]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Madagascar. Ireo teboka valon'ny praograman'ny PM Jean Ravelonarivo

Madagascar. Ireo teboka valon'ny praograman'ny PM Jean Ravelonarivo

Kabarin’Andriamatoa Praiminisitra RAVELONARIVO Jean

FANDAHARANASA HO FANATANTERAHANA

NY POLITIKA ANKAPOBEN’NY FANJAKANA

Tsimbazaza : 11 febroary 2015

TENY FAMPIDIRANA



Andriamatoa Filoha,

Andriamatoa sy Ramatoa isany mpikambana ao amin’ny Birao maharitra,

Ramatoa sy Andriamatoa isany Solombavambahoaka,

Araka ny voalazan’ny andininy faha-99 ao amin’ny Lalàm-panorenana dia raisiko ho voninahitra amin’ny maha-Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta ahy, ny manolotra anareo ato amin’ny Antenimieram-pirenena ny fandaharan’asako ho fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny Fanjakana, araka ny nofaritan’ny Filohan’ny Repoblika.

Miainga avy amin’ny fampiasana ny Drafitra nasionalin’ny fampandrosoana-Plan National de DĂ©veloppement (PND), ny Politika ankapoben’ny fanjakana, izay fanamby goavana, dia mikendry indrindra hamaly ny hetahetam-bahoaka tsy ankanavaka.

Maro sy ara-drariny ireo hetaheta ireo ary mendrika hasiana fijerena manokana. Mba hanamora izany dia havondrontsika ho lohahevitra 08 izy ireo.

1. Ny Fanamafisana orina ny Fanjakana tan-dalĂ na sy ny Fitondrana tsara tantana;

2. Ny fanomezana aina vao indray ny toekarena ho amin’ny fampandrosoana maharitra ahazoan’ny rehetra tombontsoa ;

3. Ny fampandrosoana ara-tsosialy ;

4. Ny fanamafisana ny fandriampahalemana ;

5. Ny Politikan’ny Tontolo iainana ho amin’ny fampandrosoana maharitra ;

6. Diplomasia andrin’ny fampandrosoana ;

7. Ny Fanapariaham-pahefana tena izy sy mirindra ;

8. Ny Fampihavanam-pirenena

1-FANAMAFISANA ORINA NY FANJAKANA TAN-DALÀNA

SY NY FITONDRANA TSARA TANTANA

Ny fahaizana mitantana ny raharaham-panjakana dia miteraka fampandrosoana maharitra izay miantoka ny fahaiza-mitantana ireo loharanon-karena eo amin’ny lafiny toekarena, ny maha-olona, ny kolontsaina ary ny lafiny voajanahary.

Izany no mahatonga ny Governemanta tarihiko hampiroborobo sy hanamafy ny kolontsain’ny mangarahara sy ny kolontsain’ny Fahombiazana ary ny tamberin’andraikitra sosialy.

a- Fitondrana tsara tantana

Ny Fitondrana tsara tantana no hahafahantsika manamafy ny fahefan’ny Fanjakana sy manome aina vao indray ireo Andrim-panjakana amin’ny alalan’ny fanamafisana sy fanapariahana ny fitsipi-pitondran-tena ary ny fampiharana ny tamberin’andraikitra eo amin’ny fiaraha-monina.

Ny fitondrana tsara tantana no fanalahadin’ny fahombiazana amin’ny politika fampandrosoana rehetra ary miteraka ny fitokisan’ny olom-pirenena sy ireo mpampiasa vola teratany na vahiny ary ireo mpiara-miombonantoka amintsika ara-teknika sy ara-bola -Partenaires Techniques et Financiers (PTF).

Araka izany, ny Governemanta tarihiko dia hiezaka :

- hanatsara ny faharetan’ny fikirakirana antontan-taratasy, hanamora ny fepetra arahina ary hiantoka ny fanaparitahana izany;

- hampiasa ny « Gestion PrĂ©visionnelle des Effectifs, des Emplois et des CompĂ©tences » (GPEEC) mba hitantanana amin’ny fomba mahomby ny mpiasam-panjakana ;

- hanamafy ny mangaraharaha eo amin’ny fitantanana ny fananan-tany ;

- hifehy ireo fandaniam-bolam-panjakana;

- hanavao ny fitantanan-draharaha momba ny hetra sy ny fadin-tseranana ary ny fitantanana ny Raharaham-panjakana amin’ny ankapobeny.

