Ny sary rehetra mandravaka ity lahatsoratra ity dia nalaina teo Mahamasina, tamin'ny Alakamisy 28 Febroary 2013. Mbola ho avy ny vidéos mirakitra ireo tranga niseho tamin'io andron'ny tsena io. Mahareta kely, Tompoko, aza fady.
Nisy ny tonga, nisy ny tonga tara, fa mbola betsaka ny mety ho avy. Fi'zay tsy tonga kosa, dia aleho hitan'ny havany eo satria dia tsy afaka hifanaraka afa-tsy amin-dry zareo samy irery. Dia hitan'izao tontolo izao iza marina ireo mpanao politika ireo... Raharaha malagasy ity ka dia natao amin'ny teny Malagasy. Mbola tsy lazaina eto ny anaran'ireo eo amin'ny sary. Tsy ho fantatrareo ve e ?
Vonona hifanandrina aminâireo mpikatroka politika ny ekipan-Drajao aminâny lalao baolina kitra « Grand match de FAIR-PLAY ». Taorianâny fandresena indroa misesy nifandonanâireto ekipanâny "Malokâila" ireto, taminâireo tomponâandraikitra ara-panjakana sy tsy miankina tany Makajanga sy Toamasina, dia naneho fahavonana indray izy ireo hampiakatra an-kianja ireo mpanao politika tsy an-kanavaka, ka sahy hifandray Tanana, ny Alahady 10 mars 2013 etsy aminâny Kianjabenâny Mahamasina.
Ny « Grand Match de FAIR-PLAY » dia hetsika ara-panatanjahan-tena vaovao novokarinâny SCOOP digital mba hanomezana fialam-boly hafa noho ny fahita mahazatra. Nahitana fahombiazana tokoa izy ity, satria maro taminâireo mpankafy Malokâila sy mpitia baolina kitra no tsy tafiditra tany Mahajanga sy Toamasina.
Azo antoka arakâizany fa ho hipokâolona indray Mahamasina aminâny 10 marsa izao, satria ankoatranâny lazanâny mpilalao sarimihetsika ao aminâny Malokâila dia ahaliana ny mpijery ihany koa ny ahita ireo mpanao politika handrafitra ekipa iray ka hiaro tsatokazo iray ho fanehoana ny « FAIR-PLAY ».
Ankoatra ireo mpanao politika dia hifampitady aminâny mpilalao sary mihetsika vehivavy ihany koa aminâio fotoana io, mandritra ny lalao fanokafana, ireo vehivavy mpiangaly ny mozika mafana. Ireto farany moa izay hita ho tena manana tanjaka, raha tsy hiteny afa-tsy ny fahitana azy ireo eny an-tsehetra. Tsy nikoso-maso manoloana izany koa ry Raly sy ny ekipany, satria efa niroso taminâny fanazaran-tena izy ireo.
Scoop digital sy Jeannot RAMAMBAZAFY (Sary),
niampy an'i Ravelo