Ramatoa Voahangy - teraka tsy misy mahalala hatreto- vadin’ny Filoha Rajaonarimampianina
Tena niandry hatramin’ny ora farany tokoa Ramatoa vadin’ny Filoha Rajaonarimampianina vao nionona. Sarotra tokoa mantsy ny manatontosa ilay «Carnaval» nokasaina hatao eo Mahamasina amin’ity rivo-doza Enawo tafiditra eto Antananarivo ity. Fahendrena lehibe izany tsy miziriziry izany ary isaorana izy amin’izany.
Fa tsy izany kosa ny fahitan’ny gazety «La Ligne de Mire» an’ny fandehan-javatra. Ny nosoratan’izany Mi RAKOTO izany mantsy dia izao:
«A noter que toutes les festivités relatives à la célébration de la Journée Mondiale de la Femme sur tout le territoire ont été annulées suite aux décès des trois personnes dans la région de SAVA. Les cours scolaires sont également suspendus».
Ny dikany raha afohezina? «Noho ireo olona telo maty tany amin’ny faritra SAVA dia nofohanana ny lanonana fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Vehivavy».
Loza anie ry mpamaky izany nosoratan’ity gazetin’i Rolly Mercia ity e! Satria midika izany fa raha tsy nisy ny maty dia notontosaina ihany ny lanonana, na dia tonga aza ilay rivo-doza Enawo. Andriamanitra anie no mandahatra e! Ka asa aloha fa mino mihitsy aho fa na ry Hery Rajaonarimampianina mivady aza dia ho tezitra amin’izany « vaovao » tena diso tanteraka izany. Raha tsy hoe tsy matahotra an’Andriamanitra. Asa ?
Ary dia te-hilaza mihitsy ry zalahy ao amin’io «La Ligne de Mire» io (mira basy mitifitra havana) fa devoly latsaka an-tany mihitsy i Hery sy Voahangy Mivady. Sa ahoana hoy ianareo? Azy ny azy, fa io eo ambany io ary ny kabarin’i Ramatoa Voahangy, vadin’ny Filoha Rajaonarimampianina aminy maha Renin’ny Malagasy rehetra. Nasiany fiovana kely ny fiantombohany, izay mandiso tanteraka ny filazan'ny «La Ligne de Mire». F'angaha moa ho voasazy e? Zanaka an-trano kouh... Fa na izany aza.
Mandrahapaha aloha..: faly ny eto aminy www.madagate.org miarahaba ianareo Vehivavy Malagasy, n'aiza n'aiza misy anareo!
Jeannot Ramambazafy - 08 Marsa 2017
************
Lahatenin-dRamatoa Rajaonarimampianina Voahangy ho fanamarihana ny Andro iraisampirenena ho an’ny Vehivavy
Lapan’Iavoloha, 08 Mars 2017
Ry Andriambavilanitra rehetra, tompon’ny andro anio,
Ry reny, Rahavavy, Zoky, Zandry, Zanaka,
Amin-kafaliana no hiarahabako anareo.
Arahaba manokana no hatolotra antsika vehivavy nahatratra izao andro lehibe izao, dia ny 8 martsa 2017.
Eto Antananarivo no tokony ankalazana ny hetsika nationaly tamin’ity taona ity, kanefa noho ny loza voajanahary mihatra eto amin’ny Firenena, dia voatery nofoanana izany hetsika izany.
Etoana, dia maneho ny fiaraha-miory amin’ireo fianakavian’izay namoy havana, zanaka, ray aman-dreny, tamin’ny fandalovan’ny rivo-doza ENAWO, ny tenako. Mirary fiononana feno hoazy ireo ary mankahery ihany koa ireo tra-boina.
Raha ny momban’i Madagasikara manokana no resahina, dia tsy izao isika no manamarika izany, fa efa an-taonany maro, ary tany amin’ny faritra samy hafa toy Vangaindrano, Toliary ary Antsiranana.
Marihina fa maro ihany koa, ny distrika manao ny hetsika, ho fanamarihana ny andro’ny vehivavy.
Fa maninona tokoa moa no misy izany hoe andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy izany?
Fampatsiahivana fa mbola lavitr’ezaka, ny ady sy tolona hatrehina hahatanteraka ny fitovian-jo, eo amin’ny lahy sy ny vavy, ary ny fahafahan’ny vehivavy misitraka ny zony feno, izay voasoritra mazava, ao amin’ny andininy voalohany sy faharoan’ny fanambarana iraisam-pirenena, momba ny Zon’olombelona.
Isaky ny 8 martsa, dia manao jery todika ny ezaka vita ho amin’ireo tanjona ireo, ny firenena tsirairay. Eo koa no hanararaotana, mba hanaovana antso sy fanentanana, ho amin’ny zava-baovao tokony hatrehana, na ny fanitsiana tokony hatao.
Fotoana tokoa ny andro toy izao, mba izarana sy ampahafantarana ny zavatra misongadina vitan’ny vehivavy, na eto an-toerana na any ivelany, ka hitondra soa ho an’ny fiaraha-monina sy ny firenena.
Ny fiainana andavan’androntsika eo anivon’ny ankohonana toy ny: fanabeazana sy fitaizana, fikarakarana ny tokantrano, ny famelomana ny ankohonana, satria efa maro amintsika no sady lahy no vavy.
Isika vehivavy dia fanoitra lehibe, eo anivon’ny fampandrosoana ny firenena; arak’izany , “ny andraikitra lolohavina, ny adidy sakelehina”.
