Les trois dames au centre. De gauche à droite, Rosette Vital, Nadine Ramaroson, Mialy Rajoelina
8 mars. Cette année 2011, c’est à Maroantsetra, région Analanjirofo, que la Journée internationale de la Femme 2011 a été célébrée officiellement par l’état malgache, à travers le ministère de la Population et des Affaire sociales, sous le Haut patronage de la Première Dame, Mialy Rajoelina, épouse du Président de la Transition.
C’est tout le district de Maroantsetra qui a été honoré, ce 8 mars 2011 par la présence de Mialy Rajoelina, Rosette Vital, Nadine Ramaroson ainsi Jaonina Juscelino Mamitina, ministre de l’Agriculture. Nous sommes à Madagascar, voici les résumés des deux principales interventions du jour, suivis de leur traduction.
Ramatoa Mialy Rajoelina teo ampikabarina
«Navoitry ny vadin'ny Filohan'ny Fahefana Avon'ny Tetezalita fa mana-danja izao fihaonana anio izao ka nanomezany fampaherezana an'ireo Vehivavy manerana ny Nosy. Voalohanteny, hoy Ramatoa Mialy Rajoelina, dia ho fampaherezana ho an’ireo rehetra tra-pahavoazana eto Maroantsetra sy manodidina ary eran’ny Nosy, noho ny rivo-doza farany teo. Tsy mora ny manarina ka misikina herin-tsaina ary mitafia herin-tsandry, hiatrika ny fanarenana hafahana manorina asa fivelomanana sy ny fiainana andavan’andro. 8 mars, andro maneran-tany ankalazana ny Andron’ny vehivavy. Tsy diso anjara amin’izany fahatsiraovana izany isika Vehivavy Malagasy tsy vaky volo, koa dia fifaliana ho ahy no miarahaba antsika vehivavy rehetra nahatratra izany. Enga anie tsy ho fankalazana mandalo fotsiny ihany, fa hitaomana antsika handinika hatrany ifotony mihitsy, ny toerana misy ny vehivavy ankehitriny sy ny toerana tena tokony hisy ny vehivavy ao anaty fiaraha-monina. Ny olàna mbola misakana dia ny tsy fanomezana sehatra antsika vehivavy ka mbola mampitombona hatrany ny fisian’ny fanamarihana tahak’izao ”.
Mes premiers mots vont à tous les sinistrés ici à Maroantsetra et ses environs ainsi qu’aux sinistrés de toute la Grande île, victimes du dernier cyclone (Ndrl : Bingiza). Il n’est pas aisé de reconstruire, aussi fortifiez votre esprit, prenez votre courage à deux mains pour des travaux de reconstruction qui vous permettront de vous aider à vous donner du travail afin de subvenir à vos besoins quotidiens. Le 8 mars a été choisi pour être la Journée de la Femme. Nous, les femmes malgaches sans exclusive, nous n’avons pas raté ce rendez-vous. Aussi, c’est avec joie que je nous adresse, à nous Femmes, les félicitations d’usage pour être présentes aujourd’hui. Physiquement ici à Maroantsetra, dans le cœur et en pensée pour toutes les Femmes de Madagascar et d’ailleurs. Puisse cette Journée ne pas être uniquement passagère mais qu’elle permette de nous pencher sérieusement sur la position exacte que doit avoir la femme de nos jours et au sein de la société. Le grand facteur de blocage, jusqu’à présent, repose sur l’espace restreint que l’on nous donne pour faire entendre notre voix, raison pour laquelle la Journée internationale de la Femme prend tout son sens.
