]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Hery Rajaonarimampianina. Fuite en avant

Hery Rajaonarimampianina. Fuite en avant

VIDEO : TSINDRIO ETO

Tamin’ny teny frantsay tokoa no nilazan’ny namana mpanao gazety Pierre Houlder sy Maurice Tsiavonana io lohateny io. Io ambony io ny video mirakitra izany fa tsaratsara kokoa ny nandikana ny famafakana an-tsoratra. Satria tokoa mantsy, ny teny mandalo fa ny soratra mitoetra. Ireo ambany ireo izany ny mahakasika izany hoe “fuite en avant” izany.

*******************

(...) Ny Malagasy, amin’ny ankapobeny, tsy dia tia olona loatra, amin’ilay ohabolana hoe: nitsipa-doha ny laka-nitana. Hatramin’izay, ka hatramin’izao, izany dia tsy dia tafarina loatra ilay endrik’Andriamatoa, sarin’Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina. Ilay “communication” no tian-tsika ho tenenina amin’izay fotoana izay fa isika tsy hiresaka hoe fampandrosoam-pirenena sy ny sisa, sns.

Raha fintinin-tsika izany, dia hoe: teo ny “cafouillage” tamin’ny resaka “investiture”; ny tsy nahatsangana Praiminisitra; teo ihany koa ny nilazan’ny MAPAR hoe mamadika ianao; to ihany koa ny “forcing” mikasika ny hoe: atao izay haharesy ny MAPAR ara-tarehy marika, nanaovana izay fomba rehetra hampandresena ny PMP (“Plateforme pour la majoritĂ© prĂ©sidentielle”). Hatramin’ny omaly (Ttf: 27/02/2014) mbola nisy “tentative” an’izany teny amin’ny Ibis, ary matetika moa dia amin’ny alina ireto olona ireto no mivory.

Nisy an’izay rehetra rehetra izay. Dia inona ny zavatra niseho tao anatin’ny 24 ora? Hoy ny gazety amin’ny ankapobeny: “DĂ©claration de guerre de Rajaonarimampianina”. Ohatra fotsiny izany. Fa amin’ny ankapobeny izany, ny gazety androany (Ttf : 28/02/2014) dia samy milaza ny amin’ny hoe: nihetsika Andriamatoa Rajaonarimampianina, manao izay andresena ny MAPAR ary mieritreritra fa andray sy iseho amin’izay ny maha PrezidĂ n’ny Repoblika azy.

Raha tsarina dia hoe: tao anatin’ny 24 ora, tao anatin’ilay filankevitry ny minisitra, dia nanao “demonstration” Andriamatoa Rajaonarimampianina fa eo am-pelatànany ny raharaha. Miseho miaraka amin’ny “Chefs de corps” sy ny mpitaritarika. Milaza izany fa: izaho dia tohanan’ny tafika. Izay no nambaran’ny mpanao gazety rehetra: ao ambadik’ Andriamatoa Rajaonarimampianina ny tafika. Nosoloina ny mambra ny HCC anankitelo, ary noeritreretiny izany fa vonona heady amin’izay aho, ka izay alefanareo fa efa io novako io ny HCC.

Notazominy Andriamatoa Beriziky sy ny Governemantany satria “izaho tsy voatery hanendry Praiminisitra izao ankehitriny izao fa afaka miandry izany”. Izay ilay eritreretina hoe: “DĂ©claration de guerre” amin’ny MAPAR. Mbola misy fanampiny : namoahana “ interdiction de sortie du territoire ” Andriamatoa Mamy Ravatomanga. Izany hoe : “ izaho tsy manan-kavana amin’ny resaka fitondrana firenena, fa hoazako raha vao fantatro fa izao sy izao”. Izay ilay “communication ” tao anatin’ny 24 ora.

