Firenena tsy manana Tantara, Tompoko, tsy Firenena ary izany Tantaram-pirenena izany tsy tantara valamaty na noforonina fa miala amina zavatra nisy voaporofo. Izany Tantaram-pirenena izany dia miampita amin'ny alalan'ny soratra izay mitoetra mandrakizay. Ny mpanakiana tsy maintsy misy ary hisy raha mbola tany koa ny tany ary raha mbola olombelona nofo sy rĂ na lio. Inona anefa no mba handrefesan'izy ireo ny fankahalana sy halako bika tsy tiako tarehy ary fialonana mibaiko azy ireo? Tsy inona izany fa ny tsaho izay teny na resaka mandeha mitety hatrany, izay tsy mbola voafototra na marina na tsia; na koa vaovao tsy fanta-pototra heno miely ombieny ombieny.
Ny eto amin'ny madagate kosa, nanomboka ny 13 Febroary 2001, izany hoe 19 taona lasa izay, dia miala avy amina vaovao mari-pototra sy misy porofo (sary, soratra, feo) ny lahatsoratra avoakanay. Taona 2020 izao. Nahatratra izany ianao mpamaky, ka arahabaina ianao. Fa tsotra kosa ny toro-hevitray ho an'ireo minia miresaka zavatra tsy fantany na tsy voafehiny mihitsy akory : ovao ny famindra fa fohy ny fandalovana eto an-tany ka mba lova tsara hapetraka ho an'ny taranaka e ! Samia ho lava velona hinjina ny nanafafiny ny tsairairay... !
Ity manaraka ity izany ny soratra mirakitra ny Jery todika sy ny Hoavin'i Madagasikara, novelabelaran'ny Filohan'ny Repoblika, Andry Rajoelina, ny Talata 31 Desambra 2019, nanomboka tamin'ny valo ora hariva. Tehirizo tsara dia amin'ny 2021 indray ny fotoana raha mbola velon'aina e!
“ Ry Malagasy namako manerana ny Nosy,
Afaka ora vitsy dia hifarana sahady ny taona 2019, ary handray ny taom-baovao 2020 isika. Ity taona vaovao 2020 ity dia manana ny maha izy azy manokana eo amin'ny fiainan'ny Firenena satria ho feno 60 taona ny niverenan'ny Fahaleovantenan-tsika.
Koa am-pifaliana sy am-pitiavana ary aravoana tanteraka no itsidiako ny isan-tokan-trano tsirairay avy fiarahabako ny Malagasy rehetra tsy an-kanavaka.
Arahaba nahatratra ny faran'ny taona; arahaba nomen-Janahary tombon'andro; arahaba ho lavirin-dratsy sy hieren-doza ary miarahaba sahady antsika rehetra tratry ny taona vaovao 2020.
Taona irarian-tsika hitondra soa sy fanambinana ho an'ny fianakaviana sy ho an'ny Malagasy rehetra tsy vaky volo ity taona vaovao ity.
Â
Ry Malagasy namako,
Hifarana sahady ity ny taona 2019, taona voalohany nirosoan-tsika tamin'ny fanomboana ny asa fanarenana, ny fampandrosoana ny Firenena ihany koa taorian'ny nanomezana ahy ny andraikitra lehibe hitondra ny Firenena.
Iny taona iny tokoa mantsy no nanomboan-tsika nametraka ny fototry ny fandrosoana tian-tsika ho tanterahina eto amin'ny Firenena. Be ireo dingana sy asa notontosaina izay namerina indray ny Fanantenana sy ny Finoana tamin'ny maro izay efa tsy nisy intsony. Maro koa anefa ireo fisedrana nolalovana sy mbola diavina ankehitriny. Firenena tahaka ny inona tokoa manko no mba noraisina raha nandray ny fitantĂ nana ny Firenena ny tenako.
Dia, raha fintinina, dia firenena nanjakan'ny tsy fandriampahalemana; Firenena latsaka lalina tao anatin'ny kolikoly; Firenena niaina tanteraka tao anatin'ny gaboraraka sy ny fanararaotam-pahefana ary, indrindra, ny tsindry hazo lena isan-karazany.
Ny zava-nisy dia tsy nahatoky ny fitondram-panjakana ny ratsa-mangaikany rehetra intsony ny vahoaka tamin'izany fotoana izany, ary ny ankamaroany aza dia very fanahy mbola velona toa ny valala voatango. Izany ny toe-javatra nisy teto amin'ny Firenena raha nandray ny fitantĂ nana ny tenako.
Koa manoloana ireo toe-javatra rehetra ireo, raha vao vita ny fianianako, dia nataoko avy hatrany ny ezaka rehetra hanarenana izany toe-javatra tsy nety izany. Tsy mandry andro, tsy mandry alina ny tenako nanao ny ezaka rehetra izay tratry ny aiko ampandrosoana an'i Madagasikara. Miasa tsy ankiato miaraka amiko ireo mpiara-miasa amiko rehetra, ary singaniko manokana amin'izany ny Praiminisitra Lehiben'ny Governemanta sy ny Mpikambana ao amin'ny Governemanta rehetra.
Ary raha izahay, niezaka kosa ny androso; miezaka ny hampandroso dia indrisy fa misy ireo miezaka misintona hiverin-dĂ lana ary mikasa ny hampianjera sy ny handrodana mihitsy aza. Izany ny toe-tsaina mbola misy eto amintsika : mikasa ny hisakana ny fampandrosoana tiana apetraka eto amin'ity Firenena mamin-tsika ity.
