******************************************
DINIKA NOSY MALAGASY
Kabarin'Andriamatoa Christian Ntsay
Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta
CCI Ivato, 11 Desambra 2019
Andriamatoa Filohanâny Repoblikanâi Madagasikara,
Andriamatoa Filohanâny Repoblika teo aloha, Amiraly Didier Ratsiraka,
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Tontosa soa aman-tsara ny fikaonandoham-pirenena mikasika ireo nosy malagasy, araka ny toromarika avy aminao Andriamatoa Filoha. Naniry tokoa mantsy ianao Andriamatoa Filoha ny mba hihaino ny feonâny vahoaka Malagasy tsy vaky volo satria zava-dehibe loatra izay rehetra mahakasika ny fiandrianam-pirenenanâi Madagasikara malalantsika. Dinika nosy malagasy « ampitao ny hevitrao », izay no antso nataontsika taminâny vahoaka Malagasy manerana ny nosy, ary maro tokoa ireto mpiray tanindrazana nanohina ny antso. Nizotra am-pilaminana sy am-pirahalahiana ny fifanakalozana rehetra, eny samy manana ny fijeriny ny mpandray anjara, kanefa ny hevitry ny maro mahataka-davitra ary ny zava-dehibe dia ny namelĂ na ny tsirairay haneho izany an-kahalalahana.
Nohenoina ny hevitry ny rehetra ka naravina ho lasa antontan-kevitra azo trandrahina sy azo ampiharina. Araka ny nambarako taminâny lanonam-panokafana dia sambany teo aminâny tantaram-pirenena no nisy fiantsoana olom-pirenena sy famondronana ny lafin-kery rehetra mba hiara-hidinika ny momba ireo Nosy ireo. Tiako ny mbola manamafy amintsika hatrany fa izao no tanteraka dia noho ny finiavana avy aminao Andriamatoa Filoha, dia ny hampiray ny vahoaka Malagasy manoloana ny fanamby goavana miandry antsika, dia ny famerenena ireo nosy ireo eo ambany fiandriananâi Madagasikara.
Andriamatoa Filoha,
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Aminâny ankapobeny dia azo lazaina fa tsapanâny mpizaika rehetra ny maha-zava-dehibe ny asa natao teto tao anatinâny fifanajana sy firaisam-po no nanatanterahina ny dinika rehetra ary dia manolotra fisaorana eram-po eran-tsaina anâireo mpandray anjara rehetra ny tenako taminâny fahendrena nasehonareo ka nahatongavana soa aman-tsara aminâizao fotoana famaranana anâizao dinika izao. Ny firenena iray manontolo tokoa, tsy nanavahana na iza na iza no niara-nisalahy sy niara-nientana koa nampiseho teo imasonâizao tontolo izao, ny fitiavan-tanindrazana sy ny firaisan-kina ary indrindra ny fahasahiana sy ny fijoroana ho fitakiana ny rariny sy izay heverina fa zony sy anjaranâny vahoaka Malagasy.
Andriamatoa Filoha,
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Araka ny hita sy tsapa dia nahitam-bokatra nahavelom-bolo ary mahakasika ny sehatra maro ny fifanakalozan-kevitra notanterahina teto nandritra izay telo andro izay. Ampahatsiahivina fa niisa efatra ny atrikasa notanterahina ka niompana indrindra taminâny fifandraisanâireo nosy ireo aminâireto lohahevitra ireto: ny fivelomanâny Malagasy, ny taranaka mifandimby, ny fandriampahalemana ary ny fiandrianam-pirenena.
Raha haravona ireo hevi-devibe taminâity fihaonana ity dia nivoitra ny fitakiana ny hamerenena ny fiandrianam-pirenena Malagasy aminâny vondronâny nosy Sambatra, ny nosy Kely, ny nosy Bedimaky ary ny nosy Ampela. Mahatsapa ihany koa ny rehetra fa izany fitakiana izany dia mila fandraisana andraikitra avy aminâny Malagasy tsy vaky volo sy isanâambaratongany. Voalohany aminâizany ny serasera sy ny fanentanana, hampahafantarana bebe kokoa ny mpiray tanindrazana ireo nosy ireo.
Isanâny soson-kevitra natolotry ny mpizaika ihany koa ny fampidirana ireo nosy ireo ao aminâny LalĂ mpanorenena, ao aminâny fandaharam-pampianarana, ao aminâny saritaninâi Madagasikara sy ny fampiasana izany aminâny filazana ny toetry ny andro.
Eo aminâny sehatra ara-diplomatika, dia mihevitra ny mpizaika fa tokony ho dinihina sy faritana indray ny fifandraisana sy ny fomba fiaraha-miasa aminâny firenena hafa sy ny fikambanana iraisam-pirenena sasany ka himasoana ny tombotsoa amboninâny tanindrazana, tanin-janaka. Homena laharam-pahamehana araka izany ireo mpiara-miombonâantoka manaja ny fiandrianam-pirenentsika.
Ao aminâny sehatra diplomatika izay ihany, dia natsidika ny tokony hitondrana izao dinika izao eo anivonâny sehatra iraisam-pirenena. Manankarena i Madagasikara eo aminâny tontolo iainana ka mila paikady hitandroana ny zava-boahary aminâireo nosy ireo, mba hahafahana miantoka ny ho avinâny taranaka mifandimby. Hohavaozina sy hamafisina aminâny alalanâny lalĂ na mifehy ny fitrandrahana ny harena voajanahary mba ho lovain-jafy. Tokony hanana tahirin-kevitra feno mampahafantatra ireo nosy Malagasy ireo isika, ohatra aminâizany ny fanaovana tombana ara-toekarena mahakasika ireo nosy ireo.
Eo aminâny lafiny fiandrianam-pirenena kosa dia fanokanana petra-bola hikarakarana ny tany sy ny nosy ary fampitaovana ny tafika, no isanâny sosokevitra natolotra.
Andriamatoa Filohanâny Repoblika,
Tompokolahy sy tompokovavy,
Ireo no famintinana tsotsotra, ary aminâny ankapobeny, ny sokajin-kevitra nivoitra teto aminâizao fihaonana izao, saingy marihina ihany koa fa maro ireo olon-tsotra na fikambanana eto an-toerana na avy any ivelany nandray anjara aminâizao dinika izao, taminâny alalanâny fampitĂ ny ny antontan-kevitra izay nananany taminâny kaomity siantifika ary mbola raisina an-tanan-droa izay mbola maniry ny hanao izany.
Eto am-pamaranana dia manolotra ny fankasitrahana sy ny fisaorana aminâireo mpandray anjara rehetra ny tenako ary mirary antsika Malagasy mpiray tanindrazana rehetra, tarihinâAndriamatoa Filohanâny Repoblika, mba hikapa hahita ny tonony sy handidy hahita ny vaniny aminâizao ezaka iombonana izao.
Ka izao, dia voninahitra lehibe ho ahy aminâny anaranâny mpandray anjara sy ny mpizaika rehetra ny manolotra anao am-panajana, Andriamatoa Filohanâny Repoblika, ny vokatry ny asa niarahana teto aminâny fikaonan-doham-pirenena âDinika Nosy Malagasy : Ampitao ny hevitraoâ.
Misaotra tompokolahy, mankasitraka tompokovavy.