CLIQUEZ SUR LA PHOTO DE MIALY RAJOELINA POUR LE DISCOURS INTEGRAL EN MALGACHE (PDF)
Miantefa manokana amintsika Andriambavilanitra rehetra eto Maroantsetra aloha ny resako. Mana-jara raha samy Malagasy ianareo eto, satria miaina ao anaty faritra anisany sy mahavokatra indrindra raha ny eto Madagasikara. Aoka mba ho hery mandrisika isan’andro izany, ka mba hanomezanareo ohatra tsara ho an’ny Vehivavy Malagasy Tantsaha rehetra manerana ny Nosy. Raiso an-tànana ny fiainanao ary mahereza amin’ny asa fambolena izay atao, mba ho filamatra sy modely ho an’ny faritra mpamboly rehetra eto Madagasikara. Ny tao-trano koa tsy efan’irery, tsy afa-mandeha irery na ny lahy na ny vavy ka hiambo hahavita tena eo amin’ny fampandrosoana, na ny tokan-trano, na ny fiarahamonina misy antsika tsirairay avy. Tsy maintsy misy ny fifanampiana sy ny fifanomezan-tànana ary voamarina lohatra ny antony nosafidiananan’ny ministeran’ny Mponina sy ny Raharaha sosialy ny lohahevitra entina hankalaza ity Andron’ny Vehivavy, manao hoe : « Vehivavy sy lehilahy miara-mientana hatrany ifotony ho fampandrosoana ny sosialim-bahoaka ».(…) Izany hoe tokony hitovy lanja ny vehivavy sy ny lehilahy eo amin’ny toerana izay misy azy ireo tsirairay avy, ka mandeha ila ihany na mandringa mihitsy raha misy ny omena tombony manokana ao anatin’ny asa fampandrosoana izay atao. Ary mazava ho azy far aha mandeha ila dia tsy afaka mifameno, ka tsy feno tahak’izay koa ny vokatra tokony ho azo. Ny lohahevitra nosafidin’ny Firenena Mikambana raha teo dia ny hoe: “Fitovian-jo eo amin’ny fahazoana Fanabeazana, Fanentanana, Siansa ary Teknolojia, mba ho azon’ny vehivavy asa mendrika.”(…).
Je m’adresse, d’abord, à toutes les femmes de Maroantsetra. Vous êtes bénies de Dieu car vous vivez dans une des régions la plus fertile et la plus productive de Madagascar. Que cette position privilégiée vous donne des ailes afin d’être des exemples pour toutes les agricultrices de Madagascar. Prenez votre destin entre vos mains ; poursuivez votre volonté de fructifier la terre pour devenir les icônes de l’agriculture pour toutes les régions de Madagascar. Toutefois, comme on ne construit pas une maison toute seule, une femme ne peut prétendre tout faire sans l’homme dans le cadre du développement du pays, ni dans le foyer, pas plus qu’au sein de la société où nous vivons respectivement. Il est incontournable sinon impératif que nous nous entraidons. Aussi le slogan choisi par le ministère de la Population et des Affaires sociales, ne l’a pas été par hasard : « Femmes et Hommes ensemble dans une entraide pérenne pour le développement social". (...) Ce qui signifie que les Femmes et les Hommes devront avoir la même place selon les mêmes critères. Et il existera toujours un équilibre, sinon un équilibre certain si l'un des genres est privilégié au détriment de l'autre. Cela amènera toujours un certain vide au niveau de la productivité. Et c'est pourquoi les Nations Unies ont choisi le thème suivant : Egalité des droits dans l’Education, la Formation, les Sciences et les Technologies pour que les Femmes puissent accéder à un travail décent ».
Nisy ihany koa ny fampaherezana nataon-dramatoa Mialy Rajoelina, ka nilazany fa tsy tokony hitolefika sy tsy tokony hosakan’ny hoenti-manana sy ny anjara asa, fa na inona na inona toerana misy anao, na mpikarakara tokan-trano ianao, na mpamafa làlana , na mpivarotra na mpiasa birao, dia ny lamina apetrakao sy ny lanjanao eo anivon’ny fiarahamonina no maha izy anao sy tokony ataonao, fa tsy ny toe-tsaina handresy anao akory. Nohamafisina koa fa : " Zava-poana ihany ny fankalazana toy intony raha ao anaty ny andro iray ihany no hanomezan-danja ny Vehivavy fa tokony ho hita taratra isan’andro izany ” (…).
