrindra Filoha tsy hamitaka ny Malagasy,
- Filoha hikatsaka sy hiaro mandrakariva ny tombotsoan’i Madagasikara,
Izany no “Filoha” ilain’ity Firenentsika ity.
Ry Malagasy Namana,
Efa nasehonao mandrakariva ny tsy fanekenao ny tsy rariny nisy teto amin’ ity Firenentsika ity, koa matoky hatrany, izany fahendrenao izany.
Ny Olom-pirenena tsirairay avy, dia tokony hitondra ny anjara birikiny, amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.
Lava, sarotra ary tsy mora, nefa nitafiana fandeferana, ny làlana nodiavintsika.
Na dia izany aza anefa, tsy nikely soroka isika, nanao ny ezaka rehetra, satria tsapantsika, fantatsika ary latsa-paka ao ampontsika, fa mendrika ny hanana ho avy mamiratra i Madagasikara sy ny Vahoaka ato aminy.
Tonga ary ilay fotoana hanehoanao ny hevitrao, amin’ny alalan’ny safidinao. Koa manainga ny Vahoaka Malagasy manan-jo rehetra ny tenako, hanatanteraka ny adidiny amin’ny alalan’ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana rahampitso.
Manan-danja loatra ny safidinao, satria hamaritra ny ho avin’i Madagasikara, mandritra ny dimy taona manaraka.
Tongava mifidy!
Ianao no tompon-tsafidy!
Efao ny zonao! Tanterao ny adidinao!
satria ianao no tompon’ny teny farany, ry Malagasy Namana!
Eto dia tsy haiko ny tsy hisaotra sy hankasitraka manokana anao ry Vahoaka Malagasy, nohon’ny fahendrena nasehonao nandritran’ny fampielezan-kevitra, satria efa noalavirintsika ny fampizarazaràna sy ny ady an-trano.
Ary manainga ny Tompon’andraikitra rehetra isan-tsokajiny sy ny Malagasy tsy ankanavaka ny tenako, mba hanao ny ezaka rehetra, hahatomombana, an-tsakany sy an-davany ny fizotran’ity fifidianana ity, ao anatin’ny fitoniana sy ny filaminana tanteraka.
Izany no fikasantsika, izany no faniriantsiaka
Ho tanteraka anie ny sitrapon’Andriamanitra!
Masina ny Tanindrazana.
Misaotra Tompokolahy, mankasitra Tompokovavy!
Andry Rajoelina
Filohan'ny Tetezamita
Antananarivo, faha-24 Oktobra 2013
**************************************
TRADUCTION LIBRE
Malagasy mes amis à travers toute l’île,
C’est avec Amour que je rends visite à chacun de vous, dans chacun de vos foyers, en cette soirée.
Nous avons bâti ensemble la IVème République, à travers la Loi fondamentale d’une nouvelle république qui constituait une revendication de tout le peuple malagasy.
Mais le choix que vous allez effectuer, demain, sera la pierre angulaire de cette IVème République.
Durant trente jours, nous avons écouté, nous avons regardé et nous avons réfléchi sur le comportement de tous ces candidats dans leurs paroles et leur comportement.
Ils sont au nombre de 33, mais seuls deux d’entre eux resteront en lice pour le second tour et un seul sera élu Président de la Nation Malagasy.
Nous avons entendu et écouté toutes sortes de promesses; beaucoup a été dit. Cependant, le peuple malagasy d’aujourd’hui attend des réalisations concrètes.
Mesdames et Messieurs,
Un Président empli de sagesse,
Un Président qui ne trahira pas les Malagasy,
Un Président qui ne sera pas assoiffé de pouvoir mais guidé par le patriotisme,
Un Président noble de cœur, ouvert d’esprit et, surtout, un Président qui ne grugera pas les Malagasy,
Un Président qui sera à la recherche perpétuelle des intérêts de Madagascar.
Voilà le Président dont la Nation a besoin !
Malagasy mes amis,
Vous avez sans cesse démontré votre refus de l’injustice et l’iniquité qui sévissaient dans notre pays. Aussi, soyez toujours confiants de la sagesse qui demeure en vous.
Tous les citoyens, sans exception, devraient apporter leur part de briques dans le développement de Madagascar.
La route que nous avons parcourue a été longue, pénible, mais nous l’avons suivie avec humilité et abnégation.
Malgré cela, nous ne sommes pas restés les bras croisés, nous avons tous déployé de grands efforts, car nous avons été conscients -jusqu’au fond de notre âme- que Madagascar et son peuple méritent un avenir brillant.
Le moment est donc venu pour vous de matérialiser vos pensées à travers un choix, votre choix. Aussi, j’exhorte tous les Malagasy ayant le droit de vote, à effectuer leur devoir en participant à l’élection de demain.
Votre choix pèsera lourd dans la balance car il tracera les jalons de l’avenir de Madagascar pour les cinq prochaines années.
Venez voter !
Vous êtes seuls maîtres de votre choix !
Usez de votre droit, effectuez votre devoir !
Car vous êtes les derniers à avoir la parole, Malagasy mes Amis !
Ici, je ne saurais ne pas remercier et féliciter particulièrement l’ensemble du peuple Malagasy pour la sagesse qu’il a démontré durant la campagne électorale. En effet, nous avons pu et su nous éloigner de certains appels à la division et à la guerre civile.
Aussi, j’invite les responsables à tous les niveaux, ainsi que tous les Malagasy sans exception, à redoubler d’efforts pour que cette élection se fasse dans une ambiance de paix et de sérénité complète. Cela est notre souhait, notre désir.
Que la Volonté de Dieu soit faite !
La Patrie est sacrée !
Mesdames et Messieurs, je vous remercie !
Andry Rajoelina
Président de la Transition de Madagascar
Antananarivo, le 24 septembre 2013
Traduit par Jeannot Ramambazafy