Tsy fotoanan'ny fanakorontanana intsony izao. Ny vahoaka malagasy rahateo dia efa mangetaheta fivoarana sy fandrosoana ary te-hiala ao anatin'izao fijaliana sy fahantrana lalina izay misy ny Firenena izao. Aleho izahay hiasa; aleho isika ry Malagasy hiaraka hiroso amin'ny fanarenana fa indrindra, raha toa ka misy ihany, raha mbola misy ihany, na dia kely aza, ny Fitiavan-tsika an'ity tanindrazan-tsika ity, dia andao isika iaraha-hientana anavotra azy.
Â
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Ry Malagasy namako,
Raha atao jery todika kely ireo asa efa natomboka, ary ireo tetik'asa sy vina mbola ho atao, izay hanamaritra ny fanamby ho tanterahina sy hanatanterahina ny velirano dia toa izao manaraka izao : taorian'ny nandraisako ny fitantĂ nana ny Firenena, dia nitodika taty Madagasikara ny mason'izao tontolo izao. Raha tsy nanana ny toerana mendrika azy tokoa mantsy i Madagasikara teo amin'ny sehatra iraisam-pirenena teo aloha, dia ankehitriny ny akamaroan'ireo firenena any ivelany sy aty Afrika dia mitodika tanteraka aty amintsika. Anisan'izany, ohatra, ny firenena any tandrefana, dia hita taratra izany. Fa maro koa ireo Firenena maniry ny fiaraha-miasa sy fiaraha-mientana amintsika ankehitriny, satria tsapan'izy ireo fa manana fahavononana isika; manana vina isika ary manana mpitarika mavitrik isika izay hanova ny fomba fitantĂ nana sy ny fomba fijery mba hoentina hampandroso an'ity Firenenan-tsika ity.
Anisan'izany, ohatra, ny fanasan'ny Nosy Maorisy sy ny Sénégal antsika, izay nasaina manokana ho vahiny mana-kaja, izay sambany tamin'ny fankalazana ny fetim-pirenenan'izy ireo izany. Tao ihany koa ireo fivoriana maro natrehina toa ny tany Rosia. Nandeha ihany koa isika tany Japon izay nazahoana famatsiam-bola ary nandeha ihany koa tamin'ny fitsidihana ara-pomba ofisialy tany Frantsa. Nisy ihany koa ny fivoriana izay natao ary natrehan-tsika tany Ethiopie, ny tany Abu Dhabi, ny tany Kenya sy ny maro tsy voatanisa.
Maro ireo zavatra nisongadina nanamarika ny Tantaran'ny Firenena tamin'ny taona 2019 iny. Isan'izany, ohatra, ary tsy adinoina, fa mijanona ao am-po-ntsika, ny fahatongavan'ny Papa Ray Masina François teto amintsika. Raha tamin'ny taona 1989 tokoa mantsy no nitsidika teto amintsika ny Papa Ray Masina Jean Paul Faharoa, dia telopolo taona taty aoriana indray vao tonga taty amintsika ny Papa François. Fahasoavana lehibe ho an'ny Firenena izany.
Tsy azo adino koa ny fitsidihana voalohany nataon'ny Filohan'ny Banky Iraisam-pirenena, David Malpass, taorian'ny nandraisany ny asany, satria rehefa hitany ny tetik'asan-tsika, hitan'ny vina-tsika, dia tsapan'izy ireo fa tokony io vina napetra-ntsika io no atao modely aty Afrika ary vonona tanteraka ny Banky Iraisam-pirenena hanampy, ary efa nanome famatsiam-bola mitentina 400 millions de dollars ho an'ny Firenena malagasy izany.
Nisy koa ireo fitsidihana ara-pomba ofisialy izay natao tany Frantsa. Fotoana izany nafahantsika nanamarika ary, indrindra, nametrahan-tsika fa tokony ho tanterahina ny famerenana sy ny fomba hitantĂ nana ireo Nosy malagasy aty amin'ny Ranomasim-be Indianina. Satria Fiandrianam-pirenena izany, ary efa nambarako ombieny ombieny, fa mila miray fo mila miray saina ary mila mifanome tĂ nana ny Malagasy raha mbola tia Tanindrazana amin'izany Tolona goavana ataon-tsika izany, hatramin'ny Tolona 1947, izay nametraka ny Fiandrianam-pirenena izao tohizan-tsika izao, satria raha tamin'ny taona 1979 no nivoaka izany fametrahana ny hamerenana ireo Nosy ireo amin'ny Malagasy, dia izao indray izany isika vao mitaky sy mametraka fomba fitakiana an'izany Nosy malagasy izany.
Isan'ny nisongadina ihany koa, tamin'ity taona ity, ny nankalazan-tsika tamin'ny fomba manetriketrika, tamin'ny fomba izay maha mendrika azy ny faha-59 taona niverenan'ny Fahaleovantena ary izay nanasa-ntsika ny Filoham-pirenena avy any Rwanda, dia i Paul Kagame sy ny vadiny teto an-tanindrazana izany.
Tokony ho tohizan-tsika ny ezaka efa natomboka ary mila ny Firaisankinan'ny samy Malagasy rehetra izany, indrindra raha resaka Fiandrianam-pirenena sy Fampandrosoana no asian-teny. Efa nasehon-tsika izany nandritra ny fiadiana ny amboaran'ny Afrika teo amin'ny resaka baolina kitra. Satria, raha tsy hita teo amin'ny sehatra iraisam-pirenena mihitsy i Madagasikara tamin'ny resaka baolina kitra, dia ankehitriny mamiratra toa ny masoandro be lohataona tamin'ny alĂ lanan'ny Barea, fa vitantsika, ary afaka ataon-tsika ny mampisongadina an'i Madagasikara sy mampamiratra an'i Madagasikara eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena.