Hotontosaina amin’ity taona 2015 ity ireo fifidianana tsy mbola vita (kĂŽminaly, eny anivon’ny faritra, Loholona). Hapetraka koa ireo Andrim-panjakana voalazan’ny LalĂ m-panorenana tsy mbola tafajoro toy ny Fitsarana Avo ho an’ ny Tompon’andraiki-panjakana (Haute Cour de Justice), ny Filan-kevitra ambonin’ny Fiarovam-pirenena sy ny Filan-kevitra ambony momba ny Fiarovana ny demokrasia sy ny Fanjakana tan-dalĂ na “Haut Conseil pour la DĂ©fense de la DĂ©mocratie et de l’Etat de Droit” (HCDDE).

Ny firenentsika dia nanao sonia fifanarahana iraisam-pirenena maro hiantohana ny fanajana sy fampanajana ny zon’olombelona. Hankatoavina ireo rijantenin-dalàna sy lalàna mifanaraka amin’izany.

Ny governemanta dia hanao ny fandrindrana ireo fanapahan-kevitra raisina anivon’ireo rafitra tsy miankina amin’ny fanjakana, hanavao ny lalĂ na momba ny « cybercriminalité » ary koa ny lalĂ na mifehy ny serasera; ireo rehetra ireo dia ao anatin’ny fitsinjovana sy ny fanajana ny fahafahana maneho hevitra.

b- Fanjakana tan-dalĂ na

Tsy hisy dikany ny ezaka ataontsika hanatsarana ny fitantanana raha tsy mbola mahazo ny fitokisan’ny olom-pirenena ny fitsarana.

Amin’ny maha Lehiben’ny governemanta ahy, hotohanako ireo ezaky ny Filohan’ny Repoblika izay miantoka ny fahaleovantenan’ny fitsarana, indrindra amin’ny fanomanana atrikasa fanentanana momba io fahaleovantenan’ny fitsarana io. Eo koa ny tsy maintsy hitondrana ireo Mpitsara nanao zavatra tsy mety eo anatrehanan’ny « Conseil de Discipline » ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny Mpitsara.

Ankoatr’izay, dia hisy ny fanarenana sy fampitomboana ny fotodrafitrasa, koa tribonaly vaovao miisa efatra no hosokafana : any FĂ©nĂ©rive-Est, Vangaindrano, VohĂ©mar ary Antananarivo-Atsimondrano.

Anisan’ny laharam-pahamehan’ny governemanta koa ny fanatanterahana ireo fenitra iraisam-pirenena amin’ny fijerena ny zo maha-olona any anivon’ny fonja sy ny fanomanana ny fiverenan’ireo voafonja eo anivon’ny fiaraha-monina indray, ny fanarenana ary fanabeazana ireo ankizy tsy ampy taona voafonja.

d- Ady amin’ny kolikoly

Hohamafisina ny ady amin’ny kolikoly ary ireto ny lahasa hatao :

- fanovana ny rafitry ny fomba fanaovana fisafoana sy fanamafisana ny fanaraha-maso ireo sampan-draharaha ;

- fanatanterahana ny sazy avoaka ;

- fivoizana ny fahamendrehan’ny mpiasa-panjakana ;

- fanamafisana ny mangarahara eo amin’ny fanadinam-panjakana ;

- fanitarana ny fiaraha-miasa amin’ny Birao Mahaleo tena Iadiana amin’ny Kolikoky (BIANCO) sy ny Sampan-draharaha Malagasy Iadiana amin'ny Famotsiam-bola (SAMIFIN) ao anatin’ny ady atao amin’ny kolikoly sy famotsiam-bola, ary fitandroana ny fahaleovantenan’izy ireo ;

- famoronana ekipa mpanao fanadihadiana lalina hiadiana amin’ny kolikoly (eo amin’ny sehatry ny Fitsarana, Famorian-ketra sy Haban-tseranana).


2- NY FANOMEZANA AINA VAO INDRAY NY TOEKARENA HO AMIN’NY FAMPANDROSOANA MAHARITRA SY AHAZOAN’NY REHETRA TOMBONTSOA

Tokony hitombo mihoatra ny fitomboan’ny mponina ny toekarentsika. Izany no ikatsahana Fitomboana haingana sy maharitra.