Eo andaniny, ny tahan’isa: 50 isan-jaton’ny mponina eo ho eo isika vehivavy. Koa raha izany 50 isan-jaton’ny mponina amin’ny firenena iray, no tsy mba tafiditra akory ao anatin’ireo afaka misitraka ireo lalam-pivoarana, sy ny tolotra ary tombony entin’ny fampandrosoana, dia tsy handroso velively ny firenena.
Asiako tsindri-peo manokana, ohatra ny tokony hanohizana sy hanampiana ny ezaka efa natomboka, mba hanamoràna ny findramam-bola ny vehivavy any amin’ny banky na ny micro-finance.
Amin’izao fotoana izao, dia araraotiko ny miarahaba manokana ireo fikambanam-behivavy mpandraharaha, vao niforona tamin’iny taona lasa iny, sy ny fikambanan’ireo vadin’ny masoivoho sy tompon’andraikitra vahiny, monina eto Madagasikara niforona tamin’ity taona ity.
Midika izany fa mihetsika ny vehivavy ary mandray andraikitra.
Ny mahafinaritra dia ny mahita fa tsy vitan’ny hoe tsy mba mitarai-tana-miepaka isika vehivavy, fa tena mikaroka sy mandalina mba hamorona sehatra fitadiavana vaovao.
Izay mihitsy no tonga amin’ilay hoe “vehivavy mahefa, antoky ny fampandrosoana”, lohahevitra iompanan’ny fankalazana ny 8 martsa amin’ity taona ity.
Manamafy izany, ny hamaroan’ireo nandray anjara tamin’ny Fifaninanana tetik’asa vehivavy mizaka tena ara-toekarena. Ary hamafisiko hatrany ny fanohanana ireo fikambanam-behivavy rehetra amin’ny sehatra maro samihafa.
Tompokovavy, tompokolahy,
Raha atao jery todika ny ezaka nanatsarana ny fiainan’ny vehivavy, eto Madagasikara, dia anisan’ny misongadina ny ara-pahasalamana: tsy takona afenina mantsy, fa raha tsy tomombana ny fahasalaman’ny reny, na eo am-pitondrana vohoka, na eo am-piterahana, na aorian’ny fiterahana , dia misy fiantraikany avy hatrany izany, eo amin’ny fiainan’ny ankohonana sy ny firenena, ary ny fampandrosoana.
Ankoatra ireo fotodrafitr’asa maro efa fantatrareo, dia niditra tao amin’ny fandaharan’asa CARMMA i Madagasikara, efa ho roa taona lasa izao, ary miatrika ny fanatanterahana ny ENAP, izay vao nosoniavina tamin’ny volana janoary lasa teo, hanatevenana ny fitsimbinana ny aina, sy ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza menavava.
Teo koa ny fanokafana ireo ivo-toerana Vonjy, hiahiana sy handraisana an-tanana ireo ankizy, sy ireo vehivavy iharan’ny herisetra ara-nofo.
Ny tanjona, dia ny hampielim-patrana eran’ny nosy ny ivo-toerana Vonjy, mba hahafahana manampy ireo tratran’ny herisetra ara-nofo, sy manasazy izay nahavita izany.
Fa tahaka ny any amin’ireo ankabeazan’ny tany an-dalam-pandrosoana, dia ny zazavavy sy ny ankizivavy, no loha-daharana amin’ny tsy fandehanana an-tsekoly, na ny fandaozana ny sekoly noho ny antony samihafa: Ao ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny, ny fanambadiana noterena, sy lasa aloha loatra, na ny fahalaviran’ny sekoly, ny tsy fahampian’ny fitaovam-pianarana sy ny boky, ankoatra ny maro tsy voatanisa.
Sehatra iray koa izay nimasoana, nitadiavana vaha olana sy fisorohana, niaraka tamin’ny fitondram-panjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola sy teknika: nizara sy nampiely boky, tamin’ny alalan’ny fanorenana sy fanohanana trano fitehirizana sy famakiam-boky.
Efa maromaro ihany koa no natsangana eran’ny nosy, mba hahafahan’ireo zanantsika manovo fahalalana, miady amin’ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra, ary ny habadoana.
Tao koa ny fanomezana dabilio sy latabatra, ny fananganana sekoly. Tafiditra ao anatin’ny ezaka hanampiana ireo ankizivavy hisitraka ny zony feno: zo mandeha an-tsekoly, zo mianatra, zo misafidy ny asa tiany hatao, zo mandà ny fanambadiana aloha loatra sy an-tery.
Ny hamaranako azy dia, tsy tokony anio ihany, raha ny hevitro, no hahatsiaro ny andraikitry ny tsirairay mikasika ny fanajana ny zon’ny vehivavy, fa isan’andro mandavan-taona.
Ary farany nefa tsy kely indrindra, dia misaotra sy mankasitraka ireo mpiara-miombon’antoka amintsika, na ny avy any ivelany, na ny eto an-toerana, maro ny asa vita dia nisy ny fifampitokisana sy ny fanoloran-tanana,
Ary tsy misy takalony, sy tsy an-tery ihany koa, fa dia vokatry ny fon’izy ireo sy am-pitiavana tanteraka, no anampian’izy ireo ny Malagasy.
Samia hotahian’Andriamanitra isika rehetra, ka hahatratra soa ny faha 8 martsa 2018 indray.
Misaotra tompoko.
La Direction de la Communication
Présidence de la République
Ce 08.03.17