]
Les quotidiens du 23 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Ntsay Christian, Praiminisitra, 29.06.2021. Ny kabariny tao amin'ny Antenimierandoholona

Ntsay Christian, Praiminisitra, 29.06.2021. Ny kabariny tao amin'ny Antenimierandoholona

Lahateny fanolorana ny Tatitra mahakasika
ireo Asa fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny Fanjakana
ataon’Andriamatoa NTSAY Christian, Praiministra, Lehiben’ny Governemanta
____________

Talata, faha-29 jona 2021


Andriamatoa Filohan’ny Antenimierandoholona
Andriamatoa isany Mpikambana ao amin’ny Birao maharitra
Ramatoa sy Andriamatoa isany Ministra, Mpikambana ao amin’ny Governemanta
Ramatoa sy Andriamatoa isany Loholon’i Madagasikara
Isika rehetra manatrika etoana,
Tompokolahy sy Tompokovavy,


Ampifaliana no hiarahabako anareo, amin’ny anaran’ny Mpikambana rehetra ato anatin’ny Governementa sy amin’ny anaran’ny tenako manokana, amin’izao fotoana nosafidiana hifankahitana ary hifandinihana momba ny raharaham-pirenena, araka ny Lalampanorenana amin’ny Andininy faha-101 sy 102 ka hanaovan’ny Governemanta ny tatitra momba ny asa vita.
Ety ampiandohana dia tiana ny manambara sahady fa nataon’ny fitondrampanjakana ho laharampahamehana hatrany ny fitsinjovana ny aim-bahoaka tao anatin’izao fotoana hiatrehana ny valanaretina Covid-19 izao ka ny fanantanterahana ny Tetibola nasiampanitsiana 2020 sy ny Tetibola 2021 dia nifandray tanteraka amin’izany filan’ny vahoaka izany.
Noho izany, izao tatitra momba ny fanantanterahana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana izao dia nozaraina ho teboka dimy lehibe : (i) Ny fiantrehana ny Covid-19, (ii) Ny fitantanana, (iii) Ny filaminana sy fandriampahalemana, (iv) Ny toe-karena sy ny fotodrafitrasam-pamokarana, (v) Ny lafiny sosialy.


Andriamatoa Filoha,
Tompokolahy sy Tompokovavy,


1. Ny fiatrehana ny valanaretina Covid-19
Maro ireo ezaka nentina niady tamin’ny valanaretina Covid-19 teto amintsika. Nomen-danja manokana tamin’izany ny ara-pahasalamana ary ny ara-tsosialy.
1.1. Ny eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana
Teo ambany fitarihan’ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Andry RAJOELINA, ny Governemanta manontolo no nandray an-tànana ny fanantanterahana ny paikady iadiana amin’ny valanaretina Covid-19.
Tamin’ny taona 2020, dia tafiditra tao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana ny firenentsika nanomboka ny faha-21 marsa 2020 ka hatramin’ny faha-18 oktobra 2020. Tamin’ity taona 2021 ity dia niditra indray mandeha ato anatin’ny hamehana ara-pahasalamana i Madagasikara nanomboka ny faha-3 aprily 2021 ka hatramin’izao. Izany no midika fa mbola miady amin’izao valanaretina izao isika Malagasy ohatry ny firenena rehetra eran-tany.
Nanomboka tamin’ity taona ity, ny Ministera misahana ny Fahasalamambahoaka no mandrindra ny asa andavanandro ho fanatanterahana ny paikady napetraka. Tany amin’ny faritra kosa dia napetraka nanaraka izany ihany koa ny Centre Régional de Commandement Opérationnel na CRCO mba ahafahana mandrindra ny asa.
Noho izany dia nahetsika ny mpiasan’ny fahasalamana, ny mpitandro filaminana, ny mpiasam-panjakana, ny olon-tsotra nilatsaka antsitrapo maro ary ny “services essentiels” manerana ny Nosy hiatrehana izany ady amin’ny valanaretina izany.
Ny paikady dia nizara 7 (fito) lehibe :
(i) Ny fanentanana ny mpiray tanindrazana manontolo hanaiky ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana sy ireo fepetra sakana rehetra mba hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina. Mba ho fanitsiana sy ho fitaizana ny tsy manara-dàlana dia napetraka ny Asa ho an’ny tombontsoa iombonana na Travaux d’Intérêt Général.
(ii) Nampiharina ny “Approche syndromique” mba ho fandraisana an-tànana ara-pahasalamana mivantana ary haingana ny olona mitondra ny soritr’aretina sy ireo olona nifandray taminy. Izany no natao mba nentina nisoroka mialoha teny ifotony ny valanaretina. Ny fanafody sy ny fandraisana an-tànana rehetra dia nomena maimaim-poana avokoa ary niantsorohan’ny fitondram-pajakana manontolo ny fandaniana tamin’izany.
(iii) Nohon’ny finiavan’ny fitondram-panjakana hanana tobi-pitiliana Malagasy dia natsangana ny laboratoire vaovao LA2M eny Androhibe nanomboka ny faha-23 jona 2020 mba ahafahana manao sy manafaingana ny asa fitiliana ny otrik’aretina.
(iv) Ny hopitaly sy ny tobim-pahasalamana rehetra teto amin’ny Nosy dia nametraka ho laharam-pahamehana ny fandraisana marary voan’ny Covid-19. Kanefa noho ny fahateren’ireo toerana ireo dia nosokafana ny Centre de Traitement de Covid-19 na CTC-19 eran’ny faritra izay nahitana tranga mihoapampana mba handraisana an-tànana ireo izay marary : CTC Village Voara Andohatapenaka, Mahamasina, Ivato, Ankorondrano, Soamandrakizay, Mandrimena Andoharanofotsy, Vatofotsy Antsirabe, Andrainjato Fianarantsoa, Lafitsinanana Fort Dauphin. Teto Antananarivo dia natao ihany koa ny fifampiraharahana tamin’ireo tompon’ny hôtels lehibe maromaro ka nahafahana nanokatra Hôtels-Hôpitaux, toy ny Tsangatsanga Hôtel, Live hôtel Andavamamba, Le Pavé Analakely, Anjary Hôtel Tsaralalana, Motel de Tanà Anosy.
(v) Novatsiana fanafody sy fitaovana ireo hôpitaly, tobim-pahasalamana, CTC-19 ary Hôtels-Hôpitaux rehetra manerana ny Nosy mba hiatrehana ny valanaretina. Naparitaka avokoa ireo Concentrateurs d’oxygène miisa 2.400 ary niampy bouteilles d’oxygène miisa 2.000.
(vi) Nohezahana naparitaka ny Tambavy CVO sy ny gelules CVO+. Namporisihina hatrany koa ireo mpikaroka Malagasy eto amintsika hamokatra fanafody mifandraika amin’ny ady amin’ny valanaretina.
(vii) Nanomboka tamin’ny volana aprily 2021 dia niditra ao anatin’ny Tambazotra COVAX miaraka amin’ny OMS sy ny Tambazotra AVATT izay arindran’ny Vondrona Afrikana i Madagasikara. Tamin’ny faha-8 may 2021 dia tonga teto Madagasikara ny doses-na vaksiny AZ Covishield miisa 250.000. Efa tapitra tamin’ny Alakamisy faha-17 jona 2021 ny fotoana nofaritana nanaovana vaksiny tamin’ny faritra 22 maneran’ny Nosy. Nahatratra 197.000 no isan’ny olona efa vita vaksiny amin’izao fotoana izao ary 190 no isan’ny olona nahitana soritra fahasarotana tamin’izany vaksiny izany.
Ankehitriny, nahitana vokatra mahasoa ny firenentsika izany ezaka rehetra izany. Omaly dia 13 (telo ambiny folo) ny isan’ny tranga vaovao maneran’ny Nosy, 2 (roa) no maty, 217 (fito ambiny folo sy roanjato) ny isan’ny olona izay mbola tsaboina ary 31 (iraika amby telopolo) ny isan’ny olona sitrana.
Raha tato anatin’ny taona 2020-2021 dia toy izao ny tarehimarika azo avoitra :
- 42.262 (roa amby enimpolo sy roanjato sy roa arivo sy efatra alina) no trangana Covid-19 voamarina
- 41.811 (iraika amby folo sy valonjato sy arivo sy efatra alina) no sitrana
- 914 (efatra amby folo sy sivinjato) no lavo nandritra izay fotoana izay.
Isika dia miondrika ampanajana manoloana ireo Malagasy sy ireo olona rehetra lavon’ity valanaretina ity teto amintsika. Ny fitondram-panjakana dia manantitra ny teny fampiononana ho an’ireo fianakaviana izay namoy havana. Eto isika dia mirary koa raha mirary fahasitranana haingana sy feno ho an’ireo rehetra mbola ao anatin’ny fitsaboana tanteraka amin’izao fotoana izao ka mitondra ambavaka azy ireo.
1.2. Eo amin’ny lafiny sosialy
Misandrahaka amin’ny ezaka mifototra amin’ny sosialim-bahoaka ny natao mba nanalefahana ny fiantraikan’ny valanaretina amin’ny fiainam-bahoaka :
- Voalohany, napetraka ny Vatsy Tsinjo izay fizarana sakafo entina hanohanana ireo ankohonana niharan’ny fahasahiranana nateraky ny fepetra ara-pahasalamana izay noraisina ho an’ny fianakaviana miisa 430.898 (valo amby sivifolo sy valon-jato sy telo alina sy efatra hetsy) tany amin’ny Distrika Antananarivo Avaradrano, Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Atsimondrano, Toamasina, Fianarantsoa, Amboasary Atsimo, Taolagnaro, Ambovombe ary Ampanihy
- Nisy ihany koa ny fitsinjarana vola tsy misy fepetra “Tosika fameno” ao anatin’ny programan’asa ara-tsosialy izay nentina nanampiana tokantrano miisa 480.360 (enim-polo sy telon-jato sy valo alina sy efatra hetsy) amin`ny distrika maromaro, toy ny eto Antananarivo-Renivohitra, Antananarivo-Avaradrano, Antananarivo-Atsimondrano, Ambohidratrimo, Toamasina I, Toamasina II, Fianarantsoa, Lalangina, Tsiroanomandidy, Miarinarivo, Morondava, Antsirabe I, Antsirabe II, Nosy be, Mahajanga, Betioky Atsimo, Ampanihy, Toliara II, Beloha, Tsihombe, Taolagnaro, Ambovombe-Androy, Bekily, Amboasary Atsimo
- Teo ihany koa ny fanampiana vonjy maika “Ankohonana Miatrika”. Tokantrano miisa 366.170 (fito-polo amby zato sy enina arivo sy enina alina sy telo hetsy) no misitraka vola 50.000 Ar (dimy alina Ariary) mandritra ny 5 volana ao anatin’ny Distrika maro eto amintsika toy ny an’ny Betioky, Ampanihy, Toliara II, Beloha, Tsihombe, Taolagnaro, Ambovombe, Bekily, Amboasary Atsimo
- Natao ihany koa ny fitsinjarana vola misy fepetra eny amin`ny tanĂ n-dehibe izay nahakasika tokantrano miisa 160.000 (enina alina sy iray hetsy) amin`ny distrika 8 (valo) : Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Avaradrano, Antananarivo Atsimondrano, Ambohidratrimo, Fianarantsoa I, Lalangina, Toamasina I, Toamasina II
- Mahakasika ny sehatra Vola Takalon’ny Asa dia natao ny fanarenana ny foto-drafitr’asa mampiasa asa tanamaro atao hoe “Asa Avotra Mirindra” ka tokantrano miisa 55.000 (dimy arivo sy dimy alina) no nisitraka izany amin’ny distrika 8 (valo) : Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Avaradrano, Antananarivo Atsimondrano, Ambohidratrimo, Fianarantsoa I, Lalangina, Toamasina I, Toamasina II
- Farany, ho fitsinjovana ireo mpianatra eny amin’ny oniversite tsy afaka nody nandritra ny hamehana, dia nampisitrahana tohana ara-tsosialy sy ara-pahasalamana izy ireo
Marihina fa nanome tànana amin’izao ady ataontsika izao ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola.
Fehiny, nitaky fanapahan-kevitra hentitra sy haingana ny fihatrehana ny valanaretina Covid-19. Izay no nahafahana mifehy ny fiparitahany. Fantatra fa mafy ny fiantraikan’izany tamin’ny fiainam-bahoaka sy ny fiharian’ny isam-pianakaviana ka napetraky ny fitondrampanjakana ireo fanampiana ara-tsosialy ireo mba hanamaivanana izany.
Na eo aza ny ady mafy amin’ny valanaretina Covid-19, dia mitohy hatrany ny fiainam-pirenentsika eo amin’ny lafiny maro.
2. Ny lafiny Fitantanana
2.1. Mahakasika ny Andrimpanjakana
Zava-dehibe tokoa ho antsika ny famerenana ary ny fanamafisana orina ny maha-fanjakana tan-dalĂ na ny eto amintsika. Araky ny voafaritry ny Lalampanorenana dia notanterahina ny fanavaozana ireto andrimpanjakana ireto : Ny Antenimierandoholona sy ny Fitsarana Avo momban'ny Lalampanorenana.
Vita tokoa tamin’ny Zoma faha-11 desambra 2020 ny fifidianana anareo loholona ary araka ny efa fantatsika dia nanomboka tamin’ny Alakamisy faha-7 janoary 2021 ny fotoam-mpiasan’ny Antenimierandoholona mandritra ny 5 (dimy) taona ho avy.
Tafapetraka sy nandray ny asany nanomboka ny Alakamisy faha-8 aprily 2021 ireo mpikambana vaovao eo anivon’ny Fitsarana Avo momban'ny Lalàmpanorenana ary 7 (fito) taona ny fotoam-piasany.
2.2. Mahakasika ny tontolon’ny Fitsarana
Ao anatin'ny tanjona ametrahana fanjakana tan-dalàna dia vato fehizoro iray lehibe ny Fitsarana sy ny tontolony, izay ezahina hanakaiky kokoa hatrany ny vahoaka. Arak'izany dia naverina ary araha-maso akaiky dia akaiky ny fandraisana mpitsara vaovao ary amafisina tanteraka ny ady amin'ny kolikoly, indrindra eo anivon’ny Fitsarana.
Nohavaozina ny biraon’ny Filankevitry Ambonin’ny Mpitsara (CSM) ary napetraka tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny faha-20 desambra 2020.

