]
Les quotidiens du 23 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Didier Ignace Ratsiraka, TV Plus 08.04.2020. Ho tsaroan'ny Tantaram-pirenena

Didier Ignace Ratsiraka, TV Plus 08.04.2020. Ho tsaroan'ny Tantaram-pirenena

Miarahaba ny vahoaka malagasy tsy vaky volo, izay afaka mihaino sy mijery an'izao resadresaka sy dinidikina ao ambany tafo trano izao.

Ady no atrehin-tsika amin'izao fotoana izao, ary mavaivay. Raha ohatra ka hita ilay fahavalo, moramora ihany no miaro tena sy manohitra azy. Kanefa ity fahavalo anankiray ity, areti-mandoza. Tsy ny Arema akory no areti-mandoza fa ny Covid-19.

Raha nahita ny feon-javatra manerana an'i Madagasikara, manerana an'izao tontolo izao, nahita ny ezaka nataon'ny mpitsabo mpanampy sy ireo miaramila, ireo mpitondra ny ambilansy, ny zandarima, polisy, indrindra indrindra ireo mpitsabo sy ny mpitsabo mpanampy, infirmiers, na ny filles de salle... dia tsy aiko ny tsy aneho ny fankasitrahana sy fankatelemana eram-po eran-tsaina amin'ny asa nataon'izy ireo. Niaro antsika mianakavy; niaro ny ankohonantsika; niaro ny firenentsika.

Rehefa misy miaramila niady ka navahita ny adidiny soa aman-tsara, omena décoration izy. Izaho tsy manana décoration fa fisaorana sy fankatelemana, averiko ihany : eram-po eran-tsaina no mba atolotro an'ireo olona niaro antsika ireo. Andriamanitra Tsitoa, Andriamanitra Fanaperana indrindra hanampy antsika koa. Isaorana azy eram-po, eran-tsaina, eram-panahy izany amin'izao Semaine Sainte, Herinandro Masina izao ary mialohan'ny Pâques.

Ka ny voalohan'ny teniko, manaraka izany, ny voalohan'ny teniko dia tsy azo vidiam-bola, tsy azo vidiana amina harena ny zavara nataonareo sy ny fihetsika nasehonareo nandritra izay 15, 16 andro izay. Ny zavatra any mba azoko atao, raha sitrakareo, amin'ireto Brigades d'intervention spéciale ireto, izay manao ny ainy tsy ho zavatra marain-tsy hariva, dia mba manolotra vola kely, tsy azo vidiam-bola hoy aho! Fa marika ny fankasitrahana. 6 millions de Fmg (Ttf : 1.200.000 ariary) no atolotro an'ireo Brigades d'intervention spéciale ireo.

Manaraka izany, tsy fantatro ny isan'ny CSB I CSB II (Ttf : CSB = Centre de santé de base), ny olona any Anosiala, any Befelatanàna, any Girard et Robic (Ttf : Centre hospitalier de Soavinandriana na CENHOSOA), any Andohatapenaka. Tsy fantatro ny isany fa dia hoe CSB I CSB II eto Antananarivo, Toamasina, Fianarantsoa, izay misy an'ity confinement ity, mba tolorana 6 millions Fmg ihany koa.

Dia farany, ireo miasa any Anosiala, any amin'ny hopitaly manara-penitra, any BefelatanĂ na sy ny sisa, sy any Toamasina, any Fianarantsoa, tolorana 6 millions Fmg ihany koa. 18 millions izany (Ttf : 3.600.000 ariary). Kely sy bitika. Kely, kely, kely sy bitika. Poto-mofo izany. Kanefa, io no ny retraite-ko (fisotroan-dronono) amin'ny maha Filoham-pirenena ahy, isam-bolana. Ka ny retraite-ko tamin'ny volana marsa no atolotro ampanajana, ampanetrehin-tena an'ireo Dokotera sy mpitsabo, mpitsabo mpanampy, infirmiers voalaza teo.

Vao mainka ho mafy ny ady satria mandroso mankany amin'ny ririnina isika izao. Teo isika nisy mafana niaroaro kely, satria misotro dité mafana, ranon'ampango, citronelle, ravim-boafotsy, manaova hevoka, mamindro satria hoe mafana mety hiarovana amin'ny valan'aretina covis-19. Dia anefa isika izao manomboka mangatsiaka ny andro. Vao mainko ho mafy izany ny ady. Sao isika mahita hoe misy 7 no sitrana ka hiraviravy tànana. Enga anie ka tsy hiraviravy tànana isika fa vao mainka hamafisina ny fepetra rehetra sy ny fifehezan-tena sy ny fifehezana asehon-tsika Firenana malagasy, asehon-tsika an'izao tontolo izao.

Marina fa hatramin'izao, ohatra ny mety ny ataon-tsika satria fanta-tsika mialoha ireo olona mety hitondra ny otrik'aretina covid-19. Avy any Frantsa, avy any Maorisy, Ehtiopie, avy any Kenya, sy ny sisa sy ny sisa, ka mora mora ihany no nanara-maso azy ireo. Fa izao isika, izao vao tena tonga ny ady mafana satria contamination de contact no misy. Tsy fantatra hoe avy aiza, iza ? Ka raha mba azoko atao ny manamafy ny efa voalazan'ny Filoham-pirenena, ny Mpitondra Fanjakana, ny Dokotera, ny Profesora, sy ny sisa sy ny sisa : amafiso, Tompoko, ny fiarovan-tena ! Ny fanasana tĂ nana, ny mihevina ao aty amin'ny kiho, ny mikitrano an-trano... mibodika izy aminay Betsimisaraka, mibodika.

