]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Madagasikara. “Doroae tsy may, jerae tsy mivalo, gadrae tsy malilo”

Madagasikara. “Doroae tsy may, jerae tsy mivalo, gadrae tsy malilo”

« Mijoro aho, ho vavolombelon’ny Fahamarinana ; doroae tsy may, jerae tsy mivalo, gadrae tsy malilo, ka miovimbio ». Izany fiteny avy any Androy izany no nahatonga an’i Dada Monja Jaona namorona ny antoko Monina ka miovimbio. Ary avy aminao koa no nahatonga ny anaran-janany hoe Monja Roindefo Zafitsimivalo.


Na inona fiteny, na inona filaza, tsy rariny no nanaovan’ny fitondrana Rajaonarimampianina ny Solombavambaohakan’i Madagasikara, Lanto Rakotomanga (sy ny mpiara-miasa aminy), zanaka, anabavy, nenitoa, reny, voafidy ara-dalàna tao amin’ny boriboritany faharoa Antananarivo. Ny tompon’antoka voalohany dia ingahy Hery Rajaonarimampianina. Efa notsofainy ny hazo ipetrahany any ka tsy mahalala fa efa nataon’ireo nialoha azy anie io hoe “fuite en avant” io e! Izany hoe izy tenany ihany no miazakazaka mankany anaty antsana hitelina azy eo amin’ny sehatry ny politika ankapobeny. Nefa tsy ainy io resaka politika io fa basy sy vola sisa no any heriny. Tsy vaovao izany akory. Ary herim-po very maina foana izany eo anatrehan'ny Tantara efa nisy ary niverina indray. Nanao toa io koa anie ry Tsiranana, Ratsiraka sy Ravalomanana e! Fa nanao akory ny fialàny izy ireo tamin'io toerana tadiavin-dry Hery Vaovao bodona io amin'izao fotoana izao?

Kanefa, ry Jeneraly Florens Rakotomahanina, ry Jeneraly Anhtony Rakotoarisoa, ry Kolonely Tsitambala Nixor, ry mpandefa entona mahasempotra, ry mpamaky fitaratra amin’ny alalàn’ny Kalachnikov dia “robots” na fitaovana tsy misaina na kely aza fa dia manatanteraka baiko an-jambany. Ary araka ny navoakan’ny “La Gazette de la Grande île” dia avy any amin’ingahy Henry Rabary-Njaka sy ramatoa Voahangy Rajaonarimampianina mivantana ny baiko. Ny loza dia ry zalahy mpitandro filaminana ireo indray no manitsaka ankitsirano ny lalàna velona eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Satria “manatanteraka ny baiko”.


Nanakàna Solombavambahoaka amin’ny alina tsy nisy taratasy fanamarihana izany; nanitsaka ny andininy faha 13 sy 73 ao anaty Lalampanorenena; nandefa entona mahasempotra teo akaikina tobim-pahasalamana misy zaza sy vehivavy miteraka; namaky fitaratrana fiara nefa dia vehivavy fanaka malemy roa no tao; nitondra baoritra nihidy tany amin’ny zandarimaria ary nosokafana tsy teo imasona vadin-tany tokony nanamarina; nilaza fa hoe 200 tapitrisa ariary no tao nefa 240 tapitrisa no tena izy, araka ny filazan’ny mpisolo vavan’i Ramatoa Lanto Rakotomanga.

Jeneraly Florens Rakotomahanina sahy nilaza, tamin'ny taona 2014, rehefa lasa sefo be fa hanongam-panjakana, hono, ireo mpiavy avy any Atsimo hitady ravinahitra isaky ny hain-tany any amin'ireo faritra hafa, nefa tsy maintsy mandalo eto Antananarivo. Aiza ny tohin'io tranga io Ra-Flora a ! Mbola mandeha ny fanadiadiana ve e ?

Mikasika an’ny Jeneraly Florens Rakotomahanina manokana dia efa simban’ny sainy amin’ny hoe misy hanao fanonganam-panjakana any ka vehivavy anankiroa no lazaina fa hanaoa izany “mardi noir” izany. Efa tamin’ireo mpila ravinahitra avy any Atsimo niakatra eto Antananarivo isaky ny hain-tany no nanambara io resaka “fanongam-panjaka” io ingahy Kolonely niakatra grady nalaky dia nalaky io. Izao indray ny mpandraharaha karana no atao lasibatra. K‘inona moa fa hampandositra ireo vahiny saika na hikasa hampiasa vola eto Madagasikara no tena ho vokany? Ary dia sahin-dry zakahy be galona sy be basy ireo ny manambara fa “flagrant délit” ireny loza fampihorohona (“acte terroriste”) nampanaovina sy nataoany ireny. Kanefa ny pitsikilo be fialonana no tsy misaina na kely aza. Any ka Madagasikara iray manontolo no lasa nasiso imason’izao tontolo izao noho ny fiarovana filoham-pirenena tsy ho eo mandrakizay.


