Didim-pitsarana laharana faha 10-CES/AR.14 tamin'ny 17 janoary 2014 anambarĂ na ny vokatra raikitra ny fihodinana faharoa amin'ny fifidianana Filohan'ny Repoblika, natao ny 20 desambra 2013
Ny Fitsarana Manokana momba ny Fifidianana;
Araka ny lalĂ mpanorenana;
Araka ny hitsivolana laharana faha 2001-003 taminâny 18 novambra 2001 mikasika ny Fitsarana Avo momba ny LalĂ mpanorenana;
Araka ny lalĂ na fehizoro laharana faha 2012-005 taminâny 22 marsa 2012 anaovana ny Fehezan-dalĂ na momba ny fifidianana;
Araka ny lalĂ na fehizoro laharana faha 2012-015 taminâny 01 aogositra 2012 mikasika ny fifidianana Filoham-pirenena voalohanâny Repoblika fahaefatra;
Araka ny lalĂ na laharana faha 2011-014 taminâny 28 desambra 2011 ampidirana ny tondrozotra ao aminâny antanantohatry ny lalĂ na anatiny;
Araka ny lalĂ na laharana faha 2012-014 taminâny 26 jolay 2012 ananganana rantsana manokana antsoina hoe âFitsarana Manokana momba ny Fifidianana (CES)â eo anivonâny Fitsarana Avo momba ny LalĂ mpanorenana;
Araka ny lalĂ na laharana faha 2013-008 taminâny 01 aogositra 2013 manova sy mameno ny andininy sasantsasany aminâny lalĂ na laharana faha 2012-014 taminâny 26 jolay 2012 ananganana rantsana manokana antsoina hoe âFitsarana Manokana momba ny Fifidianana (CES)â eo anivonâny Fitsarana Avo momba ny LalĂ mpanorenana;
Araka ny hitsivolana laharana faha 2013-002 taminâny 12 aogositra 2013 anaovana ny lalĂ na fehizoro manova sy mameno ny andininy sasantsasany aminâny lalĂ na fehizoro laharana faha 2012-015 taminâny 01 aogositra 2012 mikasika ny fifidianana Filoham-pirenena voalohanâny Repoblika fahaefatra;
Araka ny didim-panjaka laharana faha 2013-154 taminâny 12 marsa 2013 amerana ny fampiharana ny lalĂ na fehizoro laharana faha 2012-015 taminâny 01 aogositra 2012 mikasika ny fifidianana ny Filoham-pirenena voalohanâny Repoblika fahaefatra;
Araka ny didim-panjakana laharana faha 2013-606 taminâny 9 aogositra 2013 anafoanana ny didim-panjakana laharana faha 2012-978 taminâny 7 novambra 2012 sy anamarihana ny fanendrena ireo mpikambana vaovao voafidy sy voatendry ho ao aminâny rantsana manokana antsoina hoe âFitsarana Manokana misahana ny Fifidianana (CES)â eo anivonâny Fitsarana Avo momba ny LalĂ mpanorenana;
Araka didim-pitsarana laharana faha 01-CES/AR taminâny 22 novambra 2013 anambarana ny vokatra ofisialinâny fihodinana voalohany taminâny fifidianana filohanâny Repoblika taminâny 25 oktobra 2013;
Araka ny fanapahana laharana faha 001/CENI-T/D/2014 taminâny 3 janoary 2014 amoahana ny vokatra vonjimaika aminâny fifidianana ny Filoham-pirenena voalohanâny Repoblika fahaefatra natao ny 20 desambra 2013;
Araka ny fitoriana sy antontan-taratasim-pifidianana voaray tao aminâny Fitsarana Manokana misahana ny Fifidianana;
Rehefa nohenoina ireo mpampakateny;
Rehefa nifampidinihana araka ny LalĂ mpanorenana sy ny lalĂ na;
Satria ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana ho anâny Tetezamita dia nanambara ny 03 janoary 2014 ny voka-pifidianana vonjimaikanâ ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa natao taminâny 20 desambra 2013;
Satria ny andininy faha 27 aminâny lalĂ na fehizoro laharana faha 2012-015 taminâny 01 aogositra 2012 mahakasika ny fifidianana filoham-pirenena voalohanâny Repoblika Fahaefatra dia milaza fa: « Ny Fitsarana Manokana misahana ny Fifidianana no mamoaka ny voka-pifidianana raikitra, raha ela indrindra, ao anatinâny fe-potoana dimy ambinâny folo andro manomboka aminâny vaninandro amoahana ny vokatra vonjimaika nataonâny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana ho anâny Tetezamita »;
Koa tafiditra anatinâny fe-potoana napetraky ny lalĂ na ny fanambarana ofisialy ny voka-pifidianana ataonâny Fitsarana etoana anio 17 Janoary 2014 ;
I- NY AMINâNY FAHAZOA-MANDRAY NY RAHARAHA:
Ny aminâny fahazoa-mandray ny raharaha mahakasika fahafaha-mitory
Satria araka ny voalazanâny andininy faha 132 aminâny lalĂ na fehizoro laharana faha 2012-005 taminâny 22 martsa 2012 mahakasika ny Fehezan-dalĂ na momba ny fifidianana dia afaka mitory eto anivonâny Fitsarana Manokana misahana ny Fifidianana ao anatinâny folo andro katroka aorianâny fiafarananâny fifidianana ny:
- mpifidy tena voasoratra tokoa tao aminâny lisitry ny mpifidy ny aminâny maha ara-dalĂ na ireo asa nentina nanatanteraka ny fampielezan-kevitra sy ny raharaha momba ny latsabato izay nizotra tao aminâny faritra iadidianâny birao fandatsaham-bato nisoratany anarana;
- mpilatsaka hofidiana tsirairay na ny delegeny n any solontenany eo aminâilay farim-pifidianana manontolo na ny ampahany ihany aminâizany;
- mpanaramaso teratany manerana ny birao fandatsaham-bato rehetra izay nahazoany fahefana hanaovany ny asany ;
Satria hita mivoitra arakâio andinin-dalĂ na io fa ny fahafaha-mitondra fitarainana eto anoloanâny Fitsarana dia mifamatotra aminâny maha-voasoratra ny mpitory aminâny lisi-pifidianana sy ny fandraisany anjara taminâny latsa-bato ary aminâny maha-kandidĂ na solon-tenanâny kandidĂ azy na aminâny maha-mpanara-maso fifidianana teratany azy;