Izahay izao moa zatra kilasimandry. Tao amin'ny Saint Michel (Ttf: Kolejy Katolika ao Amparibe). Indray mandeha isaky ny herinandro vao mivoaka. Tany amin'ny Lycée Henry IV tany Andafy, teny ambony sambo, indrindra indrindra tao amin'ny “Jeanne d'Arc” (Ttf: sambo mpitonda angidim-by), nanao tour du monde izahay. Miala avy ao Brest mandalo amin'ny Canal de Suez, Canal de Panama hatrany Hong Kong, hatrany Hawaii, Los Angeles, Tokyo, Kobe. Indray mandeha isaky ny firy andro moa aho vao mahita tany vao afaka mivoaka? Tsy maty aho izao mbola hitanareo mbola velona izao.

Aza mifoka zavatra mahadomelina. Atsipy ny teny amin'ny manan-tsaina, atsipy ny tady an-tandroky ny omby. Manaraka izany, tokony misy ny fifehezan-tena (...) Kanefa izao : tsy anatra fa torohevitra avy any amin'ny antitra. Izaho izao, nifoka sigara taloha. Nifoka sigara be Cohiba avy any amin'i Fidel Castro. Tsy novidiako ireny fa nomeny fotsiny. Telo paquerrs isam-bolana. Najanoko izany satria tsy mety ho an'ny fahasalamako. Tsy nisy dokotera, tsy nisy nananatra ahy fa izaho tompony... tsy mety amin'ny fahasalamako dia najanoko. Muchas gracias compañero Fidel. Isaorako izy.

Izaho izao, ohatry ny olona rehetra. Misotro toaka moa tsy dia nataoko loatra fa nisotro divay. Nisotro divay dia najanoko tamin'ny 1958, 1956 akory aza satria izaho joueur mpanao baolina. N°9 ny numero-ko tao amin'ny Fortior (Club de la côte Est), tao amin'ny équipe internationale malagasy, satria tao amin'ny équipe internationale malagasy ny tenako, médaillé de bronze (alimo). Numéro 9 aho tany amin'ny Stade français tany Andafy. Tsy mety amiko ity misotro divay ity dia najanoko. Tsy nisotro na eran'ny sotro ana champagne aza izaho tamin'ny mariazinay. Fifehezan-tena. Izany no mba angatahina amintsika fisaorana an'ireo dokotera sy ny Paraméd niaro antsika andro aman'alina.

Mafy loatra ve izany ry vahoaka malagasy ? Tsia, mora izany. Tsy fididin'ny sasany, maro amintsika tsy fidiny ny tsy miasa intsony; ny artista tsy mihira intsony, tsy misy fidiram-bola. Misy ny avant, misy ny après. Jereo izao: tany Tokyo najanony ny athlétisme saika natao tany. Angamba tsy hitovy intsony ilay kalazalahy taloha amin'ny 100 m na amin'ny 200 m na amin'ny 2.000 m na amin'ny marathon na amin'ny saut en longueur na amin'ny saut en hauteur... satria tsy nanao entrainement. Mety ho hafa ny avant, hafa ny après.

Aleho isika dia miomana dieny izao amin'ny après. Tsy eo amin'ny fahasalamana ihany fa ara-ekonomika. Hiova tanteraka ny fisehon-javatra, tapitra hatreo angamba ny mondialisation, tapitra hatreo angamba la pensée unique. Hiova ny fifandraisan'izao tontolo izao. Tokony miomana amin'izany isika vahoaka malagasy. Raha vahoaka marefo, tsisy discipline, tsy vono-kiady, tsy ho tafavoaka. Miova daholo. Jereo ny Amerikana izao fa tsy ao amin'ny UNESCO intsony. Vao eo izao, henoko tamin'ny vaovao teo fa hoe ny président-ny Amerikana, Donald Trump, mitady hiala amin'ny OMS fa tsy faly hono izy amin'ny fitantanan'ny OMS ny raharaha, raha nantsoiny ny fanapahan-kevitra eny amin'ny Nations-Unies.

 

Fanontaniana : efa nisy ve ny fifampiresahana teo aminao sy ny Filoha Andry Rajoelina?

Nisy ka, nisy dia nisy tokoa. Izy moa sahirana fa indraindray rehefa tsy mahazo azy aho dia mandefa sms na mandefa message amin'ny whatsapp. Tsy secret d'Ă©tat izany. Izahay izao anie efa nanao fianianana e ! Fa hanompo ny firenena mandrapahatapitry ny fofonaina !

