]
Les quotidiens du 21 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Hery Rajaonarimampianina: naneso an-kitsirano ny vahoaka nifidy azy

Hery Rajaonarimampianina: naneso an-kitsirano ny vahoaka nifidy azy

PDF ETO

Dia tena lasa misamboavoana tokoa ny fomba fijerin’ilay kandida laharana faha-3 rehefa injay lany Filoham-pirenena izy, ka na ny mikasika ny tranga rehetra nandritra ny fampielezan-kevitra (“campagne électorale”) faharoa dia sahy nilaza izy fa izy no tena “rôle” ka ny fisiany mihitsy, hono, no nahatonga ireo solombavambahoaka Mapar ho voafidy tany amin’ireo faritra nandalovany. Ny zanak’olombelona, indrindra fa ny mpanao politika Malagasy, mora manadino. Fa ny soratra dia mitoetra.


Ka ireto manaraka ireto ny valin-teny nataon’ilay Filoha “voafidim-bahoaka” tao amin’ny fandaharana “L’invité du zoma”, tamin’ny 9 May 2014. Valin-teny azo raisina ho fanesoana na ompa mihitsy ho an’ny vahoaka nifidy azy. Ary dia ho hita eo tokoa ny tohin’ny raharaha satria mahatoky tena tanteraka ingahy Hery Rajaonarimampianina fa nety ary mety daholo izay nataony rehetra hatreto, “ho an’ny tombontsoan’ny vahoaka”. Na ny fanitsakitsahana ny Lalampanorenena nanaovany fianianana fa ho hajainy toa ny anakandriamasony aza dia tsy nisy aminy, fa tena “ara-dalàna” daholo ny nataony. Asa raha fantany tsara tokoa va re ny vahoaka Malagasy. Ampahan’ilay fandaharana io ao amin’io video ambony io, fa ampy amin’ny fitsarana ny toetra anànan’ilay Filoha tokony tsy ho Filoha…


“ Ny Mapar, tadidio koa, fa nanohana ahy, ary izaho nanohana azy. Aza adino fa tamin’ireo toerana nalehako niaraka tamin’ny Mapar -nisy enina ny renivoham-paritany nalehako- dia ny kandidan’ny Mapar lany daholo. Nisy anankiroa aza, ny sasany, no lany ”.


Onitiana Realy: Ianao no nandany ny Mapar sa ny Mapar ny nandany anao ?


“ Tsy niteny an’izany aho (in-droa), hoe izaho na izy. Tsy hitsara an’izay aho, fa izaho anie nanao fanadiadiana ara-teknika mahakasika izany. Sahy milaza kosa aho fa teo amin’izay nijoroako dia nampandresy ny kandidan’ny Mapar aho. N’inona n’inona ny zavatra miseho. Ka raha miteny isika androany hoe iza no manohana an’iza, dia hoy aho hoe: rariny raha misy Mapar izay mijoro ho nanohana ahy. Satria izaho no notahanany tamin’izany fotoana izany. Ny vondrona nanohana niaraka tamin’ny Prezidà Andry Rajoelina; fa ny notohanany dia Hery Rajaonarimampianina. Hery Rajaonarimampianina no eo amin’ny fitondrana amin’izao fotoana izao, rariny loatra raha manohana an’i Hery Rajaoanarimampianina izy (Ttf : tsy izy ireo fa ry Maharante Jean de Dieu sy Johanita Ndahimananjary lasa minisitra ao amin’ny governemantan’i Kolo Roger). Izaho tsy manakana azy tsy hanohana an’ny Prezidà Rajoelina, fa amin’izao fotoana izao aloha, dia izay ny foto-kevitra niarahana. Nifampidinihina ange izany, tamin’izany fotoana izany e ! Eny an-dalàna eny moa miova ny zavatra samihafa, fa dia hoy aho hoe: tsy manome tsiny an’ireo olona ireo mihitsy aho, satria ny fanekena tamin’izany fotoana izany dia ny hifanohana ary amin’izao fotoana izao dia misaotra an-dry zareo aho, mazava ho azy ”.


Ny tohiny moa dia ao anatin’ilay video ery ambony indrindra. Fa samia isika mianakavy mandini-tena eo anatrehan’ireo fanambarana rehetra ireo. Iray sy tokana ihany ny marina ary tsy ho faty na oviana na oviana. Hoy izy namarana ny teniny: “Mbola manana finoana aho f’efa tafa-petraka ny fototra, afaka miasa amin’izay amin’izao fotoana izao”.

Ny tompon'ny raoplanina nanaovany propagandy aza vitany ny nanao antsojay azy, ka namohana tsy fazahoana mivoaka ny tanindrazana (IST). Tsy olona matahotra an'Andriamanitra mihitsy aloha no hahavita izany e !