Ny zavatra tian-tsika hazavaina dia tahak’izao : Voalohany, mety “DĂ©claration de guerre” izay. Fa ny fanontaniana apetra-tsika dia ny hoe : mety amin’ Andriamatoa Rajaonarimampianina ve ? Manatsara endrika an’ Andriamatoa Rajaonarimampianina ve ny manao “declaration de guerre” iray volana aorian’ny nanaovany fianianana? Mety amin’Andriamatoa Rajaonarimampianina ve ny mampiseho sahady, mampitandrina ny mpanao gazety ny amin’ny hoe: “tsy mety ny ataonareo fa handray ny andraikitra izahay”.

Mety amin’Andriamatoa Rajaonarimampianina ve ny mandefa “ interdiction de sortie du territoire ” (IST) ho an’ Andriamatoa Mamy Ravatomanga ? Raha izay iray volana lasa izay, ndao ataon-tsika roa volana lasa, tao anatin’ny propagandy dia tsy nisy tsy nahita an’ Andriamatoa Mamy Ravatomanga niara-nivory tamin’Andriamatoa Jaobarison, niara-nivory tamin’Andriamatoa Henry Rabary-Njaka, niara-nivory tamin’ny ekipan’Andriamatoa Rajaonarimampianina? Nanao kaji-kajim-bola ny amin’ny hoe : atao ahoana ny izatsy, atao ahoana ny eroa. Nahita ny endrik’ Andriamatoa Mamy Ravatomanga niaraka kivikivy amin’ny mpiaraka amin’ekipan’Andriamatoa Rajaonarimampianina eo amin’izay hitadiavana vola hamatsiana ny propagandin’ny  ekipan’Andriamatoa Hery  Rajaonarimampianina.

Raha tsy raisin-tsika ny maha-mandraharaha an’ Mamy Ravatomanga ny amin’ny hoe : mety amin’Hery Andriamatoa ve no mampiseho, iray volana aorian’ny “ investiture ”, ny fananjehana mpandraharaha anankiray izay fantatra fa ny harenany rehetra dia eto Madagasikara ! Raha mpamono olona dia hoe handeha hitsoaka eto Madagasikara dia aza avela hitsoaka. Raha nangalatra gaigilahy dia marina izany. Fa ny harenan’ Andriamatoa Mamy Ravatomanga dia fanta-tsika rehetra fa eto Madagasikara, ary amina miliara miliara. Isika tsy mahafantatra izay any ivelany any. Ny “moralitĂ©â€ voalohany : ilay olona naira-nivory taminao tamin’ilay famatsiana ny propagandinao fa faharoa: ny endriky ny fanjakana izay tonga dia IST no avoaka, ny tribonaly tsy fantatra na hisy na tsy hisy; ny fanadiadiana tsy fantatra na hisy na tsy hisy; ny “mise en examen” tsy fantatra na hisy na tsy hisy.

Ny zavatra fahatelo: Mety amin’ny endrik’Andriamatoa Rajaonarimampianina ve ny fanoloana ny mambra telo ao amin’ny HCC ? Satria ny antony dia tsotra: ny HCC teo aloha, rehefa nampamakiana 2+2=4, dia tsy nety niova ny amin’ny hoe: rehefa 2+2 dia 4. Fa nisy olona anankiray, taty aoriana izay taty ivelany, izay antsoina hoe Eric Rakotoarisoa, nanaiky namaky hoe: 2+2=5. Dia noraisin ilay Andriamatoa Rakotoarisoa satria rehefa tonga ao anaty HCC io dia afaka hilaza hoe: 2+2=5. Matokisa ianao Andriamatoa Filoha fa ny 2+2=5 fa ilay HCC-nao teo 2+2=4 aminy. Izany hoe ilay notendrena, Andriamatoa Eric Rakotoarisoa dia efa tsy olona tsy nahafantatra azy fa “partisan”. Tsy olona tsy nahafantatra azy “à travers” ny namakiany ny lalampanorenana; tsy olona tsy nahafantatra azy fa momba an’Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina izy ary tsy nisy tsy nahafantatra fa sahy nitsipaka izay voalazan’ny HCC teo aloha ny tenany.

