]
Les quotidiens du 22 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Madagasikara. Ny herim-(pamoretana) tsy hahaleo ny fanahy (masina) na oviana na oviana

Madagasikara. Ny herim-(pamoretana) tsy hahaleo ny fanahy (masina) na oviana na oviana

Tale lefitry ny CEDS (Centre d’étude diplomatique et stratégique) ity manamboninahitra miaramila avy any Atsimo atsinanan'ny Nosy ity, nandalo tao amin'ny ACMIL ("Académie militaire d'Antsirabe") toa Thomas Sankara ("La Patrie ou la mort, nous vaincrons"). Saingy, indrisy, lavitry ny afo ny kitay...

Efatra taona mahery be izao no nambotrin’ny fitondrana Hvm ilay firenena malagasy. Efatra taona mahery ny vahoakany no niharitra, niandrandra fifidiana madio, marina sy andraisan’ny rehetra anjara. Tsy nety anefa ilay filoha Hery raha tsy nikitikitika ny lalàna hafahany mangala-bato ara-dalàna. Tsy misy maha voalaza ny kolikoly avo lenta be nividianana 50 tapitrisa ariary (12.000 euros) isany ireo solombavambahoaka nandany izany lalàna tsy nampahafantarana ny vahoaka mpifidy akory, toa ny mahazatra nandritra izay efatra taona mahery izay.

Rehefa nitsangana ary ireo solombavambahoaka miisa 73 (amin’ireo mitontaly 150 satria mbola tsy nisy nandimby Itompokolahy Abdillah), mba hanao tatitra amin’ny vahoaka eo amin’ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo, dia nosakanana ka niafara tamin’ny fitifirana Malagasy. Roa no fantatra fa maty (be noho io isa io no tena marina), maro ireo naratra. Ny 21 avrily 2018 io vonon’olona io nahazoana baiko avy amin’ilay filoha Hery, Lehibe fara-tampon’ny hery mpitam-piadiana, izay nilefy tany ivelany roa andro talohan’io vonon’olona toa tamin’ny 13 May 1972, 10 Aogositra 1991 ary 7 Febroary 2009. Ny harivan’io 21 Avrily io ihany dia nanao fanambarana ny Préfet de police, ny Jeneraly Angelot fa najanony ny baiko nomeny hanakanana ny mpitolona (satria efa nisy maty) ho eo amin’ny Lapan’ny Tanànana izay niverina ho Kianjan’ny 13 May. Ary dia nilaza izy fa tsy afaka mametra-pialàna izy satria tsy manana lefitra fa miandry ny fotoana handroahana azy izy.

Ny ampitsony Alahady 22 Avrily 2018, mbola tsy nigadona teto an-tanindrazana akory izy dia nanome baiko ny miaramila andrakotra ny araben’ny Fahaleovantena, tsy azoana, na Malagasy iray aza, mandeha eo amin’ny Lapan’ny Tanàna. Nakotakana ho fotoam-pivavahana fanomezam-boninahitra ho an’ireo maritiora voatifitra anefa io Alahady io. Tampoka teo anefa -nolatsahin’ny fanahy masina angaha ireo Lehiben’ireo hery mpitam-piadiana ?-, dia niala sahala amin’ny tsy teo ireo miaramila, zandary ary polisy nandrakotra ny arabe ao Analakely. Tontosa ihany izany ny fanomezam-boninahitra ny maty.

