]
Les quotidiens du 21 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Madagasikara. Ireo Filoham-pirenena frantsay nitsidika ny Nosin-tsika

Madagasikara. Ireo Filoham-pirenena frantsay nitsidika ny Nosin-tsika

Mampalahelo. Tsy ny rediredin-dry manoranoram-poana tsy mahalala ny tantara mihitsy no mampalahelo ahy -ny sasany aza mbola tsy teraka tamin’ny andron’ny Filoha Ratsiraka dia miseho mahalala zavatra-. Ny mampalahelo ahy dia vitsy dia vitsy ny soratra sy sary voatahirin’ny mpitondra malagasy nifandimby.

Tsy mbola ao amin’ny kolontsain-tsika ny hoe : n’inona n’inona ny zava-miseho, toerana hifandimbiasana ny ety an-tany. Noho izany, tsy misy hidirana antoko, na tsangan’olona ny tahiry ara-tantara na « archives historiques ». Nefa anie mba manana tahiry kely ihany ny fianakaviana tsirairay e ! Izany fahabangana izany no mahatonga ny olona toa ingahy Patrick Raharimanana mamorona tantara valamaty izay tena inoan’ireo tsy ampy fahalalana.

Ny Tantara, ankapobeny, Tompoko, dia tsy dokam-barotra ho an’izay mpitondra amin’ny fotoanany velively, fa mila porofo azo antoka ireo tranga nisy, misy ary hisy. Ny lafiny rehetra no tehirizina hafahan’ireo handimby mahalala ny nisy teo aloha ary manitsy izay azo hahitsy.

Fa noho izay tsy fahampian’ny tahiry izay dia ny nataon’ireo teo aloha no toa miverina ary miaratsy… Amin’izao vaninandro izao dia misy mihitsy maninzingizina fa izao vao nisy Filoham-pirenena frantsay tonga teto Madagasikara. Tsia ! Koa mamakia tsara ity dosie ity.

Ho tonga eto Madagasikara, ny Filoham-pirenena frantsay, Emmanuel Macron, hanao fitsidihana ara-pomba ofisialy ary hiatrika ny Fivoriana faha-5 ataon’ireo Filoham-pirenena sy Filoham-panjakanan’ireo firenena mpikambana ao amin’ny COI na Kaomision’ny Oseana Indiana.

Iza avy ireo Filoham-pirenena frantsay tonga teto Madagasikara ary, na ara-pomba ofisialy na tsia ?

Ny tsy fantatry ny Malagasy maro an’isa, fa hatreto, dia efa teto Madagasikara ny Jeneraly de Gaulle ny taona… 1953 ! Tamin'izany vaninandro izany dia teny amin'ny seranam-piaramanidina teny Arivonimamo no migadona raha misidina avy ivelan'ny Nosy. Ity sary manaraka ity aloha ny porofo iray tsy azo ivalozana fa nitsidika ny Rova ny Jeneraly de Gaulle.

* * * * * * *

Jeneraly de Gaulle 1958

*******

Jeneraly de Gaulle 1958

22 Aogositra 1958. Nitsidika ny tao amin'ny "anjely mainty" (izany no anarana nomena io toerana io efa tamin'izany fotoana izany) ao Anosy ny Jeneraly de Gaulle vao nihazo ny kianja ao Mahamasina

*******

Jeneraly de Gaulle 1959


*******

François Mitterrand 1990


Raha mikasika ity Filoham-pirenena frantsay, teo anelanelan'ny 21 May 1981 sy 17 May 1995, ity dia tsy misy sariny ny fitsidiany teto Madagasikara mihitsy, tamin'ny 15 Jona 1990. Fa nihaona ny roa tontsa ny tao amin'ny lapan'ny Elysée araka ny sary eo ambony, ny 30 Septambra 1981.

Io gazety io ambany io sisa no mba hahafantarana fa nandalo teto izy ary manontany hoe : " Ny sosokevitr'i Ratsiraka hatolony an'i Mitterrand ".


Ny antony dia ilay resaka ery amboalohany ery miampy ny tranga niseho tamin'izany vaninandro izany: tsy manana kolon-tsaina mitahiry "archives" isika Malagasy ary ny horonan-tsary tao amin'ny TVM dia simba daholo taorian'ny tolona 1990-1991. Fa tsy hiverenako ireo eto satria tsy izany no vontoatin'ity dosie ity. Fa ny Fanjakana Frantsay kosa tena mahatahiry ny Tantaram-pirenena an-tsoratra. Io ambany io no santionany.

