Ireo sary rehetra tsy misy hoe www.madagate.com ato dia avy any amin’ny ambasady amerikana eto Madagasikara
Toa ny mahazatra, hatramin’izay nahatongavan’i Brett Bruen teto Madagasikara, dia tsy nahazo fanasana izahay ato amin’ny madagate, tamin’ny fanamarihina ny tsingerin-taona faha-237 nahazoan’i Etazonia ny Fahaleovantany.
Tsy mampaninona izany. Kanefa tsy manakana anay tsy anao ny asanay, izay mifototra amin’ny fanomezana vaovao ho anareo mpamaky. Indro ary ny Kabarin’i Eric Wong, Mpiandraiki-draharaha. Na izany koa aza, nahazo sary ihany izahay e... Farany : marihina fa raha ny 4 Jolay no tena datin’ny hoe “Independence Day”, dia androany 3 Jolay 2013 no nankalazana izany. Mazava fa hikatona ny ambasady amerikana ny 4 Jolay 2013 manontolo. Tsy mitomany asaina izahay fa mahagaga fotsiny ity sivana ity avy amin'ny firenena iray miseho manaja fatratra ny zon'ny mpanao gazety sy ny falalahany manoratra sy miteny. Sa io ilay taratry ny hoe : "NOTHING HURTS LIKE THE TRUTH" ? Marina daholo izany ny fanadiadiana nataonay mikasika an'i Brett Bruen, ny praograma fitsikilovana Prism sy ny lainga afafy mikasika ny zon'olombelona eto Madagasikara. Aiza re izany ry Bekintana ô ?
Izany ny olona manaja ny sainy. N'iza n'iza mpitondra ao aminy. Ary tsy niova io saina io nanomboka ny taona 1776, fa ny kintana eo aminy no nitombo
Manandafy Rakotonirina. Itony no atao hoe mpanao politika gasy tsy misy hazon-damosina. Ny an'ny tena tsy hajaina fa ny an'ny afa lolohavina an-tampon'ny loha. Aza gaga raha angataka zom-pirenena amerikana ilay io. Asa anefa raha mba hahazo izany satria fantatra fa mpamadika palitao ikoizana
Ny fahatongavan'i Me Hanitriniaina Lobo Razafimanantsoa dia tsy atao mahagaga. Ny azy afa mihitsy ny zom-pireneny sy ny lokon'ny sainy ary afa ny andriamanitra tompoiny
Mamy Rakotoarivelo. Ny tsy nahatongavany no tena fahagagana
Eo ampovoany: ny namana Zo Rakotoseheno, Talen'ny famoahana lahatsoratra ao amin'ny gazety Midi Madagasikara. Atao ahoana fa io ambony ny Big Boss (Mamy Rakotoarivelo). Voadaka eo, kanefa efa mba ela no niasa tao
Béatrice Jeanine Atallah, Filohan'ny CENI-T. Fangaha moa nanome vola ny Amerikana r'itony a ?
Mpanao gazety nosivanina manokana. Toa omby ao anaty vala anefa no anjarany
Chorale tompo-toerana hatramin'izay
Chorale gasy. Atao ahoana fa eo ilay "tano ny azo fa sarotra ny mitady e!"
Jeannot Ramambazafy
**************************************
KABARIN’ATOA ERIC WONG, MPIANDRAIKI-DRAHARAHA
NANDRITRA NY FANAMARIHANA NY
TSINGERIN-TAONA FAHA-237 NAHAZOAN’I ETAZONIA FAHALEOVAN-TENA
3 JOLAY 2013
“Andriamatoa sy Ramatoa isany, Masoivoho sy Mpiandraiki-draharaha,
Ianareo vahiny manan-kaja,
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Amin’ny anaran’ny Masoivoho Amerikana eto Antananarivo, dia fifaliana ho ahy ny miarahaba anareo tonga soa amin’izao lanonana fankalazanana ny Fetim-pirenena Amerikana izao, anamarihana indrindra ny tsingerin-taona faha-fito amby telopolo sy roanjato niorenan’i Etazonia.