Satria ho fampiharana ireo andinin-dalĂ na voalaza teo ambony ireo dia nambara fa tsy azo raisina ny fangatahana nataonâ Andriamatoa RAHARISON Jean Claude ho fanitsanana tsy ho mpilatsaka hofidiana ny kandida Robinson JEAN LOUIS, ireo fitoriana mangataka fanafoanana ny fifidianana nataon-dRamatoa sy Andriamatoa isany RALAIMAMPISAINARINONY Manoel, misolo tena ny GTT International GenĂšve, RASOLDIER Julia, RAHARINOSINJATOVO Josiana Sahondra, RANAIVOARIVELO Bakoly, RASOANANDRASANA Viviane sy RANDRIAMANALINA Paul Romule, ireo fangatahana ny fanafoanana ny vato azonâny kandida Hery RAJAONARIMAMPIANINA napetrakâAndriamatoa isany ANDRIAMIARISOA Bienvenu, Pasitera KOTOSOA, RAMIANDRISOA Josoa sy ny namany, RAKOTOFIRINGA Jean Pierre, RAZAFINDRALAMBO ArsĂšne, KENY Urella sy ny namany, IBRAHIM Abdallah sy ny namany, TIANA sy ny namany ary farany ny fangatahana ho fanamarinana ireo biletĂ tokana sy ny famerenana fanisana indray ireo vato azonâny kandida tsirairay nataonâny Komity ho aminâny Fampihavanam-pirenena satria tsy manana fahafaha-mitory eto anatrehanâny Fitsarana manokana misahana ny Fifidianana, na koa efa maty paikâandro izany fitoriany izany;
Ny aminâny fahazoa-mandray momba ny antonantonâny fitoriana :
Satria araka ny fitoriana taminâny 08 Janoary 2014, napetraka teo anivonâny Firaketan-draharahanâny Fitsarana Manokana misahana ny Fifidianana io andro io ihany, ny kandida Robinson JEAN LOUIS dia nangataka aminâny Fitsarana etoana hanatsoaka ny didy mitondra ny laharana faha-03-CES/AR.14 taminâny 07 Janoary 2014;
Satria araka ny andininy faha 120 andalana farany aminâny Lalam-panorenana, izay naverinâny andininy faha 43 andalana fahatelo aminâny didy hitsivolana laharana faha 2001-003 taminâny 18 novambra 2001 mahakasika ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana: âIreo didim-pitsarana sy fanapahana avoakanâny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana dia tsy azo anaovana fampakarana hafa intsony. Tsy maintsy ampiharinâny fahefam-panjakana rehetra ary koa izay manam-pahefana aminâny fitondrana sy ny fitsarana izy ireny.â
Satria ny fangatahana fanatsoahana fitoriana dia manainga ny Fitsarana etoana handinika indray ny maha-marim-pototra ny didy navoakany; saingy ho fampiharana ny fitambaranâireo andinin-dalĂ na voalaza teo ireo, ny FitsarĂ na Manokana misahana ny Fifidianana dia tsy afaka ny handinika indray ny didy efa navoakany izay efa tsy azo ivalozana;
Koa ho fampiharana io andinin-dalĂ na io dia lazaina fa tsy azo raisina ny fangatahana nataonâAndriamatoa Robinson JEAN LOUIS momba ny fanatsoahana didim-pitsarana;
II â NY AMINâNY MAHA-MARIM-POTOTRA IREO FITORIANA VOARAY EO ANIVONâNY FITSARANA MANOKANA MISAHANA NY FIFIDIANANA:
Ny aminâny fangatahana fanafoanana ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa taminâny 20 desambra 2013 manerana anâi Madagasikara:
Satria araka ny fitoriana taminâny 31 desambra 2013, ny kandida Robinson JEAN LOUIS dia mangataka ny fanafoanana ny fifidianana filoham-pirenena natao taminâny 20 desambra 2013 noho ny antony fa ny lisi-pifidianana dia nasiam-panovĂ na sy nokitikitihanâireo mpitondra mba hanomezana vahana ny kandidanâireto farany, ary manaraka izany dia tsindrianâizy ireo fa ireo isanâny mpifidy nandatsa-bato dia niova be raha mitaha ny fihodinana voalohany sy faharoa ka nitarika ny fanilihana mpifidy voasoratra miisa 90.475 ary ankoatrâizay dia tsikaritra kosa fa nisy fitomboanâny isanâny mpifidy voasoratra teny anivonâireo faritra izay nandresenâny kandida Hery RAJAONARIMAMPIANINA;
Satria araka ny didy savaravina mitondra ny laharana faha 05-CES/AR.14 taminâny 08 Janoary 2014, ny Fitsarana etoana dia nandidy ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena momba ny Fifidianana ho anâny Tetezamita handrotsaka eto anoloany ireo lisi-pifidianana nampiasaina taminâny fihodinana voalohany sy faharoa taminâny fifidianana filoham-pirenena teo anivonâireo Distrika manaraka ireto: Soanierana Ivongo, Ambanja, Ambovombe, Bekily, Toliara, Amboasary Atsimo, Betroka, Mahajanga I ary Marovoay;
Satria ho fampiharana io didy savaravina io, ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena momba ny Fifidianana ho anâny Tetezamita dia nanatitra ireo lisi-pifidianana nampiasaina sy ny dika anaty solosaina ireo lisi-pifidianana voalaza teo ireo, nofaranana taminâny 09 oktobra 2013, nampiasaina taminâireo fihodinana roa taminâny fifidianana filoham-pirenena ka niampy ireo lisitra fanampiny taminâireo mpifidy tsy voasoratra taminâny fihodinana voalohany;
Satria ny faha 14 Janoary 2014 taminâny 11 ora, taminâny alalanâny fitsarana am-pahibemaso , ny Fitsarana dia nihaino ireo fanamarihana am-bava nataonâireo mpisolovavanâireo kandida roa tonta;