Izao ny zavatra tokony ho tsipihina, sao adino : ahoana ny firenena sasany no tafita fa Madagasikara tsy tafita? Rwanda. Io moa no atao exemple matetitka, atao modely. An an an. Modely tsy modely ny Rwanda amiko. Ianareo angamba tsy hahatanty ny zavatra atao any Rwanda. Tsy mahatanty didy jadona ianareo. Ary impiry niova moa ny filohampirenena tany Rwanda ? Habyarimana namako, ilay novonoin-dry zareo, tamin'ilay génocide (Tff : ny tena marina dia nisy nitifitra ny fiaramanidina nitondra ity Filohan'ny Rwanda ity ny 6 Aprily 1994 rehefa nisidina an'i Kigali. Io no nitarika ilay génocide tamin'io taona io ihany. Niara-maty tamin'i Juvénal Habyarimana, ny filohan'ny Burundi Cyprien Ntarymira), dia io (Ttf : Paul Kagame no tian'i Didier Ratsiraka tenenina).

Ny antsika impiry niova ? Mandeha eny an-dalambe! Coup d'état ! Miova, miova, miova. Io no tsy nahatafavoaka an'i Madagasikara. Tsy misy continuité de l'Etat. Exemples roa fotsiny no ho raisiko, iainan-tsika amin'izao fotoana izao. Misy manesoeso hoe : hopitaly manara-penitra tsy izy. Ka raha tsy nisy hopitaly manara-penitra ? Ampiasaina izy izao ! Raha tsy nisy ny CSB I sy CSB II, aiza isika ? 1978, 42 ans ny CSB I; 35 ans izao ny CSB II. Azo atao angamba fa fankalazana ny 35è anniversaire-ny CSB II no ataon-tsika izao. Io izy io. Eto Antananarivo fotsiny efa misy 17, 18... 53 angamba raha tsy diso aho farafahakeliny. Izany hoe : misy ny contituité de l'Etat, mahavoa isika; tsy misy ny continuité de l'Etat, voa mafy isika.

 

Fanontaniana : Tokony ho tohizana ve ny fihibohana sa tsia ?

Izay no nataoko tamin'ny voalohany teo : izahay tany amin'ny “Jeanne d'Arc”, impiry ? Isaky ny 15 andro vao mahita tany, mihiboka ao, ao amin'ny “Jeanne d'Arc”. Tsy maty izahay satria mission izany. Amiko, vao mainka ho mafy, hoy aho, amin'izao fahatongavan'ny ririnina izao ny ady. Satria contamination de contact. Ilau olona nifanerasera tamin-tsika; ilay olona novidy mofo tary, nanakalo vola dia nomenao vola izy dia... Sarotra dia sarotra no mi-tracer an'ireny, no manaraka an'ireny. Ary maharitra ela io. Amikodia tokony hamafisina ilay confinement.

Izay no angatahiko amin'ny vahoaka malagasy tsirairay, fanampiana ireo Dokotera sy ireo Paraméd rehetra ireo izay manao ny ainy tsy ho zavatra : ampio izy ireny. Tsy azo vidiam-bola ny sacrifices ataon'izy ireo, fahafoizan-tena. Dia tokony mba mahafoy tena isika mipetraka any an-trano raha tsy misy zavatra tsy azo anoharana no hivoana ny trano. Aza mifandray tànana amin'ny namana; aza mifanoroka. Misy ny sasany manao vazivazy hoe : tsy orohina izany ve ny vady ? Ahoana moa ny vadinao ve tsy azonao orohina fa raha voan'ny coronavirus kosa dia hajanona ny fanorohina azy.

Hiamafy io ka tokony manaiky isika. Rehefa avy, rehefa tafavoaka soa aman-tsara isika, mangataka famindra-poamin'Andriamanitra ho tafavoaka soa aman-tsara, izay isika vao hisento, hitotorebika. Izay angamba no mahavaly ny fanontanianao.

 

Fanontaniana : Fahitanao ny réquistion haino aman-jery ?

Zavatra normal mihitsy izany. Etat d'urgence no atao ary ity tsy hoa aingintraingitra fa zavatra tena ilaina satria sao misy mamoaka vaovao tsy marina mampisavoritaka ny saim-bahoaka, na amin'ny lafiny ratsiny io na amin'ny lafiny tsara. Mety hisy ilazana hoe : misy 100 no maty. Mampikorontana izay. Raha milaza isika : misy 100 no sitrana, mampikorontana izay. Ka aoka vaovao marina anankiray izay valider-ny OMS no hampafantarina antsika.

 

Fanontaniana : Ahoana ny momba ireo vahoaka, izay hoanina anio tadiavina anio ?

Angamba ataoko f'efa manao izay ho afany ny fanjakana amin'ireny fanomezana ireny. Betsaka tokoa ny mpitrongo vao omana, betsaka ilay miasa anio hoanina anio, na hoanina rahampitso, kanefa io ohatry ny ady io e ! Na Jeneraly ianao, na Kolonely ianao, ny Lietnà ianao na Vango mena na Vango fotsy -asa raha fantatrareo ny dikan'ny Vango mena sy Vango fotsy-, na Serzà ianao na Kapôraly, samy miafy daholo, samy manao ezaka daholo. Marina fa mety tsy hitovy : ilay anankiray ao anaty tranchées, ny anankiray ato ambony helicoptère, kanefa ezaka tsy maintsy atao miaraka io.