Fantatsika ihany koa fa navaozina tamin’ny Alarobia faha-28 aprily 2021 ny mpitantana eo anivon’ny Sampandraharaha Malagasy iadiana amin'ny Famotsiam-Bola (Samifin), araka ny takian'ny lalàna mifehy azy.
Eo amin’ny tontolon’ny Fitsarana ihany, dia eo andalam-panantanterahana ny fananganana ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany (TPI) ao Antananarivo-Avaradrano, Sainte-Marie, Ambilobe, Sambava, Besalampy ary Belo-sur-Tsiribihina. Ireo TPI ireo dia vinavinaina ho vita alohan’ny faran’ny taona.
Manarak'izany, miara-miaiky isika fa tery sy antitra ny fonja eto amintsika. Mitohy hatrany ny ezaka fanavaozana ary fananganana fotodrafitr'asa vaovao mahakasika ny fonja, toy ny asa fananganana trano famonjana amin'ny Distrika ao Fenerive-Atsinanana, Amboasary-Atsimo, Belo-sur-Tsiribihina, Ambositra, Antananarivo-Avaradrano, Fianarantsoa I. Ny ao Sainte-Marie dia misy fahatarana kanefa tsy maintsy ho atao araky ny vinavina. Natsangana ihany koa ny fonjabe ho an'ireo gadra voaheloka mandra-pahafatiny sy ireo manao heloka goavana (criminels dangereux) any Arivonimamo, Toamasina I ary Ihosy.
Izany rehetra izany moa dia zava-poana ihany raha tsy misy ny fanatsarana ny fandraharahana ny fonja. Izany tokoa no nahatonga ny fandraisana mpianatra vaovao ho mpandraharahan’ny fonja mahatratra 500 (dimanjato) izay hanomboka ny taom-pianarana amin’ny volana jolay ho avy izao.
Natolotra tamin’ny janoary 2021 ho an’ny Fandraharahana ny fonjan'Antananarivo renivohitra ny fiara minibus iray sy fiara mpitatitra voafonja (véhicule cellulaire) manaraka ny fenitra sy ny vanim-potoana. Nisitraka fiara 4x4 vaovao ny sampandraharaham-pitsarana amin’ireto distrika ireto : Ankazoabo-Atsimo, Fianarantsoa ary Antananarivo.
Ny ezaka rehetra vita dia nahafahana nanatsara miandàlana ny tontolon’ny fitsarana eto amintsika ka izay no nahatonga amin’izao fotoana izao ny tahan’ny olona voafonja izay efa voatsara manakaiky bebe kokoa ny 45%. Tsipihina manokana fa noho ny fankalazàna ny fetim-pirenena dia nanome fanalefahan-tsazy faobe ny Filohampirenena ka voafonja miisa 2.747 (fito amby efapolo sy fitonjato sy roa arivo) no mivoaka avy hatrany.
2.3. Eo amin’ny fitsinjaram-pahefana, ny fampandraisana andraikitra ny vondrom-bahoakam-paritra ary ny asam-panjakana
Vita ny famolavolàna ny Lettre de Politique de Décentralisation Emergente (LPDE) niarahana tamin’ireo sehatra maro (Ministera isantokony, Kaominina, Faritra, Mpiara-miombon’antoka, Fiaraha-monim-pirenena, sns) ary efa nahazo fankatoavana teo amin’ny Filankevitry ny Ministra izany tamin’ny Alarobia faha-26 may 2021 ary efa tafapetraka eto anivon’ny Parlemanta io volavolan-dalàna io amin’izao fotoana izao. Atomboka ny volana jolay ho avy izao ny famolavolàna ny Plan National de Décentralisation Emergente izay hatao miaraka amin’ireo mpisehatra rehetra eny ifotony.
Fiovana goavana natomboka tamin’ny taona 2020 ny famindrana ny fitantanana ny tsenam-baro-panjakana, toy ny fananganana sekoly sy tsena ary biraom-panjakana isan-karazany, ho an’ny Faritra. Ny fitaomana hanao tolo-bidy isan-karazany (Appels d’offre) dia ho andraikitry ny Faritra mba ahafahan’ireny orinasa madinika sy salantsalany any amin’ny Faritra ireny mba mandray anjara.
Mbola notohizina ihany koa ny fivorian-dehibe isam-paritra momba ny teti-bolam-panjakana ahafahana manome lanja ireo tena laharam-pahamehana sy ny filàna amin’ny fampandrosoana, mba ahazoana mamaritra mazava ireo teti-bolan’ny Faritra. Tohizana izany fandraisan’ny eny amin’ny Faritra ny Conférence budgétaire izany ary ny Faritra Androy sy ny Faritra Anosy no nandray izany fivoriana izany telo herinandro lasa izay.