Satria taminâizany fotoam-pitsarana izany, ny mpisolovavanâ ny kandida Robinson JEAN LOUIS dia tsy afaka nanaporofo teto anatrehanâny Fitsarana ny fisianâireo fanesorana mpifidy voasoratra taminâny lisi-pifidianana miisa 90.475 taminâireo Distrika sivy (09) voalaza teo ambony; saingy hita mivoitra araky ny fanamarinana nataonâny Fitsarana dia nahitana fa ny isanâireo mpifidy voasoratra tao aminâireo DIstrika ireo dia nahitana kosa fitomboanâny isa noho ny fisianâny lisitra fanampiny nodidianâny lalĂ na, izany dia taorianâny fampitahana ny dika aminâny solosaina avy aminâny Vaomieram-pirenena Mahaleotena momba ny Fifidianana ho anâny Tetezamita sy ireo isanâny mpifidy voasoratra hita avy aminâny fitanana an-tsoratra tonga teo anivonâny Fitsarana Manokana misahana ny Fifidianana, araka ny fitsirihana natao;
Satria noho izany, dia tsy mitombina ny antony fangatahana fanafoanana ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa notontosaina taminâny 20 desambra 2013 noho ny tsy fahampianâny porofo;
Koa dia lavina araka izany ny fitorianâAndriamatoa Robinson JEAN LOUIS satria tsy mitombina;
Ny aminâny fangatahana fanafoanana ireo isam-bato azonâny kandida roa tonta :
Satria taminâny alalanâny didy laharana faha 09-CES/AR.14 taminâny 15 Janoary 2014, dia nolavinâny FitsarĂ na etoana ny fitoriana nataonâny kandidĂ Robinson JEAN LOUIS izay angatahany ny fanafoanana ireo isam-bato azonâny kandida Hery RAJAONARIMAMPIANINA, ary ny fitoriana setriny nataonâity farany izay mangataka ny fanafoanana ireo isam-bato azonâny kandida Robinson JEAN LOUIS manerana anâi Madagasikara;
Satria voalohany, ny antom-panafoanana momba ny fandraisanâireo manam-pahefana anjara taminâny fampielezan-kevitra dia tsy mitombina; ary faharoa, ny antom-panafoanana ifarahana momba ireo fanodinam-pahefana natao hanampiana kandida nataonâ ny FanjakĂ na dia tsy marim-pototra ihany koa, ary farany ny antom-panafoanana hifaharana momba ny fiantraikanâny fanafoanana didim-panjakĂ na dia tsy azo raisina ho antom-panafoanana;
Ny aminâny fanintsanana kandidĂ :
Satria araka ny didy navoakanâny Fitsarana etoana mitondra ny laharana faha-03-CES/AR.14 taminâny 07 Janoary 2014, dia nolaviny ny fangatahana ho fanintsanana tsy ho kandidĂ anâAndriamatoa RAJAONARIMAMPIANINA Heryaminâny fifidianana filoham-pirenena, nataonâAndriamatoa Robinson JEAN LOUIS , ary torakâizany koa ny fangatahanâAndriamatoa RAJAONARIMAMPIANINA Hery ho fanitsanana tsy ho kandidĂ anâAndriamatoa Robinson JEAN LOUIS;
Satria taminâny alalanâio didy io, ny Fitsarana etoana dia nanamarika fa ireo kandida roa ireo dia tsy azo sokajiana ho anisanâny manam-pahefana voalazanâny andininy faha 134 intsony koa tsy afaka hampiasa na oviana na oviana tombom-pahefana avy aminâny herim-panjakana na fitaovam-panjakĂ na;
Koa noho izany dia tsy azo ampiharina aminâizy ireo ny andininy faha-134 aminâny Fehezan-dalĂ na momba ny fifidianana, dia lavina ireo fangatahana fanintsanana tsy ho kandidĂ satria tsy marim-pototra;
Ny aminâny fampitahana, fanamarinana ary ny famerenana fanisana ifanatrehana ireo biletĂ tokana :
Satria ny kandidĂ Robinson JEAN LOUIS dia mangataka aminâny Fitsarana etoana ny handidiana ny fampihatoana ny famoahana ny voka-pifidianana am-pahany mba hanamarinana sy hanisana ireo biletĂ tokana tsy nampiasaina taminâny fifidianana, ary koa ny fanamarinana sy fanisana indray ifanatrehana ireo bileta tokana nampiasaina hijerena ireo laharanâny bileta mba hahitana ny marina, izany rehetra izany dia eo anatrehanâireo solontenany;
Fa soritany manokana aminâizany fa io paika io dia ilaina hatao, manoloana ny ahiahy ny aminâny fisianâny hosoka sy hala- bato faobe nandritra iny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa iny, ary indrindra ny mba hisianâny fitsarana marina;
Satria tsara ny manamarika mialoha fa teo anivonâireo birao fandatsaham-bato , ny fanisam-bato dia ataonâireo mpikambana eo anivonâny birao fandatsaham-bato sy ireo mpanisa vato ampahibemaso mandritra ny fanisam-bato araka ny voalazanâny andininy faha-98 hatraminâny 114 aminâny lalĂ na laharana faha 2012-005 taminâny 22 martsa 2012 momba ny fehezan-dalĂ na momba ny fifidianana;
Satria ho fampiharana ireo andininy faha 112 sy 114 aminâny fehezan-dalĂ na voalaza teo, ny delegenâny kandida tsirairay, izay manatrika ny fanisam-bato, dia mahazo sosona aminâny fitanana an-tsoratry ny fizotry ny raharaham-pifidianana, ary mitovy lanja toy ny matoa izany sosona izany;
Satria ny andininy faha 122 andalana faharoa aminâny lalĂ na fehizoro laharana faha 2012-005 taminâny 22 martsa 2012 mahakasika ny Fehezan-dalĂ na momba ny fifidianana dia milaza fa: âRaha ilaina, ny fampitahana ireo fitanana an-tsoratâireo biraom-pifidianana dia azo atao, eo anatrehanâny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny fifidianana, na aminâireo rantsan-mangaikany, na eo anatrehanâny fitsarana mahefa, araka ny fangatahanâny kandidĂ na ireo solontenany.â
Fa tsara anefa ny manindry fa anjaranâny mpitory no manendry ireo birao-pifidianana izay itakiany ny fampitahana ny
fitanana an-tsoratra, ary mitondra ireo porofo mahakasika izay hosoka mety hisy aminâizany;
Satria ny Fitsarana Manokana misahana ny Fifidianana dia mihevitra fa tsy ilaina intsony ny famerenana indray ny fanisam-bato azonâny kandida tsirairay manerana ireo birao fandantsaham-bato manerana ny Nosy manoloana ireo antoka maro omenâny didy aman-dalĂ na;