Tamin'ny resaka baolina kitra izany dia noporofoin-tsika fa nandresy ireo kalaza toa ny Nigeria sy toa ny Congo i Madagasikara, ary maro ihany koa ireo ekipa izay lavon'ny Barean'i Madagasikara. Nandresy ireo ekipa lehibe matanjaka izany isika, nampitambatra sy nampiray fo ny Malagasy rehetra ny Barea: voalohany teo amin'ny Tantaram-pirenena izany.
Mila mifampahatoky isika raha tiana ny hanarina sy ny hampandroso marina ny Tanindrazan-tsika. Ary amafisiko hatrany hatrany fa ilaina ny firaisam-pirenena, izay no antoka iray mitarika antsika amin'izany Fanarenana izany sy ny Fampandrosoana an'ity Nosy malala-ntsika ity. Nisy ny teny nifanarahana ary napetraka ny lamin'asa mba hampandrosoana aingana an'i Madagasikara.
Raha nanao velirano tamin'ny Malagasy ny tenako hananganana sy hanavotana an'i Madagasikara, dia tsy maintsy mandalo ambaratonga maro sy antĂ nan-tohotra maro izany. Tahaka ny hoe manangana tranobe an'i Madagasikara isika rehetra, dia miainga amin'ny fametrahana ny fototra izany, mandalo amin'ny fananganana ny rindrina, miroso amin'ny fampiakarana ny rihana izay vao manafo. Ary aorianan'izay isika vao mipetraka. Izany hoe misitraka ny vokatry ny asa goavana niaraha-namita satria ny tao trano tsy efan'irery ary tsy vita raha tsy ifanakonana.
Ao anatin'izany fananganana izany dia misy ireo mitazam-potsiny, misy ireo mitsikera, misy ireo manarabiraby, misy mihitsy aza ireo maneso ary ao mihitsy aza vao etsy am-pametrahana ny fototra isika dia manakivy sahady amin'ny hoe : tsy hisy trano hijoro eo; manakiana fa tsy ho tanteraka izany vina izany; tsy ho tanteraka izany velirano izany; tsy ho tanteraka ny fananganana izany trano ho ahorina izany. Eo koa ireo mitazam-potsiny izay tsy mino intsony izany fandrosoana sy fivoaran'i Madagasikara izany. Tsy ataontsika hahakivy anefa izany fa vao mainka mampijoro. Isika tsy maintsy mandroso, i Madagasikara dia tsy maintsy tafita ary ny tanjona izay napetraka dia tsy maintsy ho tanterahina avokoa.
Miasa aingana isika ry Malagasy mpiray Tanindrazana ary tsy mitaraina tĂ na-miepaka ihany koa, eny na andro Alahady aza. Raha nodinianareo, dia tsy misy fotoana hiala-tsasatra satria ny zavatra tsy vita nandritra ny taona maro tokoa mantsy dia noezahin-tsika notanterahina tao anatina fotoana fohy. Izay no nahatonga antsika miasa mafy ary miasa aingana mba hanatanteraka ireo velirano izay napetra-ntsika miaraka.
Anisan'ny ezaka natao, ohatra, ny mikasika ny karama farany ambany izay iaraha-mahalala fa tsy ampy ivelomana, indrindra ho an'ireo izay kely karama indrindra. Izay no nahatonga ny fandraisana fanapahan-kevitra ny hoe hampiakatra, ary nampiakarin-tsika ho 200.000 ariary ny karama farany ambany tamin'ny volana May 1999. Teo ihany koa ny asa sy ny lamina napetraka mba hampiverina ny Fandriampahalemana.
Raha tsy ampy fitaovana koa mantsy ny Foloalindahy nentiny niady tamin'ireo asan-dahalo maroisan-karazany sy asan-jiolahy, raha anarana fotsiny sisa izany hoe tafika an'abakabaka izany, fa tsy nanana intsony na fiaramanidina na angindim-by nampiasaina izy ireo; raha nandeha fiara ireo jiolahy rehefa manafika, dia tsy mba nanana ny mpitandro ny filaminana fa mandeha tongotra ny ankamaroan'izy ireo. Koa tao anatin'ny dimy volana monja dia notanterahintsika ny velirano voalohany, satria iaraha-mahita, hiraha-mahatsapa ary hita-ntsika rehetra fa novatsina fitaovana ny mpitandro filaminana. Nomena helikoptera telo izy ireo; fiaramanidina Cessna dimy; fiaramanidina Casa afaka mitondra andian-tafika ary afaka mamonjy koa ireo loza voajanahary; afaka ampiasain'ny Foloalindahy, afaka ampiasain'ny BNGRC izany. Novatsiana fiara maro ihany koa, izay tsy laitran'ny bala, sy fiara tsy mataho-dĂ lana isan-karazany ny Foloalindahy malagasy. Efa ela tokoa mantsy no tsy nisy fampitaovana toa izao ary ankehitriny dia niverina tanteraka ny hasin'ny Foloalindahy malagasy.
Tsapako ihany koa ny fasahiranan'ny isa-tokantrano, indrindra eo amin'ny ara-tsakafo. Izay no nanafarana vary mora sy nanokafana indray ny Tsena Mora manerana ny Nosy. Ary mba hafahan'izy ireo, indrindra ireo fianakaviana tena sahirana, mividy vary, menaka, siramamy amin'ny vidiny mirary. Ary dia mbola mitohy izany ankehitriny manerana an'i Madagasikara.
