Notontosaina ny Alahady 20 Oktobra 2019 lasa teo, ny lanonam-pamaranana ny fanatanjahan-tena an-tsekoly (âSport scolaireâ) andiany faha-27, izay nampitondraina ny anarana hoe « SorongĂŽla », natao tao aminâny Renivohitrâi Toamasina, faritra Atsinanana. Naharitra fito andro ny hetsika, dia ny 14 Oktobra 2019, ka hatraminâny 20 Oktobra 2019 teo, ary nahitana ny fandraisanâireo mpianatra avy taminâireo faritra miisa 23 anjara. Taranja ara-panatanjahan-tena maro, no natao taminâizany, toy ny volley-ball sokajy zazavavy sy zazalahy ; ny taranja baolina kitra, izay nahitana sokajy zazavavy sy zazalahy ihany koa. Teo koa ny taranja « AthlĂ©tisme ».
Sabotsy 19 Oktobra ny lalao famaranana teo aminâny taranja baolina kitra lahy sy vavy, taminâity fanatanjahan-tena an-tsekoly ity. Nahazo ny voalohany teo aminâny sokajy zazavavy ny avy aminâny DRENETP Analanjirofo, faharoa ny DIANA, ary fahatelo Boeny. Sokajy lehilahy indray dia ny DRENETP Atsinanana no nahazo ny amboara, faharoa Boeny, ary fahatelo ny Atsimo Atsinanana. Teo aminâny taranja Volley-ball zazavavy indray, norombahinâny DRENETP Boeny ny amboara, faharoa AnĂŽsy, ary fahatelo Analamanga. Teo aminâny sokajy zazalahy: ny DRENETP Atsinanana, faharoa Vakinankaratra, ary fahatelo ny ekipanâi Atsimo andrefana. Lalao izay natao tao aminâny « Centre RĂ©gionale de la Jeunesse et des sports » (CRJS).
Ny DRENETP Sofia Antsohihy, no handray ity lalao ity aminâny taona 2020. Nandritra ny lanomam-pamaranana teo anoloanâny Tranobenâny Faritra atsinanana, no nanambaranâny minisitra, fa fahombiazna tanteraka ny taminâiny andiany faha-27 teo iny. Isany nisalahy taminâizany ny teo anivonâny fianakaviam-benâny minisitera tao Atsinanana, ny Fitondram-panjakana, izay notrononâny vahoakanâi Toamasina. Tratra ny tanjona hoy izy. Nankahery ireo resy nandritra ny lalao ny minisitra Volahaingo Marie ThĂ©rĂšse, mba hanao bebe kokoa aminâny taona manaraka. Namporisika hatrany ireo naharesy koa ny tenany. Isany nanohana ity hetsika ity, ny minisiteranâny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena, ny Orinasa sy Banky vitsivitsy ao an-toerana, izay nisaoranâny minisitra.
Nandritra ny fandraisam-pitenenanâireo Solombavambahoaka sy solontenam-panjakana tao an-toerana tonga nanotrona ity lanonam-pamaranana hetsika âSorongĂŽlaâ ity, no nilazanâizy ireo, fa henin-kaja sy henim-boninahitra ny Renivohitrâi Toamasina. Nolazainâizy ireo koa fa tokony hotohizana hatrany ny hetsika toy izao, hamporisihana ireo ankizy sy tanora mba tsy hirona amin-javatra hafa. Ny fanatanjahan-tena an-tsekoly mantsy, hoy izy ireo, dia mampitombo sy mampivelatra ny vatana sy fahalalanâny ankizy, ary hampivelaranâizy ireo ny maha izy azy. Tsy nisy loza sy ny sampona nandritra ny lalao âSport scolaireâ teo iny. Hananana vatana tomady sy saina salama, ny fanatanjahan-tena, hoy ireo Solombavambahoaka miarahalahy. Teo aminâny classement gĂ©nĂ©ral, dia ny tao aminâny DRENETP, no nahazo ny voalohany taminâireo lalao rehetra nifaninanana, avy taminâny nahazoanâireo mpianatra medaly maro. Ny sehatra toy izao koa, no hahafahana mitaratra ireo ho solofonâny ekipam-pirenena Malagasy atsy ho atsy, hoy ireo depiote.
Andry Rakotonirainy