Satria na manao ahoana na manao ahoana , ny Fitsarana Manokana misahana ny Fifidianana, na dia tsy misy fitoriana aza, dia afaka mandray andraikitra avy hatrany raha heveriny fa nisy fandikana ireo fepetra voalazanâny lalĂ na na ny fitsipika, na manitsy na manafoana ampahany na manontolo ireo vokam-pifidianana, eo am-pitsirihana ny fitanana an-tsoratrâireo birao fandatsaham-bato sy ny Sampana misahana ny fanisam-bato;
Satria koa anefa ireo didy aman-dalĂ na mifehy ny fifidianana dia nametraka fepetra miantoka ny fampangaraharahanâny raharaham-pifidianana ary koa ahafahanâny kandidĂ tsirairay mitory ireo fandikan-dalĂ na isanâambaratongany;
Fa aminâizany indrindra dia zonâny kandidĂ tsirairay ny manana solontena eny anivonâny birao fandatsaham-bato aminâny alalanâny delege izay natao hanara-maso ny fifidianana araka ny voalazanâny andininy faha-69 aminâny Fehezan-dalĂ na momba ny Fifidianana;
Fa ankoatrâizay, ny kandida ho Filoham-pirenena dia afaka manendry solontena eny anivonâny Vaomieram-pirenana Mahaleotena momba ny Fifidianana hoanâny Tetezamita sy ireo rantsa-mangaikany mba hanatrika ny asanâio Vaomiera io aminâny maha-mpanaramaso azy;
Satria araka ny Fanapahana mitondra ny laharana faha 25-CES/D taminâny 28 desambra 2013, ny Fitsarana Manokana misahana ny Fifidianana dia nandĂ ny fitorianâAndriamatoa Robinson JEAN LOUIS;
Satria taminâny alalanâny fitoriana samihafa taminâny 30 desambra 2013, Andriamatoa Robinson JEAN LOUIS, izay manana ho mpisolovava anâi MaĂźtre Hasina ANDRIAMADISON, Mpikambana ao aminâny Holafitry ny Mpisolovava, dia mangataka ny fampitahĂ na sy ny famerenana fanisĂ na indray ary ifanatrehana ireo biletĂ tokana nampiasaina taminâny fifidianana Filoham-pirenena taminâny 20 desambra 2013 aminâny birao fandatsaham-bato miisa 196 izay atovany aminâity didy ity; ary raha tsy izany, ny hanafoanana manontolo ny voka-pifidianana taminâireo birao-pifidianana voatanisa ireo;
Satria ny Vaomieram-pirenana Mahaleotena misahana ny Fifidianana ho anâny Tetezamita dia nanatitra teto anoloanâny FitsarĂ na ireo antontan-taratasim-pifidianana mifandraika aminâireo biraom-pifidianana ireo;
Fa ny FitsarĂ na etoana dia niroso taminâny fanamarinana sy ny fampitahana ireo fitanana an-tsoratra avy aminâny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana aminâny Tetezamita taminâireo fitanana an-tsoratra eny am-pelatananâny mpitory sy ireo eto anivonâny Fitsarana Manokana misahana ny Fifidianana;
Fa ankoatrâizay, ny Fitsarana etoana dia nitsirika ny fahamarinanâireo biletĂ tokana izay tonga teo anivony, ary nahita fa ny laharanâireo bileta tokana nampiasaina dia nifanandrify taminâny voasoratra aminâny fitanana an-tsoratry ny raharaham-pifidianana;
Koa taminâizany, ny Fitsarana dia tsy nahita tsy fahatomombanana na dia iray aza,koa dia lavina ny fangatahany;
Ny aminâ ireo tsy fanarahan-dalĂ na nisy taminâny raharaham-pifidianana teny anivonâny birao fandatsaham-bato:
Satria taminâny alalanâireo mpisolo vava izay voatonona manaraka ireto, dia MaĂźtres Nicole ANDRIANARIVOSONA, Lala RATSIRAHONANA,Sahondra RANDRIAMORASATA, Henry RABARY-NJAKA, Armand Fredon RATOVONDRAJAO sy Rakoto F. RANAIVOMANANA, ny kandidĂ Hery RAJAONARIMAMPIANINA dia mangataka aminâny FitsarĂ na etoana ny fanafoanana ny isam-bato azonâny kandida Robinson JEAN LOUIS teo anivonâireto biraom-pifidianana aminâny Distrika Antsirabe I manaraka ireto:
-Fokontany Ivory, EPP Karmaly salles 1, 2 et 4
-Fokontany Andrangy, EPP Andrangy, salles 1 et 2
-Fokontany Ambositrakely, EPP Fananana Ambositrakely, salle 1
-Fokontany Mahazina, EPPAmbavahadimangatsiaka, salles 1-2-3
-Fokontany Antanety, EPP Mandaniresaka salles 2, 3
-Fokontany Ambalavato 601, EPP Fitsindronana, salle 1
-Fokontany Ambohimanarivo, EPP Ambohimanarivo, salles 1 et 2
-Fokontany Ambohimanga, EPP Ambohimanga, salle 1;
Ho fanohanana ny fangatahany dia milaza ny mpitory fa:
Ramatoa RAZAFIARISOA Hanta Pascaline, mpikambana aminâny Komitim-pifidianana momba ny Fifidianana tao Antsirabe I ary mpikambana aminâny movansy RAVALOMANANA, dia nitazona ary nitondra ny fitanana an-tsoratra miisa dimy amby folo momba ny raharaham-pifidianana hoany an-trano fonenany, izay tsy naveriny teny anivonâny Sampana misahana ny fanisam-bato raha tsy taminâny 21 Desambra 2013;
Fa izany tranga izany dia nohamarininâny Filohanâny Komiti-pifidianana eny anivonâny Distrika;
Fa izany fandikan-dalĂ na izany dia nohamarininâny vavolombelona miisa iraika amby folo (11), ary narotsaka ao anatinâny antontan-taratasinâady ny dika mitovinâny kara-pifidianana sy ny karapanondronâireo vavolombelona ireo;
Satria koa ny fizarana vola ho tambinâny fifidianana kandidĂ iray dia fividianana vato, izay fandikan-dalĂ na ara-keloka ary tsy anjaranâny Fitsarana etoana ny mandinika izany;
Satria tsy tonga eto ampelantananâny FitsarĂ na koa ny porofo ny aminâny fisianâny faneriterena nataonâny mpikambana aminâny birao-pifidianana taminâireo mpifidy, ary koa ny aminâny fametrahana marika ny biletĂ alohanâny hampidirana azy ao anatinâny vata fandatsaham-bato;