Mahakasika manokana ny faritra dia efa eto anivon’ny parlemanta amin’izao fotoana izao ny volavolan-dalàna hametrahana ny faritra faha-23 eto Madagasikara, dia ny Faritra Fitovinany izay ao anatin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany ankehitriny. Mahakasika ireo Faritra 22, Governora miisa 21 (iraika amby roapolo) hatreto no efa voatendry hitantana ireo faritra ireo. Tsy ho ela intsony ny fanendrena ny Governoran’ny Faritra Betsiboka.
Ankoatr’izany dia famatsiam-bola hanatanterahana foto-drafitr'asa (subvention d’investissement) mitentina 2 miliara Ariary no nomena ny Faritra tsirairay isan-taona. Fanampiana ara-bola ho fampandehanan-draharaha (subvention de fonctionnement) mitentina 210 millions Ariary (folo sy roanjato tapitrisa ariary) isan-taona no nomena ny Faritra tsirairay.
Nomena fanampiana ara-pitaovana ihany koa ny Faritra tsirairay izay ahitana bulldozer, compacteur, chargeur sur pneus, nivelleuse ary camion arroseur. Izany fampitaovana izany dia mba ahafahan’ireo Faritra tsirairay manamboatra làlana ao aminy ka fanamby napetraka amin’izany ny ahavitana làlana 250 km isan-taona.
Ankoatra ireo, isaky ny distrika, dia nomena famatsiam-bola amin’ny alalan’ny Crédit d’Investissement pour l’Appui au Développement (CIAD), ka miankina amin’ny isan’ny Solombavambahoaka eo amin’ilay distrika ny tetiny, izay 250 millions Ariary (dimampolo sy roanjato tapitrisa ariary) isaky ny Solombavambahoaka, ary nampitomboina ho 500 millions Ar (dimanjato tapitrisa ariary) raha anankiroa.
Mahakasika ireo Kaominina miisa 1.695 (dimy amby sivifolo sy eninjato sy arivo) mitohy hatrany ny fanampiana ara-bola sy ara-teknika azy ireo. Ny kaominina tsirairay dia nomena fanampiana ara-bola :
- Fanampiana ho fampandehanan-draharaha (subvention de fonctionnement) mitentina 25 millions Ar (dimy amby roapolo tapitrisa ariary) raha 15 millions Ar (dimy ambin’ny folo tapitrisa ariary) teo aloha
- Hisy ihany koa ny tetibola fanampiny "subventions complémentaires" ho an'ireo kaominina manana mponina mihoatra ny 5.000 (dimy arivo)
- Tohizina ny famatsiam-bola hanatanterahana fotodrafitrasa (subventions d’investissement) tohanan’ny Banque Mondiale amin’ny alalan’ny Tetik’asa PAPSP : 30 millions Ar (telopolo tapitrisa Ariary) isaky ny kaominina
- Tohizina ny fandoavana ny latsakemboka (cotisation) CNaPS tsy voaloa teny amin’ny kaominina (arriérés de cotisations sociales).
Manamaivana ny vesatra ho an’ny tetibolan’ny Kaominina ny fandoavan’ny Fanjakana ireny latsakemboka tsy voaloa ireny ary koa ahafahan'ny mpiasan'ny kaominina misitraka ny zony.
Ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon'antoka dia manampy ireo vondrombahoakam-paritra amin’ny fanorenana fotodrafitrasa, toy ny sekoly, lalana, tsena ary famatsian-drano.
Mbola asa mitohy ny fananganana na ny fanavaozana ny fotodrafitrasa izay efa natomboka tamin’ny taona 2020 :
- Biraon’ny kaominina andrenivohitra miaraka amin’ny toerampidiovana miisa 15 (dimy amby folo) ao Ambatolampy, Ambatomainty, Ambilobe, Amboasary, Ampanihy, Bekily, Ivohibe, Maevatanana, Mahabo, Mahanoro, Mampikony, Mananjary, Mandritsara, Midongy atsimo, ary Morombe
- Biraon’ny kaominina ambanivohitra miisa telopolo (30)
- Biraom-paritry ny BNGRC any Mahajanga sy Toamasina I
- Birao ho an’ny distrika miisa fito dia : Vohipeno, Mandritsara, Anjozorobe, Antanambao Manampotsy, Soavinandriana, Ankazobe, Préfecture de Police d’Antananarivo
- Trano fiasana sady toeram-ponenana ho an’ny Préfets sy ny Lehiben’ny Distrika miisa 12 any Ambatondrazaka, Ambositra, Antsirabe I, Antsiranana I, Fianarantsoa, Manakara, Mananjary, Morondava, Nosy be, Sainte-Marie, Toliara II, Tsiroanomandidy
- Tranompokonolona ao Iakora
- Tsena manarapenitra ao Ampanefena, Vohémar.
Distrika miisa 9 (sivy) no efa nisitraka ny fanombohan`ny fanamboarana ny Fiadidim-paritra misahana ny Asa, Fampananan’asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy dia ao Ambositra, Taolagnaro, Maevatanana, Miarinarivo, Fianarantsoa, Ambovombe, Manakara, Morondava ary Sambava. Ny asa dia kasaina ho vitaina amin’ity taona 2021 ity.
Mba hirosoana amin’ny fitondrana tsara tantana dia tsy maintsy napetraka ireo rindran-damina ireo. Tsy misy fampandrosoana raha tsy milamina ny tany.
3. Filaminana sy Fandriampahalemana
Niarahantsika nahita ny ezaka rehetra efa notanterahina tamin’ny fanatsarana sy ny fanavaozana ireo rafi-pitantanana teo anivon’ ny Tafika Malagasy, ny Zandarimariam-pirenena ary ny Polisim-pirenena. Tao anatin’izany ny fampitaovana sy ny fananganana fotodrafitr’asa vaovao sy toby ho an’ny miaramila, zandary ary polisy.
Nitohy hatrany izany asa rehetra izany na dia tao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana aza ny firenentsika satria tanjona lehibe no napetraka, dia ny famerenana ny fahefam-panjakana sy ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana.
3.1. Tafika Malagasy
Niroso hatrany isika teo amin’ny fametrahana na ny fotodrafitrasa na ny rafi-pibaikoana mifanaraka amin’ny tetika novolavolaina iatrehana ny tsy fandriampahalemana sy ny fiarovana ny Firenena.
Tafajoro ny 11 martsa 2020 ny Etamazaoro Iraisan’ny Tafika (Etat Major des Armées) sy ireo Etamazaoron’ny Antoko Tafika 3 (telo) dia ireto avy : Etamazaoro ny Tafika An-Tanety, Etamazaoro ny Tafika An-Habakabaka, Etamazaoro ny Tafika An-dRanomasina.
Napetraka nanomboka ny 9 desambra 2020 ireo Faritra Fiarovana sy Fampandriam-pahalemana 10 (folo) na Zone de Défense et de Sécurité dia : Ankarana, Ankarafantsika, Tsiribihina, Tsiafajavona, Ikopa, Pangalanes, Andringitra, Fiherenana, Matitanana ary Mandrare. Efa voatendry avokoa ireo Komandin’ireo ZDS ireo amin’izao fotoana izao.
Hapetraka ihany koa ireo Mpiadidy Miaramila isam-Paritra (Délégués Militaires Régionaux).
Ao anatin’ny fanitsiana ny rafitra dia natsangana ny « Premier Bataillon Parachutiste » ny faha-6 janoary 2021 izay nanolo ny « Premier Régiment des Forces d’intervention (1er RFI) teo aloha. Natsangana ihany koa ny Deuxième Bataillon d’Infanterie de Marine (2ème BIMA), ny faha-6 janoary 2021 any Antsiranana izay nanolo ny Deuxième Régiment des Forces d’Intervention (2ème RFI) teo aloha. Efa nitsangana ny Groupement des Forces Spéciales d’Intervention (GFSI) ny faha-10 febroary 2021. Efa natsangana ny faha-27 janoary 2021 ihany koa ny Base Aérienne 213 izay nivondronan’ny Base Aéronavale d’Ivato sy ny Base Aérienne Tactique d’Arivonimamo.
Farany, notontosaina ny firaketana an-tsoratra sy fitsarana miaramila ireo zatovo lahy sy vavy 18 taona ka hatramin’ny 31 taona manerana ny nosy izay mizaka ny zom-pirenena Malagasy, miisa 226.254 (efatra amby dimapolo sy roanjato sy enina arivo sy roa alina sy roa hetsy) izy ireo, ary mitsinjara toy izao lahy 111.106 (enina amby zato sy arivo sy iray alina sy iray hetsy), vavy 115.148 (valo amby efapolo amby zato sy dimy arivo sy iray alina sy iray hetsy).
Nandray anjara feno tamin’ny famonjena ireo vahoaka traboina noho ny tondra-drano ny fiandohan’ny taona 2020 ny tafika malagasy ka nampiasaina tamin’izany ny fitaovana rehetra toy ny angidimby, lakana sy fiara tsy mataho-dalana.
Teo amin’ny ady amin’ny asan-dahalo eny ambanivohitra dia omby 4.222 (roa amby roapolo sy roanjato sy efatra arivo) no tafaverina teo amin’ireo omby 7.732 (roa amby telopolo sy fitonjato sy fito arivo) very niantsoana ny tafika, dahalo 126 (enina amby roapolo amby zato) no tratra, basy 114 (efatra amby folo amby zato) no notazonina ary fahana (munitions) 139 (sivy amby telopolo amby zato).
Eo amin’ny fotodrafitrasa sy ny fampitaovana dia toy izao ireo ezaka natao :
- Faritra Ambanivohitra mitaky fandriampahalemana maika (Zones Rurales Prioritaires de Sécurité na ZRPS) miisa 4 (efatra), izay efa iarahantsika mahita ny vokatry ny asan’izy ireny
- Toby miisa 5 (dimy) no naorintsika ho an’ireo Beholafy Mpiaro Atomotra (Base Opérationnelle Avancée – BOA) any Tsaratanana, Iakora, Morafenobe, Ambatofinandrahana ary Ankilizato. Efa nanomboka ny fitokanana ireo toby rehetra ireo isika ankehitriny
- BOA miisa 5 (dimy) hafa kosa no eo an-dalam-panorenana, dia ny any Ankazoabo Atsimo, Miandrivazo, Isandra, Andriry Betroka ary Kandreho
- Andiany Mpiaro Manokana (Détachement Spécial de Sécurité – DSS) miisa 4 (efatra) no efa vita tanteraka ao Vondrozo, Amboasary-Atsimo, Befotaka ary Ambohimahasoa. Ezahina kosa ny hamitana ny DSS ao Mitsinjo, Soalala, Vangaindrano, Anjozorobe, Mandritsara ary Vohipeno
- Fanamboarana Famaharana Fototra (Base réduite) ao Mananjary sy Farafangana
- Fampitaovana maro isan-karazany ho an’ny Tafika Malagasy sy fanatsarana ary fanarenana fotodrafitrasa maro manerana ny Nosy.
3.2. Zandarimariam-pirenena
Raha ny taona 2020 no resahana dia azo singanina manokana ireto vokatra ireto :
 Voarava ny tambazotran’ireo andian-jiolahy mpanao fakana an-keriny sy ireo mpiray petsapetsa aminy izay nokarohina hatramin’ny ela ary koa ireo dahalo nampihorohoro tamin’ny faritra maro raha tsy hilaza afa-tsy ny tany Tsaratanana, Mahazoarivo Isandra, Anjozorobe
 Nahitana fihenàna 24% (efatra amby roapolo isan-jato) ny asan-jiolahy, 9% (sivy isan-jato) ny fandrobana mitam-piadiana sy fanakanan-dalana amin’ny faritra maro manerana ny Nosy
 Taolam-paty maherin’ny 400 (efa-jato) kilao no sarona nandritra ny taona 2020 ary olona miisa 87 (fito amby valompolo) no voasambotra
 Maherin’ny 46.403 (telo amby efajato sy enina arivo sy efatra alina) kilao ny zava-mahadomelina tratra ankoatra ireo fambolena nopotehina. 380 (valopolo sy telonjato) ny olona voasambotra
 Nisy fihenany 21% ny tahan’ny trangana halatr’omby, raha nihena 55% ny isan’ny omby very ary niakatra 66% kosa ny tahan’ny famerenana ireo omby
 Basy tsy ara-dalana 1.397 (fito ambin’ny sivifolo sy telon-jato sy arivo) no azo nanerana ny faritra maro ka ny 106 (enina amby zato) tamin’ireo dia basy mahery vaika avokoa niaraka tamin’ny bala miisa 428 (valo amby roapolo sy efajato).
Eo amin’ny fotodrafitrasa sy fampitaovana dia izao no azo ambara :
 Vondro-Tobi-Paritra (Compagnie de Gendarmerie): Voatsangana ny ao Ikalamavony sy Amboasary Atsimo ary efa miasa ny ao Iakora. Hatsangana amin’ity taona ity ny any Befandriana Avaratra sy Amparafaravola
 Toby Fanatevenam-Panazarana Manokana (Centre Spécial d’Aguerrissement Opérationnel - CSAO): efa voatsangana ny any Malaimbandy Mahabo, Beroroha, Beravina Morafenobe, Ranotsara Atsimo, ary Imanombo Ambovombe. Eo am-pamaranana ny fotodrafitr’asa CSAO miisa 2 (roa) dia any Andriamena Tsaratanana ary Andimaka-Manambolo Belo-sur-Tsiribihina. Ary efa amperin’asa ny ao Maromby Amboasary Atsimo
 Tobim-paritra na Brigades miisa 7 (fito) no eo am-pananganana amin’izao fotoana izao dia ireto avy : Mahazoarivo Isandra, Marolinta Beloha, Androka Ampanihy, Tranomaro Amboasary, Maroalimainty Ambovombe, Ikopoky Beloha, Talata Vohimena Manandriana
 Tafapetraka ny Tobim-paritra manaramaso ny Ranomasina (Postes de surveillance nautique) roa ao Tanjona Mananara Avaratra sy Manantenina Taolagnaro
 Efa an-dàlam-pahavitàna ny Sakelika Manokana ny Lalana na BRS (Brigade Routière Spéciale) ao Kiangara Ankazobe, RN4, mameno ho 4 (efatra) ireo eny anivon’ny Faritra Fialan-tsasatra Voaaro (Aire de repos sécurisée) ao Sahamamy RN2 Brickaville, Ambalamanakana Ambositra RN7 ary Analakininina RN34 Miandrivazo
 Hatsangana toy izany koa ny Ivotoeram-pirenena Fanazarana Manokana CNESGN (Centre National d’Entrainement Spécifique) ao Ambatolampy
 Niampy ihany koa ireo fitaovana nomena ny zandarimariam-pirenena : (i) Lakana haingam-pandeha (vedette) 3 (telo) no natolotra ireo pelotons de surveillance côtière any amin’ny faritra SAVA, Analanjirofo ary Anosy, (ii) motos miisa 47 (fito amby efapolo) no naparitaka manerana ny Nosy
 Camion miisa 8 (valo) no natolotra ny zandarimaria ho fanatanterahana ny asa ary nentina nanampiana fitaomana rano any amin’ny faritra atsimo ireo fitaovam-pitaterana ireo noho ny fisian’ny hain-tany niseho tany.
3.3. Polisim-pirenena
Teo anivon’ny Polisim-pirenena dia ireto no singanina tamin’ny vokatra azo :
 Eo amin’ny asan-jiolahy, fikambanan-jiolahy 93 (telo amby sivy folo) no rava. Tranga fakana ankeriny miisa 5 (dimy) no voavahy sy voarava
 Eo amin’ny halatr’omby, raharaha 132 (roa amby telopolo amby zato) no natrehina ka tafaverina ny omby 565 (dimy amby enimpolo sy dimanjato) tamin’ireo 868 (valo amby enimpolo sy valonjato) very, dahalo 62 (roa amby enimpolo) no voasambotra
 Basy 79 (sivy amby fitopolo) no azo ka ny 34 (efatra amby telopolo) naverin’ireo dahalo taloha tao Isandra ary ny 45 (dimy amby efapolo) tratran’ireo sampandraharahan’ny Polisim-pirenena miady amin’ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana
 Raharaha halatra taolam-paty miisa 19 (sivy amby folo) no noadihadihana tany Antalaha, Taolagnaro ary Betafo. Taolam-paty 44 kilao (efatra amby efapolo kilao) no azo
 Rongony 10.045 kilao (dimy amby efapolo sy iray alina kilao), lasaka 26 (enina amby roapolo) ary fonosana 217 (fito ambifolo sy raojato) no tratra
 Bolabolan’Andramena miisa 87 (fito amby valopolo) no tratra tao Amparafaravola
 Volamena 2,746 kilao (roa kilao faingo enina amby efapolo sy fitonjato) no tratry ny Polisy mpiandry sisin-tany tao Nosy Be
 Raharaha mikasika ny fandikan-dalàna eo amin’ny haitao ara-kajy mirindra (cybercriminalité) 128 (valo amby roapolo amby zato) no voavaha.
Eo amin’ny fotodrafitrasa sy fampitaovana dia izao no azo ambara :
 Eo anivon’ireo Fitaleovam-paritry ny Filaminam-bahoaka dia efa vita tanteraka na eo am-pamaranana ny asa fanorenana ny toeram-piasana sy trano fonenana ho an’ny tompondrakitra ao amin’ireto faritra ireto : Ihorombe, Sofia, Betsiboka, Bongolava, Vakinankaratra, Anosy, Vatovavy Fitovinany, Analanjirofo, Amoron’Imania, Atsimo Atsinanana
 Vita ary efa miasa ny Kaomisarian’ny Polisy vaovao 2 (roa) ao Ambohimahasoa sy Vondrozo
 Mitohy ny fananganana Kaomisaria amin’ireto toerana ireto : Midongy Atsimo, Befotaka Atsimo, Beloha, Manja, Andramasina, Toliara II, Benenitra, Marolambo, Toamasina II, Kandreho, Mahajanga II, Isandra, Ikalamavony
 Atomboka amin’ity taona ity ny fananganana Kaomisaria amin’ireto distrika ireto : Iakora, Vohibato, Fenoarivobe, Anivorano Avaratra, Brickaville, Beroroha, Anjozorobe, Ifanadiana, Sainte-Marie, Lalangina, Manja, Bekily, Betroka, Antsirabe II, Ambato-Boeny, Tsihombe, Nosy Varika, Betafo, Betioky, Befandriana Avaratra, Anosibe an’Ala, Antanambao Manampotsy, Mitsinjo, Ambohidratrimo
 Nahazo tombony manokana ny polisim-pirenena tamin’ny fahazoana ireo fiara tsy mataho-dàlana miisa 34 (efatra amby telompolo) sy moto Gascar miisa 100 (zato) ary moto hafa miisa 264 (efatra amby enimpolo sy roanjato)
 Hatsangana ny Fitaleovam-Paritra ny Polisim-pirenena DRSP amin’ny renivohi-paritra 12 (roa amby ny folo) mbola tsy manana dia ny ao Ambovombe, Sambava, Morondava, Ambatondrazaka, Maintirano, Miarinarivo, Antananarivo, Toamasina, Fianarantsoa, Toliara, Mahajanga ary Antsiranana.
Nazahoam-bokatra ireo ezaka ireo izay notanterahan’ny mpisehatra rehetra eo amin’ny lafin’ny fandriampahalemana, anisan’ny fepetra ahafahana mamokatra anaty fitoniana.
4. Ny lafin’ny Toe-karena sy ny Fotodrafitrasam-pamokarana
4.1. Eo amin’ny tontolon’ny toe-karena
Raha ny vinavina ara-toe-karena amin’ity taona 2021 ity dia mbola misy fiantraikany goavana amin’ny firenentsika ny valanaretina izay mahazo ny eran-tany. Mbola ambany dia ambany ny tinady eo amin’ny tsena eran-tany ary tsy mbola afaka mivelatra ny fandraharahana sy ny famatsiam-bola avy amin’ny sehatra tsy miankina nohon’ny fisian’ny fisalasalana (incertitude) maro samihafa.
Raha ny eto Madagasikara no resahana, nohon’ny fiverenan’ny valanaretina fanindroany nanomboka tamin’ny volana marsa tamin’ity taona ity dia nofaritana ho +4,3% amin’izao fotoana izao ny fiakaran’ny harikarena faobe raha -5% eo ho eo izy tamin’ny taon-dasa.
Ezahana ny hitazomana ho 6,2% ny sondrom-bidim-piainana amin’ity taona 2021 ity. Ny fitànana ny volantsika Ariary ho marin-toerana dia ny fitsinjovana ny fanomezana aina indray ny toe-karena eto amintsika na relance économique.
Raha 9,8% ny tahan’ny famorian-ketra (pression fiscale) tamin’ny taon-dasa dia 11,4% no tanjona amin’ity taona ity. Ny tsy fifandanjan’ny vola miditra sy ny vola mivoaka amin’ny teti-bolam-panjakana ankapobeny dia -6,5% amin’ity taona ity. Ny politika ara-bola sy ara-pitantanam-bola amin’ity taona 2021 ity dia natao hifantoka amin’ny fitsinjovana ny fomba mahomby ampiainana indray ny toe-karena eto amintsika. Hiteraka asa sy vola miditra ho an’ny orinasa, ho an’ny mpandraharaha ary ho an’ny tanora amin’ny fampiasam-bola eo amin’ny seha-pihariana marobe amin’ny alalan’ny tetikasa sy ny programan’asam-panjakana izany.
4.2. Eo amin’ny fanatsarana ny asam-pitantanam-bola
Vita tanteraka ny fananganana sy ny fampitaovana ny tranoben’ny Hôtel des finances ao Sambava. Eo am-pananganana ny Hôtels des finances isika amin’izao fotoana izao ao Antsiranana, ao Mahajanga, ao Fianarantsoa, ao Taolagnaro ary ao Toliara.
Nohatsaraina ny toeram-piasan’ny Direction Générale du Trésor eto Antananarivo-Renivohitra.
4.3. Eo amin’ny sehatry ny harena ankibon’ny tany
Mahakasika ny fehezan-dàlana momba ny harena ankibon’ny tany dia mitohy hatrany ny dinika eo amin’ny fanjakana sy ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny lafin’ny fihariana harena ankibon’ny tany eto amintsika.
Mba hiadiana amin’ny fanondranana an-tsosokosoko ny harem-pirenena any ivelany, tsy ho ela dia hovatsiana fitaovana fitiliana volamena ari-fomba eny amin'ny seranam-piaramanidin’i Antananarivo, Nosy be ary Toamasina.
Tafatsangana na andalam-panamboarana ny Biraompanjakana momba ny harena an-kibon'ny tany na Bureau d'Administration Minière (BAM) any Miandrivazo, Tsiroanomandidy, Vohémar, Antsohihy ary Mananjary. Izany dia natao mba hahafahana mifehy tsara ny fitantanana ny sehatry ny harena ankibon'ny tany. Ho tohizana any amin'ny Distrika 5 (dimy) ny fananganana BAM dia Nosy be, Fenerive-Atsinanana, Ambositra, Ambovobe, Maintirano.
Naorina any Antsirabe ihany koa ny Trano iombonana (Atelier Communautaire) izay toerana fanefena vatosoa.
4.4. Eo amin’ny sehatry ny Fitaterana sy ny fizahantany Maro ny ezaka hiatrehana ny fanamby hanarenana ny sehatry ny fitaterana sy ny fizahantany nohon’ny fiantraikan’ny krizy ara-pahasalamana eto amintsika. Ny fitondram-panjakana dia efa nandray fepetra manokana mba hanalefahana tanteraka ny hetran’ny taona 2020 sy 2021 ho an’ny orinasa rehetra misehatra eo amin’ny fizahantany eto amintsika. Torak’izany koa dia namoraina ny fanemorana ny fandoavan-ketra ho an’ireo orinasam-pitaterana an’habakabaka misy eto amin’ny Nosy tamin’ny taona 2020. Mahakasika ny fitaterana an-dalamby dia hatsaraina hatrany ny Zotra FCE (Fianarantsoa - Côte Est) izay nisitraka lohamasinina 3 (telo) sy fanavaozana an’ireo fitaovana efa misy. Nisy ihany koa ireo fanamboarana natao teo amin’ny tobim-piantsonan’ny lamasinina, toy ny tao Fianarantsoa, Manapatrana, Mahabako, Tolongoina ary Fenomby. Ireo ezaka ireo dia nahafahana nampitohy tsy tapaka ny zotra Fianarantsoa-Manakara. Amin’ity taona 2021 ity dia mbola hanatevina izany fampitaovana izany ny Fanjakana, amin’ny alalan’ny fividianana « wagons » ho an’ny FCE. Hotohizana ihany koa ny fanatsarana ny fiantsonana amin’ny zotran-dalamby FCE ao Sahambavy, Manakara, Fenomby, Sahasinàka ary Tolongoina.
Hirosoana ny fampiasana zotra an-dalamby hitaterana olona eto andrenivohitra amin’ireto zotra 2 (roa) ireto :
 Faritra Atsimo (corridor sud) izay manomboka eo Soarano PK0, mihazo Isotry, Ampefiloha, Soanierana, Ankadimbahoaka, Androndrakely ary mifarana eny Amoronakona PK12, ary efa miatomboka ny asa mahakasika an’io.
 Faritra Avaratra (corridor nord) : avy eny Alarobia mihazo an’Ankazomanga ary Soarano.
Eo amin’ny Fitaterana an-tariby (téléphérique) dia efa voafaritra ireo làlana andalovan’ity rafi-pitaterana ity. Efa niroso ny asa fanomanana rehetra, toy ny fanentanana sy fampahalalana ny tompon’andraikitra sy ny mponina amin’ny toerana anaovana ny asa, ny fanadihadihana ara-tontolo iainana sy ireo toerana hipetrahan’ny andry hamaharany (pylônes) sy ny fiantsonana.
Ho an’ny Fitaterana an-tanety dia efa vita ny ASSR (Aire de stationnement, de sécurité et de repos) ao Ambalamanakana (RN7) sy ao Sahamamy (RN2). Efa eo an-dalam-pamitàna ny ASSR miisa 5 (dimy) isika izao dia ny ao Ambalakinina Miandrivazo (RN34), Lambokely (RN8), Andimaka (RN8), ao Andranovelona Sakay (RN1) sy ao Kiangara (RN4).