Mety amin’ny sarin’Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina ve ny fanesorana mambra ny HCC izay tsy afaka manolo “magistrats” satria amin’ny volana marsa vao misokatra ny “session”-ny (Tff: Eric Rakotoarisoa dia tsy “magistrat” fa mampianatra lalĂ na). Tsy nantsoina ny Solombavambahoka hanolo ny azy fa dia izao: aingana be tsy maintsy ampidirina ity Andriamatoa Eric Rakotoarisoa ity satria ity ihany no any mpahay lalĂ na sahy milaza hoe 2+2=5. Ka rehefa tsy mety novana ny isan’ny MAPAR -natao izay fomba rehetra: 49+26=75. Fa ity misy Eric Rakotoarisoa. Io manao “magie”, io, mahita zavatra afa afa satria io no antsoina hoe : manampahaizana indrindra amin’ny “droit constitutionnel”. Ary rehefa izy izany no miteny hoe : azo tsy rarahiana ny “dĂ©cision”-ny HCC dia basta! Aingana be no idirany ao.

Mahatsara ny endrik’Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina ve izany, amintsika miteny izao? Na ilay teny hoe: “en guerre”, dia tsy mety amin’Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina izany. Tsy hiady amin’ny mpanao politika izy. Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina dia Filohan’ny Repoblika, na iza anaiky izany na iza tsy anaiky izany. Tsy voatery ho-“dĂ©montrĂ©â€-na fa Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina dia Filohan’ny Repoblika. Ny fomba rehetra maha Filohan’ny Repoblika an’Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina dia efa feno. Nomena azy ny fahefana teny Iavoloha; nanao “investiture” izy teo anoloan’ny HCC ary efa mipetraka eny amin’ny biraom-panjaka rehetra ny sariny. Eo am-pelatĂ nany ny maha Filohan’ny Repoblika azy. Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina dia “Chef supreme des forces armĂ©es”. Tsy mila “dĂ©montrĂ©â€-na izany, tsy mila aseho izany. Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina dia Filoha faratampon’ny tafika Malagasy. Na iza faly na iza tsy faly, izany Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina.

Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina dia Filohan’ny Malagasy rehetra. Tsy voatery ao anatin’ny governementa ny movansy Ravalomanana vao lasa Filohan’ny Malagasy rehetra izy; tsy vaotery ao anatin’ny governemanta ny MMM vao Filohan’ny Malagasy rehetra izy. Vao niniana izy nanoloan’ny HCC dia Filohan’ny Malagasy rehetra izy. Adihevitra politika ny resaka “rĂ©conciliation”, resaka “ouverture” sy ny sisa, sns. Ny zavatra tokony naseho izany, hatramin’ny nanaovan’Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina “investiture” dia ny hifehezany ny fahefana nomen’ny Lalampanorenena azy ; ny tokony feheziny ny fitantanana ny fitondram-panjakana ankapobeny ; nahatsanganan’ny governemanta ao anatina fotoana fohy ; nanodonana any amin’izay tokony tsy misy azy intsony izany tetezamita izany ; izany Praiminisitra Omr Beriziky izany ; izany governemantan’ny tetezamita izany. Izany no tokony “dĂ©monstration” nataon’Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina, ary izay ilay “image” tokony omena ny vahoaka Malagasy; tokony omen any mpanao politika Malagasy ; tokony nomen’ny manodidina azy.