Efa manao ezaka ny fanjakana, dia tokony mba manao ezaka misimisy kokoa angamba ary arakaraky ny ezahin-tsika amin'ilay confinement no handresen-tsika malaky an'io valan'aretina mba hafahana mivelona. Fantatro fa angamba 70%-ny Malagasy no ao anaty secteur informel, kanefa akory atao moa. Io moa, araka ny nolazaiko teo hoe : tsy sahala amin'izao anie ny firenentsika raha ohatra ka nisy ny continuité de l'Etat e. Betsaka ny zavatra nakatona. Jreo izao, tamin'ny fotoan'androny ny hoe : 4 unités sucrières no teto Madagasikara tamin'ny andron'ny vazaha. Tsy ampy izany dia nanao isika an'n Siranala (Ttf: Siramamin'Analaiva), 5è unité sucrière, nopotehina; grevy, nopotehina. 15 millions, 20 millions de dollars no nanaovana azy, amin'izao fotoana izao, hanavotana an'io angamba any amin'ny 100 millions de dollars, 150 millions de dollars. Hitanareo ny fahavoazan'ny firenena amin'izany. Ny zavatra natao tsy notohizina, izay mba tsara natao tokony notohizana.

 

Fanontaniana. Paik'ady ara-toekarena hiatrehana ny aorian'ny covid-19 ?

Mba miezaka isika ny hiavo-tena. Io anie efa tao anaty Boky mena ny fanavotam-pirenena. Fiovana mahery vaika ara-toe-tsaina : révolution drastique des mentalités. Dia miavo-tena isika. Manahirana ahy ny ilaza hoe izao no tokony atao. Tsy izaho no mpitondra, misy mpitondra fanjakana efa manana ny paik'adiny izy, tokony izao isika dia efa mandinika : inona no atao amin'izao secteur izao; inona no atao amin'izao secteur izao; inona no atao amin'izao secteur izao... Ampandeferana kely ity asa ity fa ity no maika, izay hafahan-tsika mizakatena, mahaleotena tanteraka.

Efa nambarako ombieny ombieny io taloha : nous sommes indépendants mais nous ne sommes pas souverains. Manana indépendance isika fa tsy manana souveraineté. Ny antony ? Tsy isika no mifehy ny vidin'entana afaran-tsika avy any ivelany; tsy isika koa no mifehy ny entana aondran-tsika mankany ivelany. Izany no nanaovako discours tany La Havane, tamin'ny Sommet des Non-alignés 1979, trois Fonds des Non-Alignés : Fonds d'investissement; Fonds d'aide à la balance de paiement; Fixation du prix des matières premières. Noteneniko tamin'ny izany ny OPEP (Ttf :Organisation des pays exportateurs de pétrole) : ianareo OPEP, 35 dollars ny baril izao, mihevitra ianareo fa mahavita azy irery. Non, tsy mahavita azy irery ianareo. Indray andro any tsy hilaina intsony ny pétrole na ho ritra io. Andao isika atao kitapo iray ny zavatra aondrantsika any ivelany. Ny sasany mamokatra dite, ny kafe, ny jirofo, ny lavanila, ny cobalt, ny nickel, ny uranimu, etsetra etsetra. Dia ny ampahany tehirizina hijerena ny vodiandro ho merika. Fehezin-tsika ny vidin'entana rehetra.

Aiza no misy ny OPEP ? Any Autriche. Angaha misy pétrole any Autriche ? Any ivelany. Aiza no misy ny organisation internationale du café ? Any Londres. Aiza ny kafen'ny Anglisy ? Aty amintsika ny kafe, etsetra, etsetra. Dia nahazo standing ovation hoe : io atao document officiel des Non-alignés. Nefa tsy nampiarina. Hélas, hélas, hélas trois fois hélas : tsy nampiarina.

Dia manao ny NEPAD (Ttf : Nouveau Partenariat pour le développement de l'Afrique) isika izao any Afrika. Aiza ny NEPAD ? Hiova hatrany tanteraka ny zavatra amin'ity virus ity. Dia tokony miomana ami'izany isika. Efa mba natao ny ezaka rehetra : nanao micro-réalisations; nanao micro-hydraulique... aiza ireny ? 1.300 tracteurs, aiza ireny ? 2.000 camions IFA, aiza ireny ? FIMA, FIBATA, aiza ireny ? Mba niezaka fanangonam-bokatra 1.500 tonnes, magasin Hercule Antonov. 75 no nandeha manerana an'i Madagasikara. Aiza ireny ? Namidy natao ferraille. Mampalahelo, mampitomany.

Izaho nilaza ny stratégie de l'an 2000 : ny firenena matanjaka indrindra, les grandes puissances de l'an 2000, ce sont les pays et nations qui peuvent s'auto-suffire, mahavita tena ara-tsakafo dia manondrana any ivelany ny ambi-bava. Efa vita-tsika izany teo amin'ny 1990 teo. Tonga indray moa ny Hery Velona Rasalama... Potika. Nefa efa nametraka isika semences sélectionnées tany amin'ny Nosy Boribory. Nahavitana riz de luxe ny semences sélectionnées. Tsy hivalapatra amin'iny aho fa zavatrahafa banjinina.

 

Fanontaniana. Any ivelany, miaka-tsehatrany Praiminisitra manao conférences de presse sy débats amin'ireny fahitalavitra ireny. Eto amintsika toa tsy hita sehatra loatra ny Praiminisitra. Ahoana no mety ho fandikanao ny zava-misy eto Madagasikara izay, hoe lasa aiza ny Praiminisitra amin'izao ?