Izay no mahatonga ny Governemantako :

- hanavao ny rafitra fitantanam-bola sy hanamora ny fahafahana mahazo mindram-bola ka hahazoan’ny isan-tokantrano sy ny orinasa madinika sy salantsalany tombony.

- hametraka politikan’ny hetra misarika ny mpandraharaha

- hanamafy ny fiaraha-midinika eo amin’ny Fanjakana sy ny Sehatra tsy miankina, ka hetsehina ilay volavolan-dalĂ na momba ny “Partenariat Public PrivĂ©â€ (PPP).

- handinika ny fomba mety hananganana banky ho amin’ny fampiasam-bola, ny Fonds de garantie ary ny fametrahana lalàna vaovao hifehy ny fampiasam-bola.

Koa satria ny 85%n’ny Malagasy dia mivelona amin’ny fambolena, fiompiana, ary jono, amin’ity taona ity dia zezika milanja 7500 tonnes no homena ny tantsaha, masomboly 500 tonnes no hozaraina ary hohamafisina ny ady atao amin’ny valala.

Ankoatr’izay, efa eo an-dàlam-pametrahana ny paikady hahafahana :

- mampitombo amin’ny fomba maharitra ny vokatra sy mampiroborobo ireo fomba famokarana mahomby ;

- mandray anjara amin’ny fiahiana ara-tsakafo sy ny fanjarian-tsakafo ;

- manofana tanora ho tonga mpamboly matihanina.

Eo amin’ny sehatry ny Fiompiana, toy izao ny vina arosonay :

- fampitomboana ireo foibe mpamokatra masomboly nohatsaraina sy ny fitaovana fampitomboan- taranaka (matériel génétique);

- fanofanana ireo mpiompy ary fanamoràna ny fahafahan’izy ireo mindram-bola;

- fametrahana ireo mpiasa manentana eny ambanivohitra ;

- fanamafisana ireo fepetra fanaraha-maso ara-pahasalamana.

b. Eo amin’ny sehatry ny Jono kosa dia ho tanterahanay ny :

- fanatsaràna ny fandraisan’anjaran’ny sehatry ny jono amin’ny fampidirana vola ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana; amin’izao fotoana izao dia mahatratra 3,8 tapitrisa dîlara ny haba niditra ;

- fanohanana ny fizarana ara-drariny ireo tombontsoa azo avy amin’ny fitrandrahana ireo harena anaty rano, amin’ny fanomezana taratasy fanamarinana sy mari-pamantarana ho an’ny vokatra (Ă©co certifications et labellisation) ;

- fanohanana ny Foibe mpanara-maso ny jono na Centre de Surveillance de la PĂȘche (CSP) ;

- fanatsarĂ na ny fomba fahazoana mitrandraka ny jono indostrialy sy ny fiompiana makamba ;

- ady amin’ny fahantrana amin’ny alalan’ny fanatsaràna ny vokatra sy fanohanana ny fiahiana ara-tsakafo sy fanjarian-tsakafo.

Hisy ny fepetra horaisina hanomezana lanja ny tsenan’ny Africa Growth Opportunuty Act (AGOA) sy ny fampiroboroboana ny orinasa afa-kaba lamba , amin’ny alalan’ny fandrafetana paikady momba ny fambolena hasy.

Ankoatr’izay dia :

- hotohanana ny fanamafisana ny fifaninanana anatiny sy ivelany ;

- hiantohana ny fiarovana ny mpanjifa sy ny fampandehanana tsara ny tsena.

Anisan’ny manana toerana stratejika eo amin’ny toekarena ny Fizahantany. Tanjona napetraka, ny hahatongavan’ny mpizahantany miisa 300.000 amin’ity taona ity. Ny governemanta dia hiezaka hametraka tontolo mampiroborobo ny fizahantany maharitra. Koa ilaina ny :

- fampivelarana ny vina “ Madagasikara raitra” ary anapariahana ny “kolontsaina mandray mpizahantany” eo anivon’ny Malagasy mba ho lasa ambasadaoron’ny firenentsika ny olom-pirenena tsirairay ;

- fampiroboroboana ny mpiandraikitra ny fizahantany amin’io sehatra io ;

- fanohanana ny fampandrosoana ny sehatry ny fizahantany any amin’ny faritra manodidina antsika sy eto an-toerana ;

- fanavaozana ny lalĂ na mifehy ny fizahantany sy fanaraha-maso ireo toerana fandraisana mpizahantany ;

- fametrahana « Compte Satellite du Tourisme » (CST) ;

- fanaovana fanadihadiana ny hanomezana ny fitantanana ireo seranam-piaramanidina 44 an’ny ADEMA, ary fanitarana sy fanavaozana ny seranam-piaramanidina eny Ivato, Nosy Be, Antsiranana, Fort-Dauphin ary Toliary ;

- fanohanana ny kaompaniam-pitaterana Air Madagascar.

d. Hojerena akaiky manokana koa ny sehatry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Harena stratejika satria anisan’ireo mora andairan’ireo fanondranana sy asa fitrandrahana tsy manara-dalàna.

