Nisy ny Tetezamita, fotoana hiampitana mankany amin’ny repoblika faha-IV, rehefa avy niaina ny repoblika faha-III nizaraina filoha voafidy telo be izao, dia Zafy Albert, Didier Ratsiraka sy Marc Ravalomanana. Na inona no antony nahatonga izany Tetezamita izany -izay nisy dimy no nandalovan’ny firenena malagasy (1972-1975, 1975, 1991-1993, 1996, 2009-2014)- dia mazava fa tsy olona nofidiam-bahoaka no nitondra ny firenena. Ny fototry ny Demokrasia moa dia ny fifidianana andraisan’ny olom-pirenena ampy taona sy tsy voaheloka anjara (« vote au suffrage universel »). Izany koa moa no maha-repoblika ny repoblika iray ary maha samihafa azy amin’ny fitondran’ny mpanjaka.
Ao anatin’izany Tetezamita izany, na tiana na tsy tiana, dia mitsahatra aloha ny fifanarahana amin’ny ivelany, eo amin’ny lafiny ara-politika sy eo amin’ny fanampiana ara-bola ny fanjakana (« financements institutionnels »), mandrapaha-tonga ny fiverenana aminy ara-dalà mpanorenana (« retour à l’ordre constitutionnel »). Satria tokoa mantsy, raha olona tsy voafidy no mitondra firenena iray dia tapaka ny fanarahana ilay lalà na fehizoro, ka ny fifidianana ihany no mamerina izany. Araka izany dia mazava fa n’iza n’iza voafidy ho filohan’ny repoblika ka ankatoavin’ny vahoaka malagasy sy ny vondrona iraisam-pirenena, dia miverina amin’ny laoniny daholo ny fifandraisana rehetra nitsahatra teo aloha.
Tsy tokony ireharehan’izay filoha vaovao, araka izany, ny fiverenan’ny mpamatsy vola sy ny fiverenana ao anatin’ireo fikambanana goavana ao amin’ny kontinenta afrikana sy maneran-tany. Raha mikasika an’i Madagasikara dia natsangana ny GIC-M (« Groupe international de contact pour Madagascar »), izay nanaraka akaiky ny fizotran’ny fivoahan’ny firenena amin’ny krizy politika izay tokony mifarana rehefa voafidy ny filoha vaovao. Ny fijerin’ny any ivelany moa dia hoe : tanteraka ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavam-bahoaka ka vita hatreo ny krizy politika eto Madagasikara. Tsy izany anefa no tena zava-misy, fa tsy io lafiny io no tiako resahina eto.
Nivory teto Antananarivo ary io GIC-M io ny zoma 28 Marsa 2014 ka nanapa-kevitra fa ovana io anarana io. Ary dia lasa GIS-M indray na « Groupe international de soutien pour Madagascar ». Izany hoe lasa vondrona iraisam-pirenena manohana an’i Madagasikara. Asa hanohana amin’ny fomba ahoana ? Ilay filoha vaovao koa moa tsy maintsy hidehaka fa izy tenany no tohanana. Ny zavatra hisy aloha dia lasa GISa Matavy ny Nosin-tsika. Satria efa mitobaka ny vola « fanampiana » avy any ivelany, nefa tsy ampahafantarana ny vahoaka mandady harona ny sandan’izany vola be izany.
Satria tsy maintsy misy sandany ireo vola be ireo. Ohatra fotsiny : taiza ianao mpamaky io no nahita banky manome vola anao maimaim-poana ? Mampindrana izy fa tsy manome, ary misy zana-bola io fampindramam-bola io fa tokony tsy hanonofy mihitsy ny vahoaka malagasy. Isika moa malaza eran-tany fa « mahantra », ka raha vao misy « manome » dia ny fisaorana no atao mihaompampana sy tsara lahatra, kanefa ny haren-tsika an-kibon’ny tany no tena tanjon’ireo « mpanome » ireo. Ny any aminy mantsy efa ritra, eny na ny rano aza. Fantany loatra mantsy ny toe-tsain’ny mpitondra malagasy, hatreto, amin’ny fireharehana, ka dia tonga amin’ilay fitenenana hoe : dominy tapany handoha erany.