Voalohany indrindra dia mamelà ahy hianareo hamaky ampahany fohy tamin’ny hafatra nomen’ny Filoha Barack Obama ho an’ny Fetin’ny 4 Jolay, ary navoakan’ny Maison Blanche halina. Hoy indrindra ny Filoha Obama:
“Rehefa tonga ny Fetim-pirenena Amerikana, dia indreo isika mankalaza ny zava-bitan’ireo tia tanindrazana feno fahasahiana, izay nanao sonia fanambarana iray ka nitarika revolisiona nanafaka antsika. Tsy mbola fantatr’ireto tia tanindrazana ireto akory ny tena endrik’ilay demokrasia nimatesany tamin’ny taona 1776, saingy tsy niady tamin’ny jadona nataon’ny mpanjaka iray izy ireo mba hahafahan’ny olom-bitsy hanjakazaka na ny namana akaiky hahazo tombony manokana. Ny nentin’izy ireo dia governemanta avy ao amin’ny vahoaka, najoron’ny vahoaka sady miasa ho an’ny vahoaka, ka nankinin’izy ireo tamin’ny taranaka tsirairay ho avy ny fitandroana ilay velirano nijoroana.
“ Ny maha-Amerikana antsika dia ny fijoroantsika hiaro foto-kevitra iray... milaza fa mitovy isika rehetra. Izany hevitra izany no mbola mibaiko antsika, ary manosika antsika hitondra ny fanilo sarobidin’ny fahafahana ho any amin’ny ho avy mbola tsy fantatra.”
Izany tenin’ny Filoha Obama izany dia ahatafarana tsara ireo soatoavina nohindrahindrain’i Etazonia hatramin’ny niforonany tamin’ny taona 1776. Anisan’izany ny fiankinana amin’ny tanjaky ny demokrasia sy ny lamina demokratika; fiankinana amin’ireo zon’olombelona fototra; ary fiankinana amin’ny fitovian’ny rehetra manoloana ny lalàna.
Marina fa mandrafitra ampahany manan-danja ao amin’ny tantaran’i Etazonia sy ny maha-izy azy ny Amerikana ireo soatoavina ireo, ankehitriny kosa dia efa eken’ny firenena maro maneran-tany ny fahamarinany. Tsy latsa-danja amin’izany ny vahoaka Malagasy. Ny fiarovana ny demokrasia, ny zon’olombelona fototra ary ny fitoviana manoloana ny lalàna, no tokony ho tanjon’ireo mitady vahaolana ho an’ny disadisa politika eto Madagasikara. Mbola soatoavina Amerikana fototra iray koa ny fiankinana amin’ny tanjaky ny fitondrana mijoro araka ny lalàm-panorenana, soatoavina izay ankamamian’ny vahoaka miaina fahafahana rehetra maneran-tany. Nandritra ny tantaran’i Etazonia iray manontolo, dia iray ihany ny Lalàm-panorenana nisy, dia ilay vita sonia voalohany tamin’ny taona 1789—io ilay Lalàm-panorenana miantomboka amin’ny teny hoe “Izahay Vahoaka.”
“Izahay vahoaka.” Io fehezan-teny io, mihoatra ny noho ny fehezan-teny rehetra hafa, no namaritra an’i Etazonia. Olona an-tapitrisany no nahazo hery tamin’io fehezan-teny io, ary io fehezan-teny io ihany koa no ivo ifotoran’ny asa ataonay eto Madagasikara. Mino izahay fa ilaina ny mampiasa vola ho an’ny mponina eto amin’ity firenena ity, ka mba ho ny Malagasy no hanapa-kevitra ny amin’izay ho endriky ny ho aviny.
Mamelà ahy ary ianao hanao fanamarihana vitsivitsy momba ny fifidianana eto Madagasikara.
· Voalohany indrindra, toy ireo mpiara-miombon’antoka hafa ao anatin’ny Groupe de Contact International ho an’i Madagasikara, ny tanjon’i Etazonia dia ny hitsaharan’ny olana ara-politika sy ara-toe-karena izay nandrava ity firenena ity hatramin’ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009. Ny hany làlana ivoahana amin’izany dia ny fifidianana malalaka, ara-drariny ary mangarahara, araka ny vinavina ao amin’ny Tondrozotra tohanan’ny SADC.
· Faharoa, raha tiana hahomby ny fifidianana, ankoatry ny fanomanana ara-teknika dia tokony hisy tontolo ara-politika ahitana fanajana ny fahalalahan’ny fanehoan-kevitra sy famoriana olona, ahitana mpanao gazety afaka mampita vaovao ka tsy hatahotra sazy, ary ahitana manam-pahefana manabe voho ny zon’olombelona sy ny fanjakana tsara tantana.
· Fahatelo, ny disadisa ara-politika miverina lava eto Madagasikara dia matetika vokatry ny fifidianana tsy eken’ireo mpandray anjara misongadina nefa nahatsapa voailikilika tao anatin’izany. Noho izany dia tohanan’i Etazonia ny rafi-pifidianana izay manaiky ny fandraisana anjaran’izay mpirotsaka hofidiana rehetra mahafeno ara-dalàna sy ara-drariny ny fepetra takian’ny lalàna manan-kery eto Madagasikara, ary mifanaraka amin’ny vontoatiny sy ny hevitra nandrafetana ny Tondrozotra tohanan’ny SADC.