“Io vakio, alefaso fa taraiky”, hoy ilay kaomisera ao amin’ny "brigade criminelle". “Alefa, alefa, SOLOFO", hoy ny anankiray. Re ao anaty video daholo izany teny izany

Io vola io dia avy any amina banky ka ho mora no hanamariana izany (nisy ireny taratasy misy soratra ireny mifehy ireo vola ireo) fa tsy vola nangalarina na koa volam-bahoaka nalaina an-keriny tany amin’ny “Trésor” na ny “Banque centrale” toa nataon’ny ireo mpitondra arovana ihany. Ho fantatra marina koa ny tena isan’io vola io. Fa tsy izany iray mialara sy vehivavy iray no hahavita izany “coup d’état” izany. Sa dia tena marefo tanteraka ny fitondra Hvm ka na zazakely mialalao basy kilalao dia hoeverina fa hanongam-panjakana koa? Heloka bevava koa ve ny mitondra vola (na firy na firy ny isany) ao anaty fiara? Tsy hoe satria manana basy sy be vava akory no atao hoe manana ny marina. Ny vokany? Mangataka ny fialan’ingahy Jeneraly Florens tsy misy hatak’andro ny ankamaroan’ny Solombavambahoaka (“majorité”); hitory ny fianakavian’i Lanto Rakotomanga -izay mbola miady amin’ny fahafatesana-; hitory ny vondrona Mapar ary hanao fanadiadiana mikasika ireo 17 miliara nalain’olona tsy fantatra tao amin’ny Banky foibe ny Solombavambahoaka ao Tsimbazaza.


Izany no atao hoe: ifoteran’ny rambony. Eny na dia nanambara aza ingahy Jeneraly Florens fa tsy hialà izy satria “décret” avy amin’ny filoha no nanendry azy. Tsy misy fanetrehan-tena mihitsy e ! Fa ny tena nanome ny baiko ahoana? Ry Rabary-Njaka sy ry Voahangy X izany. Mbola ilay Solofo ihany izany no ho voasazy any aoriana any, fa ry zareo ao ambony ao izay higalabona amin’ny volam-panjakana. Izany no tena hoe : tsy maty manota. Hatramin’ny oviana anefa ? Any anatin’ny vahoaka anie ianareo no monina e ! Tsy maintsy fantatra, na ho ela na ho aingana, ny tena momba anareo. Tsy hisy akory ny valifaty fa ny eritreritrareo ihany no halavo anareo.


Ny setrin’izany rehetra izany? Namita-bahoaka ilay filoha voafidy fa tsy misy akory izany tany tan-dalàna (“état de droit”) dradradradrainy izany eto Madagasikara. Ary izy ihany no nahatonga izao korontana rehetra izao, satria tsy mpitondra mazava saina, tsy mpitondra feno fitiavan-tanindrazana, fa olo-olom-poana sendra nanararaotra ny fahatsoran’ny vahoaka ka nanao kandida nisolo an-dry Dokotera Kolo Roger sy Jules Etienne ary nisandoka ny fahavononan’ny vondrona Mapar hanohy ny tolona tamin’ny taona 2009. Tolona izay adino tanteraka ka vitany ny nanabaty imasom-bahoaka iny làlana iny. Fa hitsangana amin’izay ny vahoaka izay tena tompon’ny fahefana sy feon’Andriamananitra.


Ka rehefa tsy nànana fanetrehan-tena hiala ary hanaiky ny fahadisoany dia hanara-dia ireo nialoha azy rehetra izay nanao ireo ataony nanomboka ny taona 2014 ka mitohy amin’izao taona 2015 izao. Tsy ozona akory izany na faminaniana fa vokatry ny nataony ihany. N’inona n’inona ho didy havoakan’ny Fitsarana Avo momban’ny Lalampanorenena dia tsotra: masiso imason’ny vahoaka ianao Andriamatoa Hery Martial Rakotoarimanana Rajaonarimampianina ka sarotra ho anao ny mbola hanohy ny fanantenana -efa poak’aty rahateo- ventiventesinao isaky ny manao kabary. Satria hafa ny sain’ny vahoaka fahanànao lainga ao amin’ny Tvm sy Rnm. Misy anie ny radio sy télés hafa e ! Misy anie ny Internet sy ny finday e! Ka dia niverina sy averina ny teny fanevan’ny tolona nataon'i Dada Monja Jaona hoe : « Mijoro aho, ho vavolombelon’ny Fahamarinana ; doroae tsy may, jerae tsy mivalo, gadrae tsy malilo, ka miovimbio ».


Jeannot Ramambazafy – 10 Jona 2015

Mis à jour ( Jeudi, 11 Juin 2015 06:22 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...