Kasaina ihany koa ny fanamboarana ASSR miisa 5 (dimy) hafa amin’ity taona ity amin’ny lalam-pirenena toy ny ao Ranohira (RN7), Ambilobe (RN6), Ifanadiana (RN25), Irondro-Manakara (RN12), Andaingo (RN44). Eo amin’ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy, vita ny asa fanadiovana sy fanavaozana ny Canal des Pangalanes avy aty Toamasina ka hatrany Mananjary, izay mitondra fanampiana amin’ny fampivelarana ny seha-pihariana toy ny lavanila, ny harena an-kibon’ny tany, ny fizahantany, ny fambolena, sns. Hotohizana amin’ity taona 2021 ity ny fanatsarana ny fifamoivoizana amin’ny Canal des Pangalanes, ka efa an-dalam-panantanterahana amin’izao fotoana izao ny ampahany Mananjary – Manakara. Nisy ihany koa ireo fotodrafitr’asa samihafa izay vita na eo an-dalam-pahavitana, toy ny fiantsonan’ny botry ao Soalala, ny fanarenana ny seranan-tsambo ao Maintirano, ny fanatsarana ny seranan-tsambo Quai Orsini ao Mahajanga, ny asa fanarenana ny seranan-tsambo ao Antalaha, ny fanorenana ny seranan-tsambo ao Mananara-Avaratra. Ny amin’ity taona 2021 ity dia hatao ny asa fanarenana ny seranan-tsambo ao Analalava, ny seranan-tsambo ao Sainte-Marie ary ny seranan-tsambo ao Besalampy. Vitaina amin’ity taona ity ny fandinihana ny fanitarana ny seranan-tsambo ao Toliara sy ny fiantsonana ao Soanierana-Ivongo ary ny Port Ilôt Madame ao Sainte-Marie.
Eo amin’ny fitaterana an’habakabaka dia singanina manokana ny fanaovana sonia fiaraha-miasa amin’ny fitantanana seranam-piaramanidina madinika 8 (valo) dia ny ao Mananara-Avaratra, Antalaha, Vohémar, Morombe, Maintirano, Analalava, Manakara ary Antsirabe.
Natsaraina sy nosokafana ny seranam-piaramanidina ao Amborodia Bekopaka ary Isalo Ranohira.
Napetraka ny tunnels désinfectants ao amin’ny seranam-piaramanidinina 6 (enina) eto amintsika dia : Antsiranana, Mahajanga, Toamasina, Toliara, Taolagnaro ary Sainte-Marie.
Ny fitondram-panjakana dia efa mandinika ny amin’ny fijerena manokana ny fotoana ary ny fomba mety hanokafana indray ny sidina mitondra olona avy any ivelany. Kanefa miankina betsaka amin’ny fivoaran’ny valanaretina eto amintsika izany sy ny any ivelany ihany koa.
4.5. Eo amin’ny sehatry ny fampivelarana ny indostria sy ny varotra
Mitohy ny ezaka mba ho fiarovana ny mpanjifa, indrindra nohon’ny fisian’ny valanaretina teo amin’ny famatsiana ireo entana ilaina andavanandro sy ny mahakasika ny vidin’ireo entana ireo.
Nisesisesy ny fihaonana sy fiaraha-midinika tamin’ireo mpandraharaha matihanina momba ny varotra sy ny fanafarana ireo entana ireo ka niezahana ny niaro ny fahefamividin’ny mpanjifa miatrika ny fikorontananan’ny seha-pamokarana manerantany, raha ny momba ny vary, ny menaka, ny siramamy ary ny lafarinina manokana no resahina.
Mikasika ny lavanilina, dia mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny fitondrampanjakana amin’ny fanamafisana ny fandriampahalemana amin’ity seha-pihariana ity. Heverina fa ho vita mialohan’ny faran’ity taona ity ny “Tranoben’ny lavanilina” izay efa natomboka ny fananganana azy ao Antalaha. Nohavaozina tamin’ny volana May lasa teo ny lalàna mifehy ny Filankevitra Nasionaly momba ny Lavanilina mba hametrahana ny dinika eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina toy ny mpamokatra, mpanangom-bokatra ary mpanondrana lavanilina amin’ny faritra sivy mpamokatra eto amintsika.

Momba ny tetik’asa ODOF “One District, One Factory”, dia efa vonona ankehitriny ireo pitsopitson’ny taratasy fandraharahana mahakasika distrika miisa 30 (telopolo) ka tsy ho ela dia hiroso amin’ny fametrahana izany isika mba hananganana orinasa mpanodina vokatra mifanaraka amin’ny zava-misy eny anivon’ny distrika isanisany.
4.6. Eo amin’ny sehatry ny tontolo Ambanivohitra
Ankoatra ireo asa maro efa vita ny taona 2019, dia maro koa ny ezaka natao mba hanatsarana ny tontolo ambanivohitra nandritra ny taona 2020 ka hatramin’izao.
Eo amin’ny sehatry ny fambolena manokana, velaran-tany voatondraka ho fanitarana maherin’ny 37.047 hektara (fito amby efapolo sy fito arivo sy telo alina hektara) no vita tamin’ny taona 2020. Ireto avy ny faritra nahitana izany asa izany:
- Faritra Alaotra Mangoro : Distrika Ambatondrazaka ao Ambohitromby, Distrika Amparafaravola ao Ambohimandroso, Imamba, Ivakaka ary PC 23, Distrika Andilamena ao Vodivato
- Faritra Amoron’i Mania : Distrika Ambatofinandrahana ao Ambodiriana, Ivary, Andohariana, Tsinjorano, Vohidahy, Belavenona, Ambararatasarotra, Antsosa sy Ambondromisotra, Distrika Ambositra ao Ilaka Afovoany, Andohariana sy Analalehibe, Distrika Fandriana ao Tsarazaza
- Faritra Analamanga : Distrika Ambohidratrimo ao Ambohimanjaka Andrefanitsarahoray, Ambohipihaonana, Ambohitrinilahy, Distrika Andramasina ao Amberobe, Antsiho sy Tankafatra, Distrika Anjozorobe ao Ampilanonana, Antsorindrana, Betsimizara, Mangamila sy Antatamokely, Distrika Antananarivo Avaradrano ao Ambohidrazana sy Ampahimasina, Distrika Antananarivo Atsimondrano ao Ambalavao, Distrika Manjakandriana ao Andranonanjakana
- Faritra Analanjirofo : Distrika Fenoarivo Atsinanana ao Androka, Saharamy, Amparihibe Mahatsara, Ankidoba, Ambodirofia, Angorokobe, Marohelitra, Mandanitaoka, Ambodiaviavy, Masiakamalona, Vohilengo, Maroaomby, Ambodimanga II sy Manakambahiny, Distrika Maroantsetra ao Ankofabe, Distrika Vavatenina ao Iazafo, Ampasimazava, Maromitety, Kaloandapa, Sahanimanga, Maintimbato, Lanary, Mahatsara sy Verezambola
- Faritra Androy : Distrika Bekily ao Bekitro, Beraketa Menakompy sy Tsikolaky, Distrika Ambovombe ao Imanombo Finday
- Faritra Anosy : Distrika Amboasary Atsimo ao Tsivory, Maniry sy Tsimanangy, Distrika Betroka ao Naninora Anteto
- Faritra Atsimo Andrefana : Distrika Betioky Atsimo ao Mangily sy Taheza, Distrika Morombe ao Tanandava
- Faritra Betsiboka : Distrika Maevatanana ao Ambalanjanakomby Kariera
- Faritra Boeny : Distrika Mahajanga II ao Bealoy, Ankaboka, Marosakoa sy Antanamivony, Distrika Soalala ao Antsakoamileka
- Faritra Bongolava : Distrika Tsiroanomandidy ao Andohananalamalotra
- Faritra Diana : Distrika Ambanja ao Ampondrabe, Ankaraignabe sy Antsakoamanondro, Distrika Ambilobe ao Mahavavy, Distrika Antsiranana II ao MahĂ lina sy Tanamandriry
- Faritra Ihorombe : Distrika Iakora ao Anarabe, Nosiarivo, Ranotsara Avaratra, Tsaravatsy Ivory, Distrika Ihosy ao Analalaliry, Andriabe, Andrera, Ambahibe, Distrika Ivohibe ao Ankazovinelo, Antokila, Ambatomalama sy Amboza
- Faritra Itasy : Distrika Arivonimamo ao Tsarafara, Ambohitrakanga, Avarabary, Distrika Miarinarivo ao Loholoko
- Faritra Matsiatra Ambony : Distrika Fianarantsoa ao Ankitsika, Anasana sy Ankaraoka, Distrika Isandra ao Andoharanomaintso, Distrika Vohibato ao Ampahidranolava
- Faritra Melaky : Distrika Antsalova ao Beboka sy Bekopaka, Distrika Maintirano ao Demoka sy Marifilaly
- Faritra Menabe : Distrika Belo-sur-Tsiribihina ao TsaraotĂ na, Distrika Manja ao Ambararata sy Vondrove, Distrika Morondava ao Dabara sy Bemanonga
- Faritra Sava : Distrika Andapa ao Ambalafary, Kobahina, Ambodiala sy Andalamena, Distrika Vohémar ao Belambo Ambony
- Faritra Sofia: Distrika Antsohihy ao Anahidrano, Distrika Bealanana ao Andranomafana sy Anjohibe
- Faritra Vakinankaratra : Distrika Antsirabe II ao Andriampatsy, Distrika Betafo ao Ambodiriana, Distrika Faratsiho ao Vinaniony Atsimo sy Ambohijatovo
- Faritra Vatovavy Fito Vinany: Distrika Manakara ao Nofia, Distrika Mananjary ao Marofototra.
Lakan-drano fanondrahana mirefy 2.161 km (iraika amby enimpolo amby zato sy roa arivo kilometatra) no namboarina sy navaozina ao amin’ny Faritra miisa 17 maneran’ny nosy.
Raha ny fiompiana kosa dia samy nanaovana ezaka amin’ny Distrika maro maneran’ny Nosy ka ireto avy izy ireo:
 Abattoir manara-penitra iray ao Tsiroanomandidy Faritra Bongolava no natsangana
 Fiompiana omby fakana hena fitaratra telo no naorina tao Toamasina, Tsiroanomandidy sy Taolagnaro, ary toerana fiompiana omby manarapenitra (fermes modernes et fermes franchisées) enina tao Antsirabe II sy Betafo
 Omby mihoatra ny 2.400 (efajato sy roa arivo) no nametrahana marika voaaradia (puces géolocalisables) mba hiarovana andian’omby miisa eo amin’ny 250 000 (dimy alina sy roa hetsy) ao Bongolava sy Menabe
 Omby miisa 1.000 (arivo) no nametrahana kavin’omby tsy azo angalarina (boucle d’identification infalsifiable) tao amin’ny Distrika Taolagnaro, Bekily, Ambovombe, Tsihombe ary Morondava
 Nametrahana fanotrehana akoho mandeha amin’ny herin’aratra ary mahazaka atody 840 (efapolo sy valonjato) avy ireto Distrika ireto : Ambohidratrimo, Antsiranana, Tsiroanomandidy, Mahajanga, Toamasina I sy Toamasina II
 Ondry aman’osy mihoatra ny 22.000 (roa arivo sy roa alina) no nozaraina tamin’ny 2020 ka nahitana ondry aman’osy fakana taranaka miisa 5.800 (valonjato sy dimy arivo) izay nozaraina tao amin’ireto Distrika ireto : Toliara I, Toliara II, Betioky, Ampanihy, Benenitra, Beroroha, Ankazoabo, Morombe, Sakaraha , Mahabo
 Akoho fakana nofo sy manatody lava mihoatra ny 70.000 (fito alina) no nozaraina tamin’ny mpiompy tao amin’ny Distrika Ihosy, Sambava, Antalaha, Vohimarina, Andapa ary Antsirabe I.
Raha ny teo amin’ny sehatry ny jono indray dia izao no azo ambara :
 Fanavaozana momba ny jono makamba an-tsisin-dranomasina mba ho tonga sehatra mitsinjo ny lovainjafy sy mampidi-bola ho an’ny fanjakana
 Fanokafana ny dinika mba hametrahana ny fifanarahana momba ny jono eo amin’i Madagasikara sy ny Vondrona Eropeanina ho amin’ny efa-taona manaraka
 Zana-trondro miisa 13.900.000 (sivy hetsy sy telo amby folo tapitrisa) no voazara tamin’ny mpiompy amin’ny faritra 12 (roa amby folo) : Atsinanana, Atsimo Andrefana, Betsiboka, Ihorombe, SAVA, Vakinankaratra, Matsiatra Ambony, Alaotra Mangoro, Analanjirofo, Boeny, Bongolava ary Analamanga
 Fahazoan-dalana amin’ny jono vaventy miisa 242 (roa amby efapolo sy roanjato) no nomena
 Fitaovana miisa 1.800 (valon-jato sy arivo) toy ny salotr’aina, harato, sambo madinika aingam-pandeha no nozaraina tao Lalangina, Ihosy, Vohibato, Isandra, Ikalamavony, Fianarantsoa, Ambalavao, Ambohimahasoa, Toliara II, Manakara, Taolagnaro, Farafangana, Vangaindrano, Maevatanana, Antsirabe, Betafo ary Belo-sur-Tsiribihina
Ireto kosa ny asa atomboka na tohizana amin’ity taona 2021 ity :
 Momba ny fambolena, dia fanarenana velarantany voatondraka mahatratra 50.665 ha (dimy amby enipolo sy eninjato sy dimy alina) no vinavinaina, miampy fanitarana 20.850 ha (dimampolo sy valonjato sy roa alina) vaovao. Mirefy 374 kilometatra (efatra amby fitopolo sy telonjato kilometatra) ny lakan-drano kasaina haorina na havaozina amin'ity taona ity
 Fanarenana lalantany eny anivon’ny kaominina maro ahafahana mampifandray ny toeram-pamokarana sy ny tsena ka hisitraka izany ireto distrika ireto : Brickaville, Mananara Avaratra, Sainte Marie, Vatomandry, Arivonimamo, Antsirabe I, Antsirabe II, Betafo, Fenoarivo Atsinanana, Manjakandriana, Miarinarivo, Soavinandriana, Soanierana Ivongo, Toamasina II, Vavatenina, Faratsiho ary Arivonimamo
 Fametrahana any Maroantsetra sy Nosy Be ny rantsan’ny Foibe fanaraha-maso ny Jono (CSP) sy fampitaovana sambo mpanaramaso ny jono azy ireo
 Fananganana sekoly ambaratonga faharoa momba ny fiompiana (lycée agricole) ao Miarinavaratra, Fandriana
 Fametrahana fotodrafitrasa madinika momba ny jono izay ahitana ihany koa ny fampiasana herinaratra mahaleotena any Ambanja, Ambilobe ary Nosy Be
 Fa omby maherin’ny 58.000 (valo arivo sy dimy alina) no ezahana asiana marika voaradia na puces éléctroniques ary maherin’ny 450.600 (eninjato sy dimy alina sy efatra hetsy) no asiana kavina elektronika.
4.7. Eo amin’ny sehatry ny tontolo iainana
Natao laharam-pahamehana ny fiarovana ny ala sy ny tontolo iainana ary ny fitantanana lovainjafy sy ara-drariny ireo harena voajanahary toy ny biby sy zava-maniry miavaka izay tsy misy afa tsy eto amintsika. Efa napetraka ny rindran-tontolo iainana maitso ka ny paik’ady voalohany nentina tamin’izany dia ny fambolen-kazo sy fampitomboana ireo velaran-tany voarakotra ala.
Napetraka tanjona tamin’ny taona 2020 ny hambolena ala afaritra amin’ny velaran-tany mirefy 76.168 ha (valo amby enimpolo amby zato sy enina arivo sy fito alina hektara). Na dia teo aza anefa ny fotoan-tsarotra nandritra ny fisedrana ny valanaretina dia velaran-tany mirefy 59.639 ha (sivy amby telopolo sy eninjato sy sivy arivo sy dimy alina hektara) no voavoly hazo.
Araka ny paik’ady napetraka dia hanatanteraka fambolen-kazo moderna amin’ny velaran-tany midadasika isika amin’ny alalan’ny famafazana ambioka an’habakabaka. Hampiasa ireo teknolojia isan’ny hiaka farany isika amin’ny alalan’ny drones, efa voavidy ireo “drônes” dimy ary efa niroso tamin’ny fanofanana ireo teknisianina mpikirakira ny fitaovana ary efa nanatanteraka ny andrana voalohany.
Hahita vokatra tsara isika satria hahazo tombony eo amin’ny lafiny fotoana, fomba fambolena ary amin’ny fanatratrarana ireo toerana saro-dalana sy mikisilasila.
Mbola ao anatin’ny Vina « Madagasikara rakotr’ala » dia nohamafisina ny fametrahana toeram-pamokarana zanakazo (Pépinière) manerana ny nosy. Ankehitriny dia ahitana toeram-pamokarana zanakazo miisa 1.700 (fitonjato sy arivo) ny Faritra 22 (roa amby roapolo).
Nataon’ny Fitondram-panjakana ho laharam-pahamehana ihany koa ny fanomezan-danja ny toe-karena maitso sy ny toe-karena mifampitsinjo (économie verte, économie circulaire). Izany indrindra no nanatanterahana tetik’asa fitsinjarana sy fanodinana fako ho lasa angovo na akora hafa ilaina amin’ny fiainana an-davan’andro toy ny harina, zezika compost, mba hampihenana ny fandotoana ny tontolo iainana. Hisitraka izany ny Distrikan’i Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Avaradrano, Toamasina I, Antsiranana I. Efa an-dalam-pananganana ireo foto-drafitrasa mifandraika amin’izany isika amin’izao fotoana izao.