Teo ihany koa ny fandraisana andraikitra izay mila fasahiana tanteraka niatrika ireo orinasa mpanafatra sy mpamatsy solika eto amintsika. Tsy mora izany fa natao ary ny vokany dia voafehy ankehitriny ny vidin'ny solika ho an'ny mpanjifa. Ary ny isan'ny zava-dehibe indrindra, dia tsy misy intsony ny fanampiana aloan'ny Fanjakana amin'izy ireo, izay tsara ny manamarika fa mitentina 69 tapitrisa dôlara izay naloa isan-taona nandritra ny dimy taona lasa izay. Fa ankehitriny dia tsy misy izany “subvention” na fanampiana ataon'ny Fanjakana ho an'ireo orinasa ireo intsony manomboka izao.
Izany hoe, mba fantatrareo hoe hahavitana inona izany vola 69 tapitrisa dĂ´lara izay naloa tamin'ny mpamatsy solika izany? Hahavitan-tsika efitrano fianarana miisa 7100 isan-taona.
Natao laharam-pahamehana ihany koa ny fananganana ireo sekolim-panjakana mba anaraka ny fenitra mba ho tsara noho ny amin'ireny sekoly tsy miankina ireny. Natombon-tsika izany tamin'ny fananganana ny Epp manara-penitra tany Toamasina ary tao anatin'ny 40 andro monja dia vita izany sekoly manara-penitra izany, izay hahitana trano famakiam-boky; hahitana solosaina; hahitana efitrano fianarana voaravaka sy mampivelatra ny saina ihany koa; hahitana fitaovana sy dabilio maoderina, saria mendrika izany ny sekolim-panjakana sy ny zaza malagasy.
Ambetiteniko ny hoe : ahoana tokoa moa no afahan'ny zaza malagasy mampitombo ny fahalalany raha toa ka zaza manana boky aza mbola sahirana amin'ny fianarana, mainka fa tsy misy boky mihitsy. Fanta-tsika fa tsy manana boky ny ankamaroan'ny sekolim-panjakana manerana ny Nosy ankehitriny. Hitako izany, tamin'izaho nanao fitsidiam-paritra manerana an'i Madagasikara mbola talohan'ny naha Filoham-pirenena ny tenako. Ary izay no antony nametrahana ny fanamby ka ireo ankizy rehetra manala fanadinana dia tsy maintsy vatsiana boky avokoa. Ary nandrafetan-tsika ihany koa ny Politika Nasionaly izarana rakibolana ho an'ny sekolim-panjakana rehetra manerana an'i Madagasikara.
Tsy diso anjara amin'izany koa ny mpianatra izay te-hanohy ny fianarany eny amin'ny ambaratonga ambony. Fantatra fa tsy ampy ny oniversite andray ireo mpianatra izay afaka baccalauréat. Satria fanta-tsika fa miisa 80.000 isan-taona izy ireo raha toa ka 20.000 ihany no mba afaka tafiditra amin'ireny sekoly na oniversite ambaratonga ambony ireny, na io amin'ny oniversite na ny anjerimanontolom-panjakana, na io amin'ny tsy miankina. Noho izany dia miteraka fasahiranana goavana ho an'ireo ray aman-dreny izay mandefa ireo zanany mianatra amin-toerana lavitry ny toeram-ponenan'izy ireo. Misy ireo avy any amin'ny faritra no tonga eto an-dRenivohitra ary misy ireo avy any amin'ny faritra mankany amin'ny faritra sasan-tsasany hanohizany an'izany fianarana amin'izany ambaratonga ambony izany.
Izay no antony ametrahan-tsika ny oniversite isam-paritra izay natomboka tamin'ity taona ity ny asa fanorenana an'izy ireny. Ny antsika mantsy dia efa niteny aho hoe : Asa fa tsy Kabary. Nohoizany dia efa nametraka isika ny any amin'ny faritra maromaro. Toa izany ny any Antsirabe, ny any Morondava, ny any Fenoarivo Atsinanana ary ny an'Itasy izay hamatrahana oniversite manara-penitra avokoa.
Â
Ry Tanora Malagasy namako,
Ny hitsinjo anareo ihany koa no velirano nataoko, mba hafahanareo mamorona asa mahavelona, izay no velirano ary efa nataoko ary efa manomboka amin'izao isika miteny izao. Koa ho fitsinjovana indrindra ny tanora mba hihoatra amin'ny fiainany no nametrahana voalohany teto amintsika ny atrik'asa Fihariana fahafana mamatsy vola ireo tetik'asa voafantina izay mitentina 400.000 ariary. Izany hoe misy famantsiam-bola 400.000 ariary ka hatramin'ny 200 millions ariary izay omena, izay efa maro ireo tanora, ireo vehivavy, ireo lehilahy nahazo izany famatsiam-bola izany ankehitriny.
Efa miparitaka any amin'ny faritra 22 ankehitriny ny biraon'ny Fihariana ary 117.000 no isan'ny antonta taratasy voaray ary maro amin'izy ireo no efa voafantina tamin'izany ka 2.722 ny tetik'asa efa nahazo famatsiam-bola ankehitriny, ary mitentina 19 miliara ariary ny fanampiana noentina ho azy ireo. Maro ireo sehatra namatsiam-bola toa ny fambolena, ny fiompiana, ary misy ireo orinasa izay nandray avy hatrany ny vokatra avy amin'izy ireo. Satria rehefa mamokatra ireo tanora dia misy ireo orinasa izay mandray ireo vokatra novokarin'ireo orinasa izay noforonin'ireo tanora.
Eo amin'ny resaka foto-drafitrasa mampitohy ny faritra dia anisan'ny zava-dehibe, ary isan'ny laharam-pahamehana ihany koa, ny fanamboarana ny lalam-pirenena entina mamoaka ny vokatra isam-paritra. Indrindra any amin'ireo tany be mpamokatra. Efa natomboka ny lalam-pirenena faha-44 na ny RN 44 any Alaotra Mangoro izay toerana mpamokatra vary be indrindra sady sompitr'i Madagasikara, mba hafahan'izy ireo hanamorana sy ny hanamatsiana ara-bary ny faritra rehetra manerana ny Nosy.