Ny Governemanta dia hanohy ny :

- fanatsaràna ny lalàna mifehy izany sy ny fifehezana ireo mpisehatra eo amin’ny harena an-kibon’ny tany sy ny harena stratejika ;

- fametrahana fomba fiasa vaovao fanangonana hetra sy fitsinjarana ny vola miditra avy amin’ny harena an-kibon’ny tany ;

- ny fanomezana aina vao ny « Institut de Gemmologie de Madagascar (IGM) », ny famaritana indray ny andraikitry ny “Bureau du Cadastre Minier de Madagascar (BCMM)” ary ny fanovana ny rafitry ny “Laboratoire National des Mines”.

Ho fanohanana ireo sehatra stratejika ireo, dia hisy ny fanamboarana sy fanarenana fotodrafitr’asa :

- mba hanamorana ny famoahana ny vary : RN44, RN4, RNT8B, RN5, RNT3B;

- ho fampitomboana ny fahatongavan’ny mpizahantany : RN34, RNT8, RNS21, RN7, RN13 ;

- ho fanamoràna ny fitaterana ny vokatry ny harena an-kibon’ny tany : RN13, RNT33, RN1bis, RNT9 ;

- Hisy ny fanamboarana làlam-be migodàna (autoroute) mampitohy an’ Antananarivo renivohitra sy Ivato alohan’ny volana novambra 2017;

- fanarenana ny seranan-tsambon’i Manakara sy Toamasina ;

- fanamboarana « espaces de croissance » miisa 03 miaraka amin’ny tetikasa “PĂŽle IntegrĂ© de Croissane” andiany faharoa (PIC-2) : Diana, Atsimo-Andrefana, Anosy, Toamasina, axe RN7 (Fianarantsoa).

e. Eo amin’ny sehatry ny Fitaterana dia tsy maintsy atao ny:

- fanavaozana ny lalĂ na mifehy ny fitaterana an-dranomasina ;

- fametrahana seranan-tsambo mahaleo tena ;

- fampiroboroboana ny fitaterana an-dranomasina sy fanohizana ireo asa fanitarana any amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina sy Ehoala (Tolagnaro).

f. Fanambin’ny Governemanta ny hanome Angovo amin’ny vidiny mirary ho fanohanana ny fampitomboana ny harinkarena sy ho fampitomboana ny fahafahana mahazo herin’aratra, na an-tanàn-dehibe na eny ambanivohitra.

Koa tsy maintsy :

- havaozina sy hatsaraina ny fomba fitantanana sy fitrandrahana ny JIRAMA;

- amporisihina ny Sehatra tsy miankina amin’ny Fanjakanhampiasa vola amin’io sehatry ny angovo io ary hamafisina ny fiaraha-miombon’antoky ny Fanjakana sy ny tsy miankina ;

- ampiroboroboina ny fitrandrahana ireo angovo azo havaozina.

Efa an-dàlam-panatanterahana ny fanamboarana foibe mpamokatra herinaratra amin’ny alalan’ny rano sy ny riandrano ary tsy maintsy ho azo ampiasaina ato anatin’ny roa taona: Farahantsana Sahalanona, Anjialava, Ampitabepoaka.

Anisan’ireo tetikasa hotanterahina amin’ity taona ity ny :

- asa fanitarana ny fanomezan-jiro any ambanivohitra sy manodidina ny renivohitra ;

- fametrahana fitaovana ahazoana herinaratra avy amin’ny masoandro, hasolo ireo milina mampiasa gas-oil sy solika mavesatra ;

- fametrahana « parcs éoliens » any avaratry ny Nosy ;

- fankatoavana ny drafitr’asa any amin’ny faritra ho fanomezan-jiro ny eny ambanivohitra : any amin’ny faritra Atsinanana, Atsimo-Atsinanana, Analanjirofo, Amoron'Imania, Haute Matsiatra, Melaky, Diana, Betsiboka ;

- fametrahana ny angovo azo havaozina any Nosy Be.