*******

Jacques CHIRAC 2004

Ny 27 Jolay 2004 dia nigadona teny Ivato ny Filoha frantsay Jacques Chirac. Ny anton-diany dia ny hitokanana ny lalam-baovao ao Anosibe. Avy eo izy nasain'ny Filoha Marc Ravalomanana nisakafo ao amin'ny Lapan'Ambohitsorohitra. Ary io andro io ihany izy dia nihazo ny nosy La Réunion.

Ny fitsenana ny Filoha frantsay Jacques Chirac tao Anosibe,

Antananarivo, ny 27 Jolay 2004


*******

Jacques CHIRAC 2005


Tonga teto Madagasikara indray ny Filoham-pirenena frantsay, Jacques Chirac, nanao fitsidihana ara-pomba ofisialy mandritran’ny 24 ora. Fitsidiany faharoa iry taorian'ny nahatongavany ny 27 Jolay 2004.

Ny marainan’ny Alakamisy 21 jolay 2005 no nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina Philibert Tsiranana, ao Mahajanga-, ny aeroplanina Airbus nitondra azy.

Tonga tany Mahajanga, any amin’ny morontsiraka avaratr’andrefan’i Madagasikara, i Jacques Chirac, hanao fitsidihana ofisialy mandritra ny roa andro izay handraisany anjara amin’ny fihaonambem-paritra aty amin’ny ranomasimbe Indianina.

Raha nisafidy ny ho any Mahajanga miaraka amin’ny Filoha Marc Ravalomanana ny Filoha Jacques Chirac, dia satria hanatontosa ny fiitokanana tsena nohavaozina nampian’i Frantsa ara-bola izay nitentina 10 tapitrisa euros. Taorian'io fitokanana io dia samy nitodi-doha ho any Antananarivo ny Filoha roalahy, niatrika ny Fivoarian'ny Filoham-pirenena sy Lehibem-panjakanan'ny COI faha-3 izay notontosaina teto Antananarivo, ny 22 Jolay 2005.

*******

MIKASIKA NY COMMISSION DE L'OCEAN INDIEN

Tsiahivina eto fa ny Fivoarian'ny Filoham-pirenena sy Lehibem-panjakanan'ny COI voalohany indrindra dia natao teto Antananarivo ihany ny 16 marsa 1991. Saingy tsy nisy tahiry... Fa fanintelony amin'ity taona 2025 ity ny firenena Malagasy no hampiantrano io fivoriambe io.

*******

+ + + + + + +

Jacques CHIRAC NODIMANDRY 2019

Nodimandry ny 26 Septambra 2019, tao Parisy, teo amin'ny faha-86 taonany ny Filoha frantsay teo aloha, Jacques Chirac. Mba adikao teny malagasy ireo teniny mikasika ny Afrika, ny taona 2007.


+ + + + + + +

* * * * * * *

François HOLLANDE 2016



Ny 26 Novambra 2016 no tonga teto Antananarivo ny Filoha frantsay, François Hollande. Ny Anton-diany moa dia ny hiatrika ny Fihaonam-ben'ny Frankofonia faha-16 izay notontosaina teny amin'ny CCI Ivato. Fa nandalo tetsy Anosy, teo amin'ny Tsagam-bato misy Anjely ihany koa izy (ihany satria efa tao koa ny Filoha Charles de Gaulle, ny 22 aogositra 1958), ary nanao kabary rehefa avy nametraka fehim-boninkazo.

* * * * * * *

Emmanuel MACRON 2025

Ho tonga eto Madagasikara ny Filoha frantsay Emmanuel Macron, hiatrika ny Fivoarian'ny Filoham-pirenena sy Lehibem-panjakanan'ny CO faha-5.

Fa mialohan'io Fihaonambe io, dia hanao fitsidihana ara-panjakana ofisialy izy, ny 23 Avrily 2023.


* * * * * * *

Izay ny anjarako ho an'ny Tahirin'ny Tantaram-pirenena malagasy. Raha mbola velonaina dia ho tohizako hatrany. Ny faniriako dia hisy handimby ireo tanora mianatra Tantara any amina oniversite. Tsy ny vola ihany no harena rankizy a ! Mila fantatry ny taranakareo hoe inona marina no nisy teto an-tanindrazana. Satria, milaza marina aminareo fa tsy azo hitokisansa io IA ("Intelligence Artificielle") io. Tsy hahasolo olombelona na oviana na oviana ny masinina, n'inona n'iona endriny.


Jeannot RAMAMBAZAFY

Antananarivo, 21 Avrily 2024

Mis Ă  jour ( Lundi, 21 Avril 2025 12:01 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA