Notanterahina ny Sabotsy faha-27 ny volana Febroary 2016 ny fambolen-kazo niarahana tamin’ireo mpikambana MAPAR eto Ampitatafika, Antananarivo Atsimondrano.
Toerana. Tao Ambohipamonjy, fokontany Faliarivo toerana voatokan’ny kaominina hajariana amin’ny fambolena ireo hazo mba hiarovana ny tontolo ianinana. Zanaka hazo aman-jatony maro, « kesika sy kininina », no voavoly tao anaty ny fiaraha-mientana teny ifotony. Ny fitiavana tokoa no lehibe indrindra, hoy ny teny filamatra noventesina teny.
Tafiditra indrindra ao anatin’ny tarigetran’ny Mpiakambana MAPAR izany satria, ny Manorina sy Manangana ary Mamboly, dia sady ho fitsinjovana ny zanaka amam-para no fitandrovana ny totolon-javaboary izay tena miha potika tokoa ankehitriny, araka ny fanazavan’i Atoa Robert Rakotozafy, Mpitarika ny MAPAR ao Ampitatafika.
Nandray anjara mavitrika tamin’ity hetsika ity koa ireo mpikambana ao anivon ny Birao Nasionaly MAPAR sy ireo tompon’andraikitra maro ary ny olom-boafidy, Solombavambahoakan’i Madagasikara.
Andriamatoa Augustin Andriamananoro, Filoha lefitra nasionalin’ny MAPAR no nitondra ny fisaorana ho an’ireo nasaina sy nanotrona iny fambolen-kazo iny.
Isan’izany ny Solombavambahoakan’i Madagasikara Naivo Raholdina nisolo tena ireo olom-boafidy tonga teny an-toerana.
Manorina sy Manangana ary Mamboly Fa ny Fitiavana no lehibe indrindra
Jeannot Ramambazafy
TEAM MADAGATE.ORG