Izany hoe, tsara ny mamalifaly ny mpanao gazety, ny haino aman-jery, kanefa miasa andro aman'alina izy, ka raha ohatra ka miasa andro aman'alina izy sady aty no ary, aty no ary, mety ny anankiray amin'ireo mety tsy ho vitany. F'efa misy minisitra, efa misy olona nifanarahin-dryzareo, efa lamina napetraky ny Filoham-pirenena angamba izany hoe, izao : Ranona manao an'izao, Ranona manao an'izao... Angamba ataoko fa -tsy miaro azy aho, fa afaka miaro tena izy- raha tsy diso aho, roa andro lasa izay tany Majunga sy Nosy Be izy. Il n'a pas le don d'ubiquité : sady eto izy no ery. Tsy miaro azy aho fa marina fa tsy dia heno firy izy kanefa efa miteny ny Filoha, manan-joky afak'olan-teny, manan-jandry afak'olan'entana. Izy angamba mibaby entana, ny Prezidan'ny Repoblika... angamba efa betsaka kosa ny ezaka nataon'ny Filoham-pirenena ampahafantatra antsika vahoaka hoe izao no atao izao ny ady, izao no atao, izao indray ny dingana manaraka. Mamerimberina an'izay ve no tianareo ho ataony (Ttf : ny Praiminisitra eto no resahina) ? Manjary ohatra ny tsy mety indray raha mamerimerina indray ny efa voalaza teo. Sao dia misy phrase kely mifandiso dia ohatra ny hoe an an an, ny ministre-ny Intérieur milaza an'izao, ny any Haute Matsiatra milaza an'izao, mifandiso kelo eo dia efa mitsaingoka ianareo hitsara azy. Tsy miaro aza aho fa evereko izay ny fandehan-javatra, ny lamina mety napetraky ny Filoham-pirenena ka inona koa no mety ho tenenin'ny Praiministra rehefa avy niteny ny Président an'ny République ?

Aza adino, niady tamin'ny choléra aho izany, isika. Tany Befandriana, raha tsy diso aho, nisy. Io tsy maintsy ilàna, tsy dia jadona fa autorité de l'Etat. Nasiako barrière sanitaires isaky ny frontière : mankany Diego, Antsiranana, Doxycycline. Nanaraka daholo ny Dokotera na publics na privés miaraka amin'ny miaramila. Mankany Majunga, mankany Toamasina, mankaty Antananarivo, mankany Toliara, Fianarantsoa. Izany no nahafehezan-tsika [ny choléra] : tsy tonga teto Antananarivo, tsy tonga tany Toamasina, tsy tonga tany Toliara, tsy tonga tany Fianarantsoa ny choléra. Inona no zavatra nitranga ? Nimenomenona ny Médecins sans Frontières, ny Médecins du Monde. An an an, tsy lasa ny taon-dRatsiraka, tsy mahay n'inona n'inona. Raha misy fahazarana amin'io Doxycycline tsy mandraitra intsony io, potika i Madagasikara. Dia hoy aho : mangina ianareo, izaho no responsable, efa nanao fianianana aho hiaro ny vahoaka malagasy, ny firenena malagasy.

Raha ohatra ka misy accoutumance amin'ny doxycycline, efa nanafatra 5 millions de boîtes de Ciprofoxacine izahay. Nanontaniako ny OMS, Médecin-Colonel no tao raha tsy diso aho: ahoana ny hevitrao ? Ianao no responsable, hoy izy. Ahoana ilay vaksiny, hoy aho. Ilay vaksin'ny choléra nataon'ny Frantsay no nataon'ny Institut Pasteur, tsy maharo raha tsy 25%, dia tsy maintsy renouveler-na tous les deux ans angamba izay tsy tadidiko, isaky ny mandeha. Nandeha any Andafy aho, niantso ny Suède : Ahoana ianareo amin'ilay vaccin Dukoral. Tonga tao amiko mihitsy ny Directeur général (Ttf : laboratoire Valneva Sweden AB), tao Paris. Mba omeo présentation hospitalière izahay fa tsy présentation commerciale mba ho moramora ho an'ny Gasy. Isika teto Madagasikara no nampiasa ny Dukoral voalohany indrindra eran'izao tontolo izao. Dukoral. Tsy tsindrona fa spray. 15 jours après, raha tsy diso aho, jereo ny almanach, na 12 jours après, vao niteny ny OMS hoe : ny Dukoral no tsara ho vaksin'ny choléra. Mila mokon-doha izany !

Nolazaina fa dictateur i Ratsiraka tamin'izany. Misy tamin'izany, tsy hiteny anaran'olona aho, fa tsy lasa ny dictature nataon'i Ratsiraka hoe : vohay ny vavanao dia ity (Ttf : atelina) ! Raha tsy nisy an'izay aiza i Madagasikara ? Hiverenako, ny nilazako an'izay. Nolazaiko ny Praiminisitra Tantely [Andrianarivo]; Rahantalalao (Ttf : ministry ny Fahasalamana tamin'izany fotoana izany); ireo profesora agrégés avy any amin'ny OMS -sao dia hisy tsy fahazoan'ny OMS-, hoe avelao izahay no hitantana azy. Izaho niady amin'ny Médecins sans Frontières.