· Farany, tsy i Etazonia mihitsy no hitsara mialoha izay ho vokatry ny fifidianana. Tohananay ny zon’ny vahoaka Malagasy hifidy ny mpitondra azy ao anatin’ny fifidianana malalaka, ara-drariny ary azo ekena; ary tohananay ny ezaka ataon’ny SADC hahitana vahaolana azo itokisana sady mampandray anjara ny rehetra hamahana ny olana ara- politika eto Madagasikara.
Mijoro eo akain’ny vahoaka Malagasy hatrany i Etazonia. Ao anatin’ny krizy no iezahanay itondrana fanantenana. Mitondra fanantenana ho an’ity firenena ity izahay amin’ny alàlan’ireo Volontaire avy amin’ny Corps de la Paix miisa 150, izay mahay miteny Malagasy ary monina eto mandritra ny roa taona mba hanatontosa tetik’asa ho an’ny isan-tanàna manerana ny firenena. Mitondra fanantenana izahay amin’ny alàlan’ny fanomezana fanampiana mivantana ny mponina eto Madagasikara mihoatra noho ny ataon’ny firenena hafa na iza na iza, hanamafisana orina ny fanjariana ara-tsakafo sy ny fiadiana amin’ny loza entin’ny tazomoka amin’ny alàlan’ny
Birao Amerikana misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID) sy ny Ivon-toerana ho an’ny ady amin’ny areti-mifindra (CDC). Mitondra fanantenana izahay amin’ny alàlan’ny fanampiana amin’ny fanabeazam-boho ny hatsaran’ny natiora sy ny harena voajanahary ananan’ity firenena ity, amin’ny alàlan’ireo hetsika fanentanana momba ny tontolo iainana. Mitondra fanantenana izahay amin’ny alàlan’ny fanampiana ny tanora, ny mpanao gazety ary ny fiaraha-monim-pirenena ho afaka mampiasa ireo zava-baovao sy teknolojia farany indrindra any amin’ireo foibe ara-kolotsaina sy ara-tserasera mivantana manerana ny firenena.
Izany vina feno fanantenana ho an’ny harena ananan’i Madagasikara izany ihany koa no manosika ny maro eo amin’ny sehatry ny fandraharahana. Koa mamela ahy hianareo hanararaotra izao fotoana izao hanehoana fankasitrahana ho an’ny mpanohana maro malala-tànana nanampy tamin’ny fanatontosana izao lanonana ho an’ny 4 Jolay izao. Ny tsirairay amin’ireo mpanohana avy amin’ny sehatra tsy miankina ireo dia misolo tena orinasa, entam-barotra na raharaha Amerikana iray manokana—ary ny tsirairay amin’izy ireo dia mifampizara ilay vina hahatongavan’ny Madagasikara mitondra fahombiazana sy fandrosoana ho an’ny vahoaka Malagasy. Koa fisaorana no atolotra ny orinasa Century 21 Madagascar; ExxonMobil; Fedex/Interex SA; Henri Fraise (misolo tena ny Caterpillar); Microsoft; Teknet Group (misolo tena ny Apple Computer); ary ny World Trade Center Antananarivo.
Eto am-pamaranana, dia mino i Etazonia fa raha misy rafitra najoro teo amin’ny foto-kevitra demokratika sy ny fahatokiana tsy azo hozongozonina ny amin’ny ho avy, dia azon’ny vahoaka Malagasy atao ny manorina ho avy vaovao ho an’ity firenena ity. Azo antoka aloha fa hitohy hatrany ny fampiasanay vola ho an’ny vahoaka Malagasy.
Ho avy miorina amin’ny foto-kevitra hoe “Izahay vahoaka.” Raha mampiasa vola ho an’ny taranaka ho avy mantsy isika, raha toa mampirisika ny hafa hahatakatra ilay vina ho an’i Madagasikara miorina amin’ny harena kobonin’ny ho avy -fa tsy amin’ny olana nentin’ny lasa- dia azo antoka fa hitondra fanantenana, fanavaozana ary tombontsoa izany ho avy izany.
Mirary ny soa rehetra ho anareo amin’izao fotoana ankalazantsika ny fahaleovan-tenan’i Amerika- sy ny ho avin’i Madagasikara izao.
Misaotra Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy.”