]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Marc Ravalomanana: mbola tsy mahatoky ny Malagasy toa azy ihany e!

Marc Ravalomanana: mbola tsy mahatoky ny Malagasy toa azy ihany e!

Io Ingahy Brian Currin, fanavotana farany. Ho an’iza anefa? Tsy ho an’i Jean Louis Robinson velively aloha e ! Hono, hoy aho: tsy mampihomehy anareo ve ny tarehiny ? Tsara niaraka nanao sarimihetsika tamin'i Louis de Funùs î ?

E e e ! 64 taona izy izao ary mino ahy fotsiny ihany ianareo fa tsy hiova intsony izy amin’ny fomba amam-panaony nanomboka izy niditra teo amin'ny sehatry ny polifika.

Mpiambina vazaha, mpanolo-tsaina vazaha, Dg Air Madagascar vazaha, Dg Jirama vazaha
 Lazao indray fa mpandainga aho e ! Izao indray dia mbola niantso vazaha hiditra ao anatina raharaha tokan-tranon’ny mpifidy malagasy izay nidify Filoham-pirenena malagasy fa tsy vazaha.

Tsy iza io olona resahina io fa Ingahy Marc Ravalomanana, nahay nanipy ny fahefany teo am-pelatànany teny amina “Directoire militaire” ary nitsoaka tsy re tsaika ao Afrika atsimo ao. Dia nanantena fa avy ihany izy hiverina soa aman-tsara rehefa ripaka daholo ny mpitolona. Tsy izany no niseho ary efa fantatr’izao tontolo izao ny tohiny


Gaborone (Botswana), 6 Jona 2011. Io i Brian Currin, eo akaikin'i Mamy Rakotoarivelo. Samy mihenoheno amina "casque" fotsiny dia mahazo volabe. Inona ny vokatra azo tany anefa ?

Mikasika ilay vazaha indray dia tsy iza fa ilay Brian Currin, Afrikana tatsimo fotsy hoditra, izay tsy nahovoka mihitsy nandritra izay efa-taona mahery lasa izay. Nefa karamaina vola be mihitsy. Dia nibitaka tsy misy toa izany ny tao amin’ny Magro Behoririka fa tena Dadany i Dada ary tonga ny mpamonjy vazaha. Hahirato amin’izay ny maso lereitsy a !

Ny fehiny? Dondrona daholo ny mpahay lalàna Malagasy eto Madagasikara amin’Ingahy Ravalomanana. Ny adinony anefa dia tsotra : hampihetsika ny ambo-pon’ireo mpahay lalàna eto an-toerana io nahatongavan’io Brian Currin io ka dia hifototra aminy indray io tsy firarahiny ny Malagasy rehefa ny tombontsoany no arovany. Ka na dia ny mpahay lalàna ao amin’ny fikambanana Avana aza dia toa ny tsy misy dikany aminy. Ka iza amin’izay ary no tahafin’i Jean Louis Robinson amin’ny fombana jiolahim-boto nandritra ny propagandy sy amin’izao fotoana izao, manao amboletra ? Any aminareo ny valiny.

Jeannot Ramambazafy – 27 Desambra 2013

Mis Ă  jour ( Vendredi, 27 DĂ©cembre 2013 20:03 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...