Dia ho Gisa matavy sy ho gisitra eny ihany Ra-Malagasy. Androany moa fahatsiarovana ny 29 Marsa 1947, fotoana tena nitoloman’ny vahoaka malagasy tsy an-kanavaka nanohitra ny fanjanahan-tany (« colonisation »), 67 taona lasa izay. Inona anefa no niova ? Fanaterana voninkazo sy kabary tsara lahatra no hisy, fa na ny dosie marina (« archives ») mikasika io « raharaha » io aza inian’ny fanjakana frantsay tsy avoaka. Misy nefa io dosie io, fa iza moa ny filoha voafidy mba « nangataka » izany ? Ny nosin-tsika ao amin’ny ranomasim-be Indiana ("iles éparses") aza toa mbola hasiana resaka fiaraha-mitantana…
Ka mitomania ry Gisa matavy malala fa tsy amin’ity repoblika faha-IV ity akory ianao no hiadana sy ho finaritra, fa mbola handalo fotoan-tsarotra kokoa. Satria mbola voafitaka tanteraka ary very maina ny hery nampandaniana io filoha vaovao izay tena nahay nanafina kilema tokoa. Maro ireo mbola jamba tanteraka. Jamban’ny voninahitra sy harena tsy hitondra azy ireo ao amin’ny « Mausolée ». Ka tsotra ny teniko : avelao izy hanao ary aza mimenomenona rehefa ny fiainanao mpanasoaso io no mikorontana. Ady ny fiainana fa tsy mizotra ho azy izany. Soa fa malaky izany dimy taona izany ary be ny zavatra tsy ampoizina mety hitranga. Tsy faniriana na fanantenana akory izany, na koa famporisihina, fa rehefa sempotra ny vahoaka dia tsy maintsy mitraotra ary tsy tana.
Ka taorian’io 29 Mars 1947, hitodio kely ny 13 May 1972, ny 10 Aogositra 1991, ny 7 Febroary 2009. Tolona daholo no nahatonga ireo vonon’olona ireo. Tokony maka lesona amin’ireo daty mampalahelo ireo ilay filoha vaovao fa tsy mijanona fotsiny amin’ny hoe : « izaho ny filoha vaofidin’ny vahoaka malagasy ». Tsy nomena anao ireo fahefana sy fitondra ireo, Tompoko ô ! Nampindraminay anao fotsiny ihany. Vao nanomboka anefa ianao dia ireny fanta-poko fanta-pirenena ireny ny gafy natao, ary tsy nahitsy famindra akory fa dia nitohy nitady hevitra anitsahana an-kolaka ny lalampanorenana. Sady tsy mahasoa no tsy ahatonga anao mankaiza anefa izany rehetra izany. « Goavana », hoy ianao, ny fahefan’ny filohan’ny repoblika omen’ny lalà mpanorenana azy (« La Constitution consacre un pouvoir présidentiel important »). Samia ary isika ela velona hahitana ny fiantraikan’izany fanambarana izany. Fa amiko dia mbola misaona foana ny firenena malagasy. Ary hisaona foana raha mbola be ny mpamadika noho ireo efa mba tonga saina fa Madagasikara dia an’ny Malagasy ary tsy sandaina vola na amidy toa gisa matavy.
Fa mitandrema ihany sao lahy hivadika gisa… mainty ny tantaran’ity fiantombohan’ny repoblika faha-IV ity.
Jeannot Ramambazafy – 29 Marsa 2014 - Sary : Haja Randria (Fampirantiana ao aminy RM1 Andohan'Analakely, toby Lieutenant Albert Randriamaromanana izay notifirin'ny vazaha)