Ny ampitson’io andro io ihany koa dia nanao fanambarana ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena fa tsy natao ho herim-pamoretana ny miaramila, zandary sy polisy ary ny olana politika dia resaka politika ihany no mahavaha azy ka ny asany dia hitandro filaminana sy hiaro ny vahoaka ary ny fananan’izy ireo. Velombolo ny Malagasy iray manontolo izay nangataka ny fialan’i Hery Rajaonarimampianina izay mihosin-drà ny tanàny toan-dRatsiraka sy Ravalomanana nilaza ihany koa fa tsy hiala kanefa samy nandositra niala an’ity Madagasikara ity. Nanomboka ny 23 Avrily 2018 ary dia nizotra am-pilamianana hatrany ny fihetsiketsehina notarihin’ireo Solombavambahoaka 73 ho an’ny Fanovana. Ary dia nitandro ny filaminana sy niaro ny olona sy ny fananany tokoa ireo hery mpitam-piadiana ka nihitatra any amin’ny faritra ny tolona vaovao.

Tsy nanaiky ny heloka bevava, nitranga ny 21 avrily 2018, anefa ingahy filoha Hery teo amin’ny fandraisam-peon’ny Radio France internationale fa toa ny maty indray no voalatsa ary namaivaniny tsy nasiany teny fiononana na iray segondra aza fa izy, hono, ny rain’ny firenena voafidina vahoaka an-tapitrisany. Odoie, hoy ny hira fahiny tsy tontan’ny ela izay…


Ary dia nahazo hery indray ny asan’ny maizina amin’ny alàlan’ny vola. Tsy mila porofoina izany fa jereo manomboka izao ny fomba fiainan-dry zalahy, ny fitondran-tenanyka hipoitra amin’ny tsy ampoiziny ny marina. Taorian’ny filaharambe tsy nanam-paharoa niseho ny 1 Mey 2018 dia tsy nitana ny teny nomeny ilay Jeneraly be kintana be (« Général de Corps d’Armée ») fa dia nanao fanambarana feno fandrahonana tsotra izao.


Tsara tsipihina an-tsoratra eto, ho an’ny Tantara -satria ny soratra mitoetra- fa ny namaky ny fanambarana dia ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, Jeneraly Rasolofonirina Béni Xavier, izay natrehan’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, Andrianisa Mamy Jean Jacques, Contrôleur général de police, sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, Jeneraly Randriamahavalisoa R. Girard ankehitriny ary ireo manam-boninahitra ambony maromaro toa amin’ireny tany miady atsy Afrika atsy. Tsy olom-boafidy ireo fa notendren’ny Filohan’ny repoblika izay lehibe faratamponin-dry zareo araka ny lalampanorenena efa maty hasina voahosihosy tanteraka

Ka tsotra ny valinteninay mpanao gazety eto aminy madagate, Andriamatoa Jeneraly Béni Xavier Rasolofonirina : ho jeren-tsika eo iza marina no ho tsarain’ny Tantara ? Izahay mpanao gazety mandra-maty ve sa ianareo tenditendrena izay tiana ary roahina izay tiana koa? Mino ve ianareo fa tsy ho lasa saina ireo miaramila, zandary ary polisy ho baikonareo fa tsy nandray vola amina miliara ianareo, ka firy ny anjarany amin’izany kanefa ry zalahy no hamono mpiray tanindrazana satria tadidinareo tampoka teo ireo lalàna notanisaina amina feo mira mompera ireo? Eto dia averiko fa ny manao soa tsy mba mahafaty antoka, fa ny manao ratsy ho enjehin'ny nataony ary ny hery tsy hahaleo ny fanahy na oviana na oviana. Efa resy ny tahotra eo amin’ireo Malagasy an-tapitrisa nampahantrana tao anatin’izay efatra taona izay.