Toa izany koa ny lalam-pirenena faha-5A na ny RN 5A izay mampitohy an'Ambilobe sy Vohémar, izay lasa natao fampielezan-kevitra tany aloha tany. Firy moa no efa nametraka vato fehizoro hanomboana iny là lana iny? Fa izao: milaza miara-mahita isika ary efa manomboka, efa eo an-dà lam-panamboarana ary efa eo an-dà lam-pahavitana izany là lam-pirenena izany.
Tsy adino ihany koa ny là lam-pirenena faha-5 mampitohy an'i Toamasina mianavaratra izay tena efa potika tanteraka sy rava tanteraka mihitsy aza teo aloha satria dia mihoatra ny adin'ny efatra ny fandehanana tamin'iny là lana iny. Saingy eo an-dà lam-pahavitana izany isika ankehitriny ary dia natao béton mba haharitra mihoatra ny telopolo taona any ho any ny amafin'izany asa izany. Satria rehefa namboarina iny dia azon'ny orana dia matetika potika foana iny là lana izay any amin'ny faritra Atsinanana iny. Koa ankehitriny aza, dia efa ao anatin'ny adiny iray sasany dia vita ao anatin'izany iny là lana miala ao Toamasina mankany Foulpointe iny.
Nasian-tsika fanarenana sy fanamboarana ihany koa ny lakan-dranon'ny Pangalana mampitohy an'i Toamasina an'Ambila Lemaitso, Vatomandry, Mahanoro, Nosy Varika, Mananjary ary Manakara. Mba hanamorana ny fahafan'ny olona sy ny entana mivezivezy ary indrindra ireo vokatra fanondrana izay afaka taterina ihany koa mivezivezy an-dranomamy izany. Ezaka lehibe, noho izany, no nataontsika tao amin'ireo fanamboarana ny lĂ lana an-tanety na ny lĂ lana an-dranomamy koa, dia efa natombon-tsika izany tamin'iny taona lasa iny.
Mbola maro ireo tokan-trano mampiasa solika sy labozia hoentina manazava ny tokan-trano ankehitriny. Ary anisan'ny velirano natao koa izany mba hanamorana sy hafahan'ny olona mahazo fahazavana amin'ny vidiny mirary. Noho izany dia nanomboka ny fanapariahana ireo jiro mandeha avy amin'ny herinaratra azo avy amin'ny masoandro isika, izay efa manomboka ny fizarana sy ny fivarotana izay afaka aloha tsikelikely an'izy ireo manerana ny Nosy mba hitondra hazavana isaky ny tokan-trano.
Eo izany rehetra izany, fa tsy afaka mandroso isika raha tsy mahafantatra ny Tantaran-tsika. Avy aiza marina moa isika ? Ary ho aiza ? Mila omena sehatra manokana, noho izany, ny Kolontsaina sy ny Vakoka malagasy. Izay indrindra no nanombohan-tsika ny Fanarenana ny Rovan'i Manjakamiadana izay mitahiry ny Tantaran'i Madagasikara. Ho hita-ntsika ao anatin'izany Rova izany, rehefa vita io, ireo Vakoka sy Tahiry ary indrindra ny fampiainana amin'ny fomba maoderina sy mampiasa ny teknolojia vaovao, ny momba ireo Mpanjaka nifandimby. Ho hita-ntsika eo izany ny Mpanjaka nifandimby rehetra izay nanamarika ny Tantara sy ny Kabary izay nataon'izy ireo. Dia ho hita-ntsika ao avokoa ny toe-piainany, izany hoe hampiasa an'ireny “hologrammes” ireny isika. Izany hoe rehefa ho vita io Rovan'i Manjakamiadana io dia ho reharehan-tsika Malagasy. Ary ho vitain-tsika ao anaty fotoana fohy sy fotoana aingana satria afaka enim-bolana monja. Izany hoe ny faha-26 ny volana Jona 2020 dia hitokana an'izany Rovan'i Manjakamadiana izay mitahiry ny Vakoka sy ny Tantaran'ny Firenena izany isika.
Ary sy ny Tantara ihany fa ilaina ihany koa ny miaina ny Kanto sy ny Kolontsaina malagasy satria izany no mampisongadina ny maha-Malagasy antsika. Betsaka ireo tanora manana talenta, amin'ny fitendrena zava-maneno, ohatra, amin'ny resaka dihy, mahay mikabary na te-hianatra kabary, mahay hoso-doko na te-hianatra hoso-doko, nefa tsy ampy na tsy misy mihitsy ny toeram-piofanana matihanina eto amintsika. Izay no nametrahan-tsika ny Akademia Nasionalin'ny Zava-kanto sy ny Kolontsaina izay naorina eto amin'ny ampahan-tany lehibe eto amin'ny faritra misy ny Lapam-panjakana eto Ambohitsorohitra. Satria manana ny toerana manokana ato am-poko ny Zava-kanto malagasy. Izay no tsy nitadiavana toerana hafa fa nanorenana izany mba hijanona eo amin'ny Tantara mba hafahan'ny tanora malagasy mampiroborobo ny talenta izay misy ao aminy.