Hisy ihany koa ny fananganana foibe mpamokatra herinaratra goavana : Mahavola (300 MW) sy Sahofika (105MW). Eo koa ny fanamboarana foibe mpamokatra herinaratra “centrale thermique” any Benenitra (90MW) izay heverina ho vita amin’ity taona ity.

Eny ambanivohitra kosa dia hisy ny :

- tetikasa JIRO KANTO ( ho an’ireo kominina manodidina ny farihin’i Alaotra);

- tetikasa PICO centrale HydroĂ©lectrique ho fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra (PHEDER) : herinaratra azo avy amin’ny rano ho an’i Andina, Kianjandrakefina ary Ambatomanoina ;

- tetikasa mahakasika ny angovo azo avy amin’ny masoandro “Projet solaire Best Options for Rural Energy and Access to Light and Electricity” (BOREALE): ho an’ireo renivohitry ny kominina miisa 7 any amin’ny faritra Anosy sy Androy; fampidiran-jiro any amin’ny renivohitry ny kominina miisa 4 any amin’ny faritra Atsimo-Andrefana (St. Augustin, Antanimeva, Manombo Sud, Mahaboboke) ;

- fampidirana jiro ao amin’ny tanànan’i Befandefa sy Andavadoaka any Morombe ;

g. Eo amin’ny sehatry ny Fifandraisan-davitra sy ny Teknolojia vaovao, ny governemanta dia hiroso amin’ny :

- fanatanterahana ny drafitr’asa idirana amin’ny “Plan NumĂ©rique” ;

- fametrahana foibe VOHIKALA miisa 20 ho fanapariahana ny fampiasana ny teknolojia vaovaon’ny fifandraisana “TIC communautaires” (Ministera, commune, association locale) ;

- fandrafetana Fandaharan’asa « Commune NumĂ©rique » ;

- fanavaozana ireo fahazoan-dàlana sy fanavaozana ny bokin’andraikitra ho an’ireo mpandraharaha ;

- Fanavaozana ny drafi-pirenena momba ny “FrĂ©quences”.


3- FAMPANDROSOANA NY LAFINY SOSIALY

Ny fanomezan-danja ny harena maha-olona dia ilaina eo amin’ny fampandrosoana. Koa hampiharina ny lalàna ahazoan’ny mpiasa tombontsoa ary hampiasaina ireo rafitra mpandrindra ny ady atao amin’ny fampiasana ankizy.

a. Mahakasika ny Fahasalamana, ny Governemanta tarihiko dia mihevitra ny :

- fanokafana indray ireo Centre de SantĂ© de Base (CSB) nikatona, fanarenana CSB miisa 43, fanomezana mpiasan’ny fahasalamana mahay ny asany ho an’ny CSB miisa 48 ;

- fanavaozana ireo fitsaboana maika momba ny fiterahana sy fanabeazana aizana eo anivon’ny Centre de SantĂ© de Base sy ny « Centre Hospitalier de RĂ©fĂ©rence de Disctrict » CHRD miisa 100 ;

- fanamafisana ny fiarovana ny reny sy ny zaza sy ny ady amin’ireo valan’aretina sy aretina miverimberina maharitra ;

- fanamorana ny fahazoan’ny rehetra fitsaboana any amin’ny tobim-pahasamana tantanan’ny fanjakana ;

- famonjena ireo iharam-boina noho ny andro ratsy sy vokatry ny loza voajanahary ;

- fanapariahana ny fanaovam-baksiny ;

- ady amin’ny VIH/SIDA, Tazo, Tuberculose ;

- fanovana CSB miisa 144 ho lasa « Soin ObstĂ©trical NĂ©onatal d’Urgence de Base » (SONUB) sy « Soins ObstĂ©tricaux et NĂ©onatals d’Urgence Clinique » (SONUC) ;

- fanatanterahana ny rafitra fizarana fanafody ho an’ny daholobe “ Distributions en Masse des MĂ©dicaments ” (DMM) ;

- fampihenana ho 9% hatramin’ny 8% ny tahan’ny tsy fanjariantsakafo ho an’ireo zaza latsaky ny dimy taona.

b. Eo amin’ny sehatry ny Fanabeazana, maro ny fandaminana hatao, indrindra ny:

- fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpampianatra,

- fanaovana fanadihadiana mba hampitomboana ny tahan’ny fidirana an-tsekoly sy hiadiana amin’ireo antony mahatonga ny fihenan’izany taha izany.

