Ny eto aminy madagate.com, Tompoko, tsy mionona amin’ny tsao sy baikon’ny alako bika tsy tiako tarehy, toa ny ataon’ireo gazety sasany manompo olona fa tsy mikendry ny tombontsoan’ny maro an’isa velively. Rehefa misy tranga tsy mandeha amin’ny laoniny dia tsy maintsy manadiady aloha vao mamoaka lahatsoratra. Indrindra moa raha mikasika ireo olona mpitondra sy hitondra ny firenena.
Ny Asabotsy 23 Novambra 2013 dia namoaka lahatsoratra roa (iray amin’ny teny frantsay, iray amin’ny teny malagasy) ny gazety mpiseho isan’andro « La Gazette de la Grande île » (io ambony io ny pejy voalohany) : mamo toaka imasom-bahoaka i Robinson. Tsy i Mamy Robinson mpihira akory ilay olona noresahiny fa dia ilay Dokotera Jean Louis Robinson, iray amin’ireo kandida roa hiatrika ny fiodinana faharoa amin’ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena voalohan’ny Repoblika faha-efatra. Raha ny afa aloha dia iny no tonga dia nosaovaliany hanaratsiana ilay olona. Eny na tsy misy porofo mazava aza. Ary amin’ny ora nanoratako izao lahatsoratra izao, gazety firy ary gazety iza no namoaka io toe-javatra sady mahamenatra no manala baraka ny firenena iray manontolo io ?
Ireo mampianatra sy mpanabe ao amin'ny IEP
Ny andro nisehoan’io resa-toaka io dia ny zoma 22 Novambra 2013, taorian’ny namoahan’ny C.E.S. ara-pomba ofisialy ny vokatry ny fiodinana voalohany, tamin’ny 25 Oktobra 2013. Tafiditra amin’ny fiodinana faharoa ny kandida laharana faha-3, Hery Rajaonarimampianina, sy ny kandida laharana faha-33, Jean Louis Robinson. Dia samy faly daholo izy roalahy ka dia samy mba nanao “arrosage” amina fomba samihafa. Ny tolakandron’io anefa, nasain’ny tao aminy IEP -Institut d’Etude Politique- na Ivon-toerana ambony momba ny Fandalinana ny taranja Politika etsy Ampandrana, izy roalahy ireo mba hamelabelatra ny fijeriny ny tontolo politika eto Madagasikara. Ingahy Robinson no tokony niditra voalohany, kinanjo tsy teo izy tamin’ny ora nifanomezana. Dia ny kandida Rajaonarimampianina no niresadresaka tamin’ireo mpianatra maro aloha.
Mety nanao "arrosage" koa i Hery Rajaonarimampianina,
fa tsy hita soritra mihitsy teto
Vita ny famelabelaran-kevitry ny kandida Rajaonarimampianina, nefa mbola tsy hita foana ny kandida Robinson. Efa nadiva hilentika ny masoandro vao iny izy no nipoitra ihany. Fa dia tena namoehatra e ! Niafarany moa dia tsy tezitra ireo mpianatra ka tsy navelany nanohy intsony: “izao ve ny état-ny dia ahoana!”, hoy ny maro. F’inona marina no nitranga tamin’io zoma “magnifique” io ?
Tokony ho nisy nahay nandamina hisorohana ny fahafaham-baraka nataon'i Jean Louis Robinson iny. Maninona tsy teo no eo dia nentina nody izy ary nitady fanazavana mitombona? Aretina tampoka, ohatra? Fa tsy vazavaza nanintona ny manodidina sy ny mpianatra ?