Tsy nataon-tsika latsa-danja ihany koa ny Fanatanjahantena. Tao ny fanohanana sy ny fanampiana ireo athletan-tsika ary maro ireo vokatra satria dia namiratra tokoa i Madagasikara tamin'ity taona ity, raha tsy itanisa fotsiny ny maha tompon-dakan'ny Afrika isika tamin'ny taranja maro. Ohatra: tompon-dakan'ny Afrika isika izao, tamin'ity taona ity, tamin'ny fibatana fonjam-by. Ny taranja kanetibe dia tompon-dakan'ny Afrika ihany koa isika. Tao ihany koa ny taranja Baskety tamin'ny mpilalao telo. Ny taranja baolina lavalava dia tompon-dakan'ny Afrika ihany koa tamin'ny sokajy U20 i Madagasikara. Ary maha tompon-daka antsika ihany koa aty amin'ny ranomasim-be Indianina eo amin'ny taranja baolina kitra vehivavy eo amin'ny sokajy U20.
Hitanareo amin'izany fa rehefa mifampahatoky isika, rehefa mifanampy, rehefa mifanome tĂ nana dia afaka ataon-tsika ny manatratra an'ireo tanjona rehetra tsy tratran-tsika hatrizay hatrizay. Izao izany dia tompon-dakan'ny Afrika tamin'ny sehatra maro i Madagasikara.
Teo ihany koa ny fametrahana foto-drafitrasa maro toa ny kianja manara-penitra tany Toamasina. Tsy ho ela dia ho vita ihany koa ny kianja manara-penitra any Antsiranana, ny any Morondava sy ny any Taolagnaro. Efa velirano nataoko ary efa nolazaiko anareo ihany koa fa hamboarin-tsika ary hapetra-tsika ho kianja Barea ny Kianjaben'i Mahamasina. Izany hoe Kianjan'ny Barea ny ao Mahamasina. Ho ataon-tsika maoderina manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Hisy “Hôtels” ao afaka mandray vahiny. Fa hisy ihany koa ireo tranoheva afahana mivarotra mba hampidi-bola ho an'ny Tanà nan'Antananarivo. Izany ny foto-drafitrasa ataon-tsika mba hamerina, indrindra mba ho Vakoka ho eto an-dRenivohitr'i Madagasikara ihany koa izany Kianjaben'i Mahamasina izay ho Kianjan'ny Barea izany.
Toa izany koa : tsy ho diso anjara amin'izany ireo faritra manerana an'i Madagasikara. Noho izany dia maro ireo kianja manara-penitra izay efa nanomboka ny fanamboarana azy ireo, hapetraka any amin'ny Distrikta 32 manerana ny Nosy, izay misy bozaka manaraka ny fenitra ankatoavin'ny FIFA, na koa “terrains synthétiques” izany.
Ny fanorenana toeram-ponenana sahaza ho an'ny vahoaka malagasy dia anisan'ny velirano natao ihany koa. Raha tsiahivina tokoa mantsy ny tetik'asa lehibe farany ho fanatsarana ny toeram-ponenan'ny Malagasy, dia natao teo anelanelan'ny taona 1960 ka hatramin'ny taona 1975 nanaovana ireo trano fonenana ipetrahan'ny Malagasy. Anisan'izany, ohatra, ny cités Ampefiloha, ny cités Ambohipo, ny cités 67 ha, ny cités Valpinson any Toamasina, ny cités Antarandoloa any Fianarantsoa, ny cités Tsaramandroso any Mahajanga, ny cités Scama any Antsiranana. Izany cités rehetra nolazain-tsika izany dia efa 50 taona lasa no nanaovana azy ireo. Taty aoriana dia tsy nisy intsony ny tetik'asa lehibe izany hoentina mba afahan'ny Malagasy tsy an-kanavaka mba mahazo trano sahaza azy. Ankehitriny, 50 taona, 60 taona aty aoriana isika dia manana tetik'asa ara-ponenana efa voafaritra efa voarafitra hoentina mba hafahan'ny mpiray Tanindrazana misitraka sy manana toeram-ponenana, trano fonenana mendrika sy sahaza azy avy.
Ary raha toa ka “buildings” miisa 6, ohatra ny etsy Analamahitsy, “buildings” miisa 6 etsy Ambodin'Isotry, izay naorina tamin'izany taona izany, dia “buildings” miisa 38 kosa no indray haorin-tsika etsy Ivato, amin'izao fanomboana ny tetik'asa izao. Ary ho atao manerana ny Nosy io. Ireo “buildings” ireo dia mba entina hampiakarana ireo atao hoe “classes moyennes” na ireo sokajin'olona sahalan-tsalany izay efa tsy misy intsony ankehitriny. Maro ireo tanora mba maniry hahazo izany trano izany ary mbola maro ny “buildings” hatsanga-ntsika, na eto Antananarivo na any amin'ny faritra manerana an'i Madagasikara.
Na dia betsaka aza ireo asa natomboka sy vita, dia mbola maro ny asa miandry sy ny olana mbola mipetraka tsy maintsy ho vonjena sy arenina ary tsy maintsy ho vahana ihany koa. Maro ny olana fa isika dia tsy maintsy mitondra ny vahaolana.
Anisan'izany ny orinasa Jirama izay mandohalika tanteraka ankehitriny. Iaraha-mahalala ny olana mipetraka eo anivon'ny fitantĂ nana; eo ihany koa ny fahanteran'ny fitaovana ampiasaina izay efa mihoatra ny 60 taona ny ankamaroan'izy ireo toa ny fantsona mitondra ny rano isaky ny tokan-trano sy any an-tokan-trano tsirairay avy ihany, izay maro amin'izy ireny no efa simba avy koa; maro amin'izy ireny no arafesina ary misy ny fahavakisana any ambanin'ny tany any. Ka mahatonga ny 30% ny rano izay mandeha sy izay vokarin-tsika ho very avokoa.