Natao koa ny fanentanana sy fampianarana mikasika ny ady sy ny fiarovana amin’ny doro-tanety sy ny doro-ala (feu de brousse, feu de forêt) teny amin’ny faritra miisa 17 (fito ambiny folo) ary efa eo an-dalam-pandrindrana ny an’ireo faritra ambiny ankehitriny.
Fikambanana maro mitolona sy miady amin’ny afo, doro-tanety sy doro-ala koa no nomena andraikitra sy novatsiana fanamiana ary fitaovana. Distrika dimy no hisitraka izany : Mahajanga II, Morondava, Vohémar, Morombe, Antananarivo Renivohitra.
Ho tohizana any amin’ny Distrika Antananarivo Atsimondrano koa ny tetikasa fanodinana ny fako hasolo arina.
Ho fanamafisana ny ezaka eo amin’ny lafiny Tontolo iainana dia efa tafapetraka ny Ivo-toeram-panofanana nasionaly ireo teknisianin’ny Ala (Centre National de Formation des Techniciens Forestiers CNFTF) eny Angavokely Carion izay mampihofana mpianatra ho Mpiasan’ny ala. Efa nivoaka tamin’ny taona 2020 ireo andiany voalohany miisa 25 (dimy amby roapolo) ary efa nahazo fanendrena ara-panjakana ka naparitaka avy hatrany manerana ny faritra.
4.8. Eo amin’ny lafin’ny Asa vaventy sy ny Fanajariana ny tany ary ny trano fonenana sy ny famoronana tanàna vaovao
Na dia teo aza ny fiantraikan'ny valanaretina, tsy nahasakana ny fanatanterahana ireo fandaharan'asam-panjakana nampiandraiketana azy ny fitondram-panjakana, ka toy izao ny vokatra azo aroso eo amin’ny sehatry ny Asa vaventy :
 Làlana manodidina ny 14.300 km (telonjato sy efatra arivo sy iray alina kilometatra) no voakasiky ny fikojakojana, fanarenana na fanorenana mba ho azo ampiasaina manerana ny Distrika rehetra eto Madagasikara, toa an’Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Atsimondrano, Antananarivo Avaradrano, Ambohidratrimo, Toamasina II, Fenoarivo Atsinanana, Soanierana Ivongo, Ambilobe, Ambatolampy, Antsirabe I, Antsirabe II, Ambositra, Ambohimahasoa, Fianarantsoa I, Fianarantsoa II, Ambalavao, Ihosy, Sakaraha, Toliara I, Toliara II, Manjakandriana, Moramanga, Brickaville, Taolagnaro, Amboasary, Ambovombe, Farafangana, Vangaindrano, Manakara, Ambatondrazaka, Amparafaravola, Mitsinjo, Soalala, Befandriana, Tsiroanomandidy, Miarinarivo, Anjozorobe, Soavinandriana, Faratsiho, Ambilobe, Vohemar, Sambava, Maevatanana, Manja, Morombe, Miandrivazo, Mahabo, sy ny sisa
 Mandroso ny fanarenana ny RN44 mampitohy an'i Marovoay sy Vohidiala ary efa manakaiky ny 40% ny fandrosoan'ny asa
 Vita ny tetezan'i Manaingazipo eo amin'ny RN3A mampitohy an'i Vohidiala sy Andilamena
 Mandroso ny fanarenana ny RN5A mampitohy an'Ambilobe sy Vohemar izay mirefy 159 km (sivy amby dimampolo amby zato kilometatra) ka efa mananika ny 44% (efatra amby efapolo isan-jato) ny asa vita
 Mandroso ny fanamboarana ny RN9 mampitohy an'i Toliara - Analamisampy - Bevoay - Manja, ka raha efa vita tanteraka ny mampitohy an'i Toliara sy Analamisampy dia manomboka kosa ny fanarenana an'i Analamisampy - Manja miaraka amin'ny fanorenana ny Tetezana eo amin'ny Reniranon'i Mangoky
 Mitohy ny fanarenana ny RN12A ary efa miroso amin'ny fikarakarana ny tolotr'asa andiany faharoa miaraka amin'ny fanorenana ireo tetezana valo mampitohy an’iny làlana iny izay mahasehaka Distrika telo dia Farafangana, Vangaindrano ary Taolagnaro
 Mitohy ary mandroso ny fanomanana ny tolotr'asa ho amin'ny fanarenana ny lalampirenena RN13 mampitohy an'i Ambovombe sy Taolagnaro
 Mitohy ary mandroso ny tolotr'asa fanarenana ny RN6 mampitohy an'Ambanja – Antsiranana ary tsy ho ela intsony dia hanomboka ny asa fanamboarana
 Manakaiky ny fahavitany ny RN43 mampitohy an'i Sambaina sy Faratsiho ary mitohy ny fanarenana ireo ampahany efa misy fahasimbana amin'ny lalana mampitohy an'i Faratsiho - Soavinandriana – Analavory
 Vita tanteraka ny Rocade-n’Iarivo
 Mandroso ny fanamboarana ny Route des oeufs eny Mahitsy
 Tohizana ny fanarenana ny RN5 mampitohy an'i Toamasina – Foulpointe – Fenerivo Atsinanana - Soanierana Ivongo - Mananara – Maroantsetra
 Vita ireo lalana amin'ny renivohi-paritany rehetra ary singanina manokana amin'izany ireo lalana mivoaka ny tanànan'Antananarivo
 Manomboka ny fanarenana ny RN12 mampitohy an'i Vohipeno sy Farafangana
 Atao ny asa fanarenana làlana Hell-ville – Djamandzar Nosy Be, ny RNT18 Vangaindrano – Midongy – Befotaka, ny RNT14A Ifanadiana – Ikongo – Vohipeno, ny RN13 Ihosy – Betroka – Ambovombe, ny RNT33B Andranofasika - Ambato-Boeny, ny RN23 Mahanoro – Marolambo, ny RNS1B Tsiroanomandidy – Maintirano
 Hirosoana ny fanamboarana ny fefilohan’ny Mahajilo ao Miandrivazo.
Eo amin’ny fanajariana ny tany dia maro ireo ezaka vita. Anisan’izany ny fanomezana “titres fonciers” miisa 6.476 (enina amby fitopolo sy efajato sy enina arivo) sy “certificats fonciers “ miisa 36.164 (efatra amby enipolo amby zato sy enina arivo sy telo alina) tamin’ny taona 2020.
Himasoana ny fampivoarana ny fanajariana ny tany eto amintsika amin’ity taona 2021 ity ka asa fanorenana “guichets uniques” miisa 9 (sivy), toy ao Fianarantsoa, Andramasina, Vohémar, Mampikony, Manja, Ambohimasoa, Andilamena, Toliara II, Mananara Avaratra. Atao koa ny fanavaozana ny trano ho an’ny “Services fonciers” miisa 4 (efatra).
Natomboka ny fanorenana trano fonenana ho an’ny daholobe ka ireto Distrika 8 ireto no hisitraka izany : Fianarantsoa, Arivonimamo, Toamasina I, Antsiranana I, Mahajanga I, Antsirabe I, Morondava ary Nosy Be.
Efa vita ny fanamboarana ny trano fonenana 30 (telopolo) ho an’ny daholobe ao Amborovy Mahajanga I. Efa natomboka ireo fanorenana trano 640 (efapolo sy eninjato) izay mitsinjara “lots” valo ao anatin’ireto Distrika ireto : Arivonimamo, Antsiranana I, Toamasina II, NosyBe, Morondava.
Natomboka koa ny fanorenana tranobe miisa 3 (telo) amin’ireto Distrika ireto : Antsiranana I, Toamasina II ary Fianarantsoa.
Efa natomboka koa ny fanorenana tranobe R+4 sivy, izay misy “appartements” 15 (dimy amby folo) ao Ivato, Distrikan’Ambohidratrimo, izay miisa 36 (enina ambin’ny telopolo).
Vita tanteraka koa ny “travaux de terrassement” ny toerana hananganana tanàna vaovao izay mirefy 6 (enina) hekitara ao Ivato.
Vita tanteraka koa ny “travaux de terrassement” ny toerana hanorenana tranobe R+4 miisa 29 (sivy amby roapolo) izay mirefy 8 ha (valo hekitara) ao Ivato.
Efa natomboka ary mitohy amin’ity taona ity koa ny fanadihadiana amin’ireo toerana hananganana tanàna vaovao eto amin’ny nosintsika.
4.9. Eo amin’ny lafiny angovo
Singanina manokana ny fandraisana anjara amin’ny ady amin’ny Covid-19 ka nanampiana ireny CTC-19 maro teto amin’ny Nosy.
Nanaovana ezaka ihany koa ny fampitaovana Groupes Electrogenes ny CHU, ny CHRR, ny CHD ary CSB amin’ny Faritra Analamanga, Itasy ary Alaotra Mangoro.
Efa natomboka ny fampitaovana Centrale Photovoltaique 10 KVA ny CSB, CHRD, CHRR, CHU amin’ny Faritra maro, toa an’Analamanga, Itasy, Matsiatra Ambony, Vatovavy Fito Vinany, Atsimo-Atsinanana, Alaotra Mangoro, Anosy, Androy, Ihorombe, DIANA ary Menabe.
Distrika 99 (sivy amby sivifolo) no nisitraka ny fanazavana ny làlana amin’ny tanan-dehibe tamin’ny alalan’ny tetik’asa “éclairage public”. Jiro miisa 4.478 (valo amby fitopolo sy efa-jato sy efatra arivo) no voapetraka tamin’izany.
4.10. Eo amin’ny sehatry ny Paositra sy ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra
Nanao ezaka maro ny fitondram-panjakana eo amin’ny fampiroboroboana sy ny fanatsarana ny tolotra ho an’ny vahoaka Malagasy. Nanombohana izany ny fanavaozana tanteraka ny biraon’ny Paositra etsy Antaninarenina izay sady foibe no paositra modely ho an’ireo hafa rehetra. Tsy mijanona eto Antananarivo anefa izany fanatsarana izany fa natao manerana ireo distrika maro eto Madagasikara, toy ny any Antalaha, Antsiranana I, Mahajanga I, Fianarantsoa I, Toliara I ary hitohy hatrany ireo mandritra ity taona 2021 ity ho fanatsarana ireo tolotra ho an’ny mpanjifa.
Madagasikara mivoatra no tanjona. Eo ireo tetikasa “Smart village” izay fametrahana connexion internet isaky ny distrika izay tsy mbola manana izany. Efa tafapetraka ny any Ambatondrazaka, Ambatofinandrahana, Fandriana, Amboasary Atsimo, Ambovombe Androy, Taolagnaro, Ankazoabo, Farafangana, Vangaindrano, Ambato-Boeny, Tsiroanomandidy, Fenoarivobe, Manja, Mampikony, Port-Bergé ary Antanifotsy.
Amin’izao fotoana izao mbola ny 16% ny mponina eto amitsika no manana fahafahana mampiasa ny Internet. Mbola ambany izany raha amin’izao vanim-potoana iainantsika izao satria lalana iray ahafahan’ny olom-pirenena mahazo sy manaraka ny vaovao misy eto an-toerana sy ny any ivelany izany. Izay indrindra no nahatonga ny fitondram-panjakana nametraka ary manaparitaka ireny Hotspots ireny ahafahana mahazo ny connexion Internet maimaimpoana manerana an’i Madagasikara.
Natomboka tany Manakara izany ny volana oktobra 2020. Dimampolo mahery amin’izao fotoana izao ireo toerana misy ny Hotspot manerana an’i Madagasikara ary maherin’ny fito alina no mampiasa izany. Ankoatra ny eto amin’ny faritra Analamanga dia efa manana izany ihany koa ohatra ny any Fenoarivo Atsinanana, Ambatondrazaka, Ambatofinandrahana, Ihosy, Vohipeno, Ambositra, Ambilobe sy ireo distrika maro hafa.
Mitohy hatrany ny fampiasana ny “e-Paiement” nandoavana ireo fanampiana isan-karazany toy ny Tosika fameno, Vatsin’ankohonana. Eo ihany koa ireo mandray ny pension, ny caisse école, ny vatsim-pianarana. Efa maro ireo asa vita ireo fa mbola maro ihany koa ny asa miandry raha ny fifandraisana sy ny fampivoarana ny haitao ara-kajy mirindra no resahina. Isany misongadina amin’ity taona ity ny fametrahana ireo “Relais Poste” any Kandreho, Mandritsara, Sainte-Marie, Fort Dauphin, Antsohihy sy ny maro hafa. Eo ihany koa ny fanavaozana ireo biraon’ny Paositra ao Ihosy, Ambovombe, Antalaha, Antsiranana, Manakara, Fianarantsoa ary Fenerive Atsinanana.
Farany, tsara ny manantitra fa politikan’ny fitondram-panjakana iatrehana ny fameloman’aina ny toe-karena (relance économique) ny fampiasana vola amin’ny fanamboarana fotodrafitrasa maro isankarazany maneran’ny Nosy. Miteraka asa vaovao maro izy ireny ho an’ny tanora eran’ny firenena. Mampidi-bola ihany koa ho an’ny orinasa maro eto amintsika no sady mampidi-bola ihany koa ho an’ny fianakaviana maro izay miasa mivantana amin’ireny orinasa na tetikasa ireny. Ao koa ireo izay misitraka ankolaka ny fampidiram-bola kirakiraina izay azo avy amin’ny tombontsoan’ny fampiasam-bolam-panjakana amin’izao fanomezana aina vao ny toekarena eto amintsika izao.