Manomboka eto izany dia tsy ny mpanao kolikoly, tsy ny mpivarotra tanindrazana sy ny dahalo ambony latabatra izany ny fahavalonareo hery mpitam-piadiana malagasy fa ny vahoaka tsy mandady harona tsy mahalala izay lalàna akory ary ny olo-marina eto amin’ny firenena sy ny mpanao gazety efa amam-polo taonany toa anay. Mazava ka alefaso ary ka firy ny ho gadraina sy ho vonoina indray vao ho tonga saina fa tsy voavidy vola ny fahafatesana ?Tsy vao ianareo ireo anie no nanao io ramatahora io e!? Nitondra aizy nankaiza ny "Tsy hiala aho!", nizingizin'i Didier Ratsiraka, ny taona 1991? Ahoana tokoa moa no niafaran'ny tranon'ny Jeneralyy Tsaranazy, ny taona 2002, ary nitondra an'i Marc Ravalomanana aiza ny "tsapao aloha ny herinareo vao mitsapa ny aty", ny taona 2009? Niditra amin'ny kilaodaoka ianareo sady vonona hamono olona satria hoe manaja lalàna. Misy, tompokolahy isany ny hoe "crimes de sang" sy "génocide" enjehin'ny lalàna iraisam-pirenena. Ka mba haontanio ihany ny mpitsara Marcel Ranjeva e! Io mantsy ny zavatra hitranga satria tsy ho voafehinareo ireo miaramila ambany grady toa ireo Frs nitifitra anay mpianatra ny 13 Mey 1972. Inona anefa no niafaran'i Philibert Tsiranana? Ny maty maty izy nitsingidina tamin'ny toerany nefa voafidy 98% mahery ny volana Janoary 1972. Mibaribary fa tsy mahalala ny Tantaran'i Madagasikara ianareo nomena galona be ireo fa jamba tanteraka amin'ireo vola adala tompo izay ireo ihany no hitsara anareo, toa ny nahavoa an'i Jodasy.

Farany, aza adino fa 99 andro ho an’ny mpangalatra ary 1 andro ho an’ny tompony. Toa 90 andro izay no lasa fa miomana daholo, na ny hitifitra, na ny ho faty na ny higadra na ny sisa tavela. Ary aza mihevitra n’inona n’inona fa manana mpandika teny daholo ny masoivoho miasa eto mamaky ity rakitry ny Tantaran’i Madagasikara ity. Tompon'ny baoty sy ny basy maro vava ianareo fa tsy ho tompon'ny fahefana velively! An'ny vahoaka ny fahefana araka ny savaranonandon'ny Lalampanorenana malagasy hoe:

Préambule.

Le peuple malagasy souverain (Ny vahoaka malagasy andriamanjaka),

Affirmant sa croyance Ă  Andriamanitra Andriananahary (Mibaribary fa tsy matahotra an'Andriamanaitra ianareo be kintana ireo ary tsy mino koa fa ny tody tsy misy fa ny atao ihany no miverina. Ny fehiny: vonoy daholo izay manelingelina an'i Hery sy Voahangy Mivady fa efa nanozon-tena ianareo ireo ary hanangatra ny maty tsy hampatory anareo ary tsy hiy fiainana hilamina hatramin'ny taranakareo fara aman-dimby. Raha tsy izao dia mifoana sy mamerim-bola. Mbola tsy tara...

Raha ny vola no maha rangaha, ny fanahy kosa no maha olona. Safidy io. Fa io fanambarana nataonareo io dia vao mainka hampitombo ny alahelom-bahoaka ary hampiakatra ny atezerany. Sa izay ilay tadiavina hafahana handripaka azy? Dia avy eo? Satria hisy foana ny avy eo rehefa tsy eo intsony Hery sy Voahangy Mivady fa dila any... andilambato. Avelao y maty maty ihany fa baiko no notanterahina dia hifona? Ity lahatsoratra ity dia natao tsy hanadinoina indrindra ny adalana be nanaonareo omaly 2 Mey 2018, toa mpitsara nanameloka ho faty ny Tanindrazana iombonana iray manontolo, avela horobain'ny vahiny be vola be.

Jeannot Ramambazafy - Antananarivo, 3 Mey 2018

^^^^^^^^^^^^^^^^^^

Mis Ă  jour ( Jeudi, 03 Mai 2018 05:22 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024

 

Beijing. Intervention du Président Andry Rajoelina, lors de la Table ronde sur le Développement économique Madagascar-Chine 2024