]
Les quotidiens du 21 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Madagasikara. Aiza ho aiza isika amin'ny resaka tany tan-dalàna azafady?

Madagasikara. Aiza ho aiza isika amin'ny resaka tany tan-dalàna azafady?

Ireo faritra misy eto Madagasikara hatramin'izao volana Septambra 2019 izao aloha

Maro dia maro ianareo mpamaky, eny na olona nifanena any an-dalàna ary koa ireo mpiray fokontany no nanontany ny momba ireo “governora” vao avy notendrena tamin'ny Filankevitry ny minisitra natao ny Alarobia 25 Septambra lasa teo, tao amin'ny Lapam-panjakana ao Iavoloha.

Tsy dia ireo olona voatendry mihitsy akory no ventin-dresaka fa hay va re mba mahalala sombintsombin'ny Lalàmpanorenan'ny Repoblika fahefatra ihany ny Malagasy sasantsasany e!? Fa nanomboka ny Alarobia alina teo ary dia namerina namaky io Lalàmpanorenana io aho, ary koa ilay Lalàna 2014-020 momba ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana izay mamaritra ihany koa ny tena andraikitr'ireo “governora” ireo.
Manomboka amin'ny andininy faha-51 ka hatramin'ny andininy faha-60 no manazava izany. Tantara hafa ihany koa io satria mbola ho hisy izany ny olona ho tendrena. Fa talohan'io Alarobia tsy miverina 25 Septambra 2019 io dia Lehibem-paritra no niantsoana azy ireo.

Ilay hoe “governora” aloha dia tena mahabe resaka tokoa satria tamin'ny andron'ny fanjanahan-tany no tadidin'ny olona nisian'io anarana sy anaran-toerana io, ary vazaha frantsay daholo no nitana io toerana io. Ny voalohany sy nalaza indrindra dia Joseph Gallieni izay nosalorana ny anarana hoe “Gouverneur général”: 31 Jolay 1897-25 Avrily 1899 ary 1 Jolay 1900-11 May 1905. Ny farany moa dia Jules Marcel de Coppet (19 may 1946-27 Oktobra 1946). Ny ambiny dia nitondra ny anarana hoe “Haut commissaire” toa an'i Jean Louis Marie André Soucadaux (Oktobra 1954- 1 May 1959).

Efa taty amin'ny andron'ny Amiraly Didier Ratsiraka indray vao nampiasaina io anarana “governora” io. Asa raha misy mahatadidy ny raiamandreny toa ahy: misy mihitsy ny hoe “Faritany mizaka tena” (“Provinces autonomes”) ao anatin'ny Lalàmpanorenan'ny Repoblika faharoa tamin'ny taona 1992, ary ireo faritany enina misy eto Madagasikara ireo dia nisy “Gouverneurs” tokoa, izay nofidian'ny mpifidy vaventy (“grands électeurs”), ny 10 Jona 2001. Satria tokoa nisy fitsapa-kevi-bahoaka na « referendum » ny 15 Marsa 1998 momba ny fitsinjaram-pahefana sy ny faritany mizaka tena. Naharesy tamin'ny 50,96%-ny vato nanan-kery ny “Eny”.

Ireto avy izany “Gouverneurs” nifehy ny faritany izany : Gara Jean Robert (Antsiranana), Razafindehibe Etienne Hilaire (Mahajanga), Pascal Rakotomavo (Antananarivo), Lahady Samuel (Toamasina), Emilson (Fianarantsoa), Maharante Jean de Dieu (Toliara). Ny taona 2002, natao firenena federaly («Etats fédérés») mihitsy ireo faritany ireo, afa-tsy ny faritanin'Antananarivo ary nisy mihitsy ny fotoana nanaovana an'i Toamasina renivohitr'i Madagasikara “vonjy maika”. Rehefa tonga teo amin'ny fitondrana moa i Marc Ravalomanana dia nesorina tao amin'ny Lalàmpanorenena io resaka fizakan-tena io. Nijanona kosa ny fitsinjaram-pahefana na dia tsy hita soritra mihitsy hatramin'izao hoe inona marina izy io. Ara-bola ? Ara-fivelaran-tany ? Ara-pitondrana isan-karazany ?

Raha io resaka governora io koa, dia nisy ny hoe “Gouverneur militaire”, na governora miaramila, ka i Joseph Gallieni hatrany no nitana ny loha laharana nanomboka ny 6 Aogositra 1896 hatramin'ny 31 Jolay 1897. Marihina fa nisy ireo governora miaramila malagasy talohan'ny fanjanahan-tany. Ohatra: Ramaka, Ratovelo, Rainitavy tao Ambohimarina, ny taona 1887. Tamin'ny andron'ny Jeneraly Gabriel Ramanantsoa no naverina izany governora miaramila izany, ny taona 1972. Nasiany iray isaka ny faritany enina. Tsy naharitra anefa izany. Fa mbola naverin'ny Amiraly Ratsiraka ihany koa ny governora miaramila ny taona 2002. Ny tao Antananarivo moa dia nametra-pialana no niafarany satria fantany fa tsy mety izany rafitra famoretana izany. Tsy iza izany fa ny Jeneraly Léon Claude Raveloarison.