Tsy tokony niseho izany “plagiat” izany ; Tsy tokony niseho izany “stade” tsy feno izany; tsy tokony niseho izany “facture”-n’i Ramatoa Claudine, 2 milliards 500 millions izany ; tsy tokony niseho ny “forcing” azahoana isa maro be ao amin’ny “AssemblĂ©e” ; tsy tokony niseho izany hoe depiote mizara vola ao anaty “toilettes” voalazan’ny gazety rehetra izany ; tsy tokony niseho ny nilazan’ny SAMFIN hoe : “ PrezidĂ , aza mikitika ireo 350 4X4 ireo ianao. Vao mikitika ireo ianao dia maloto ianao” ; tsy tokony niseho izany IST avy hatrany ho an’Andriamatoa Mamy Ravatomanga izany satria “ communication” izany. Izay mantsy ilay “ communication” ilazana hoe : “izaho dia tsy manan-kavana”. Nefa hoy ny rahavavy Lalatiana tao aminy radio Free Fm hoe: “Herinandro izay no niresahina an’i Ramatoa Claudine sy ny faktiora fa tsy nisy olona nihetsika na iray aza. Tsy nisy olona niteny na iray aza”. Roa andro izay no niteny ny mpitarika ny SAMFIN hoe: “aza mikitika ireo fiarakodia ireo ianao Andriamatoa Prezidà”. Fa fanta-tsika amin’ny alalĂ n’ny gazety fa hiainga ao Toamasina ireo 4X4 miisa 350 ireo.

Izany no manaratsy endrika an’Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina. Manaratsy endrika azy izany. Ny zavatra tiana ho resahina, eto, dia tsotra: ny endrik’Andriamatoa Rajaonarimampianina tamin’izay nisafidianan’ny vahoaka Malagasy azy, tamin’izay finianana nataony teo Mahamasina, dia tokony ho olon’ny fanjakana tan-dalĂ na, hoy izy; izany hoe manaraka ny “constitution”, manao anakandriamaso izay voalazan’ny “constitution”. Tsy Andriamatoa Leonidas (Ttf: Ambasadaoron’ny UE) no ampahatsiahy antsika hoe: tokony hanendry Praiminisitra Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina, ary izany dia tokony hanaraka ny pitsopitson’ny lalampanorenena. Ny fialĂ na ny tsy fanendrana Praiminisitra, amin’izao isika miteny izao. Raha tena marina ny filĂ zan’ny mpahay lalĂ na fara-tampony, Eric Rakotoarisoa, fa azonao atao ny manendry Praiminisitra fa tsy tokony anaraka izany “avis” izany ianao. Raha azo atao, araka ny filĂ zan’Andriamatoa mpahay lalĂ na faharoa goavana indrindra, Andriamatoa HonorĂ© Rakotomanana, milaza hoe: tsy misy ilanao izany “avis” izany. Fa tonga izao: Ka maninona moa no tsy najoro ny Praiminisitra ? Fa maninona no mbola notazomina Andriamatoa Beriziky ? Hoy ny mpanara-dian’Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina : “tsy mila olona tao anatin’ny tetezamita isika”. “Redoublement zĂ©ro”. Fa amin-tsika miteny izao : “redoublement 100%”. “Au lieu de redoublement zĂ©ro, redoublement 100%”.

Tsy nisy nihetsikan nanomboka tamin’Andriamatoa Beriziky, fa dia izao : eto indray daholo aloha e ! Ny CT sy ny CST niala,, ny Filoha Andry Rajoelina niala fa isika mianakavy miara-misaika, miaraka homana. Izay ilay nolazaina hoe “redoublement zĂ©ro”. Raha ohatra ka marina ny fanazavan’andriamatoa Eric Rakotoarisoa, raha marina ny fanazavan’Andriamatoa HonorĂ© Rakotomanana, ka maninona no tsy nambara ny anaranan’ny Praiminisitra izay tian’Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina ho tendrena? Dia amin’izay misy sary afaka aloha. Fa manahirana ho an’izao tontolo izao, manahirana ny ethika politika. Manaiky isika rehetra fa tsy voatery misy daty, ary tsy misy daty koa moa ao anatin’ny Lalampanorenana io; mikasika ny Praiministra. Fa ny ethika politika milaza foane hoe: lany PresidĂ  ianao dia manendry Praiminisitra ianao. Izany dia tokony ho eo aminy efatra andro eo raha any ivelany, satria ry zareo efa afaka mikabary politika sy manao adilahy politika. Aty Afrika dia eo aminy 15 andro eo, 10 andro. Fa isika Malagasy moa dia fantatra ihany fa Ra-mora lava io dia : tsy maninona re fa andao ataon-tsika iray volana. Izany hoe omaly dia efa tokony voatendry ilay Praiminisitra. Tsy maninona raha hanaraka ny tenin’ny manampahaizana rehetra. Ny sasany moa, rehefa mitsiditsika televiziona sy radio, milaza abobo samihafa dia lasa mitodika any amin’ny HCC indray satria araka ny nolazaina teo moa dia misy “capable de dire 2+2=5”. Dia miandry an’Andriamatoa HonorĂ© Rakotomanana indray isika amin’izao fotoana izao. Afaka herinandro dia tsy maintsy haheno isika fa hoe: Andriamatoa HonorĂ© Rakotomanana dia mpanolotsaina manokana ny Filohan’ny repoblika mikasika ny “interprĂ©tations” afa afa mikasika ny Lalampanorenena.