Andriamatoa Filoha,
Tompokolahy sy Tompokovavy,


Ny ezaka rehetra natao moa dia ho tombotsoam-bahoaka. Koa ankoatran’ny fihariana dia tsy natao latsa-danja ny sosialimbahoaka.
5. Ny lafin’ny Sosialy
5.1 Eo amin’ny sehatry ny Fanabeazana sy Fiofanana ho an’ny rehetra
Eo amin’ny fanabeazam-pirenena dia politika ankapoben’ny fanjakana ny hanatsara hatrany ny kalitaon’ny fanabeazana eto amintsika.
EPP manarapenitra miisa 30, CEG 8 ary Lycée miisa 6 no nokasaina haorina ny 2019. Ny taona 2020 dia 10 tamin’ireo EPP manarapenitra (Ambatondrazaka, Ambilobe, Betafo, Farafangana, Fenoarivo Atsinanana, Fianarantsoa, Ifanadiana, Mahajanga I, Toliara I, Ambositra) sy Lycée 5 (Antsiranana I, Toamasina II, Toliara II, Vohipeno, Ambato-Boeny) no efa vita na an-dàlam-pahavitana.
Sekoly EPP misy efitrano 2 no natsangana ary maro ireo Distrika no misitraka izany, toy : Ambatolampy, Andramasina, Antananarivo Atsimondrano, Antanifotsy, Antsirabe I, Antsirabe II, Betafo, Manjakandriana, Ambalavao, Ambanja, Ambatofinandrahana, Ambatondrazaka, Ambilobe, Amboasary Atsimo, Ambohidratrimo, Ambohimahasoa, Ambositra, Ambovombe Androy, Ampanihy, Amparafaravola, Analalava, Andilamena, Anjozorobe, Ankazobe, Anosibe An’Ala, Antalaha, Antananarivo Atsimondrano, Antananarivo Avaradrano, Antsiranana I, Antsiranana II, Antsohihy, Arivonimamo, Bealanana, Bekily, Beloha, Beroroha, Betroka, Port Bergé, Brickaville, Fandriana, Farafangana, Fenoarivobe, Fianarantsoa, Iakora, Ihosy, Ikalamavony, Ikongo, Isandra, Ivohibe, Lalangina, Maevatanana, Mahabo, Mampikony, Miandrivazo, Miarinarivo, Moramanga, Morombe, Morondava, Nosy Be, Sainte Marie, Soanierana Ivongo, Taolagnaro, Toamasina II, Toliara I, Toliara II, Tsaratanana, Tsihombe, Tsiroanomandidy, Vangaindrano, Vatomandry, Vavatenina, Vohémar, Vohibato, Vohipeno, Vondrozo, Manandriana, Mananjary, Mandoto, Mandritsara, Maroantsetra, Mahajanga I, Mahajanga II, Marovoay ary Ambato-Boeny.
Etsy andanin’izay kosa ireo sekoly EPP misy efitrano 12 ka hatramin’ny 24 izay efa vita na andalam-pahavitàna, toy ny ao : Ambatondrazaka, Ambilobe, Betafo, Farafangana, Fenerive-Atsinanana, Fianarantsoa, Ifanadiana, Mahajanga I, Toliara I, Ambositra, Antananarivo Avaradrano, Antananarivo Renivohitra, Bealanana, Brickaville, Fianarantsoa, Ihosy, Vohémar.
Ny sekoly ambaratonga faharoa indray kosa izay miisa 8 dia an-dalana avokoa ny asa amin’ireto Distrika manaraka ireto: Ambalavao, Antananarivo Renivohitra, Mahajanga I, Miarinarivo, Morondava.
Azontsika tarafina amin’izany ny ezaka atao hamerenana hatrany ny hasin’ny fanabeazana, ary tsy latsa-danja ny fandraisana mpampianatra.
Eo amin’ny fampianarana ara-teknika sy ny fanofanana arak’asa dia ny fananganana ivo-toerana fampiofanana arak’asa manara-penitra no tanjona apetraka.

Centres de Formation Professionnelle de Référence miisa 5 (dimy) misy efitrano 12 avy no efa vita ao Bealanana, Ihosy, Tsihombe, Vatomandry ary Betafo. Atao ihany koa ny famatsiana fitaovana ho an’ireo toeram-panofanana ireo mba ahafahan’ny mpianatra manantanteraka fampiharana.
Mitohy hatrany ny fandraisana mpampianatra sy mpiasa ho mpiasam-panjakana isan-taona.
Eo amin’ny fampianarana ambaratonga ambony dia oniversite maro no natsangana ahafahan’ireo mpianatra manohy ny fianarany any amin’ny faritra ary ahafahana mitrandraka sampam-piofanana mifandraika amin’ny zava-misy sy filàna ara-toekarena sy ara-piaraha-monina any an-toerana. Oniversite vaovao no an-dalam-panorenana ao anatin’ireto Distrika ireto : Soavinandriana Itasy, Fenerive-Atsinanana Analanjirofo, Antsirabe Vakinankaratra, Antalaha SAVA, Antsohihy Sofia, Morondava Menabe, Maintirano Melaky, Taolagnaro Anosy.
Ankoatra ireo Oniversite atsangana ireo dia eo ihany koa ireo tranon’ny mpianatra izay arenina na aorina mba hitsinjovana ireo mpianatra avy lavitra toa ny any Toliara, Antsiranana, Mahajanga, Antananarivo, Antsirabe, Soavinandriana, Morondava ary Fenerive-Atsinanana.
Ezaka manokana no atao amin’izao fotoana izao mba andraiketana ara-kajy mirindra ireo mpianatra sy mpandraharaha eny anivon’ny Oniversite manerana ny nosy. Izany no natao dia mba ahafahana manamarina sy manadio ny isan’ireo mpianatra misitraka vatsim-pianarana sy mpandraharaha mandray karama.
5.2 Eo amin’ny sehatry ny Fahasalamana
Zo fototra ho an’ny olombelona ny fahasalamana ka natao vaindohan-draharaha hatrany. Arak’izany dia tontosa ireo asa fanorenana sy fanatsarana maro teo amin’ireo fotodrafitrasa ara-pahasalamana na dia teo aza izany ady goavana natrehan’ny firenena izany.
Efa an-dalam-panatanterahana avokoa ny asa fanamboarana sy ny fampitaovana ny Centre Hospitalier de Référence de District (CHRD) miisa 14 amin’ireto distrika ireto : Anivorano Avaratra, Antsalova, Ambohimahasoa, Analalava, Beloha, Mandritsara, Mampikony, Manandriana, Ankilizato Mahabo, Ivohibe, Iakora, Tanambao Manampotsy, Vohibato, Vondrozo. Trano fonenana sy efi-tranon’ny Mpitsabo mpiandry raharaha vaovao miisa 14 no efa eo an-dalam-panorenana eny anivon’ireo Hopitaly Manarapenitra vaovao ireo.
Efa saika vita avokoa ireo CSBII 10 (folo) natomboka tamin’ny 2019, dia ny ao Ambatomitsangana Soavinandriana, Sendrisoa Ambalavao, Ranohira Ihosy, Mahatsara Ambatondrazaka, Ambonivohitra Ambatondrazaka, Talatanangavo Ankazobe, Manjarivo Manakara, Motombositra Beloha, Antetezamintsina Andapa, Ankaratra Ambilobe.
Misy CSB II 8 (valo) hafa koa vao naorina tamin’ny taona 2020 no vita na eo am-pamaranana ny asa fanamboarana ankehitriny. Ireo asa fanorenana rehetra ireo dia notanterahina tao Ambodirano Vondrozo, Manja, Sampoina Amboasary-Atsimo, Maroalopoty Ambovombe, Antselibe Bekily, Marovato Tsihombe, Beahitsy Ampanihy. Ny CSB II ao Bekodoka Besalampy kosa dia nandalo fahasahiranana ny asa fananganana, efa mizotra amin’ny fanohizana ny asa isika ankehitriny.
CSB II miisa 18 ihany koa no novatsiana fitaovana fitsaboana ary fitaovam-pandrindrana asa. Ankehitriny, ireo fitaovana ireo dia efa tonga eny anivon’ny Distrika momba ny Fahasalamam-bahoaka (SDSP) tsirairay avy : Itasy miisa 1, Matsiatra Ambony 1, Ihorombe 1, Alaotra Mangoro 2, Analamanga 1, Vatovavy Fitovinany 1, Androy 4, SAVA 1, DIANA 1, Atsimo Atsinanana 1, Melaky 1, Menabe 1, Anosy 1, Atsimo Andrefana 1.