Izay ny mikasika izany hoe govenora eo amin'ny tantaran'i Madagasikara, talohan'ny fanjanahan-tany, tao anatiny ary tao aoriany. Izao volana Septambra 2019 hadiva hifarana izao ary dia io fa niverina indray ary mikasika ny faritra indray. Ny tsara tadidy sy tsy azo adinoina ary dia izao: tamin'ny Filoha Andry Rajoelina nanao fianianana tao Mahamasina, ny 19 Janoary 2019, dia nanambara izy fa ovana ho governoram-paritra ny anaran'ny lehibem-paritra ary hitombo ho 23 ny isan'ireo faritra miisa 22 hatreto.

Teo alohan'izany anefa, toa ireo nialoha azy rehetra, dia nanambara ireto manaraka ireto izy, izay voasoratra ao amin'ny andiny faha-48 ao amin'ny Lalàmpanorenan'ny Repoblika fahefatra: “Eto anatrehan’Andriamanitra Andriananahary sy ny Firenena ary ny Vahoaka, mianiana aho fa hanatanteraka antsakany sy andavany ary amim-pahamarinana ny andraikitra lehibe maha-Filohan’ny Firenena Malagasy ahy.
Mianiana aho fa hampiasa ny fahefana natolotra ahy ary hanokana ny heriko rehetra hiarovana sy hanamafisana ny firaisam-pirenena sy ny zon’olombelona.
Mianiana aho fa hanaja sy hitandrina toy ny anakandriamaso ny Lalàmpanorenana sy ny lalàm-panjakana, hikatsaka hatrany ny soa ho an’ny Vahoaka Malagasy tsy ankanavaka ”.

Ireto manaraka ireto ary misy ireo andininy mahakasika indrindra io resaka faritra sy izay tokony hitondra azy. Ao anatin'ny Lalàmpanorenan'ny Repoblika faha-efatra ihany izy ireo fa tsy noforonina akory, ary hatramin'izao dia mbola lehiben'ny faritra no voasoratra ao.
LALAMPANORENAN'NY REPOBLIKA FAHA-IV
SAVARANONANDO

Ny Vahoaka malagasy masi-mandidy,
Mametraka ny finoany an'Andriamanitra Andriananahary,
(...)
LOHATENY VOALOHANY: NY AMIN'NY FENI-KEVITRA FOTOTRA
Andaniny 1. Firenena iray ny Vahoaka Malagasy ka mivondrona ho Fanjakana masi-mandidy, tokana, repoblikanina ary tsy mampifangaro ny fitondram-panjakàna sy ny finoana.
"Repoblikan'i Madagasikara" no anarana entin’io Fanjakana io.
Ny demokrasia sy ny feni-kevitra momba ny Fanjakana tan-dalàna no fototra iorenan'ny Repoblika.
Eo amin'ny faritry ny taniny no maha masi-mandidy azy.
Tsy misy mihitsy mahazo manohintohina ny maha iray tsy anombinana ny tanin'ny Repoblika.
Tsy azo amidy na atakalo ny tanim-pirenena.
Ny fomba sy fepetra fivarotana sy fampanofana tany ho an’ny vahiny dia voafaritry ny lalàna.
(...)
ZANA-DOHATENY II : NY AMIN’NY RAFITRA
TOKO II : Ny amin'ny faritra
Andaniny 153. Miompana indrindra amin’ny lafiny toekarena sy fiaraha-monina ny andraikitra ny faritra.
Ny faritra no misahana ny fampiroborobona sy fandrindrana ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy ao anatin’ny fari-piadidiany ka mandrafitra ny fomba fandaminana, ny fanajariana ny tany ary ny fampiharana ny hetsika fampandrosoana rehetra miaraka amin’ny antokon-draharaha miankina na tsy miankina amin’ny Fanjakana.
Andaniny 154. Ny asan’ny mpanatanteraka dia sahanin’ny rantsa-mangaika tarihin’ny Lehiben’ny Faritra izay olom-boafidy tamin’ny alalan’ny latsabato andraisan’ny rehetra anjara.
Ny Lehiben’ny Faritra no tompon’andraikitra voalohany amin’ny tetika sy ny fanatanterahana ny asa rehetra mikasika ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy ao amin’ny faritra misy azy.
Izy no Lehiben’ny Fitondran-draharaham-panjakana eo amin’ny faritra.