Ny zavatra tiana ho resahina dia ilay heverina fa fandraisan’Andriamatoa Andry Rajoelina aminy tandrony ilay omby, ka nampisehoany amin’izay fa: tsia ny fihetsika rehetra natao omaly dia tsy mahatsara ny endrik’Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina. “Aveu d’échec” amin’ny tsy fanatsangĂ nana ny Praiminisitra. Na ianao any aminy Praiminisitra avy any amin’ny MAPAR, satria hoy ianao hoe: manaraka ny Lalampanorenena. Dia araho ny Lalampanorenena hatramin’ny farany ! Tendreo izay olona notendren’ny MAPAR. Dia “rĂ©voquĂ©-o” afaka telo volana rehefa hitanao fa manao “faute grave”. Na ianao tsy manaraka Lalampanorenenana satria efa misy manampahaizana miahotra noho ny nivoaka tany Harvard tany, ny mpiara-miasa aminao dia tendreo izay tianao tendrena na i Jules Etienne na i Beriziky izay nilaza fa andeha hampianatra any aminy Oniversite fa tsy miraharaha izany seza izany ; na izay olo-kafa tianao tendrena satria efa izay no nambaran’ireo manampahaizana ireo. Fa ny fandraisana indray an’io governemanta efa noeritreretina fa anao ny “affaires courantes” io, dia tsy manatsara anao. Tsy misy olona afaka miteny hoe tsy azao atao io ; tsy misy olona miteny hoe tsy azo atao izany fa manaratsy tarehy. Ka izahay Malagasy, izahay vahoaka malagasy, raha ohatra kosa fa ny endrik’i Hery Rajaonarimampianina -“communication” no resahina amin’izany- dia ho ratsy lava isan’andro isan’andro izao, dia tsy ho eken’ny vahoaka malagasy izany. Satria ny Filohan’ny Repoblika malagasy dia Andriamatoa Rajaonarimampianina. Tsy misy olona roa eto PrezidĂ n’ny Repoblika fa iray ihany.

Izany no nahatonga ny filazana teto hoe: tsy voatery manao “dĂ©monstration” Andriamatoa Rajaonarimampianina hoe: izaho ny PrezidĂ  ! Fa ny problema dia : ahoana ny fihezahan’ireo manodidina azy ireo, fa tsy ho isan’andro lava izao dia manaratsy an’Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina ny filazana fotsiny indraim-bava manao hoe: andeha isika hampiatra ny lalĂ na mikasika ny mpanao gazety -(Ttf: jereo ery aminy farany ambany) ! Sarotra ny manenjika mpanao gazety. Ny mpanao gazety enjehina dia ny mpanao gazety manao hoe: andao isika hanamboatra baomba. Fa raha ohatra ka miteny hoe: tsy mahay Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina dia “opinion” izany. Tsy misy azo henjehina amin’izany. Raha miteny hoe: tsy mahavita azy Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina, mbola “opinion” izany ary tafiditra ao amin’ny “libertĂ© d’expression”. Afaka miteny izany ny olonan rehetra eto Madagasikara, na mpamboly na inona. Afaka miteny ihany koa hoe: mahay Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina, na miteny hoe: tsy mahay Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina. Mba fanta-tsika ve ny zavatra nolazain’ny Tv Plus mikasika an’Andriamatoa Andry Rajoelina nandritra ny naha Filohan’ny Tetezamita azy? Mba azon-tsika nosaintsainana ny zavatra nambaran’i Ramatoa Onitiana Realy, tao aminy Tv Plus, mikasika an’Andriamatoa Andry Rajoelina? Fa izao: na ianao demokraty na ianao tsy demokraty. Tadidin-tsika, tapa-bolana lasa izay: nilaza ny mpanao gazety rehetra tany Etazonia fa I Obama dia sipan’I BeyoncĂ©. Fa nisy mpanao gazety notoriana vet any Etazonia na iray ? Rehefa nilaza ny mpanao gazety iray tany Frantsa hoe : i François Hollande anie manenjika sipa, mandeha amina skotera, manao kaska, ao amin’ity trano ity ilay sipa no mipetraka. Fa nitory ve Andriamatoa François Hollande? Tsy nitory izy. Fanta-tsika tsara fa rehefa misy “manifestations” any Andafy, misy mitoraka voatabia ry François Hollande, ry Sarkozy. Misy mitoraka lafarina. Tadidin-tsika tsara tamin’ny andron’i Sarkozy: nisy olona nanompa I Sarkozy. Ary nanompa koa i Sarkozy : “casse-toi pauvre con!”, hoy izy tamin’ilay nanompa azy. Fa tsy nisy n’inona n’inona. Na ianao demokraty, na ianao tsy demokraty.

Ny manaratsy indrindra ny mpitondra anankiray na governemanta iray na “rĂ©gime” iray dia ny fihetsiny manoloana ny mpanao gazety. Satria, amin’ny Tandrefana, amin’ny “libertĂ© d’expression”, amin’ny fahafahana voalazan’ny Lalampanorenena ny tsy maintsy hanomezana vaovao ny vahoaka, amin’ny fahafahana miteny, amin’ny fanomezana hevitra, dia arovan’izao Tontolo izao izany. Ka sarotra ny ilaza hoe: manomboka eto dia tsy mahazo mikitikitika an’Andriamatoa Rajaonarimampianina; manomboka eto dia “vie privĂ©e”-nay izany; manomboka eto dia mikomy izany; manomboka eto dia mitady hanongam-panjakana izany. Ho sarotra ho an’ny fanjakana ny raharaha raha mihetsika izy.

Nanaratsy ny endrika nitondran’ny Filoha Andry Rajoelina ny filazana fa hoe: tsy misy “libertĂ© d’expression”, na dia efa nolazaina fa ny nitory an’i Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy dia tsy resaka fanjakana mihitsy fa resaka olona “privĂ©â€ tamin’ny fotoan’androny. Fa izay natao rehetra mikasika an’i Andry Rajoelina sy Ramatoa Rajoelina, izay nataon’i Ramatoa Onitiana Realy, dia tsy nitory Andriamatoa Andry Rajoelina, na ia indray mandeha aza! Fa dia izao: henona fotsiny, marary ny sainao fa ianao te-hiteny hoe demokraty aho, ka na dia natao izay ny fomba sy teny rehetra nampaharary an’Andriamatoa Andry Rajoelina dia izao: rehefa demokraty ianao dia mahataty e! Rehefa mitondra firenena ianao dia mahatanty e! Rehefa PrezidĂ n’ny Repoblika ianao dia mahataty e! Rehefa Praiminisitra ianao dia mahataty e! Rehefa minisitra ianao dia mahataty e! Rehefa “homme public” ianao dia mahataty e ! Obama, hoy ny olona, dia sipan’i BeyoncĂ©. Fa nanao inona izy ? Ka ny filazana izay namporisika an’Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina nanao IST ho an’Andriamatoa Mamy Ravatomanga; izay namporisika an’Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina ilaza hoe: fahaizo izay “journalistes” miana-kendry; izay mpanolo-tsaina namporisika an’Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina tsy hiraharaha ny “Constitution” satria izao sy izao ka tohizo io “governement de transition” tokony tsy hanao afa-tsy “affaires courantes” io; izay nampiseho sy mieritreritra fa ; avoay ao anaty gazety fa ao ambadik’i Hery Rajaonarimampianina ny tafika (Ttf: Midi Madagasikara no nanao io tamin’ny pejy voalohany); izany “communication” rehetra izany dia tsy manatsara endrika an’Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina izany.

Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina dia tokony hiseho amin’ny vahoaka Malagasy, tsy mila “dĂ©montrĂ©â€-na fa izao: izy ny PrezidĂ n’ny Repoblika; izy ny “Chef suprĂȘme des ArmĂ©es”. Faharoa: manaraka ny Lalampanorenana izy. Tsy liana an’i Rakoto, tsy liana an’i Rabe izany fanarahana ny Lalampanorenana izany. Izay vaosoratra ao anaty Lalampanorenana dia arahina. Ny vahoaka dia vavolombelona: hiara-hiasa aminy ve ny Praiminisitra sa tsy hiarah-hiasa aminy? Fa manjary “fuite en avant” ny fihetsik’Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina raha mitohy izao zavatra rehetra alehan-tsika izao. Ary izany “fuite en avant” dia tahaka izao: asa isika, mahita “film” indraindray, ireto misy olona roa mpifankatia amoron-dĂ lana. Dia sendra miady, mifanozongozon-doha, dia voadonan’ny tamboho ilay lohan’ilay tovovavy dia maty. Tsy hitan’ilay tovolahy izay atao, indrindra indrindra rehefa hibata ilay razana atao ao anaty aotomobilina. Nisy nandalo tampoka dia nahita, dia nanatona. Fa izao: mba hiarovana ilay heloka voalohany dia tsy maintsy novonoiny indray ilay olona faharoa iny. Ilay mpitaingina bisikileta nahita azy namono ilay tovovavy. Dia vonoina ihany koa. Raha faty tsy nahy anankiray izany dia lasa faty anankiroa. Dia nobatainy ao anaty aotomobilina ireo faty anankiroa. Rehefa nandevina ireo eny an-tampokavoana indray izy dia hitan’ilay mpiandry omby indray: fa inona ity ataon’ilay rangahy ity? Dia tsy maintsy novonoina indray ilay mpiandry omby satria nahita ilay zavatra.

Izany hoe raha zavatra tsy nahy ny nahafaty ilay sipany dia nanjary faty anankitelo no hita “et ainsi de suite”
 Lasa “fuite en avant”. Satria ianao tsy nanaiky an’ity, dia hamorona an’ity; satria mbola tsy metimety aminao ity dia hamoromporona an’ity; satria mbola tsy mety aminao ity zavatra noforomporonina ity dia tsy maintsy hanao an’ity ianao. “En fin de compte” izany, ny PrezidĂ n-tsika io, ny fanjakan-tsika io dia manao “fuite en avant” satria rehefa tsy nanaraka hatrany am-boalohany ny zavatra tokony narahina ianao fa mamorona “artifices”, dia tsy maintsy hamorona “artifices” foana ianao. Ka rahoviana ny farany hamoronanao “artifices” ka hahatonga “stabilitĂ©â€ ary hahatsara endrika anao ? (...).

Pierre Houlder sy Maurice Tsiavonana

Fandaharana “Aoka Hazava !”, Viva Tv, 28 Febroary 2014

Nandika an-tsoratra

Jeannot Ramambazafy

*************


Mis Ă  jour ( Dimanche, 02 Mars 2014 08:09 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...