Madame Mialy Rajoelina a poursuivi avec des mots de réconfort mais aussi d’encouragement : Vos sources de revenus ne doivent pas être un facteur de blocage pour que vous puissiez avoir votre part de soleil. Que vous soyez femme au foyer, ou balayeuse de rues ; que vous soyez vendeuse ou bureaucrate, c’est la manière dont vous gérez votre vie et votre notoriété qui vous donnent votre propre personnalité au sein de la société, et non un esprit de vaincue. Puis, elle a souligné que ce genre de célébration ne serait que du vent si elle ne se limitait qu’à un jour. La Journée des Femmes devait être célébrée tous les jours de l’année pour mieux apprécier les résolutions prises.
Ramatoa Nadine Ramaroson miomana hanao famolen-kazo
Ny minisitry ny Mponina, Ramatoa Nadine Ramaroson kosa dia nanasongadina ny anjara toeran’ny minisitera tantaniny eo anatrehan’izao fankalazana izao, ary indrindra ny lafiny sosialy izay mitana anjara toerana lehibe eo anivon’ny fiarahamonina. “ Tolona mbola mila ezaka ny fankalazana toy izao fa mbola maro ny zo izay tokony hampiarina toy ny zo hafahana miasa, miala sasatra, ny fametrahana ny mira lenta ”. Nanentana ny rehetra Ramatoa minisitra, ny handray andraikitra ho fitantanana ny fiainan’ny rehetra. Namarananan-dRamatoa minisitra ny lahateniny dia ny fanolorana ny hira vaovao natokana amin’izao 8 Mars izao , izay mitondra ny lohateny hoe : “ Ry vehivavy mitsangana amin’izay”, noforonin’ny fikambanan’ny vehivavy ao Befandriana Avaratra .
La ministre de la Population et des Affaires sociales, Nadine Ramaroson, a rappelé le rôle que joue son ministère dans la célébration de cette Journée internationale des Femmes, particulièrement dans le volet social qui constitue la pierre angulaire dans la vie en société. « C’est une lutte qui demande énormément d’efforts car il y a encore de nombreux droits qui ne sont appliqués, comme le droit au travail, le droit au repos, l’égalité des genres. La ministre a demandé que toutes prennent leurs responsabilités afin de prendre leur destinée en mains. Puis, elle a terminé son discours en présentant la chanson spécialement dédiée pour ce 8 mars 2011. Intitulée : « Femmes, c’est le moment de nous lever », elle a été composée par les associations de femmes de Befandriana Nord.
« Vehivavy sy lehilahy miara-mientana hatrany ifotony ho fampandrosoana ny sosialim-bahoaka ». Io lohahevitra io dia misakira ny sain'ny rehetra mba hibanjina ny ezaka tokony atao, fa ity distrikan'i Maroantsetra ity no hita fa tenamanankarena, satria hita ao avokoa ny vokatra mampidi-bola toy ny lavanila, vary, jirofo sy ny afa ihany koa.
« Egalité des droits dans l’Education, la Formation, les Sciences et les Technologies pour que les Femmes puissent accéder à un travail décent ». Ce slogan doit inciter toutes les femmes a redoubler d’efforts car ce district de Maroantsetra est dotée de terres fertiles permettant des cultures à haut taux de revenus si l’on ne cite que la vanille, le riz, le girofle et bien d’autres produits qui y poussent.
Ny maraina moa dia fambolen-kazo no natao narahina karnavaly teo an-tanàna-dehibe nizotra nankany amin'ny kianja filalaovam-baolina nandraisan'ireo fikambanana vehivavy miisa 200 manerana ny kaominina 18 anjara. Nisy ny fitsidihana ireo tranoheva nampiranto ny asan’ireo fikambanam-behivavy ireo.
La matinée de ce 8 mars à Maroantsetra, ce fut un grand reboisement suivi d’un carnaval à travers toute la ville jusqu’au stade, avec la participation de 200 associations de femmes issues des 18 communes formant le district. Puis, il y eut la visite des stands où étaient exposés tous les travaux(manuels) effectués par ces associations femmes
Jeannot Ramambazafy
Photos : Andry Rakotonirainy