Satria kosa hita araka ny fanadihadiana ireo antontan-taratasinâady, dia voamarina fa tao aminâny Distrika Antsirabe I, Ramatoa RAZAFIARISOA Hanta Pascaline dia nitondra nody ireo fitanana an-tsoratra izay mirakitra ireo voka-pifidianana tany an-trano fonenany izay tsy nomeny ny Sampana fanisana vato raha tsy ny 21 Desambra 2013; koa izany tranga izany dia mandika ny andininy faha-113 ny Fehezan-dalĂ na momba ny Fifidianana, ary misy fiantraikany aminâny fahamarinanâny latsa-bato, izay mitarika avy hatrany ny fanafoanana ireo raharaham-pifidianana teo anivonâireo birao-pifidianana voalaza teo, fa tsy fanafoanana ny vato azonâny kandidĂ iray ihany;
Koa noho izany dia foanana ny raharaham-pifidianana aminâireo birao-pifidianana voalaza teo ireo, izay ao aminâny Distrika Antsirabe I avokoa;
Satria araka ny fitoriana taminâny 31 Desambra 2013, Ramatoa RABENJAMINA teraka JEAN LOUIS Laura dia mangataka aminâny FitsarĂ na etoana ny fanafoanana ny isam-bato azonâny kandidĂ Hery RAJAONARIMAMPIANINA tao aminâny Distrika ANTANANARIVO Atsimondrano, Kaominina Ambalavao, Fokontany Ambohimamory, Birao fandatsaham-bato laharana faha â 110503060101;
Satria taminâny fanisam-bato, ny kandidĂ Robinson JEAN LOUIS sy RAJAONARIMAMPIANINA Hery dia nahazo isam-bato 24 sy 50 avy; koa aminâny dika mitovinâ ny fitanana an-tsoratra voarainâireo delege, ny isam-bato azonâireo kandida dia 42 ho anâny kandida Robinson JEAN LOUIS ary 50 ho anâny kandida RAJAONARIMAMPIANINA Hery;
Satria taorianâny fampitahana ireo fitanana an-tsoratra sy ny famerenana fanisĂ na ireo isam-bato, ny Fitsarana etoana dia tsy nahita tsy fitoviana tarehimarika teo aminâny taratasy fanisam-bato sy ny fitanana an-tsoratra; koa noho izany ny tsy fitoviana tarehimarika nokianinâny kandida Robinson JEAN LOUIS dia tsy hita afa-tsy tao aminâny fitanana an-tsoratry ny delege solontenany ihany;
Koa noho izany dia lavina ny fitoriana nataon-dRamatoa RABENJAMINA teraka JEAN LOUIS Laura;
Satria taminâny fitoriana taminâny 31 Desambra 2013, ny kandidĂ Hery RAJAONARIMAMPIANINA, taminâny alalanâny mpisolovavany izay tarihinâny MaĂźtre Nicole ANDRIANARIVOSON, dia mangataka aminâny FitsarĂ na etoana fanafoanana ny voka-pifidianana tao aminâny birao-pifidianana mitondra ny laharana faha -410209010101 salle n° 01 EPP Marokoro, distrika MaevatanĂ na, satria ny fitanana an-tsoratry ny raharaham-pifidianana tao aminâio toerana io dia nadika tany aminâny biraonâny Kaominina teo anatrehanâny Benâny TanĂ na ;
Fa narotsaky ny mpitory aminâny antontan-taratasinâady ny fanambarana mitokana nataonâny vavolombelona telo;
Satria araka ny voalazanâny andininy faha 136 andalana faha- 4 aminâny Fehezan-dalĂ na momba ny fifidianana, ny Fitsarana dia masi-mandidy aminâny fandanjalanjana ny porofo narotsaka ao aminâny antontan-taratasinâady;
Satria araka izany, heverinâny Fitsarana fa ireo fijoroana vavolombelona ireo dia tsy ampy ho porofo hahazoana manafoana ny latsabato tao aminâilay biraom-pifidianana;
Koa noho izany dia lavina ny fitoriana noho izy tsy marim-pototra;
Ny aminâny fanafoanana ireo raharaham-pifidianana noho ny tsy fankatoavan-dalĂ na:
Satria ho fampiharana ny andininy faha- 32 andalana faharoa aminâny LalĂ na fehizoro laharana faha 2012-015 momba ny Fifidianana Filoham-pirenena hoaminâny Repoblika Fahaefatra, ny Fitsarana Manokana misahana ny Fifidianana, na dia tsy misy fitoriana aza, dia afaka mandray andraikitra avy hatrany raha heveriny fa nisy fandikana ireo fepetra voalazanâny lalĂ na na ny fitsipika, na manitsy na manafoana ampahany na manontolo ireo voka-pifidianana, eo am-pitsirihana ny fitanana an-tsoratrâireo birao fandatsaham-bato sy ny Sampana misahana ny fanisam-bato;
Koa izany indrindra no tranga niseho taminâny fahitana ny fahabanganâny sonia sy ny anaranâireo mpikambana aminâny birao fandatsaham-bato ao anatinâny fitanana an-tsoratry ny raharaham-pifidianana;
Fa noho ireo antony ireo dia mendrika ny hofoanana ny raharaham-pifidianana teo anivonâny birao fandatsaham-bato miisa 27, izay atovana ity didy ity ny lisitra mahakasika izany;
Ny aminâny fanafoanana ny raharaham-pifidianana noho ny fandikan-dalĂ na ara-keloka
Satria ny andininy faha-159 aminâny Fehezan-dalĂ na momba ny Fifidianana dia milaza fa ireo izay manao fihetsika na mamela fotsiny ny fanaovana izany fihetsika izany, na dia tany ivelanâny birao fandatsaham-bato aza, mba ho enti-manohintohina na hikasana hanohintohinana ny fahamarinanâny latsa-bato, hamoahana na hikasana hamoahana ny tsiambaratelonâny latsabato, hisakanana na hikasana hisakanana ny fifidianana, na hisakanana ny fizotry ny fifidianana izay nanova na nikasa hanova ny voka-pifidianana avy aminâny alalanâizany fihetsika izany na ny fitazanam-potsiny izany fihetsika izany dia hiharanâny sazy herintaona ka hatraminâny dimy taona an-tranomaizina sy lamandy Ar 600.000 ka hatraminâny 60.000.000;
Satria ankoatrâizay araka ny andininy faha 162 io Fehezan-dalĂ na io ihany: â Izay rehetra mivarotra na izay rehetra mividy vato aminâny fifidianana dia hohelohina tsirairay avy handoa lamandy avo roa heny aminâny vidinâny zavatra noraisiny na nampanantenaina.
Ankoatra izany, izay rehefa olona ka, nividy na nivarotra vato iray, taminâny fisianâny fifidianana na fitsapa-kevi-bahoaka, na ohatrinona na ohatrinona vidiny, dia verezin-jo tsy hizaka ny isam-batanâolona ananany no sady hambara fa tsy mahazo misahana asam-panjakana na rarĂ na tsy hanao asa momba ny fifidianana mandritra ny dimy taona ka hatraminâny folo taona.â
Satria taminâny alalanâny fitoriana taminâny 31 desambra 2013, Ramatoa RAZAFIARIVONJY Henriette dia mangataka ny hanafoanana ny isam-bato azonâny kandidĂ Hery RAJAONARIMAMPIANINA na ny fanafoanana ireo raharaham-pifidianana tao aminâny birao-pifidianana laharana faha- 501108040101 sy 501108040102, Kaominina Andilanatoby, Distrika Ambatondrazaka, satria fa ireo delegenâity kandidĂ ity dia mbola nanao fampielezan-kevitra taminâny andronâny fifidianana ary nividy ny vatonâny kandidĂ nâizy ireo;
Satria taminâny alalanâny fitoriana taminâny 31 desambra 2013, Andriamatoa RAKOTOARIMANANA Jean William dia mangataka ny fanafoanana ny voka-pifidianana taminâny birao-pifidianana laharana faha â 510104040101, Kaominina Ambatosoratra, Fokontany Ambatosoratra- Ambodivoara, satria fa ny delegenâny kandida Robinson JEAN LOUIS dia niharanâny herisetra sy voaratra taminâny fanisam-bato ny alinâny 20 Desambra 2013;
Satria ireo tranga voalaza teo ambony ireo dia tsy antony azo raisina hanafoanana ny raharaham-pifidianana fa kosa fandikan-dalĂ na ara-keloka izay anjaranâny Fitsarana ady heloka no mandinika izany; koa lavina ireo fitoriana ireo ;
Ny aminâny fanafoanana ireo raharaham-pifidianana noho ny tsy fisianâny antontan-taratasi-pifidianana:/strong>
Satria araka ny andininy faha 112 aminâny Fehezan-dalĂ na momba ny fifidianana voalaza teo ambony, ny fitanana an-tsoratrâireo birao-pifidianana dia atao sosona maromaro mitovy lanja, ka andefasana sosona aminâireo fitanana an-tsoratra ireo ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena momba ny Fifidianana aminâny Tetezamita, na ireo rantsa-mangaikany eny aminâny faritra, sy ny fitsarana mahefa, mialoha ny hafa;
Koa hita mivoitra avy aminâizany andinin-dalĂ na izany, fa ny Fitsarana Manokana misahana ny Fifidianana, izay fitsarana mahefa aminâity fifidianana filoham-pirenena ity, dia tokony andefasana sosonâny fitanana an-tsoratrâireo birao fandatsaham-bato;
Kanefa noho ny tsy fahatongavanâireo fitanana an-tsoratra miisa 13, na dia efa natao aza izay fomba rehetra azahoana izany, izay ilaina indrindra aminâny fanaraha-maso ny maha ara-dalĂ na ny fandatsaham-bato teny anivonâireo birao fandatsaham-bato isan-karazany, dia voatery ny Fitsarana manafoana ny raharaham-pifidianana teo anivonâireo birao fandatsaham-bato izay atovana aminâity didy ity ny lisitra;
II- NY AMINâNY LESOKA MAHAKASIKA IREO VOKA-PIFIDIANANA TAMINâNY BIRAO-PIFIDIANANA:
Satria araka ny andininy faha 119 aminâny Fehezan-dalĂ na momba ny fifidianana aminâny andalana fahatelo, raha noho ny antony tsy azo anoharana no tsy tonga tany aminâny Sampana miandraikitra ny fanisam-bato ireo vokatry ny fifidianana avy aminâireo birao fandatsaham-bato iray na maromaro, dia manao fitĂ nana an-tsoratra momba izany lesoka izany izy;
Fa ny FitsarĂ na etoana dia naharay fitĂ nana an-tsoratra momba ny lesoka tamina birao fandatsaham-bato miisa 22 izay atovana ity didy ity ny lisitra momba izany;
Koa tokony ho toavina izany;
III- NY AMINâNY TOVANA TAFAHOATRA AMINâNY LISI-PIFIDIANANA:
Satria ny andininy faha-97 aminâny Fehezan-dalĂ na momba ny fifidianana dia milaza fa: âIreo mpiasam-panjakana, mpitsara, miaramila, na ireo mpikambana eo anivonâny Vaomieram-pirenena Mahaleotena momba ny Fifidianana na ireo ratsa-mangaikany, izay tsy eo aminâny Fokontany misy azy aminâny andro fifidianana, saingy kosa ao aminâny fari-pifidianany ihany, dia afaka mandray anjara aminâny latsa-bato raha mampiseho ny âordre de missionâ na taratasy hafa fanamarinana, sy ny kara-pifidianany ary ny kara-panondrom-pirenena, aminâny filohanâny birao fandatsaham-bato aminâny toerana izay misy azy ireo aminâio fotoana io.â