Eo amin’ny dingan’ny “PrĂ©scolaire”, ny Governemanta tarihiko dia hampitombo ny fahafahana mandray mpianatra, indrindra any amin’ny faritra tena sahirana. Efitrano fianarana miisa telo arivo (3 000) no haorina sy hasiana fitaovana, mpampianatra miisa valo arivo (8000) no horaisina. Ary ho fametrahana miandalana ny fampianarana maimaimpoana any amin’ny fanabeazana fototra dia hisy mpampianatra tsy miankina miisa 63062 homena fanampiana.

Eo amin’ny dingan’ny Ambaratonga faharoa, efitrano fianarana vaovao miisa 1500 no hamboarina sy hasiana fitaovana. Mpampianatra vaovao miisa 1300 no horaisina. Ary mba hanalefahana ny fahasahiranan’ireo ray aman-dreny dia mpianatra miisa 6250 no homena fanampiana. Ary farany, mba hanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina, dia mpampianatra 11413 no hahazo fanampiana.

d.;Ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa dia tsy maintsy manatanteraka ny fidirana any amin’ny rafitra LMD ary ny fikarohana/famoronana dia tsy maintsy mandray anjara amin’ny fandrisihana ireo “Ecoles Doctorales”.

Ny fidiran’ireo vitsy an’isa amin’ny dingan’ny fampandrosoana ny lafiny sosialy, sy ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina ho fanatsarana ny fahazoana ireo filàna fototra, dia anisan’ireo fanamby goavana ho an’ny Governemanta. Anisan’ireo ny :

- fanamafisana ireo rafitra fampiroboroboana, fisorohana, ny fiarovana ary ny fanovàna ara-tsosialin’ny mponina ;

- fanamboarana fotodrafitrasa manokana ho an’ireo olona sembana ;

- fametrahana tambazotra fiarovana ny zaza, toerana/fianakaviana mpandray ireo zaza (tsy misy mpiahy) sy akany sosialy ho an’ny vehivavy ;

- famerenana indray ireo “villages communautaires” mba hametrahana ireo olona sahirana (tananan’i Andranofeno) ;

- fanampiana ireo mponina ianjadian’ny olana voajanahary sy sosialy ary olana ara-toekarena ;

- fanomezana fotodrafitrasa momba ny fanatanjahantena ho an’ireo distrika ;

- fametrahana rafitra mpiandraikitra sy mpanomana ireo tanora tia fanatanjahantena ;

- fanomanana atleta malagasy sangany miisa 300 hiatrika ny Lalaon’ny Nosy aty amin’ny Ranomasimbe Indianina amin’ity taona 2015 ity ;

- fanomanana atleta malagasy sangany miisa 50 hiatrika ny Lalao afrikanina na ny “Jeux Africains”, hatao amin’ity taona ity koa.

e. Eo amin’ny lafiny Fiahiana ara-tsosialy sy ny Politikan’ny asa, ny Governemanta dia hanatanteraka ny :

- fandrafetana sy fanapariahana ny Politikam-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy ;

- fananganana toerana fantsakana rano miisa 7210 sy fanarenana fotodrafitrasa miisa 1883 efa maherin’ny 10 taona;

- fanomezana toeram-pidiovana ho an’ny CSB sy sekoly (3800) ;

- fandrafetana ireo “schĂ©mas directeurs » amin’ny tanĂ n-dehibe 8 ;


4- FANAMAFISANA NY FANDRIAMPAHALEMANA

a. Ny fanamafisana ny fahafahan’ny sehatry ny fiarovana manatanteraka ny andraikiny no laharam-pahamehana voalohany amin’ireo laharam-pahamehana rehetra. Koa hohamafisina ny filaminana na an-tanàn-dehibe na eny ambanivohitra, hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana amin’ny ankapobeny sy amin’ny famongorana ny asan-dahalo, ny fakàna an-keriny sy ny fitazonana olona tsy ara-dalàna.

b. Ny Governemanta tarihiko dia hametraka ireo fomba rehetra ilaina hiarovana ny fari-dranomasina malagasy, hiadiana amin’ny fanondranana an-tsokosoko sy ny jono tsy manara-dalàna.