Eo ihany koa ny fitombon'ny isan'ny mponina izay mitombo ary mampitombo ihany koa ny filĂ na ary miteraka tsy fahampiana izany. Satria, raha ny eto Antananarivo fotsiny, dia raha ny foto-drafitrasa napetraka teto, amin'ny famatsiana rano teto, dia natao ho ana olona miisa 300.000. Ankehitriny nefa dia efa mihoatra ny 2.000.000, 3.000.000 tapitrisa ny isan'ny mponina eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina. Ary tsara ny ahafantaranareo fa ireo foto-drafitr'asa ireo dia efa napetraka talohan'ny nahazoan-tsika ny Fahaleovantena. Izany hoe efa tany amin'ny taona 1960 tany.
Tsy maintsy mitondra vahaolana maharitra anefa isika, ary efa eo an-dalĂ m-pametrahana izany isika ankehitriny manoloana ny zava-misy sy olana rehetra mipetraka ireo, mba tsy hisian'ny fijaliana rano sy ny fahatapahan-jiro intsony ka hamahana tanteraka ny olana. Efa manomboka ny foto-drafitr'asa fampitomboana ny famokarana rano isika ao Mandroseza ankehitriny. Efa mihoatra ny 40.000 m3 ny rano ho vokarina sy hampiana ao Mandroseza sy any amin'ny toerana maro isan-karazany ihany koa eto an-dRenivohitra.
Hanomboka amin'ny fanoloana sy ny fanadiovana ireo fantsona amin'ny fomba maoderina ihany koa isika, amin'ny alà lan'ny “robots”. Izany hoe misy fitaovana manara-penitra halefa any anatin'ireny “tuyaux” na fantsona ireny, izay hanadio azy ireny tanteraka ary izay simba tanteraka ihany koa dia ho soloina vaovao. Ka amin'ny volana Janoary sy Febroary ho avy izao, dia ho avy eto ireo manam-pahaizana manokana amin'izany hanomboka izany asa izany. Toa izany koa ny any amin'ny faritra manerana ny Nosy, izay tsy nandrasana fotoana ela fa vao tafapetraka teo amin'ny fitondrana ny tenako dia nanomboka ny fanampiana na fanamboarana ireny “châteaux d'eau” na ireny toerana fitobian'ny rano ireny mba hampitombo ny famokarana ny rano any amin'ny faritra. Anisan'izany, ohatra, ny any Antsiranana, izay efa nanomboka; anisan'izany koa ny any Mahajanga, ny any Ambatondrazaka, ny any Antsirabe, ny any Fianarantsoa ary ny any Morondava. Nomena fitaovana manara-penitra sy foto-drafitr'asa vaovao ihany koa ny ankamaroan'ireo tanà na ireo. Ny hafa dia mbola hatomboka sy ho tohizana amin'ity taona vaovao ho tsidian-tsika ity.
Mahavelom-bolo ireo ezaka natomboka sy notanterahina, na dia sarotra sy tsy mora aza ny fanarenanany Firenena. Ny tanjona tian-tsika hahatongavana mantsy dia ny fahatratrarana ireo fahatarana an-taonany maro teo amin'ny fampandrosoana ny Firenena. Efa ela loatra ny vahoaka malagasy no niandrandra Fandrosoana. Fantatro, tsapako fa maika isika. Ekeko izany. Misy ny ezaka vita, tsy azo lavina izany. Misy ny tsy tomombana, tsy diso izany. Marina fa misy ny fitavozavozan'ny tompon'andraikitra sasan-tsasany manoloana ny asa goavana sy maika tsy azo ampiandrasana, tsy azo angatahina andro. Koa andeha ho raisin-tsika ho lesona sy ho angovo hanosika antsika hanao ny tsaratsara kokoa ary ho raisin-tsika ho fisedrana ireny rehetra ireny hanatsarana ny fomba fiasa.
Mitaky fiaraha-mientana sy firaisan-kina anefa izany satria asa ifandrobonan'ny rehetra ny asa fampandrosoana ny Firenena. Ary tsy adidiko izahy samy irery fa adidiko izaho sy ianao. Noho izany dia hiroso amin'ny dingana manaraka amin'ity taona vaovao 2020 ity, izay manana ny toerany manokana satria ho feno 60 taona ny niverenan'ny Fahaleovantenantsika. Ho taona antenain-tsika afahana mandrefy ny vokatra azo tsapahin-tĂ nana izany taona vaovao izany.
Â
Ry Malagasy namako,
Ny faniriako dia ho taona hampitombo ny ambo-pom-pirenena sy ny fitiavan-tanindrazana ao amintsika tsirairay avy ary mba andray ny andraikitra tandrify azy tsirairay avy isika rehetra.
Ho taona tokony hamerenana sy hanamafisana ny Firaisan-kinan'ny Malagasy manontolo io taona vaovao io. Tokana ny fahavaloko; tokana ny fahavalonao; tokana ny fahavalon-tsika dia ny fahantrana.
Tsy maintsy atrehin-tsika miaraka ny fampandrosoana sy ny fananganana ho avy mamiratra ho an'ny Malagasy.
Â
Ry mpiasam-panjakana,
Reko ny antsonareo, indrindra mikasika ny karama. Rehef nifandinika tamin'ny teknisianina sy ny Minisitra tompon'andraikitra ny tenako, dia ilaina ary ho atao ny fampiakarana ny karama. Raha 7% no nahazatra tany aloha tany, dia tsy ataon-tsika 7% na 8% izany, na koa 9% ary tsy ho atao 10% na 11% ary tsy ho ataon-tsika 12% fa 13% ny fampiakarana ny karaman'ny mpiasam-panjakana ary hatomboka manomboka ny volana Janoary ity izany. Ho an'ny mpiasam-panjakana.