Satria arakâizany, ny maha-mpifidy ara-dalĂ na ny olona iray dia noho izy voasoratra ao aminâny lisim-pifidianana na ny fanatovanana azy ao aminâizany lisitra izany aminâny alalanâny fampisehoana ireo taratasy fanamarinana voalaza teo aminâny andinin-dalĂ na voalaza teo ambony teo;
Koa noho izany, izay fanatovanana ao anaty lisi-pifidianana ivelanâny voalazanâny lalĂ na dia tsy ara-dalĂ na;
Satria arakâizany, ny Fitsarana etoana dia niroso, taminâny fanafoanana ireo raharaham-pifidianana noho ny fisianâireo fanatovanana aminâny lisi-pifidianana diso tafahoatra, izay tsy arahina taratasy fanamarinana kanefa nanova ny voka-pifidianana taminâny birao fandatsaham-bato miisa 03, izay atovana aminâity didy ity ny lisitrâizy ireo ;
Satria ny andininy faha 27 aminâny LalĂ na fehizoro lahara faha 2012-015 taminâny 1 aogositra 2012 mahakasika ny fifidianana filoham-pirenena dia milaza fa: « Ny Fitsarana misahana ny Fifidianana no mamoaka ny voka-pifidianana raikitra, raha ela indrindra, ao anatinâny fe-potoana dimy ambinâny folo andro manomboka aminâny vaninandro amoahana ny vokatra vonjimaika nataonâny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana hoanâny Tetezamita » ;
Koa ny Fitsarana Manokana misahana ny Fifidianana, araka ny voalazanâny andininy faha -28 aminâny lalĂ na voalaza teo ambony, dia manambara ampahibemaso aminâny fomba ofisialy ny voka-pifidianana raikitra, ary mamaritra mazava:
- Ny isa manontolonâny mpifidy voasoratra anarana;
- Ny isa manontolonâny mpifidy tonga nandatsa-bato;
- Ny isanâireo vato nambara fa fotsy sy tsy manan-kery ;
- Ny isanâny manontolonâny vato manan-kery;
- Ny isanâny vato manan-kery azonâny mpilatsaka hofidina tsirairay;
Satria ho fampiharana ny andininy faha-30 aminâny lalĂ na voalaza tetsy ambony, dia ambara fa lany taminâny fifidianana fihodinana faharoa ny mpilatsa-kofidina nahazo vato be indrindra taminâny vato manan-kery.
Noho ireo antony ireo,
Ny Fitsarana Manokana misahana ny Fifidianana,
Dia mamoaka izao didim-pitsarana izao:
Andininy voalohany: Lazaina fa tsy azo raisina ny fangatahana nataonâ Andriamatoa RAHARISON Jean Claude ho fanitsanana tsy ho mpilatsaka hofidiana ny kandida Robinson Jean Louis, ireo fitoriana mangataka fanafoanana ny fifidianana nataonâdRamatoa sy Andriamatoa isany RALAIMAMPISAINARINONY Manoel, ny mpisolo tena ny GTT International GenĂšve, RASOLDIER Julia, RAHARINOSINJATOVO Josiana Sahondra, RANAIVOARIVELO Bakoly, RASOANANDRASANA Viviane sy RANDRIAMANALINA Paul Romule, ireo fangatahana ny fanafoanana ny vato azonâny kandida Hery RAJAONARIMAMPIANINA napetrakâAndriamatoa isany ANDRIAMIARISOA Bienvenu, Pasitera KOTOSOA, RAMIANDRISOA Josoa sy ny namany, RAKOTOFIRINGA Jean Pierre, RAZAFINDRALAMBO ArsĂšne, KENY Urella sy ny namany, IBRAHIM Abdallh sy ny namany, TIANA sy ny namany, ary farany ny fangatahana ho fanamarinana ireo biletĂ tokana sy ny famerenana fanisana indray ireo vato azonâny kandida tsirairay nataonâny Komity ho anâny Fampihavanam-pirenena.
Andininy faha-2: Lazaina fa tsy azo raisina ny fitoriana nataonâ Atoa Robinson JEAN LOUIS mangataka ny fanatsoahana ny didim-pitsarana mitondra ny laharana faha 03-CES/AR.14 taminâny 07 Janoary 2014.
Andininy faha-3: Lavina fa tsy mitombina ny fitoriana nataonâny kandidĂ Robinson JEAN LOUIS mangataka ny fanafoanana ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa natao ny 20 Desambra 2013.
Andininy faha-4: Lavina fa tsy mitombina ny fitoriana nataonâny kandidĂ Robinson JEAN LOUIS mangataka ny fanafoanana ny vato azonâny kandidĂ Hery RAJAONARIMAMPIANINA, ary toy izany koa ny fitoriana nataonâny kandidĂ Hery RAJAONARIMAMPIANINA mangataka ny fanafoanana ny vato azonâny kandidĂ Robinson JEAN LOUIS manerana ny Nosy
Andininy faha-5: Lavina fa tsy mitombina ny fitoriana nataonâny kandidĂ Robinson JEAN LOUIS mangataka ny fanintsanana tsy ho mpilatsaka hofidiana ny kandidĂ Hery RAJAONARIMAMPIANINA, ary toy izany koa ny fitoriana setriny nataonâny kandidĂ Hery RAJAONARIMAMPIANINA mangataka ny fanintsanana tsy ho mpilatsaka hofidiana ny kandidĂ Robinson JEAN LOUIS .
Andininy faha-6.- Lavina ny fitoriana nataonâny kandidĂ Robinson JEAN LOUIS mangataka ny fanamarinana, ny fampitahĂ na ary ny famerenana fanisana ifanatrehana indray ireo biletĂ tokana nampiasaina taminâny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa taminâny 20 desambra 2013.
Lavina ihany koa ny fitoriana samihafa nataonâny kandidĂ Robinson JEAN LOUIS mangataka ny fanamarinana , ny fampitahĂ na ary ny famerenana fanisana ifanatrehana indray ireo biletĂ tokana nampiasaina taminâny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa taminâny 20 desambra 2013 taminâny birao-pifidianana miisa 196 araka ny lisitra atovana ity didim-pitsarĂ na ity.
Andininy faha-7.- Lavina fa tsy mitombina ny fitoriana nataonâny kandida Hery RAJAONARIMAMPIANINA mangataka ny fanafoanana ny voka-pifidianana taminâny birao-pifidianana Fokontany Marokoro, Distrika MaevatanĂ na;
Lavina fa tsy mitombina ihany koa ny fitorian-dRtoa RABENJAMINA, teraka JEAN LOUIS Laura mangataka ny fanafoanana ny isam-bato azonâny kandidĂ Hery RAJAONARIMAMPIANINA aminâny birao-pifidianana laharana faha- 110503060101 ao aminâny Distrika Antananarivo Atsimondrano.
Andininy faha-8.- Lavina ny fitorian-dRtoa RAZAFIARIVONJY Henriette mangataka ny fanafoanana ny isam-bato azonâny kandidĂ Hery RAJAONARIMAMPIANINA na ny fanafoanana ny latsa-bato taminâny birao-pifidianana laharana faha 501108040101 sy 501108040102, Kaominina Andilanatoby, DistrikanâAmbatondrazaka.
Lavina ihany koa ny fitorianâAtoa RAKOTOARIMANANA Jean William mangataka ny fanafoanana ny voka-pifidianana taminâny birao-pifidianana laharana faha 510104040101, Kaominina Ambatosoratra, Fokontany Ambatosoratra- Ambodivoara.
Andininy faha-9.- Foana ny latsabato taminâny biraom-pifidianana miisa 27, mitontaly isam-bato 8.601 araka ny lisitra atovana ity didim-pitsarana ity vokatry ny fanarahamaso ny fankatoavan-dalĂ na,.
Foana ny latsa-bato taminâny biraom-pifidianana miisa 03, mitontaly isam-bato 1.154 noho ny fisianâny tovana tafahoatra aminâny lisi-pifidianana araka ny lisitra atovana ity didim-pitsarana ity.
Foana ny latsabato taminâny birao-pifidianana miisa 13 noho ny tsy fisianâny antontan-taratasim-pifidianana araka ny lisitra atovana ity didim-pitsarana ity.
Hita fototra ny lesoka mahakasika ny voka-pifidianana taminâny biraom-pifidianana miisa 22 araka ny lisitra atovana ity didim-pitsarana ity.
Andininy faha-10: Ferana araka izao manaraka izao ny vokatra ĂŽfisialinâny fifidianana fihodinana faharoa ny Filohanâny Repoblika natao ny 20 desambra 2013:
Isanâny mpifidy voasoratraâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠ7.971.790
Isanâny nandatsabatoâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠ.âŠâŠâŠ4.043.246
Isanâny taratasin-datsabato fotsy na tsy manankeryâŠâŠâŠ191.786
Isanâny vato manankeryâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠ..âŠ3.851.460
Salam-pahavitrihanaâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠâŠ50,72%.
Vato sy salanâisa azonâny kandida tsirairay avy:
- RAJAONARIMAMPIANINA RAKOTOARIMANANA Hery Martial : 2.060.124 na 53,49%
- Robinson Richard JEAN LOUIS : 1.791.336 na 46,51%.
Andininy faha-11.- Ambara fa voafidy ho Filohanâny Repoblikanâi Madagasikara, ny kandida RAJAONARIMAMPIANINA RAKOTOARIMANANA Hery Martial.
Andininy faha-12: Avoaka aminâny Gazetim-panjakanâny Repoblika izao didim-pitsarana izao.
Nifampidinihana ary nambara taminâny fotoam-pitsarana ampahibemaso natao teto Antananarivo ny zoma fito ambinâny folo janoary taona efatra ambinâny folo sy roarivo taminâny folo ora misandratrandro, ka ireto avy no tao aminâny Fitsarana Manokana misahana ny Fifidianana:
Andriamatoa RAKOTOZAFY François, Filoha
Andriamatoa RAHARINARIVONIRINA Alisaona, Mpikambana
Andriamatoa RAZAFINDRABE JOSOA Jean Clément, Mpikambana
Andriamatoa RAMANGASON Jean Marie, Mpikambana
Ramatoa PELIARIMANANA Augustine Elysée, Mpikambana
Andriamatoa RASIVIARSON FĂ©licien, Mpikambana
Andriamatoa RAKOTONDRABAO ANDRIATSIHAFA Dieudonné, Mpikambana
Andriamatoa RAJERISON ArsĂšne, Mpikambana
Andriamatoa MAHAZAKA Clermont Gervais, Mpikambana
Ramatoa RANAMPY Marie GisĂšle, Mpikambana
Andriamatoa BEFOUROUACK William, Mpikambana
Andriamatoa RANDRIANTSOA Mong Wai-Tune Serge Lucky, Mpikambana
Andriamatoa ANJARARISON Ken, Mpikambana
Andriamatoa IMBIKI Herilaza, Mpikambana
Andriamatoa RABARISOA Andrianaina, Mpikambana
Andriamatoa RASOLO Nandrasana Georges Merlin, Mpikambana
Ramatoa RAHELIMANANTSOA Rondro Lucette, Mpikambana
Andriamatoa ANDRIAMAMPIANDRA Mamy Jaona, Mpikambana
Ary natrehanâi MaĂźtre RALISON Samuel Andriamorasoa, Lehibenâny Firaketantsoratra.