Izay no ataon-tsika io. Hoe : ahoana ? Mifampiresaka izahay, mifanakalo hevitra, amin'ny profesora, amin'ny mpitondra fanjakana, amin'ny Président-ny République. Mifampi-téléfaonina izahay mianaka hoe : misy protocole avoakan'ny Profesora Ahmad, ministry ny Santé hoe izao ny fanafody ao, izao. Dia izao koa : misy ilay TDR, Test de détection rapide. Milaza ny OMS hoe : an an an, izahay tsy-hivalider an'io. On s'en fout, tsy maninona, hoy aho fa avelao izy tsy hi-valider fa tsy maninona. Fa raha amin'ny fiheverako, atao ity dia rehefa avy mi-revalider izy. Vao mainka tsara. Inona tokoa ? Io izy io. Natao ny protocole, ady be io hatramin'izao !

Hydroxychloroquine, ratsy, izao sy izao ! Izay no nolazaiko hoe : miptraha ao an-trano, henoy ny radio, henoy ny télé. Manaraka andro aman'alina, isan'ora isan'ora ny fizotran'ity Hydroxychloroquine ity. Ny Profesora Raoult avy any Marseille no nahita azy voalohany (...). 75% an'ireo 20 patients notsaboiny dia sitrana. Tsy faly ireo profesora gaigilahy any Andafy hoe : an an na, tsy lasa izao ataon'ny Profesora Raoult izao. Tokony hisy lamina iraisam-pirenena ary tokony ho bebe kokoa ireo olona tena tsaboina fa tsy tokony manao kapo-batana ohatran'izao. Inona no niafarany ? Tany Etazonia, niazakazaka i Donald Trump, Président Donald Trump, novidiany ny Teva, laboratoire israélien mpanao an'io (Ttf : Hydroxychloroquine). Avy dia novidiany mihitsy ilay anona rehetra hoe ity no ampiasainay.

Dia mbola nisy adihevitra fa niafarany dia nilaza ihany ny fanjakana frantsay fa azo ampiasaina io Hydroxychloroquine io, miaraka amin'ny... tsy dia tiako loatra ny miteny azy satria majary ataon'ny olona hoe... manahirana io. F'efa notenenin'ny Profesora Volonlotiana moa ny anarany, Doyenne-ny Faculté de médecine : Azithromycine, hoe miaraka ireo. Marina fa ny Hydroxychloroquine misy effets secondaires. Izaho izao voa. Nivaquine no nahavoa ny masoko. Misy effets seondaires io ho an'ny olona manana aretim-po: aretina cardiaque, na misy etsetra, etsara... izaho tsy dokotera, fa avelao ny dokotera hanazava izany.

Nefa natao ilay izy, io. Tafavoaka isika izao. Tsy hoe tena tafavoaka, je touche du bois, fa handalam-pandresena. Efa fandresena anie ny hoe : olona notsaboina tamin'io nefa tao anaty respirateur ireo pasitora anankiroa mivady dia afaka, nody any an-tranony. Porofo izany. Dia izay no nolazain'ny Profesora Raoult : aza fady, hoy izy, fa ny serment d'Hippocrate tsy ilay resaka bla-bla-bla kely any no tena izy fa tsy maintsy mitsabo ny marary isika amin'izay eo am-pela-tĂ nana. Serment d'Esculape.

 

Fanontaniana. Nisy ilay fanambarana nataon'ireny dokotera frantsay ireny hoe tokony atao aty Afrika ny vaksiny andrana na vaksin'ity aretina ity. Ny fijerinao an'izay ho an'i Madagasikara manokana ?

Izao ilay zy e! Azo raisina misy mafiny ratsy sy lafiny tsara daholo ny zavatra ataon'ny olombelona. Ny maizina misy lafiny ratsiny nefa misy lafiny tsarany satria rehefa maizina ny andro matory ianao. Ny masoandro misy lafiny ratsiny nefa misy lafiny tsarany. Tsara ny andro hoy isika Antananarivo raha oharina ny any Tamatave; ratsy ny andro satria tsy misy ny orana, hoy ry zareo any Ambovombe. Ka io manahirana io. Ilay fomba filazany azy no hotran'ny hoe colonialiste. Hoe andramana kely ka raha misy maty tsy maninona. Fa ny tiany ho lazaina amin'izay angamba dia hoe : mba iarovana ny Afrika tsy ho voa ohatry ny Eoropa io raha misy vaksiny, ahoana no tsy andramana ? Angamba izy tsy nilaza kosa hoe : Afrika ihany fa “surtout en Afrique”. Tsy naharaka ilay fanambarany aho fa ilay levée de bouclier taty aoriana fotsiny no henoko. F'angamba tsy nilaza kosa izy hoe Afrika ihany no hanaovana ilay vaksiny. Ny Sinoa anie tany aminy ihany no nanaovany azy io e. Nanao fanandramana izy ary io no nafahantsika miatrika izao aretina izao e.

Teo aloha niomehezan-dry zareo. Nisy mpanao gazety tany Frantsa nilaza hoe : nafenin'ny Sinoa ilay zavatra, nokobokoboniny tao, ny Comité central (Ttf: ny Chine dia antoko kaominista no mitondra any) niala bala, niala pa, ni-botter en touche, nafenipenina. Aza fady, Tompoko ô, tsy marina kosa angamba izany. Depuis le mois de décembre, Tompoko, no nivoaka io zavatra io tany Chine. Janvier dia efa confinés, efa quarantaine 40 millions, 50 millions de Chinois. Izay ny nolazaiko hoe mila henjana, autorité de l'Etat amin'ny fotoana sarotra ny Filoham-pirenena. Nataony ny azy. Inona moa fa tsy ny azy ihany no arahin'izao tontolo izao ? Fa tara loatra.