Raha atao teny vahiny io ampahany voalohan'io andininy 154 io dia izao :
Teny anglisy : Article 154. The executive function is exercised by an organ directed by the Head of Region elected by universal suffrage.
Teny frantsay : Article 154. La fonction exécutive est exercée par un organe dirigé par le Chef de Région élu au suffrage universel.

Andaniny 155. Ny asa fanapahan-kevitra dia sahanin’ny Filankevi-paritra ka ny mpikambana dia olom-boafidy tamin’ny latsa-bato andraisan’ny rehetra anjara.
Ny solombavambahoaka sy ny loholona avy amin’ny fari-piadidiana samihafa ao amin’ny faritra dia mpikambana avy hatrany ao amin’ny Filankevi-paritra, ary anisan’ny mpanapa-kevitra.
Andaniny 156. Ny mpikambana, ny fandaminana, ny anjara raharaha ary ny fampandehanana ny rantsa-mangaika mpanatanteraka sy mpanapa-kevitra ary koa ny fomba sy ny fepetra momba ny fifidianana ny mpikambana ao amin’ny faritra dia ferana araka ny lalàna.

Tamin'ny finiavany sy fahavonany hanangana ny hoe «Fondation» dia nanontany ny Fitsarana Avo momban'ny Lalàmpanorenana (HCC) ny Filoha Andry Rajoelina satria manaja io Lalàna fototra izay nanaovany ilay fianianana etsy ambony izy. Ary nanaiky ny HCC fa tsy mifanipaka amin'io lalàna fototra io ny fananganana izany «Fondation» izany.

Fa nanao izany koa ve izy momba ireto governoram-paritra ireto ? Mipetraka ny fanontaniana satria tsy nisy nahare momba izany na ianareo vahoaka na izahay mpanao gazety mpampita vaovao ho anareo.

Eny, tantara daholo tokoa izany rehetra izany momban'ny hoe « governora », na sivily, na miaramila, na eo amin'ny faritany na eo amin'ny faritra. Fa manambara ihany, na tiana na tsia, fa tsy mahasoa ny firenena malagasy izany resaka governora na Ragôva izany. Inona mihitsy ary ny antony tsy nitanana ny hoe Lehiben'ny faritra ?

Ary maninona no mbola notendrena nefa efa fantatra fa tsy izany no voasoratra ao amin'ny Lalàmpanorenena niadiana mafy dia mafy tamin'ny fotoan'androny? Ary tsy nisy mihitsy hoe resaka ampahamehana na vonjy maika mandrapahatonga ny tena fifidianana ireo tompon'andraikitra ambony ireo.

Sa tena izaho mihitsy no mila voatsiary ? Asa aloha fa raha dinihina indray ny vola ho kirakirain-dry governoram-paritra isany dia mampanontany tena ihany koa.
Izao mantsy : tsy misy mitovy ireo faritra ireo na ny halehibeny, na ny isan'ny mponina ao aminy, na ny toe-tany, eny na ny toe-tsaina.

Voasoratra anefa, tamin'iny Filankevitry ny minisitra tamin'ny 25 Septambra 2019 iny « fa raha vao voatendry ny governora rehetra dia omena 1 miliara Ariary isam-paritra hanaovany asa maika tahaka ny lalàna rarivato, ny tsena, sy ny fotodrafitrasa tena ilain'ny mponina andavanandro, ao anatin'ny telo volana ».

Maika marina ny fampandrosoana fa tsy midika kosa fa tokony ho maika tsy faingana. Mbola misy faritra miisa 12 no tsy manana ny governorany tamin'ny ora nanoratako ity lahatsoratra ity. Ary tsy maintsy hisy olon-kafa ho tendrena ihany koa hanampy ireo governoram-paritra eo amin'ny fanatontosany ny andraikiny.

Hisy indray izany ny hiteny fa « mpamadika » aho ary ao koa anefa no hitehaka ilaza mihitsy hoe : romboy ! Izaho anefa miala avy amina zava-nisy sy niainana izay tsy nitondra ny firenena malagasy mankaiza, indrindra rehefa tsy hajaina io Lalàna fototra io. Inona moa no niafaran'ingahy Marc Ravalomanana fatra niteny foana hoe : « Tsy ny hahafaly ny vahoka (sitrapony izany) no ilaina fa ny mahasoa azy. Fantatro ny mahasoa ny vahoaka» ?

Tadidio koa ingahy Maharante Jean de Dieu, governoran'ny faritany mizaka tenan'i Toliara. Mapar no nahalany azy ho solombavambahoaka fa notendren'ny fitondrana Hvm minisitra (Raharaham-panjakana dia avy eo Paositra) izy. Izany hoe nomena fahefana ; nomena vola izy nampiasany dia ny volam-panjakana na «budget» izany. Inona no nataony ? Nahodiny ny ampahan'ireo volam-bahoaka ireo ary amin'izao fotoana izao izy mitsotsotra mihinana ireo halatra bevata ireo any ivelany any, ary tena tsy misy manelingelina.