Ho fantanterahana izany, ny Fanjakana dia mikendry ny :

- fahazoana trano sy fitaovana amin’ny alalan’ny “Partenariat-public-privĂ©-population” (4P) ary amin’ny alalan’ny fanohanan’ireo mpiara-miombon’antoka teknika sy ara-bola ;

- fanamafisana ny fifandraisan’ny asa eo amin’ny mpisehatra EMMO sy ny Fitsarana, hisorohana ireo heloka sy fanenjehana ny mpanao ratsy ;

- fametrahana ny Dina sy fampahombiazana azy ary fampifanarahana izany amin’ny lalàna misy ;

- fampihenan’ny ny tahan’ny heloka an-tanàn-dehibe sy fandefasana mpitandro filaminana any amin’ny faritra mena ;

- fampitomboana ny asa fanaraha-maso ny “Zone Economique Exclusive” (ZEE) ;

- fandaminana sy fiarovana ny lĂ la-pihariana omby ;

- fandravana ireo tambazotra mpanao heloka ara-toekarena sy ara-bola ;

- fanavaozana ny sehatry ny fitandroana ny filaminana;

- fametrahana rafitra nasionaly mpanoro lĂ lana amin’ny ady atao amin’ny asa fampihorohoroana sy ny heloka “ Structure Nationale d’Orientation de la Lutte contre le Terrorisme et la criminalitĂ© Transnationale organisĂ©e” (SNOLT).

5 – POLITIKAN’NY TONTOLO IAINANA

HO AMIN’NY FAMPANDROSOANA MAHARITRA


Fanamby goavana ny famahana ireo olana mahakasika ny lafiny tontolo iainana.

Ny Governemanta tarihiko dia handray anjara amin’ny fanatanterahana ny fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana momba ny tontolo iainana “Programme des Nations Unies pour l’Environnement” (PNUE) : “Mamboly ho an’ny Planeta isika « Plantons pour la PlanĂšte » ary tanjona ny hamboly hazo 14 milliards.

Ny fanomezana lanja ny harena maha-olona dia hatao miaraka amin’ny « approche paysage » sy ny fanorenana faritra arovana vaovao.

Mahakasika ny fanekena nataon’i Madagasikara tamin’ny “CongrĂšs Mondial des Parcs » andiany faha- 6 tany Sydney, ny Governemanta dia hampihatra ny “tolĂ©rance zĂ©ro » amin’ireo fanondranana an-tsokosoko ireo harena voajanahary toy ny andramena, ary ny fitondrana ireo faritra arovana araka ny vinan’i Durban “Vision Durban”.

Ny Governemanta tarihiko dia hanatanteraka ny :

- fanoloana ireo tomponandraikitra tsy an-kanaavaka/rehetra any amin’ny faritra isian’ny fanondranana andramena an-tsokosoko, fametrahana Fitsarana manokana araka ny didy hitsivolana 2011/001 ;

- fametrahana fomba fanaraha-maso hentitra amin’ny fanapahana ireo hazo sarobidy sy ny fitantanana ireo tahiry ;

- famerenana an-tanindrazana ireo andramena nogiazana any ivelan’i Madagasikara, na koa fivarotana izany amin’ny fomba manara-dalàna;

- fanamafisana ny fisorohana amin’ny alalan’ny fepetra fanabeazana ;

- fametrahana rafitra fitantanana sy fanodinana ireo fako ;

- fametrahana rafitra mitantana sy mijery manokana ireo fako mivangongo amin’ny tanàn-dehibe telo eto Madagasikara: Antananarivo sy Antsirabe ary Toamasina;

- fampiroboroboana ireo « Gestion IntĂ©grĂ©e des Ressources en Eau » (GIRE) amin’ireo dobon-drano telo : Andapa, Tsiazompaniry, Ambatondrazaka;

- fampitomboana ny velaran-tany hambolena hazo (5000ha) ;

- fanamafisana ny ady atao amin’ny doro tanety ;

- Fanomezana vahana ny fampiasana ny « biocarburant », toy ny « ethanol” sy ny “biodiesel”.

6- DIPLOMASIA ANDRIN’NY FAMPANDROSOANA

Diplomasia politika sy ara-toekarena, diplomasia afaka miaro ireo tombontsoantsika, misarika mpampiasa vola ary mampifandray amin’ireo tera-tany Malagasy monina sy miasa any ivelany (diaspora), io no tena diplomasia ho amin’ny fampandrosoana.