Tokony tamin'ny décembre, janvier, nouvel an chinois, tokony tamin'izay dia efa niomana daholo ireo : na ny usines anaovana masques na respirateurs, anaovana auto... scopes, automates, etc. etc... curare amin'ny réanimateurs... tokony niomana tamin'izany daholo. Izao efa lany. Ny Sinoa anie no mamonjy an'izao tontolo izao e! Tsetsa tsetsa tsy aritra.

Roahy, roahy e, tsy mety ny sosialisme. Ato ny fampitahana. Izy izao ny deuxième puissance du monde en 70 ans. Régime communiste io. Tsy sosialiste akory fa tena communiste aza, mbola révolution nationale démocratique na nataon'i Mao Tse Toung (Zedong). Azo alain-tahaka izany, misy zavatra halain-tahaka any.

Sahala amin'izany koa no ataon'ny Corée [Avaratra], na ny Corée du Sud aza. Détection systématique. Ry zareo asiatiques manana fifehezan-tena. Jereo anie ny firenena tsy be voa loatra eran-tany : ny rehetra manana ny appareil de distance no tsy voa. Ny olona manana discipline. Jereo Allemagne, Autriche, Suisse. Misy Allemands ao Suisse. Ireo no tena manana discipline. Ny Asiatiques, Hong Kong, Singapour, Corée... Izao hanao indray koa ny Japonais, misy discipline. Tsy mila tenenina, hanaovana décret na ordonnance fa mangataka fotsiny hoe izao no tokony atao : samy mitoka-monina daholo isika. Lasa [manaraka] daholo izy rehetra.

Ity tsetsa tsetsa tsy aritra : 1962-1963 izahay tany Tokyo, Kobe, Kyoto. Efa nitondra masque daholo ny olona tao Ginza. Ginza c'est les Champs-Elysées de Tokyo. Efa nitondra masque daholo ny Japonais mivoaka. Izay no tsy nahavoa loatrany Japon. Fifehezan-tena.

 

Fanontaniana. Raha iverenana ilay vaksiny atao aty Afrika ?

Efa voavaly fa izaho vonona ny hanandrana raha toa ka zavatra tokony hahasoa antsika. Fa tsy hoe zavatra hanapoizina an'ny Afrika. Isika koa ve adala ka zavatra hamono antsika dia ho eken-tsika. Tsy eken-tsika raha zavatra hamono antsika. Araka ny nolazaiko teo, misy fanafody manana effets secondaires, tsy azo ampiasaina raha tsy ny dokotera no manome azy any amin'ny hopitaly (Ttf : Hydroxychloroquine miampy Azithromycine izany).

Tsy maintsy jerena ny fahasalaman'ilay olona, hoe mahatanty an'ity ve ? Jerena amin'ny Ă©lectro-cardiogramme, jerena ny zava-drehetra sao cardiaquena sahala amin'izany. Ny fanafody samy fanafody no poizina. Ny fanafody rehetra, chimiques, samy fanafody, poizina. Arakaraka ny dose (Ttf : fatrany) ampiasainao.

Misaotra, Tompoko.

 

Hafatra farany ?

Tokony anao acte de contrition isika, fanenenana, fibebahana amin'Andriamanitra. Kapoka avy any amin'Andriamanitra izao miseho amintsika izao amiko. Raha diso aho, aza ariana ny tenako fa ny hevitro no ario. Kapoka, fisedrana io, fitsapĂ na io ! Jereo ny zavatra nitranga ao anatin'ny Baiboly. Mafy atoka, be loatra ny fahotana, tonga ny Sodome et Gomorrhe, potika Sodome et Gomorrhe.

Tsy hoe tsy fitiavan'Andriamanitra an'ny olombelona. Fitiavana azy io fa be loatra ny fahotana. Sahala amin'izany koa tamin'ny arche de Noë (Tff : ny safo-drano no tian'Andriamatoa Ratsiraka resahina). Izahay moa efa nahita ny mont Ararat, ao anaty Baiboly. 40 jours, 40 nuits, eo ilay quarantaine no niaviany. Dia nisava ilay zavatra izay vao nivoaka daholo ny bibyn, ny olombelona.

Nisy filazana tany Andafy fa hoe tonga ny tsunami: io dia kapoka avy any amin'Andriamanitra. Be loatra ilay fahotana. Tourisme sexuel : izay no nahavoa an-dry zareo tany amin'ny Asie du Sud-Est.

Potehin'Andriamanitra, sazy. Sazy avy any amin'Andriamanitra. Noho ny Fitiavany antsika. Saingy ny mampalahelo, ny olona tsy manan-tsiny no voa. Tokony ry zareo nanota ihany no novelesina, kanefa Andriamanitra be famindram-po, nomeny antsika ny saina mikaroka hiady amin'ilay zavatra. Be loatra ilay fahotana eran'izao tontolo izao. Isika miteny izao, izao angamba isika vao tena hiditra amin'ny XXIème siècle. Miova daholo ny zavatra rehetra.