Dia ho hita eo izany ny ho tohin’ny tantara (izay tsy fanadino). Fa raha ny seho tena nisy marina dia ireto aloha: mbola tsy azony ny fitondrana dia nolambolambohiny daholo ireo mpanohana azy, na ara-torohevitra, na ara-bola, na ara-famatsiam-pitaovana (akanjo sy ireo fitaovan-tserasera madinika sy akanjo mitondra ny anarany, fiara, raopilanina, toerana nanaovana ny foibe (“QG”), sns.).

Toa tsy tsaroany tokoa fa tsy fantatry ny olona any amin’ny faritra mihitsy anie izy, ary 45 andro talohan’ny fifidiana izy vao fantatry ny tany fa ho kandida e ! Firy moa ny isan-jato azony tamin’ny fiodinana voalohany ? Ary ny andro nanambaran’ny CES ny vokatra ofisialy -22 Novambra 2013) moa ve tsy niazakazaka tao Ambohitsorohitra izy ? Nisy fifanarahana tamin’ny Filoha Andry Rajoelina tao (io ambony io ny video manamarina izany). Ary moa va tsy nilaza mihitsy izy, tamin’izy kandida fa: “izao dia mi-reconnaîre fa raha tsy nisy an’io rangahy io (teo izy dia nanondro ny sarin’ny Filoha Andry Rajoelina) tsy nisy aho”. Videos eo ambony.

Dia tena sahiny ny nilaza fa ny fijoroany no nahalany ireo kandida depiote Mapar ireo ! Moa va tsy mitovy amin'ilay fianianana teo anatrehan'Andriamanitra, kanefa, tamina fomba tsy manaraka ny lalampanorenena no nanilihiny ireo ny nikely soroka hampandany azy ? I Augustin Andriamananoro (ankavanana indrindra eo amin'ny sary) dia nailika toa lamba maloto teo amin'ny toeran'ny Tale jeneralin'ny Omert.

Rehefa azony ary ny 53,50% avy any amin’ny vahoaka nifidy eran’i Madagasikara dia tsy misy fantany intsony ireo olona tena nanampy azy, fa izy tokoa no nahatonga azy teo amin’io toerana fandalovana fotsiny ihany io. Aoka ho fantany tsara fa raha tsy nitsangana ny Filohan’ny Tetezamita dia tsy naharesy an’i Jean Louis Robinson mihitsy izy. Ary raha ny faritra notetehiziny dia tsy misy firy raha oharina tamin’ireo faritra nandalovan’i Andry Rajoelina sy Augustin Andriamananoro. Ianao rangahy aza miteniteny foana fa hanody anao anie io fomba io atsy ho atsy e ! Amin’izao fotoana izao dia ireo nanohana ny dokotera Robinson indray no lasa namany ara-politika, kanefa ireo dia tsy niambahamba nanompa azy imasombahoaka mihitsy. Aminy dia fisehoan’ny “fanokafana sy fisokafana” izany tranga mahatalanjona izany. Mbola fanompana ireo nifidy azy koa izany.

Ankavia: Roland Ravatomanga sy Me Hanitra Razafimanantsoa. Ireo olon'i Marc Ravalomanana ireo dia tsy nisorona mihitsy nanompa an'i Hery Rajaonarimampianina, tamin'ireny "propagandes" ireny. Fa dia ny iray nijanona ho minisitra ao amin'ny governementan'i Kolo Roger, ary ilay ramatoa tsy misy tranon-kenatra lasa filoha lefitry ny Antenimierampirenena

Nilaza indray izy fa tsy manana fahavalo. Marina loatra izany satria ny fahavalony voalohany dia ny tenany ihany sy ny fanambarana tsy voahevitra na iray segondra avoakan’ny vavanao. Tsy ny eritreriny intsony koa no henjekika azy fa efa maty niaraka tamin’ny henatra izany, satria “Filoha voafidy ara-pomba demokratika” izy. Na tiany na tsy tiany anefa dia ireo teny tsy voafehy toa ireo indrindra anie no nampirodana ny filoha voafidy nialoha azy, ka tsy nisy nahavita ny fe-potoana niasany (“mandat”) e ! Tsiahy.


Philibert Tsiranana : “ Ataoko tsak tsak zato arivo ”. Voadify izy ny volana Janoary 1972, voatery niala izy ny volana May 1972, ka nanome ny fahefana feno an’ny Jeneraky Gabriel Ramanantsoa.


