Famerenenana ny Hasina maha Malagasy. Izay no tena tanjona nentina amin’ity fankalazana ny Taom-baovao Malagasy ity. Nisy araka izany ny dingana natao dia : ny Fidiovana, ny Tsodrano ary ny Santatra. Ireo no Telo mahamasanahandro diavina amin’ny fanamarihana. Nisy ihany koa ny Afo tsy maty izay manambara fahazavana ao anatin’ny aizina ary midika fanazavan’Andriamanitra. Ny taranaka ihany, araka ny tantara, no afaka mandrehitra indray ity afo tsy maty ity. Teny Ambohidrabiby rahateo no nananterahina ny firehetan’ity Afo tsy maty ity izay niainga teo Andohalo nipaka hatrany amin’ny Rovan’ ny Manjakamiadana.
Raha tsahivina dia saika isan-taona  no hanamarihana ity taom-baovao Malagasy ity, ary nezahina hampahafantarina ny taranaka fara-amandimby, mba tsy sanatria ho toy ny valalan’alika ka ny tompony indray no tsy tia. Tsikaritra mantsy fa maro loatra,indrindra ny tanora, no tsy mahalala ny momban’izany fomba Malagasy izany, izay tafiditra ao anaty ity fanamarihana ny taom-baovao ity. Ary dia niezaka ny mpikarakara, indrindra ireo taranak’Andriana sisa tavela mamelomaso izay fomba izay no sady mampahafantatra ny zava-fonosiny ny famerenana izay Hasin’ny maha Malagasy izay. Raha tamin’ity taona ity no jerena dia tsapa fa tafita izay hafatra sy ny vontoatin’ny fankalazana izay satria maro ireo mpianatra avy amin’ny ambaratonga ambony no tonga teny Ambohimanga, nanadihady sy namantatra izay fomba izay. Ny tena maro tamin’izy ireo dia ny mpianatra momba ny fizahantany ("étudiants de la filière tourisme").
Raha hiverenana ny fankalazana ny taom-baovao, taminy 4 Aprily teo, nanomboka tamin’ny 6 ora maraina, dia notohizana teny Ambohimanga ny lanonam-pankalazana izay nosantarina tamin’ny Fafirano. Nitsofandrano izy 24 mirahalahy izay voafantina ka hanajan’ny taranaka mifandimby azy ireo. Ireto 24 mirahalahy ireto dia nomena ny anarana hoe : « LOVAHASINA ».
Izy ireto izany no hanampy amin’ny fikarakarana ny taom-baovao Malagasy manerana ny Nosy amin’ny taona manaraka, ka na iza na iza te-hanamarika izany dia izy 24 mirahalahy ireto no any afaka manatanteraka ny fombafomba samihafa.
« Ny Hasin’ny Fitiavan-tanindrazana no tsy maintsy tandrovan’izy ireo », hoy indrindra ny filoha ny Trano koltoraly malagasy, Andriamatoa Randrianjatovo Henri. Tsy ireo ihany anefa no nitsofandrano fa teo koa ireo olona samihafa tonga tenyAmbohimanga. Anisan’izany ny Minisitra vaovao, Ramatoa Eléonore Johasy izay misahana ny Tanora sy Fialamboly.
Singanina manokana eto Ramatoa Nadine Ramaroson, Minisitry ny Mponina sy ny Raharasha sosialy izay nasaina manokana.
Taorian’ny Fafirano no nanantanterahina  ny fiaraha-misakafo amin’ny fomban-drazana dia ny vary tondrahan-dronono sy tantely. Tsy tonga dia nohanina anefa izany fa nisy aloha ny vavaka fangatahana ary alaina amin’ny sotro ny vary izay efa niaro tantely dia tazomina eo ambonin’ny loha rehefa vita ny fangatahana dia tsy averina am-bilia intsony ny vary tamin’ny sotro iny fa tonga dia hohanina.
Ny Ministra Eléonore Johasy (eo amin'ny sary ambony) dia nanasongadina ny tokony hitandrovana mafy ny fomba Malagasy, izay nilazany ihany koa fa hankalazana manerana ny nosy no sady tokony atao isan-taona. Marihana fa Alahamady volana voalohany amin’ny Fanandroana no hanamarihana izany. Fa na izany aza dia mbola miteraka adihevitra eo amin’ny maro ny daty hoentina hanamarihana azy ity.
Na izany aza dia ireto ny datin’ny Tsinam-bolan’ny taom-baovao Malagasy manaraka :
23 Martsa 2012: 3 ora sy 39 mn hariva
11 Martsa 2013: 10 ora sy 52 mn alina
30 Martsa 2014: 9 ora sy 46 mn alina
20 Martsa 2015: 12 ora sy 36 mn atoandro
10 Martsa 2016: 4 ora sy 55 mn maraina
28 Martsa 2017: 5 ora sy 58 maraina
Ny Benin’ny tanà nan’Ambohimanga moa dia nilaza ny faniriany ny hitohizan’ity fanamarihana ity toa izao, izay porofo iray fa mbola voatazona ny Kolontsaina mampiavaka ny Malagasy.
Satria mampalahelo tokoa anie fa ankehitriny dia tsy hita firy intsony ireo lalaon-drazana samihafa. Eny, na rehefa fetim-pirenena aza dia tsy ahitana ireo lalao nentim-paharazan’ny Malagasy toy ny : katro sy ny fanorona. Efa mba nisy ihany ny Federasiona misahana azy ireo, saingy tsy dia re loatra ankehitriny, hany ka toa zary tsy fantatrin’ny ankamaroan’ny tanora ankehitriny ireo lalaon-tsaina (“jeux de stratégie”) ireo. Tsy mahagaga raha toa ka ireo izay mbola mitazona ireto lalao ireto ihany no matetika mahazo na mazoto milalao azy, ka eo aminy “Pergola” Antaninarenina sisa no toerana hahitana azy ireo. Mety misy ihany koa indraindray eny amin’ny sisin-dalana eny ny mpilalao fanorona fa ny zava-misy aloha dia tsy hita miaka-tsehatra ambonimbony izy io.
Ny hirariana moa dia mba amin’ny fety malaza samihafa na koa any amin’ireo tsenabe samihafa malaza eto Madagasikara, dia tokony hasongadina ny lalao Malagasy toy intony.
Soa ihany aloha fa mbola teo ny taom-baovao Malagasy nanome endrika fa tsy mbola maty tanteraka izany katro sy fanorona izany eto amintsika, fa azo hilalaovana tsara, ary dia ireo lalao ireo rahateo no nentin’ny Trano koltoraly malagasy nampanaovana fifaninana.
Ny fizarana ny loka azon’ireo mpifaninana moa dia nozaraina io 4 Aprily teo teny Ambohimanga. Ka tao ny nahazo solosaina, radio misy “karaoke”, famakiana VCD, sns. Ny nahafinaritra no sady taratry ny tokony hamelomana indray ireto lalao ireto ihany koa ny fahamaroan’ireo nandray anjara izay nahatratra zato.
Nofaranana tamin’ny fizarana mari-pankasitrahana ho an’izy 24 mirahalahy izay ao anatin’ny “Lovahasina” ny fotoana tamin’io 4 Aprily 2011 io.
Jeannot RAMAMBAZAFY sy Andry RAKOTONIRAINY – 5 Aprily 2011