]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Analamanga : ny nenina ao afara handatsa ka samia misain-tsaina tsara e !

Analamanga : ny nenina ao afara handatsa ka samia misain-tsaina tsara e !

Mahaiza mandanja tsara daholo amin’izy roalahy ireo


Ny faritr’Analamanga no azo ambara ho nahazoan’ny kandida Robinson Jean Louis tombom-bato betsaka indrindra tamin’ny fihodinana voalohan’ny fifidianana filohampirenena izay natao tamin’ny faha-25 oktobra teo.

Saika ireo mpanara-dia an-dRavalomanana sy ireo diso fanantenana tamin’ny fitondrana tetezamita no nahatonga azy ho nahazo izany ampaham-bato betsaka izany.

Taorian’iny fihodinana voalohany iny anefa dia maro ny tranga niseho avy amin’ity kandida mametraka ho laharam-pahamehana ny fampodiana an-dRavalomanana ity. Nanomboka nieritreritra ny mpifidy hoe « inona marina moa no tena antenaina amin’ity kandida ity raha lany eo ? ».

Nisy àry aloha no niova hevitra avy hatrany raha vao nahita ny vaovao momba azy ilay mamo tao amin’ny valan-dresaka nanasan’ny mpianatry ny Ivon-toerana ambony momba ny  fandalinana pîlitika azy (Iep).

Tsy fahafehezana tena no nandikan’ny olona sasany azy teto Antananarivo. « Tsy azo leferina ny fihetsika toa ireny fa mamoa-fady », hoy ity raiamandreny iray; loholona ao amin’ny Fiangonana Fjkm iray eto andrenivohitra. « Tsy nampoiziko ho ny Dr Jean Louis Robinson no hanana fitondran-tena toa ireny », hoy izy.

Fa ny fihetsika nasehon’ity saribakolin-dRavalomanana nandritra ny fifanatrehana voalohany teo aminy sy ny kandida Rajaonarimampianina koa dia nampihemotra olona maro teto Antananarivo. Renim-pianakaviana iray ao amin’ny « Fianakaviamben’ny Andriana » no vaky vava ka nilaza fa « nisy fihaonana taminay vitsivitsy ato amin’ny Fianakaviamben’ny Andriana indray sabotsy ka tonga tany amin’iny fifanatrehan’ny kandida roalahy iny ny resaka, ary dia samy nitovy ny fahatsapanay fa tsy olona toa azy no mamaly ny  tsanganana takiana amin’ny olona tokony ho filohampirenena ».

« Marina », hoy ity renim-pianakaviana ity, « fa tsy nisy ny baiko na toro-marika avy amin’ny fianakaviambe hoe « mifidy ny kandida Robinson », fa saika voasarika tany aminy ny maro taminay, indrindra fa ny tanoranora, saingy taorian’iny fifanatrehan’izy roalahy iny dia toa mandrora mitsilany raha  hikimpy ka hanamafy ny fifidianana azy ».

« Tsorinay aminareo mpanao gazety », hoy ity renim-pianakaviana ity, « fa fanalana baraka ny vaton’Imerina izay maro no nifidy azy ireny fihetsika bontolo toa sanatria jiolahim-boto nataony teo anoloan’ny mpifaninana taminy ireny, nefa i Hery Rajaonarimampianina dia niezaka ho tony hatramin’ny farany ». Ity renim-pianakaviana ity koa no nanipika fa « ny olana kely taminay sy i Hery Rajaonarimampianina ange ka izy isan’ny niara-nitantana tao anatin’ny fitondrana Rajoelina, saingy maro amin’ny fandaharan’asa sy ny vinavinam-piaraha-monina natolony, indrindra fa hita fototra kokoa izany tamin’izao fampielezan-kevitra fihodinana faharoa izao, no azo ianteherana e ! ».

Mpandraharaha ara-toekarena sady itantana orin’asa momba ny fanafarana sy fanondranana entana eto andrenivohitra indray no nilaza hoe « ny tenako aloha dia tsy nifidy tamin’ny fihodinana voalohany satria tsy tafiditra tao anatin’ny lisi-pifidianana, fa ny vady aman-janako dia nampirisihako hifidy an’i Jean Louis Robinson, noho izy noheveriko fa hampiseho toetra mendrika izany filohampirenena izany, saingy ny tena nampaharikoriko ahy dia ny nandre azy fa mpikambana ao amin’ny “Franc Maçon ».

« Tsoriko aminareo mpanao gazety », hoy ity mpandraharaha ity, « fa maro amin’ny mpandraharaha Malagasy no nianjadiam-pahavoazana noho ny nafitsoky ny mpandraharaha namana, Malagasy, izay miara-miombona antoka amin’ny vahiny, saingy fantatra fa mpikambana amin’ireny « Franc Maçon » ireny ».

« Samy mahatsapa an’izany izahay mpandraharaha Malagasy tsy mba manaiky hiditra amin’ireny fikambanana hafahafa ireny », hoy ity tafaresaka taminay, « ary isan’ny niteraka fahavoazana teo amin’ ny tontolon’ny fandraharahana ara-toekarena teto Madagasikara satria namotika seha-pandraharahana maro an’ny teratany Malagasy teto ny firaisan-kinan’ny samy « Franc Maçon » izay tsy mikendry afa-tsy ny tombontsoan-dry zareo mpiara-dia ao amin’io fikambanana io. Tsy vitsy aminay mpandraharaha Malagasy, izay sady kristianina hatry ny ela, no samy niteny fa hampita toro marika sy hanentana ny mpiasa aminay avy sy ny vady aman-janany ary hanentana koa ny manodidina mba hifady izany olon’ny « Franc Maçon » izany fa loza ho an’ny firenena izany, ary tena fahavetavetana eo anatrehan’ Andriamanitra ».

Tsy ireo voatanisa ireo ihany no nahitana taratra an’izay fahadisoam-panantenana tamin’i Jean Louis Robinson izay fa hatramin’ny tanora mpianatra eny amin’ny oniversite, raim-pianakaviana mpiasa tena. Ny iray tamin’ireto mpiasa tena aza moa dia nilaza mihitsy hoe « isaorana ny mpanao gazetin’ny Tvm nametraka an’iny fanontaniana momba ny « Franc Maçon » iny satria soa ihany fa fantatra mialoha ny momba an’i Robinson sy ny fikambanana misy azy dia mba samy mitandrina fa raha sanatria ka tonga teo amin’ny fitondrana izy vao fantatra ireny dia tonga amin’ilay fitenenana hoe «dokotera aorian’ny fahafatesana» ka ho nenina sisa ».

« Maharikoriko ahy na ny mandre fotsiny ny anarany hoe « Robinson Franc Maçon » fotsiny aza », hoy ity renim-pianakaviana mpivarotra enta-madinika iray etsy Ampasampito. « Tena resy lahatra 200% tamin’ny Dr Robinson aho”, hoy izy, « teo aloha fa hatramin’ny nahenoako fa « mpikambana amin’ny pĂŽlitika sosialista frantsay sy Franc Maçon izy dia tena maharikorioko ahy, ary tofoka tanteraka aminy aho ka tsy hanome ny safidiko ho azy mihitsy indray ».

« Tamin’ny fahazazanay mantsy dia mpakafo sy mpaka ra ary mpangala-jaza no nahafantaranay izany Franc Maçon izany », hoy izy.

Talata, 17 Desambra 2013

Nangonin'ny mpanao gazety maro - www.madagate.com

Mis Ă  jour ( Mercredi, 18 DĂ©cembre 2013 15:55 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...