Didier Ratsiraka : “ Na hiodina in-7, in-77, in-777 tsy hialà aho! ”. Voatery nanao sesin-tany voalohany tany Frantsa izy ny taona 1993, taorian’ny tetezamita notarihin’ny Profesora Zafy Albert izay nandresy azy tamin’ny fifidianana.


Zafy Albert : Tsindrio fa ato ny Tantarany


Marc Ravalomanana : “ Tsapao aloha ny herinareo vao mitsapa ny aty ”. Tao Andohatapenaka io teny io no nataony, rehefa avy nilaza ihany koa izy fa “raha mbola misy tany azo totofana any dia ho totofany koa”. Fanta-tsika aiza izy amin’izao fotoana izao.


Hery Rajaonarimampianina : “ Sahy milaza kosa aho fa teo amin’izay nijoroako dia nampandresy ny kandidan’ny Mapar aho ”. Fanambarana heno ny rehetra nandritra ny fandaharana “l’invité du zoma”, tamin’ny 9 May 2014. Mbola mety tsy ho io no handavo anzy, satria fiantombohana ihany io. Mbola hisy ny mahatsiravina kokoa, rehefa avy mampiasa ny herim-pamoretana izy satria tsy hisy hanaraka ny baikony intsony ny vahoaka.

Beloha tokoa ny anaram-bositra nomena azy ka dia manomboka androany ho jeren-tsika mianakavy hoe hatraiza ny fetra’izany hoe manao beloha izany eo anatrehan’ny vahoaka. Satria na tiany na tsy tiany dia tsy ho vita mora iny karazana fanompana an-kitsirano ny vahoaka Malagasy iny. Indrindra fa ny mpiray tanindrazana any amin’ny faritra.


Mahamasina, 25 Janoary 2014. Teto no nanomboka ny tantara ratsiny...

Tsy misy dikany sy lanjany ny fianianana nataony ireto olona ireto. Fa rehefa tsy misy olona hitsara azy ireo dia tsy ho afa-bela eo anatrehan'ny Tantara izy rehetra ireo

Ny nenina, tompoko, aoriana foana handatsa, ka tsy tokony hihevitra mihitsy izy fa satria mangina aloha io vahoaka nesoany sy nompainy io dia hipetrapetra-potsiny. Maninona moa, nandritra izay telo volana lasa izay, tsy mba novangiana ireo Malagasy nifidy iza noho izy, fa nilazaony nandeha tany ampita mba hoe “hanala sazy”? Nefa efa fantatra fa rehefa tontosa ny fifidianana dia miala ho azy ireo sazy rehetra (“retour à l’ordre constitutionnel”). Ho sarotra amin’io Filoha sadasada io ny ho toa teny atsy ho atsy, satria tsy vitan’ny mandainga fa mbola mamita-bahoaka ihany koa. Ary ho sarotra kokoa aminy izany hoe mibebaka izany.

14 May 1972. Mbola anisan'ireo mpianatra teo aho, ny ampitson'ny nahamay io Lapan'ny TanĂ na io. Ho avy izany, atsy ho atsy ny FRS "vaovao" ?...

Ka sao dia mihevitra koa izy fa ankatezerana na koa tsy ampiheverana no nanoratako ity rakitry ela ity. Tsia ! Efa teo aho tamin’ny andron’ny Filoha Philibert Tsiranana -anisan’ireo mpianatra saiky matin'ny FRS ("Forces républicaines de sécurité) teo amin’ny araben’ny Fahaleovantena, ny 13 May 1972-, ary Malagasy aho aloha, izay vao mpanao gazety, asa mbola sahaniko efa ho 35 taona mahery. Fantatro tsara ny adalàna sy ny aretina mahazo ny mpitondra malagasy nifandimby teto fa ny an’ity filoha vaovao ity dia tena nalaky mihitsy ny fisehoany ary fantatra, araka ny tantara, no hiafarany.


Nilaza fa matahotra an'Andriamanitra ingahy Hery Rajaonarimampianina kanefa nasahy niteny fa "izy tsy fantsihina". Mahagaga ihany...

Ny tsy tian'Andriamanitra indrindra eto an-tany dia ny olona tsy mitana ny teny nomeny, ny mpiatsara ivelan-tsihy, ny mpandainga sy mpamitak'olona, ny tia voninahitra sy harena.  Ratsy fiafara foana ireo karazan'olona ireo, n'inona n'inona ny toerana misy azy.