Trano fonenana sy efi-tranon’ny Mpitsabo miandry raharaha vaovao any amin’ny faritra 14 no naorina eny anivon’ny CSB II sy CSB I miisa 19 ka ny 11 amin’ireo dia efa vita tanteraka, ary ny ambiny kosa dia saiky eo an-dalam-pahavitàna. Nisitraka izany fanorenana trano izany ny ao amin’ny CSB II Maintirano, CSB II Ambatomitsangana, CSB II Sendrisoa, CSB II Ranohira, CSB II Mahatsara Ilafy, CSB II Ambonivohitra, CSB II Talatan’Angavo, CSB II Manjarivo, CSB I Antselibe, CSB I Antetezanitsina, CSB II Ankaratra, CSB II Ambodirano, CSB II Bekodoka, CSB II Manja, CSB II Sampoina, CSB II Maroalopoty, CSB II Motombositse, CSB II Marovato, CSB II Beahitse.
CSB II miisa 18 no nametrahana “panneaux solaires” mba hamatsy herin’aratra azy ireo, dia ao anatin’ireto faritra ireto izany : Itasy 1, Matsiatra Ambony 1, Ihorombe 1, Alaotra Mangoro 2, Analamanga 1, Vatovavy Fitovinany 1, Androy 4, SAVA 1, DIANA 1, Atsimo Atsinanana 1, Melaky 1, Menabe 1, Anosy 1, Atsimo andrefana 1.
Mahakasika ny Foibe Famindrana Voa (Centre de transplantation rénale) etsy amin’ny CHU Andohatapenaka dia efa mandeha ny asa fanorenana.
Efa mandeha ihany koa ankehitriny ny asa fanorenana toeram-pitsaboana amin`ny rano mafana (Centre thermal) any Betsiaka, Ambilobe.
5.3 Eo amin’ny sehatry ny rano
Distrika maro manerana ny Nosy no mijaly rano nandritry ny fotoana maharitra satria tsy ampy ny fampitaovana sahàza ho amin’izany kanefa ny isan’ny mponina sy ny tanan-dehibe dia tsy mitsahatra mitombo hatrany.
Nanomboka ny taona 2019 dia nanapa-kevitra ny fitondram-panjakana fa hanao fotodrafitrasa hamatsiana rano fisotro madio ny Distrika rehetra amin’ny alalan’ny asa fanorenana vaovao na fanitarana ny efa misy.
Mihoatran’ny 40 (efapolo) ny district no nanombohana ny asa hatramin’izao, dia ireto avy : Ambanja, Antalaha, Vohemar, Antsiranana, Antsohihy, Mandritsara, Mampikony, Soalala, Ambato Boeny, Marovoay, Antananarivo, Ankazobe, Manjakandriana, Ambatondrazaka, Mananara Avaratra, Fenerive Atsinanana, Vatomandry, Antsirabe, Mandoto, Antanifotsy, Soavinandriana, Miarinarivo, Tsiroanomandidy, Maintirano, Morafenobe, Belo-sur-Tsiribihina, Miandrivazo, Mahabo, Morondava, Mananjary, Ifanadiana, Farafangana, Ambohimahasoa, Fianarantsoa, Ambalavao, Ihosy, Ambovombe, Beloha, Betroka, Ampanihy, Ankazoabo. Ary hanomboka tsy ho ela ny ao Kandreho, Manja, Taolagnaro, Bekily, Ivohibe, Iakora.
Mifanindran-dalana amin’izay ihany koa ny fampidirana rano fisotro madio eny anivon’ny Renivohitry ny Kaomina maromaro hanatrarana ny fahazahoan’ny 60%-n’ny mponina rano fisotro madio amin’ny taona 2023.
Mahakasika an’Antananarivo manokana, 300.000 m3 isan’andro no filàna ara-drano kanefa 200.000 m3 no vokatra isan’andro. Araka izany dia misedra tsy fahampian-drano isan’andro eo amin’ny 100.000 m3 ny vahoakan’Antananarivo. Ireto ny vahaolana naroso :
- ny fanamboarana fotodrafitrasa mamokatra 40.000 m3 isan’andro ao Mandroseza ahafahan’ny vahoaka misitraka rano na maintany aza
- ny fametrahana forage miisa 10 (folo) “à gros débit” 2.400 m3 isan’andro izay manome 24.000 m3 isan’andro
- ny fanamboarana paompin-drano 46 (enina amby efapolo) avy amin’ny forage madinika izay hita eny amin’ny fokontany saro-drano
- ny fanatsarana ny fantsona sy fampitomboana ny rano hovokarina ka hahasahana ny tsy fahampian-drano miaraka amin’ny tetikasa Tana Water III.
5.4 Eo amin’ny sehatry ny fampivoarana ny Tanora
Araka ny fampanantenana nataon’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika, ny fananganana fotodrafitrasa ara-panatanjahantena izay manaja ny fenitra iraisam-pirenena dia efa nanomboka amin’ny faritra maro manerana ny Nosy.
Misy amin’ireo fotodrafitrasa ireo no efa vita ankehitriny ary maro no mbola eo andalam-panamboarana, toy ny :
- Kianja Barea eo Mahamasina
- Kianja manarapenitra ao Barikadimy Toamasina
- Kianja mitafo manarapenitra mahazaka mpijery roa arivo ao Sambava
- Kianja mitafo manarapenitra mahazaka mpijery arivo, miisa 15 (15 gymnases de 1.000 places) ao Antalaha, Antsohihy, Mandritsara, Maintirano, Mahanoro, Fenerive Atsinanana, Betafo, Ihosy, Ikongo, Manakara, Farafangana, Sakaraha, Ampanihy, Ambovombe ary Taolagnaro
- Kianja mitafo manarapenitra mahazaka mpijery efatra arivo, miisa telo (3 Gymnases de 4.000 places) ao Toamasina I, Mahajanga I ary Toliara I
- Dobo filomanosana Olaimpika, miisa roa any Mahajanga sy Toliara ary mahazaka mpijery arivo isa (1.000 places)
- Kianja manarapenitra miisa telo-polo (30)
- Tranon’ny tanora izay efa vita ao Vatomandry, ary misy eo an-dalam-pahavitana ao Lalangina sy mbola ho atomboka ao Sakaramy sy Manjakandriana
- Ivo-toerana ho an’ny tanora sy ara-panatanjahan-tena izay haorina tsy ho ela ao Mahazoarivo Isandra sy Ankazoabo Atsimo.
Ireo fotodrafitrasa ireo no natao dia ho fitsinjovana sy ho fampiroboroboana ny tanora sy ireo mpikatroka fanatanjahan-tena any amin’ny faritra rehetra eto amin’ny Nosy mba ahafahan’izy ireo ihany koa handray lalao goavana sy lalao iraisam-pirenena ary indrindra ho fanatanterahana ny Veliranon’ny Filoham-pirenena mba hanandratana avo ny fanatanjahan-tena malagasy ho fampisondrotana ny voninahim-pirenena.
5.5 Eo amin’ny sehatry ny Serasera sy Kolontsaina
Isan’ny zo fototry ny olom-pirenena ny mahazo vaovao indrindra mahakasika ny fiainam-pirenena araka ny voafaritry ny Lalàmpanorenana malagasy. Distrika maro no tsy afaka nisitraka izany noho ny faharatsian’ny fotodrafitrasa.
Noho izany, nohavaozina ny émetteurs TV sy radio miisa 74 (efatra amby fitopolo) amin’ny distrika sy tanàna miisa 54 (efatra amby dimampolo) toy ny Antsalova, Antsirabe, Foulpointe, Marovoay, Miarinarivo, Nosy Be, Beroroha, Besalampy, Betafo, Nosy Varika, Belo sur Tsiribihina, Vangaindrano, Vohipeno, Maintirano, Mitsinjo, Tsiroanomandidy, Iakora, Ampanihy, Ikalamavony, Sainte-Marie, Ambohimahasoa, Marolambo, Ambatomainty, Ambatofinandrahana, Mananjary, Anosibe An'Ala, Ambatondrazaka, Andilamena, Port-Bergé, Soalala, Ivohibe, Manja, Ikongo, Taolagnaro, Ambovombe, Ihosy, Ambositra, Ifanadiana, Miandrivazo, Mahabo, Antanifotsy, Benenitra, Bezaha, Betroka, Ambanja, Fianarantsoa, Soanieran’Ivongo, Amboasary, Vatomandry, Anivorano Nord, Fenoarivo Atsinanana, Ambatoboeny, Manakara.
Ny fampivoarana ny kolontsaina eto Madagasikara dia nifototra tamin’ny fanavaozana ireo toerana manan-tantara eto amintsika. Araka ny hitantsika dia narenina ny Rovan’i Madagasikara, Rovan’Ilafy, Rovan’i Tsinjoarivo, Rovan’Ambohimanga, Rovan’Antongona, Rova Ambositra, Lapan’ny Mpanjaka Tetembola Saint-Augustin, Palais Royal Farafangana, Palais Royal Andavakotoko Nosy Be, Palais du Roi Andriamanalina Isandra, Palais du Roi Ramaharo Vohimasina Lalangina, Palais du Roi Raindratsara Lalangina, Palais Tranovola Vohipeno, Vavahadin’ny Rova Ambohimanga, Place Bien Aimée Toamasina I, Manda Foulpointe, Tombeau Ampasamanatongotra Miarinarivo, Mozea ao Moramanga, fasan-dRainiharo, Tribunal Ambatondrafandrana, Mozea Vavitiana Ampasimazava, Mozea Rainilaiarivony, Mozea Moramanga, Mozea Masianaka Vangaindrano, Lapan’Andafiavaratra.
Mbola eo ny fanatsarana Trano Lefona Ambovombe, ny Zomba Bezavo Mitsinjo, ny Zomba an’Andriamisara efadahy Ankilivao ary ny tranon’ny kolotsaina Analakely. Mbola maro ireo an-dalam-panatanterahana izay ilàna ezaka avy amin`ny fahefana mpanatanteraka. Ankoatra ireo efa an-dalam-panatanterahana ka vinavinaina ho vita amin`ity taona ity ihany koa ny trano fihaonan`ny mpanao gazety izay hatao hivoriana sy ivo-toerana fanofanana azy ireo (Maison de la Presse). Hisy ihany koa ny fananganana ny ivo-toerana Tosik’Art ao Maevatanana, Antsirabe, Tsiroanomandidy, Mananjary, Miarinarivo, Ihosy, Sambava, Ambovombe ary Taolagnaro hampivoarana ny tanora eo amin`ny lafiny kolotsaina.
Hanomboka amin’ity taona ity ihany koa ny asa fanarenana an’ireo Trano Mahitsielafanjaka, Lapa Manampisoa ary Lapa Tranovola ao amin`ny Rovan`i Madagasikara. Tanjona ny hanatrarana ireo vinan`ny Filoham-pirenena hametraka tantara ho tombotsoan`ny taranaka.
5.6 Eo amin’ny sehatry ny fiahiana ny mponina
Toy izao ny ezaka efa natao hatramin’ny taona 2020 :
 Fanokafana ny toeram-pisakafoanana “Kaly Tsinjo” ho an’ny marefo ara-pivelomana tao amin’ny distrika 12 (roa ambiny folo) Antananarivo Renivohitra, Ambovombe, Tsihombe, Beloha, Bekily, Amboasary, Betroka, Ampanihy, Toliara, Fenerive-Atsinanana, Toamasina I, Fianarantsoa I
 Fananganana biraom-panjakana hanatsarana ny asan`ny Ministera misahana ny Mponina miisa fito-ambiny folo (17) any amin’ireto distrika ireto : Andilamena, Vohibato, Isandra, Ikongo, Mampikony, Ihosy, Antsiranana II, Mahajanga II, Besalampy, Benenitra, Manandriana, Fenoarivobe, Mandoto, Andapa, Soavinandriana, Befotaka, Vondrozo
 Fananganana ivotoerana fikarakarana ny zokiolona eto Antananarivo, Antsiranana, Mahajanga, Antsirabe, Fianarantsoa sy Toliara
 Fananganana ivotoerana miisa 5 no kasaina mahakasika ireo niharan’ny herisetra mifototra amin`ny maha-lahy sy ny maha-vavy any Farafangana, Mahajanga I, Ambovombe, Ihosy ary Antananarivo
 Fananganana ivotoerana miisa telo (3) fihainoana sy fanoloran-kevitra araky ny lalàna any Beloha, Amboasary-Atsimo sy Miarinarivo.
 Fananganana ivotoerana fandraisana an-tanàna sy fanofanana ireo olona manana fahasembanana miisa efatra (4) any Manakara, Toamasina I, Moramanga sy Morondava
 Fananganana ivotoerana fandraisana vonjimaika ny ankizy tsy misy mpiahy any Nosy be
 Fanohanana indrindra ny tanora vavy sy lahy amin`ny asa fanatsarana ny fari-mpiainany. Izany dia tanterahana amin`ny fanomezana fitaovana fanjairana, fambolena sy fiompiana, asa tanana, sns. Distrika 80 (valopolo) no misitraka an’izany tamin’iny taona 2020 iny
 Fanampiana ireo tratry ny tsy fanjarian-tsakafo any Amboasary, Ambovombe, Beloha, Tsihombe, Betroka, Bekily, Ampanihy, Antananarivo I, Toamasina I, Fianarantsoa, Toliara ary Fenerive-Atsinanana
 Fandaharan`asa fampindramam-bola ho an`ny fampandrosoana ny olombelona any amin’ny distrika 13 (telo ambiny folo) ireto : Faratsiho, Betafo, Ambohimahasoa, Vohipeno, Toamasina II, Mahanoro, Betioky, Toliary II, Amboasary, Ambovombe, Tsihombe, Beloha, Bekily
 Fandaharan`asa ara-tsosialy mamokatra (FSP) izay manampy tokantrano any amin’ny Distrikan’i Arivonimamo, Manandriana, Vangaindrano, Isandra
 Ao anatin’ny sehatra Vola Takalon’Asa dia fanarenana ny fotodrafitrasa voan`ny voina ao amin’ny distrika Vatomandry, Manakara, Isandra, Ankazoabo Atsimo, Antananarivo Renivohitra no notanterahana.
5.7 Eo amin’ny fiatrehana ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo any Atsimo
Iaraha-mahalala ny fahasahiranana na ny fahantran’ireo Malagasy mpiray tanindrazana any Atsimo nandritry ny taona maro nifandimby. Fotoana izao hijerena sy handrosoana vahaolana maharitra ho fampandrosoana ny any Atsimo. Tsy hijanona fotsiny intsony isika amin’ny vahaolana fohy ezaka ao anatin’ny hamehana noho ny voina samihafa (urgence humanitaire) fa hametraka drafitra manokana ahafahan’ny mponina miavo-tena (résilience) amin’ny lafiny rehetra ary hateveninana izany amin’ny alàlan’ny fanamboarana fotodrafitrasa fototra hitondra ho any amin’ny fandrosoana (développement) ao aoriana.
Ny dinika tany Atsimo tamin’ny faha-11 sy 12 jona 2021 dia nandraisana ireto fanapahan-kevitra izay voasoritra ao anatin’ny tetikasa fampandrosoana ny any Atsimo (Plan Emergence Sud Madagascar) ireto :
- Fametrahana Fantsombe fitarihan-drano (Pipeline) : Efaho, Mandrare-Sampona ary fananganana orinasa fanamboarana kitapondrano madio fisotro, afaka mamatsy olona miisa 60 000 (enina alina) isan’andro
- Fanamboarana ireo lĂ lam-pirenena RN13, RN12A ary RN10
- Fametrahana ivotoerana lehibe famokarana herin’aratra avy amin’ny masoandro (Parc solaire) ao anivon’ny Distrika rehetra any Atsimo
- Fametrahana Toby fanarenana ara-tsakafo sy fitsaboana (Centre de RĂ©habilitation Nutritionnelle et MĂ©dicale - CRNM), izay toerana hitsaboana, hampisakafoanana sy hitehirizana vatsy ara-tsakafo
- Fametrahana tetikasa fandrindràna fiainam-pianakaviana (planning familial) ary fametrahana hopitaly manara-penitra izay vatsina fitaovana mifanaraka amin’ny fandrosoana, toy ny Scanner ao Taolagnaro
- Fanorenana orinasa mamokatra famenon-tsakafo (Nutriset)
- Fanohizana ny ezaka fanatsarana ny fampianarana
- Fanamboarana fotodrafitr’asa ara-panatanjahantena
- Fametrahana BOA sy DSS maro sy Angidimby iray any Atsimo
- Fanamboarana biraon’ny kaominina sy tranom-pokolonona maro
- Fanomezan-tosika ny famokarana amin’ny alàlan’ny fanatsarana ny famokarana hena (Feedlot), fametrahana tetikasa “Titre vert”
- Fikajiana sy fanarenana ny tontolo iainana (Ceinture Verte)
- Tetikasa “Fihariana” : Fanampiana ny fampiroboroboana voly mangahazo amin’ny velaran-tany mirefy 70.000 hekitara.
Tsara marihina fa efa misy ny asa natomboka amin’ireo voalaza ireo, misy ihany koa ireo an-dalam-pamolavolana ny fanatanterahana azy. Fanamby lehibe ny hahavitantsika azy rehetra ireo.


Andriamatoa Filoha,
Tompokolahy sy Tompokovavy,


Izany raha fehezina ny fotoana nolalovantsika sy ny fanantanterahana ny vinavinan’asa tamin’ny taona 2020 ka hatramin’izao.
Nanampy tamin’ny lafin’ny fifandraisana amin’ny any ivelany ny diplomasia Malagasy, fa indrindra indrindra nandritry ny fotoana niatrehatsika ny valanaretina. Nanamora ihany koa ny fifampiresahana amin’ny masoivohon’ny firenana avy any ivelany izy.
Alohan’ny hamaranako ny famelabelarana dia misaotra anareo manokana aho sy ny governemanta manontolo tamin’ny fanomezan-tànana ka tsy nisalasalanareo nirotsaka an-tsehatra nanampy tamin’ireo asa sy ireo hetsika rehetra ireo.
Nibahana teo amin’ny fiainam-pirenentsika sy izao tontolo izao ity valanaretina Covid-19 ity. Toy izany ihany koa ny vokatry ny tsy fanjarian-tsakafo any Atsimo. Kanefa ireny no ezaka natao ary mbola ho tohizana.
Na teo aza ireny krizy isankarazany ireny izay nitondra hisatra, ahiahy sy tebiteby teto amintsika dia tsy nojerim-potsiny ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny. Notohizantsika araka izay fahafahana manao izany ireo tetik’asa rehetra voasoritra tao amin’ireo Velirano 13 nataon’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA.
Heno sy hitanareo teo izy ireny, hitanareo any amin’ny Faritany nahavoafidy anareo koa. Hitan’ny vahoaka ihany koa. Ekenay fa tsy misy ny fanaperana, fa azontsika atao ny mandrefy ny ezaka hitondrana vahaolana, hanarenana ny vokatry ny fahatarana maro teto amin’ny firenena. Manana finiavana isika hanova ny tantaran’ity firenena iombonana ity.
Mbola eo am-panohizana izany rehetra izany izao ny fitondram-panjakana ary manamafy ny ezaka hanatrarana ireo tanjona voasoritra sy efa nambara hatrizay nanomboka ny taona 2019 tao anatin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana.

Misaotra Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy.

Mis Ă  jour ( Mercredi, 30 Juin 2021 04:56 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024

 

Beijing. Intervention du Président Andry Rajoelina, lors de la Table ronde sur le Développement économique Madagascar-Chine 2024