Asa na diso daozy loatra ingahy dokotera fa dia efa tonga tamin’ny ora voatondro izy saingy tsy nivoaka ny fiara izay nijanona tao amin’ny “parking” ao ambany. Hitan’ny mpianatra anefa izy ka izay no nahatonga azy ireo nilaza hoe: “handrasanay foana fa tsy maninona”. Niaraka taminy tamin’io fotoana io dia Andriamatoa isany Razoarimihaja Solofonantenaina sy ny Talé Jeneraly ity sekoly Ambony ity. Ny voalohany moa dia tsy nampaninona azy raha hiatrika ireo mpianatra ingahy Robinson, fa ny faharoa kosa - dia tena nandà: “Izao ve ny état-ny dia ahoana no hiakarany ao?”, hoy izy. Ary dia nifamaly teo izy roalahy ireo. Nisy mpanao gazety teo naka sary sy video. Rehefa hitan’i ilay tompon'andraikitra io dia norahonany: “Mpanao gazetin’iza koa ialahy io?”. Rehefa nitonona ny orinasany ilay “mpanao gazety” dia nentiny tany ambadika tany…
Mikaiki-molotra sisa ingahy dokotera kandida "favori" mamo imasom-bahoaka
Farany moa dia niakatra tany ambony ihany ingahy Jean Louis Robinson. Diso izany hoe notantanana izy. Fa rehefa nifanatrika tamin’ireo mpianatra vao tsikaritra tokoa fa tsy “en forme” ity kandida laharana faha-33 ity. Tezitra tamin’izay ny mpianatra ary tsy navelany nanohy intsony ity kandida manala-baraka tena, nefa milaza ho “favori” amin’ny fifidianana ho Filoham-pirenena Malagasy. Tena mamo tokoa izy fa tsy hoe tratry ny aretina tampoka. Raha izay mantsy ny marina, tsy nampanahirana ny nanazava, satria tadidin-tsika fa vao tsy ela dia nodidiana teo amin’ny fony ity dokotera afa afa ity. Afa afa satria, voalohany: efa tsy salama ianao maninona no mbola nisotro toaka ? Tsy azo nialana angaha? Faharoa: ianao kandida ho filoham-pirenena, tokony manome ohatra tsara ho an’ny vahoaka. Tsy misy mandràra an’iza amin’ny fisotroana fa kosa dia imason’ireo tanora hanangana ny hoavy ve no “katry” araka ny fiteny ankehitriny? Ka iza marina izany no hifidy Filoham-pirenena mamo imasom-bahoaka ? Sa ve azo leferina izany toe-javatra izany satria “vao tamin’iny ihany”?
Talanjona ireo mpianatra...
Fa maninona koa no misy mpanao gazety (mpaka sary ny marimarina kokoa) mety vidiam-bola ka dia tsy namoaka mihitsy ireo sary sy videos mirakitra ilay fifamaliana sy i Robinson nivembena fa sary afa no navoaka ? Misy ireo ary fantatro ilay naka ny sary sy videos. Tamin’ireo no nangalana ireo sarin’i Robinson roa mandravaka ity lahatsoratra ity. Sivana sandaina vola (“censure monnayée”) no anaran’izany. Toe-javatra toa izany no manimba ny asam-gazety eto Madagasikara. Asa koa, nisy nanome baiko tany ho any. Ianao nilaza fa “mitsinjo ny carrier-ko” io, dia mba asio fandinihina ny tenanao satria tsy amin’izany fomba izany ianao no haharitra ela eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety. Izao ianao dia efa fitaovana eo am-pelatanan’ireo mpanao politika. Iza no niteny anao hoe raiso ilay vola? Tsy anonona anarana aho eto fa dia hitsio aingana ny famindranao ry leikely a!
Tsy ao intsony ingahirainy e ! Tsy dia mahita nefa nanala solomaso indray
Fa ny vokan’izany rehetra izany dia mampametraka ity fanontaniana ity: mendrika ho Filoham-pirenena tokoa ve ny olona toa an’ny Dokotera Jean Louis Richard? Satria vao kandida fotsiny dia tsy maha fehy tena. Taizan’ny aretim-po koa izy ka tena hahavita izany asana Filoham-pirenena tokoa ve?
Santionany ity ary lavitra no nangalana azy tao Parisy
Eto aho dia manararaotra koa mitodika amin’ireo hoe GTT, indrindra ny ao Parisy (Frantsa). Hajanony ny toe-tsaina mipetraka eo amin’ny valifaty. Tonga aty am-poto-tsofiko ny hoe: rehefa tafaverina ingahy Ravalomanana dia io mpanao gazetin’ny madagate.com io no hampidirina any am-ponja voalohany sy ny maro afa koa. Fomba fiadin’ny kanosa izany. Fantatro daholo na ny anaranareo aza. Tsy ianareo ireo akory no ampitahotra ahy. Tsy vao izao aho no nanao gazety ary ny madagate.com niorina tamin’ny volana Febroary 2001. Manaraka: tamin’ny taona 1991 aho efa natao sambo-belona tany Diego. Efa maro ireo fandrahonana azoko, fa ny marina, marina foana ary mandresy foana. Ny fiainanareo any am-pita dinihina fa hatsaharo ny rediredinareo. Sa tianareo havoakako eto tokoa ny anaranareo sy ny sarinareo tsirairay?
Ny tenanareo sy ny teninareo no tokony hatahoranareo voalohany fa tsy izaho velively. Ary hianaro ny tantaran’ny Madagasikara fa aza manao toe-tsainan’olona jamba sy feno fankahalana. Inona no mba lova hapetrakareo ho an’ny taranakareo rehefa maty ianareo? Ka tohizo ihany fa mahatatesa kosa ny vokan’ny ataonareo. Izay mifafy rivotra mijinja tadio. Mamerina eto koa aho fa raha iray ny fahavaloko, iray koa ny namako.
Jeannot Ramambazafy – 26 Novambra 2013