Leonidas Tezapsidis, ambasadaoron'ny Vondrona eoropeana, 9 May 2014, Andron'ny Eoropa : "Aujourd'hui, nous sommes réunis ici pour fêter cet anniversaire. Mon souhait est que le peuple malgache avec l'engagement de chacun et notre appui, puisse obtenir et préserver ces résultats durement acquis en Europe : la démocratie, l'Etat de droit, la prospérité partagée"

Ny fantatro aloha, tao anatin’izay 100 andro izay, dia tsy azo itokisana izy, ary tsy vendrana koa ny vondrona iraisam-pirenena -na dia manana tombon-tsoa rehefa mampindram-bola- matoa tsy tonga dia manome ny volabe andrandrainy fa mbola mizaha ny eo amin’ny lafin’ny fampiaranamarina ny demokrasia, ny tany tan-dalàna ary ny fandrosoana miaraka (« démocratie, l'Etat de droit, la prospérité partagée ») eto Madagasikara. Fa hatreto aloha tsy tany tan-dalàna izany ity nosin-drazana ity. Fa dia mangina tanteraka ireo avara-pianarana malagasy, eo anatrehan'ny zava-misy mamoehatra izao, satria tsy ao anatin'izy ireo ny afom-pitiavan-tanindrazana noho izy ireo tsy mba nitolona hatramin'izay niainany. Lalin-tsaina fa kanosa sy tia tena daholo. Fa iza isika no tsy hifarana ao ambanin'ny rangolahy ? Tsy misy paosy akory ny lamba mena, ary inona no lova hapetraka ho an'ny taranaka malagasy ? Fandaingana sy fitaka ? Fitiavam-bola sy voninahitra ? Fialonana ?

8 may 2009, tao amin'ny tranom-patin'ny HJRA etsy Anosy. Matimaty foana izany ireo mpitonona ireo niady tamin'ny jadona, satria miverina indray io jadona io ?

Zoko tanteraka ny manakiana -ary miala amina zavatra marina fa tsy noforonina sanatria- satria nifidy ny kandida faha-3 aho, fa tena nandiso fanantenana tanteraka izy. Ary tsy izaho irery no mahatsapa izany eto Madagasikara sy any ampita any. Raha mba nanao faly nahazo ka nahatsapa tokoa fa nisy tolona namoizana ain' olona teto, mety tsy niteny aho satria hery vaovao tokoa no tafajoro. Saingy toa maty momoka ilay tolona noho ny alako bika tsy tiako tarehy fotsiny ihany.

Niainako daholo ny fitondran'ireo filoha efatra ireo. Ary nitsangana foana aho. Tam-boalohany dia ny manodidina azy ireo no tena fositra. Fa rehefa nandingana "mandat" faharoa dia izy ireo mihitsy no namily ny Lalampanorenana ho lasa fitondran'olo-tokana, amina fampanantenana poak'aty hatrany. Dia mitohy ireo aretina ireo mandrak'ity ny androany amin'ity filoha milaza fa "vaovao" ity. Izay praograman tsy vitan'izy ireo no haroso sy havadibadika sitrany ahay mahazo vola trosaina avy ivelany. Io vola io foana no litania. Fa iza no mibaby ny trosa sy tratra farany foana ? Ny vahoala izay atao tsinontsinona sy esoana amin'izao fotoana izao. Matahora tokoa an'Andriamanitra ianareo miseho ho ambony ireo ! Ny ampahany aminareo ihany no nofidianay vahoaka fa ny sasany dia mpanararaotra fotsiny ihany ("opportunistes") ka arak'izany: inona ny soa homeny ho an'ny vahoaka izay tsy mahalala azy ireo akory ? Mba sahia milaza hoe iza aminareo tena manodidina akaikin'io filoha io no tena nitolona sy mahalala marina ny andavanandron'ny Malagasy tsy mandady harona ?

Farany : tsy mpaminany aho akory fa samia isika ela velon'aina hahita ny fiafarany. Tsy ozona velively izany satria ny mpitondra mandalo ary handalo fotsiny ihany, fa ny firenena, izay ny vahoaka ao aminy no maha-firenena azy, dia mitoetra. Philbert Tsiranana: 1960-1972; Didier Ratsiraka: 1975-1993 ary 1997-2002; Zafy: 1993-1996; Marc Ravalomanana: 2002-2009. Samy noroahin'ny vahoaka nifidy azy ireo daholo.


Marihina fa nalefa tao aminy Tvm (Televiziona nasionaly malagasy) ihany koa io fandaharana io, izay notontosaina teny amin'ny Lapam-panjakanan'Iavoloha. Ary ny akama akama ihany no nasaina teny...

Mora aminy tokoa ny miteny an !... Ho hitan-tsika koa ny mikasika io resaka "théorie" ambony latabatara io


Jeannot Ramambazafy – 10 May 2014

Mis Ă  jour ( Lundi, 12 Mai 2014 07:09 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024

 

Beijing. Intervention du Président Andry Rajoelina, lors de la Table ronde sur le Développement économique Madagascar-Chine 2024