Ho fanatanerahana izany dia tsy maintsy :

- havaozina ny « carte diplomatique » izany hoe: fijerena ireo firenena any ivelany nametrahantsika sy hametrahantsika Masoivoho. Soloina ireo Ambasadaoron’i Madagasikara any ivelany ;

- apetraka ny fomba hisarihana izao tontolo izao hahafantatra bebe kokoa an’ i Madagasikara ;

- iantohana ny fanomanana ny fihaonana an-tampon’ny firenena mampiasa ny teny frantsay, izay hatao eto Antananarivo amin’ny volana novambra 2016.

7- FITSINJARAM-PAHEFANA TENA IZY SY MIRINDRA

Hahatongavana amin’izany, dia fepetra roa no tsy azo ihodivirana : fahaiza-manao voafaritra mazava ananan’ireo manampahefana voafidy, tetibola manokana tsy miankina amin’ny fanjakana foibe.

Ny fitsinjaram-pahefana mirindra dia mitaky fandrindrana ara-paritra sy fanajariana ny tany (SchĂ©ma National d’AmĂ©nagement du Territoire, SchĂ©mas RĂ©gionaux d’AmĂ©nagement du Territoire), anomezana vahaolana amin’ny alalan’ireo tetikasa voafaritr’ireo toromarika sy fitantanana ary fampiasana ny tany.

Ny fitsinjaram-pahefana mirindra ihany koa dia mandalo amin’ny ady amin’ny fananganana trano tsy ara-dalàna ary ny fanatanterahana ireo tetikasa lehibe hanadiovana ny tanàna.

Harafitra amin’ity taona ity ny Fandaharan’asam-pirenena momba ny Fanapariahana sy ny Fitsinjaram-pahefana (PNDD : programme national de dĂ©concentration et de dĂ©centralisation).

8- FAMPIHAVANAM-PIRENENA

Ny tanjona dia ny hahazoana fampandrosoana maharitra, mirindra sy tsy mitanila eo anivon’ny firenena isian’ny fihavanana ary anjakan’ny fiaraha-monina ara-drariny.

Ny Governemanta dia hivoy ny soa toavim-pirenena mba hampiakatra ny hambom-po maha Malagasy. Izay no atao dia ny mba hialana amin’ny tsy fahatokisan-tena ankehitriny. Ny fivoizana izany dia tokony hitondra fitoniana ary koa firaisankinam-pirenena.

Madagasikara dia itoeran’ny valan-javaboahary tsy manam-paharoa ary koa kolontsaina mampiavaka azy, manana harena tsy hita noanoa ary vahoaka hendry sy mitandro ny fihavanana, miaina eo anivon’ny tontolo raitra sy kanto.

Izany no ilazana fa tokony hohaintsika ny mitrandraka izany, hahafahana mivelatra eo anivon’ny soa toavin’ny Fihavanana.


TENY FAMARANANA

Andriamatoa Filohan’ny Antenimieram-pirenena,

Andriamatoa sy Ramatoa isany mpikambana ao amin’ny Birao maharitra,

Ramatoa sy Andriamatoa isany Solombavambahoaka,

Ity fandaharan’asa izay natolotro anareo androany ity dia fanamby napetraky ny governemanta araka ny lalĂ m-panorenana. Sady taratry ny Plan National de DĂ©veloppement (PND) sy ny Projet d’Urgences PrĂ©sidentiel (PUP) ihany koa. Raisinay am-panetren-tena ny sosonkevitra avy aminareo.

Ireo fihaonana samihafa izay hataon’ny governemanta eto anivon’ny Antenimieram-pirenena dia inoako fa hahafahantsika manamafy ny fifandraisana eo amin’ny Mpanatanteraka sy ny Mpanao lalàna ho tombontsoan’ny Malagasy tsy an-kanavaka.

Ny finiavana ara-politika no làlana tsy maintsy iaingana sy antoky ny fitomboan’ny harinkarena maharitra.

“Ny fiarahana no maha lasa lavitra” araka ny ohabolan-drazantsika manao hoe: “Ny mita be tsy lanin’ny mamba” , ary “ ny akanga maro tsy vakin’amboa”

Misaotra Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy.

www.madagate.com

Mis Ă  jour ( Vendredi, 13 FĂ©vrier 2015 07:02 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...