Eto aho dia mahatsiaro manokana ihany koa ireo any am-ponja ary nataoko laharam-pahamehana ny fitsinjovana ny zon'izy ireo, na mikasika ny zon'olombelona. Na dia voafonja aza izy ireo dia manana ny zony satria olombelona ohatran-tsika ihany. Olana mipetraka ary toa tsy nisy nijery mihitsy hatramin'izay mantsy izany, indrindra ny fomba fitĂ nana am-ponja ireo voafonja eto Madagasikara.
Hitako maso ary natrehako fa mihoatra lavitra ny isan'ny olona tokony ipetraka ao anaty efitrano iray sy miaina ao anatin'izany efitrano iray izany eny amin'ny ireny fonja ireny. Ohatra : ny efitrano iray mirefy 60m2 izay hahitana olona maherin'ny 200 no miaina ao, tsy manaja ny zo maha olombelona izany. Izay no isan'ny antony nananganana fonja manerana ny Nosy, mba hitsinjovana ny maha olona azy ireny. Ary koa mba afahan'izy ireo manitsy, mba afahantsika manitsy ny lĂ lan'izy ireo izay nania, mba hiverenany ho olona mendrika eo anivon'ny fiaraha-monina.
Ny ankamaroan'ny fonja dia hasian-tsika toeram-piofanana; hasiana toerana fambolena, mba izy ireo ihany no mamokatra ny sakafo izay hoanin'izy ireo. Izany ny fomba fijerin-tsika ankehitriny.
Teo ihany koa ny fanafainganana ny fitsarana satria betsaka loatra ireo olona voafonja nefa tsy voatsara raha tsy afaka volana maro, na taona maro mihitsy. Rehefa nametraka ny toromarika aho dia isaorako manokana eto ireo mpitsara izay nanao ny ezaka satria dia efa azo tsapahin-tĂ nana ny vokatra azo amin'izany, satria dia maro ireo efa voatsara ka ireo tsy meloka dia efa namonjy ny tokan-tranony ankehitriny.
Eto kosa aho dia hanome famindra-po sy fampienan-tsazy ho an'ireo olona izay voasazy ary efa voatsara ka toa izao izany :
Fanalefahan-tsazy : 3 volana ho an'ireo olona voazasy migadra herintaona; 4 volana ho an'ireo olona voazasy migadra mihoatra ny 1 taona ka hatramin'ny 2 taona; 6 volana ho an'ireo olona voasazy migadra mihoatra ny 2 taona ka hatramin'ny 3 taona; 8 volana ho an'ireo olona voazasy migadra mihoatra ny 3 taona ka hatramin'ny 5 taona; 12 volana ho an'ireo olona voaheloka manao sazy an-terivozona amin'ny fotoana voafetra 5 taona farafahakeliny.
Fanalefahan-tsazy tanteraka kosa ho an'ireo olona voazasy noho ny heloka tsotra, nefa efa nahavita 5 taona farafahakeliny tany am-ponja, feno 50 taona farafahakeliny ho an'ny vehivavy, ary 55 taona farafahakeliny ho an'ny lehilahy, amin'ny datin'andro ivoahan'izao didim-panjakĂ na izao.
Famelan-tsazy tanteraka ho an'ireo olona voasazy noho ny heloka bevava, ka efa nahavita 15 taona farafahakeliny tany am-ponja, rehefa feno 60 taona farafahakeliny ho an'ny vehivavy, ary 65 taona farafahakeliny ho an'ny lehilahy, amin'ny datin'andro ivoahan'izao didim-panjakĂ na izao.
Ary farany, famelan-tsazy tanteraka kosa ho an'ny zaza tsy ampy taona izay efa nahavita ny antsasaky ny sazy izay azon'izy ireo.
Anisan'ny velirano natao ihany koa ny ady amin'ny kolikoly. Nisy ny ezaka azo tsapahin-tĂ nana, nefa mbola maro ihany koa ny lesoka ao anatin'izany fiadiana ami'ny kolikoly izany. Mila hamafisina, noho izany, ny fanasaziana ary mila maka fepetra entitra ireo tompon'andraikitra rehetra izay mahatsapa fa mbola hanjakan'izany kolikoly izany. Eo ny resaka tsolotra; eo ny resaka ady tany; eo ny resaka any amin'ny fitsarana; any amin'ny sehatry ny fahasalamana; any amin'ny sehatry ny ladoany; any amin'ny sehatry ny seranam-piaramanidina izay efa nisy ny fepetra noraisin-tsika.
Noho izany dia tsy hisy indra-fo isika fa ho tohizana hatrany ny ezaka mba hiadivana hampiena ny kolikoly eto amin'ny firenena.
Ry Malagasy namako,
Miankina amin'ny fahaizan-tsika mifanome tĂ nana; miankina amin'ny firaisam-po, ny firaisan-tsaina ao anatin'ny fitiavan-tanindrazana no hafahan-tsika mampandroso an'i Madagasikara malalan-tsika. Amin'ny alĂ lan'ny fiaraha-mientana no hafantsika manangana ho avy mamiratra ho an'ity Firenena malalan-tsika ity.
Matoky aho fa tsy misy tsy vitan'ny Fitiavana satria ny Fitiavana no lehibe indrindra.
Koa anteriko ny firariantsoa mba ho taona zina feno fahombiazana ary mirakitra Fahasoavana ho antsika tsirairay avy sy ho antsika mianakavy anie ity taona vaovao 2020 ity.
Samia isika ho tahian'Andriamanitra tsy ho arofy.
Misaotra Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy”.
Andry Rajoelina
Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara
31 Desambra 2019
Nandika an-tsoratra avy tamin'ny feo heno nivantana tao amin'ny Radio Nasionaly Malagasy, FM 99.2 : Jeannot RAMAMBAZAFY