Mbola tsy nisy mpitondra mpandainga sy tsy miraharaha vahoaka toa ireto Hvm ireto mihitsy teto Madagasikara, hatraminâizay niainako. Ary efa ela nihetezana aho fa tsy zaza vao omaly akory. Manana ny tombontsoany eto tokoa aloha ny Etazonia, toa ireo firenena matanjaka rehetra aty Afrika. Kanefa, tsy misangy mihitsy ry zareo rehefa resaka fitondra tsara tantana (« Bonne gouvernance »), fanajana ny lalĂ na (« Etat de droit ») sy ny zonâolombelona (« respect des droits de lâHomme »), ny ady aminâny kolikoly (« Lutte contre la corruption »), ary indrindra ny fahafahana maneho hevitra (« LibertĂ© dâopinion ») ka tafiditra aminâizany ny fahafahanâny mpanao gazety (« LibertĂ© de presse ») sy ny fahafahana miteny an-kalalahana (« LibertĂ© dâexpression »). Tsy adino ny fanajĂ na ny atao hoe Demokrasia.
AIza ho aiza ingahy Hery Rajaonarimampianina aminâireo rehetra ireo? Ny sasany moa nanaovany propagandy nefa dia samy mahalala ny zava-misy daholo isika vahoaka malagasy monina eto an-tanindrazana. Ny 25 Janoary 2018 dia tapitra ny fe-potoana iasanâi Hery vaovao. Izany hoe, aminâio daty io tokony filoha voafidy indray no ho eo aminâny fitondrana.
Tsy kisendrasendra ny nahatongavanâireto mpikambana enina ao aminâny Kongresy amerikana ireto. Taminy taona 2012 no nisy koa. Izany hoe herintaona alohanâny fifidiana filoham-pirenena foana. Ao raha⊠Ireto avy ary izy ireo fa miandry ny tatitra ho ataony rehefa tafaverina any Etazonia. Satria raha ny mpitondra no henoina dia manga foana ny lanitra e ! Mavandy avao !
Jeannot Ramambazafy â 18 Aogositra 2017