Ny zavatra tsy vitan'ny COP21 (Ttf : 21ème Conférence des parties (COP) à la Convention cadre des Nations Unies sur les changements climatiques de 1992), COP22, COP23, COP24, COP25, nataon'Andriamanitra, vitan'ny Covid-19. Tsisy pollution intsony ao Paris, any Rome, any Naples. Tsisy dioxyde d'azote, mihena ny gaz à effet de serre manapotika ny zanak'olombelona. Efa mi-grevy ny mpianatra, 16-18 taona manerana izao tontolo izao hoe : ahoana izahay 'ty? Tokony hajanona ity gaz à effet de serre ity.

Ny pétrole, gaz, mazout, manapokika izao tontolo izao. Ahoana ny ho avinay ? An an an, c'est trop tard. Trop tard ahoana ? hoy ny ankizy. Milalao ny ankizy, henon'Andriamanitra. Ah, mafy atoka ity vahoala ity, dia andao saziana kely aloha. Io no zavatra miseho.

Ny Baiboly moa, misy famakiana azy littéral (Ttf : ara-baki-teny) sy ohatran'izao; misy famakiana azy symbolique (Ttf : arakevitra); misy ésotérique (Ttf : somary amina teny miafina ho an'ny daholobe). Tsy hiditra amin'izay aho fa symbolique fotsiny no teneniko. Ilay fandikana azy teo tsy dia mahomby loatra angamba. Satria raha miteny isika hoe Andriamanitra nahary izao tontolo izao, premier jour, andro voalohany; nahary an'izao, deuxième jour, troisième jour. Efa aty amin'ny quatrième jour, raha tsy diso aho, no nivoaka ny masoandro aman-bolana sy ny kintana, hafahanareo mankalaza ny fety ataonareo famataran'andro e !

Ka ahoana no hisian'ny premier jour; ahoana no hisian'ny deuxième jour nefa tsy nisy ny masoandro, tsy nisy ny volana, tsy nisy ny kintana ? Ilay fandikana azy no mety manahirana fa tsy ampianatra Baiboly aho fa hilaza fotsiny hoe : tokony hisaotra an'Andriamanitra isika amin'izao zavatra miseho izao, amin'ny lafiny anankiray, mitalao Aminy isika mba hanasitrana an'izao tontolo izao fa henon-tsika ny hafatra; henon-tsika ny Feony hoe : aza potehinareo ny zavatra nohariako ! J'ai créé le ciel et la terre, cultivez votre jardin, ampiasao izao, izao kanefa aza atao izao, izao. Symbolique, hoy aho. Jereo ny arche de Noë : nivoaka daholo ny biby. Jereo ao Paris, any Venise, any Rome : nivoaka daholo ny canards ; any an-toerana sasany ny chèvres. Mivoaka daholo ny biby mandeha eny amin'ny Champs-Elysées, ny Champ-de-Mars. Ah ! Gaga ny olona. Misy mahatsara azy. Mihiboka, hoy isika, confinement. Misy amin'izay no mba miverina ny fianakaviana. Tsy la bonne intsony no mikarakara ny ankizy fa izy mivady no mikarakara ny ankizy, mahandro, mitsabo ny ankizy.

Misy ny solidarité (Ttf : firaisan-kina)? Iny no notenen'ny Papa hoe : solidarité, unité, solidarité. Ny Sinoa mandefa masques, fanafody, mandefa Tests de détection rapide any Frantsa, angalarin'ny Etazonia aza ny sasany. Ny Russie mandefa any Etazonia. Tsy azo eritreretina, tsy azo pesipesenina akory izany roa volana lasa izay.

Mahay zavatra Andriamanitra. Tokony isaoran-tsika izy; tokony ibebaka isika : misaotra Andriamanitra Ă´, amin'ny kapoka nataonao, fa miangavy izahay : mafy loatra ny aretina ho an'ny kely tsy mahay mamindro, ho an'ireto tsy manan-tsiny. Mitalao Aminao izahay ny Famindram-ponao. Andriamanitra soa sy tsara indrindra, mahefa ny zavatra rehetra, nahatonga famantarana ho antsika : raha mba sitrakao, aoka izay. Tsy hahatany an'io ny Afrika. Tsy ahatanty an'io i Madagasikara raha mianaka ohatra ny any Italie, any Etazonia izao zavatra miseho izao.

Mangataka amin'Andriamanitra, Andriamanitra Tsitoha isika hoe, Andriamanitra Ă´ : voaray ny hafatra, mamindra fo aminay. Fanenenana, acte de contrition.

Misaotra, Tompokolahy, mankasitraka Tompoko vavy ".

 

Falan-dresaka nataon'ny Filoham-pirenena teo aloha, Didier Ignace Ratsiraka, tao amin'ny TV Plus Madagascar, ny 08 Aprily 2020.

Mpanao gazety : Abraham Razaf

Nandika tanteraka an-tsoratra, ho rakitry ny Tantaram-pirenena : Jeannot Ramambazafy

Mis Ă  jour ( Mercredi, 22 Avril 2020 04:03 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024

 

Beijing. Intervention du Président Andry Rajoelina, lors de la Table ronde sur le Développement économique Madagascar-Chine 2024