IREO KANDIDA HO FILOHAM-PIRENENA ARAKA NY LAHARANA NATAO AN-TSAPAKA
TONTOSAO NY ADIDINAO, AZA ARIANA NY ZONAO
MAHAIZA MISAFIDY VAO MIFIDY FA TSY MANDATSA-BATO FOTSINY IHANY
AZA ADINO NY MIJERY IREO SONIA ROA AO AMBADIK'IALY BILETA TOKANA VAO MANDROTSAKA AZY AO ANATY VATA MANGARAHARA
RAHA AZO ATAO MITONDRA STYLO MAINTY SATRIA MISY MIKASA NY AMPIASA STYLO MAHAGAGA VITA AVY ANY ROSIA, KA MAMPANJAVONA NY SAFIDINAO. RAMALINA AZA NIFEHY HAZO TOKANA
Tonga ihany ity ilay andro nandrasan’ny mpifidy malagasy maro an’isa, andro izay notadiavin’ny sasany akisaka noho ny antony tsy dia tena mazava marina sy tsy naharesy lahatra ny maro an’isa satria peta-toko be... Ny atao an-tsain’ny tsirairay aloha dia ireto zavatra manaraka ireto. Dieny am-boalohany tsy hiteny mihitsy aho, eto, hoe i Anona na i Anona no fidiana. Tsia ! Efa samy manana ny kandida ho fidiana isika tsirairay avy taorian’iny iray volana lasa izay, nafahan’ireo kandida miisa 36 nampiseho ny maha-izy avy tsirairay.
Ny tsara tsiahivina eto dia tsotra : na tsy nisy aza iny famonoan’olona tamin’ny 21 avrily 2018 iny, vokatry ny tsangan-tanà n’ireo depiote maty eritreritra nandany lalam-pifidianana tena mamoehatra, dia tsy maintsy natao izao fifidianana filoham-pirenena izao.
Ny antony dia mazava, ary voasoratra eo amin’ny savaranonandon’ny Lalampanorenana malagasy fa « ny vahoaka Andriamanjaka » (« Le peuple souverain ») no manapaka farany isaky ny dimy taona raha toa ka isaky ny fito taona tamin’ny andron’i Philibert Tsiranana. Io fe-potoana nafohezina io moa dia mbola nalaina tahaka tamin’ny repoblika frantsay ihany e…
Averiko eto indray fa izaho tsy afaka hiteny anao io mamaky io hoe i Anona na i Anona no fidio, fa mametraka ireto fanontaniana roa ireto aminao kosa aho : teo anelanelan’ny taona 2014 sy ity volana novambra 2018 ity ve, mba nety sa tsia ny fiainanao ankapobeny ? Inona no mba andrasanao mahatonga anao hifidy an’i X.
Raha mikasika ny fangalaram-bato, tompoko, dia misy olona tena mahita raha tokoa. Satria eran’ny Afrika tsy misy afa-tsy ny kandida-mpanjakana ihany no afaka manao izany. Mbola maro ny rafitra eo am-pelatanany, eny na dia nametra-pialà na aza ilay filoham-pirenena voafidy tamin’ny 20 Desambra 2013.
Izay no voalaza ka dia ireto avy ny kandika miisa 36. Ny iray amin'izy ireo ihany no ho fidianao. Olom-pirenena malagasy marina ve ianao sa tsia ? Efao ary ny adidinao, ary aza ariana ny zonao. Marina fa tsy voatery hifidy ianao kanefa vato iray anie mety hanova zavatra be dia be e ! Fotoanany koa androany no afahanao mampiseho fa ianao no tena maha firenena ny firenena. Ka dia anao ny safidy, araka ny tenin’i Jean-Louis Rafidy fahizay.
Ny laharan’ireo kandida hitanao eto ambany dia vokatry ny ankitsapaka natao tao amin’ny foiben’ny Ceni, ny 25 Aogositra 2018, ka ireo laharana ireo ihany no hita ao amin’ilay biletà tokana. Tandremo tsara ity : jereo fa tsy maintsy misy sonia roa aorian’io biletà tokana io izay vao atsofokao ao anatin’ilay vata mangarahara. Farany dia farany : raha azonao atao, mitondra « stylo » mainty, na dia misy aza ao amin’ilay trao kely. Ny antony dia ity : mandeha be ny feo fa misy hikasa ampiasa « stylo mahagaga » vita avy any Rossia izay mampanjavona ny safidinao (lakroa) afaka enina ora. Aza adino fa Ramalina aza nifehy hazo tokana…
Â
Â
1. RASOLOFONJOA Haingo Andriakajamalala
2. RAKOTOFIRINGA Richard Razafy
3. TABERA Randriamanantsoa
4. RASOLOFONDRAOSOLO Zafimahaleo dit DAMA Mahaleo
5. JULES ETIENNE Rolland
6. RATSIETISON Jean-Jacques Jedidia
7. ANDRIANTSEHENO Lalaoarisoa Marcellin
8. RABARY Andrianiaina Paul
9. RABEHARISOA Saraha
10. RADAVIDSON ANDRIAMPARANY Benjamin
11. RAFALIMANANA Ny Rado
12. RAJAONARIMAMPIANINA RAKOTOARIMANANA Hery Martial
13. RAJOELINA Andry Nirina
14. BEZAZA Marie Eliana Pascaline Manasy
15. ANDRIANOELISON José Michel
16. NARISON Stephan
17. RAJAONARY Erick Francis
18. RAMAROSON Arlette
19. BERIZIKY Jean Omer
20. RANDRIAMAMPIONONA Joseph Martin
21. RATSIRAKA Didier Ignace
22. MAHAFALY Solonandrasana Olivier Jocelyn
23. RADILOFE Mamy Richard
24. ERNAIVO Fanirisoa
25. RAVALOMANANA Marc
26. IMBEH Serge Jovial
27. RAVELONARIVO Jean
28. RANDRIAMORASATA Solo Norbert
29. ZAFIVAOÂ Jean Louis
30. RASOLONJATOVO Falimampionona
31. RAKOTOMAMONJY Jean Max
32. RABARIHOELA Bruno
33. RATSIRAKA Iarovana Roland
34. MAILHOL André Christian Dieu Donné
35. ROBIMANANA Rivomanantsoa Orlando
36. RASOLOVOAHANGY Roseline Emma