Fa torak'izany i James Andrianalisoa, Talen'ny ACM teo aloha, sy Henry Rabary-Njaka tsy misy izay tsy mahalala. Notendritendrena fahatany tao dia lasa niazo an'i Lafrantsa reny malalany tsy nisy nanakana. Misimisy ihany ny toa ireo mifitsaka eto an-tanindrazana toa anjely latsaka an-tany tampoka.

Izany Jaobarison Randrianarivony izany anie ka notendritendrena ho Filohan'ny filan-kevitry ny BCMM (« Bureau de cadastre minier de Madagascar ») ary natao Filohan'ny filan-kevitry ny KRAOMA koa e ! Vola be no miodina ao...

Nanao « oui, Monsieur le Président » daholo ary mbola hanao « oui, Monsieur le Président » daholo ihany koa ny ankamaroan'ny olom-boatendry rehetra. Fa fahadisoako ve rehefa hisy hanondrana ny sasany satria tsy ho voafehin'io fahefana miaro vola be io ?

Eo moa isika hijery sy hahita ny 4X4 vaovaon'ireo governoram-paritra ireo. Ny «plaques rouges» vaovao aza toa tsy mety mihena fa vao mainka mitombo eny an-dàlana rehetra eny... Resaka hafa tokoa izany fa hajanoko eo aloha.

Fa izao ny fehiny ity lahatsoratro ity: raha mbola tsy manaja ny Lalàmpanorenana satria izao sy izao (amin'izao moa dia voalaza fa «maika ny fampandrosoana ka tsy afaka miandry») dia hanjaka foana ny fanamparam-pahefana isan-karazany satria ny amin'ny fotony mihitsy ve no hitsahana ka tsy hanondrana ireo any an-tany lavitr'andriana, izay tsy voafidy na ny iray aza ?

Marina fa hihaona amin'ny Filohan'ny Repoblika matetika izy ireo. Fa hampiova inona moa izany satria ho hafa mihitsy ny « Oui, Monsieur le Président » (io ilay hoe manao «béni-oui-oui») sy ny tena zavatra hiseho any am-potony, any amin'ny faritra sasany. Manahy tatitra toa ny niseho tany Antsakabary aho, marina e !

Tsara ny mahatoky, ny mahatoky olona sy ny mahatoky tena. Fa voatohitry ny sasany ve ny fakam-panahy entin'ny fahefana tonga tampoka sy ny vola be amina lavitrisa (miliara), toa tsy ho lany ? Iza aminareo no hahatoky saka nefa trondro ny laoka ? Mbola ingahy Marc Ravalomanana ihany koa no nanambara fa: « ny vola misy fa ny fampiasana azy no manahirana ». Ahoana ny fandraisanareo io tenininy io ?

Ao anatin'izany rehetra izany tsotra ny fanontaniako: manozona ve aho ? Mandehana ary manontany an'i Maharante Jean de Dieu e ! Farany dia farany: toa tsy mahare feo avy amin'ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) mikasika ireto governoram-paritra tendrena ireto isika. Izany hoe n'iza n'iza eo amin'ny fitondrana izany dia azony atao daholo izay hitany fa « hahasoa ny vahoaka », fa tsy ny lalàna no arahina an-tsipirihiny ?

Tena mbola lavitra ezaka ny tolona natomboko ny taona 1972 raha izany. Satria hivarina sy hiverin-dalàna isaka ny misy mpitondra vaovao raha izany. Dia esory mihitsy koa raha izany ilay amin'ny Savaranonando milaza fa «Ny Vahoaka malagasy masi-mandidy». Malagasy aho ary manaja koa ny tenin'ireo razambentsika milaza fa ny hendry ihany no anarina.

Non, je suis un garde-fou mais pas (encore) un fou tout court. Si les tirs ne sont pas très vite rectifiés (je demande uniquement d'aller dans le bon sens et dans le pur respect de l'Etat de droit), l'Histoire du pays, conjuguée à un Futur jonché d'un tas de déjà-vu et déjà-entendu -sous d'autres formes et formules-, me donnera toujours raison. Comprenne qui pourra ou voudra. Fanahy niniako ireo teny frantsay ireo fa tsy fahadisoana akory. Ka dia am-bava omana ao am-po mieritreritra, Tompokolahy sy Tompokovavy.


Jeannot Ramambazafy - Lahatsoratra nivoaka ao amin'ny "La Gazette de la Grande île" Sabotsy 28 Septambra 2019

Mis à jour ( Samedi, 28 Septembre 2019 10:26 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024

 

Beijing. Intervention du Président Andry Rajoelina, lors de la Table ronde sur le Développement économique Madagascar-Chine 2024